1 ULB Niara-nandry tamin'i Eva vadiny ralehilahy. Nitoe-jaza izy ary niteraka an'i Kaina. Hoy izy hoe: "Nahazo zazalahy aho noho ny fanampian'i Yaveh." BSB BSB: And Adam had relations with his wife Eve, and she conceived and gave birth to Cain. “With the help of the LORD I have brought forth a man,” she said.
2 ULB Avy eo dia niteraka an'i Abela rahalahiny indray izy. Ary Abela lasa mpiandry ondry, fa i Kaina kosa namboly ny tany. BSB BSB: Later she gave birth to Cain’s brother Abel. Now Abel was a keeper of sheep, while Cain was a tiller of the soil.
3 ULB Rehefa nandeha ny fotoana dia nitondra sasany tamin'ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Yaveh i Kaina. BSB BSB: So in the course of time, Cain brought some of the fruit of the soil as an offering to the LORD,
4 ULB Ny an'i Abela, dia ny sasany tamin'ny voalohan-janak'ondry aman'osiny sy ireo efa matavy no nentiny. Nankasitrahan'i Yaveh i Abela sy ny fanatiny, BSB BSB: while Abel brought the best portions of the firstborn of his flock. And the LORD looked with favor on Abel and his offering,
5 ULB fa i Kaina sy ny fanatiny kosa dia tsy nankasitrahany. Ka dia tezitra mafy i Kaina, ary vinitra izy. BSB BSB: but He had no regard for Cain and his offering. So Cain became very angry, and his countenance fell.
6 ULB Hoy Yaveh tamin'i Kaina hoe: "Nahoana ianao no tezitra ary nahoana no vinitra? BSB BSB: “Why are you angry,” said the LORD to Cain, “and why has your countenance fallen?
7 ULB Raha manao izay marina ianao, tsy ho hankasitrahana ve? Fa raha tsy manao izay marina ianao, dia hamitsaka eo ambaravarana ny ota ary maniry ny hibaiko anao, kanefa tsy maintsy manapaka eo amin'izany ianao. BSB BSB: If you do what is right, will you not be accepted? But if you refuse to do what is right, sin is crouching at your door; it desires you, but you must master it.”
8 ULB Niresaka tamin'i Abela rahalahiny i Kaina. Raha tany an-tsaha iny izy ireo, dia nitsangana hanohitra ny rahalahiny i Kaina ary namono azy. BSB BSB: Then Cain said to his brother Abel, “Let us go out to the field.” And while they were in the field, Cain rose up against his brother Abel and killed him.
9 ULB Avy eo hoy Yaveh tamin'i Kaina hoe: "Aiza i Abela rahalahinao?" Hoy izy hoe: "Tsy fantatro. Moa mpiandry ny rahalahiko ve aho?" BSB BSB: And the LORD said to Cain, “Where is your brother Abel?” “I do not know!” he answered. “Am I my brother’s keeper?”
10 ULB Hoy Yaveh hoe: "Inona ity nataonao? Ny ràn'ny rahalahinao dia miantso Ahy mafy avy amin'ny tany. BSB BSB: “What have you done?” replied the LORD. “The voice of your brother’s blood cries out to Me from the ground.
11 ULB Ankehitriny dia voaozona izay avy amin'ny tany, izay nanokatra ny vavany mba hitelina ny ràn'ny rahalahinao avy amin'ny tananao ianao. BSB BSB: Now you are cursed and banished from the ground, which has opened its mouth to receive your brother’s blood from your hand.
12 ULB Raha miasa tany ianao, dia tsy hamokatra ho anao izany manomboka izao. Ho mpanjenjena sy mpirenireny eny amin'ny tany ianao." BSB BSB: When you till the ground, it will no longer yield its produce to you. You will be a fugitive and a wanderer on the earth.”
13 ULB Hoy Kaina tamin'i Yaveh hoe: "Mafy mihoatra noho izay tokony ho zakako ny saziko. BSB BSB: But Cain said to the LORD, “My punishment is greater than I can bear.
14 ULB Noroahinao tamin'ity tany ity tokoa aho androany, ary hiafina amin'ny tavanao aho. Ho lasa mpanjenjena sy mpirenireny amin'izao tontolo izao aho, ary na iza na iza mahita ahy dia hamono ahy." BSB BSB: Behold, this day You have driven me from the face of the earth, and from Your face I will be hidden; I will be a fugitive and a wanderer on the earth, and whoever finds me will kill me.”
15 ULB Hoy Yaveh taminy hoe: "Raha misy mamono an'i Kaina, dia ho valiana im-pito heny aminy izany." Avy eo nasian'i Yaveh famantarana i Kaina, ka raha misy mahita azy, dia tsy hamely azy izany olona izany. BSB BSB: “Not so!” replied the LORD. “If anyone slays Cain, then Cain will be avenged sevenfold.” And the LORD placed a mark on Cain, so that no one who found him would kill him.
16 ULB Ka nandao an'i Yaveh i Kaina ary nonina tany amin'ny tanin'i Noda, any atsinanan'i Edena. BSB BSB: So Cain went out from the presence of the LORD and settled in the land of Nod, east of Eden.
17 ULB Niara-nandry tamin'ny vadiny i Kaina ka nitoe-jaza izy. Niteraka an' i Enoka izy. Nanorina tanàna izy ary nataony hoe Enoka araka ny anaran'i Enoka zanany lahy izany. BSB BSB: And Cain had relations with his wife, and she conceived and gave birth to Enoch. Then Cain built a city and named it after his son Enoch.
18 ULB Enoka niteraka an'i Irada. Irada tonga rain'i Mehojaela. Mehojaela niteraka an'i Metosaela. Metosaela niteraka an'i Lameka. BSB BSB: Now to Enoch was born Irad, and Irad was the father of Mehujael, and Mehujael was the father of Methusael, and Methusael was the father of Lamech.
19 ULB Lameka nanana vady roa ho azy: Ada no anaran'ny anankiray, ary Zila no anaran'ilay iray hafa. BSB BSB: And Lamech married two women, one named Adah and the other Zillah.
20 ULB Ada niteraka an'i Jabala. Rain'ireo mpitoetra an-day izay manana biby fiompy izy. BSB BSB: Adah gave birth to Jabal; he was the father of those who dwell in tents and raise livestock.
21 ULB Jobala no anaran'ny rahalahiny. Rain'ny ireo mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina izy. BSB BSB: And his brother’s name was Jubal; he was the father of all who play the harp and flute.
22 ULB Ary Zila kosa, niteraka an'i Tobala Kaina, mpanefy fitaovana varahina sy vy. Nama no anabavin'i Tobala Kaina. BSB BSB: And Zillah gave birth to Tubal-cain, a forger of every implement of bronze and iron. And the sister of Tubal-cain was Naamah.
23 ULB Hoy Lameka tamin'ireo vadiny hoe: "Ry Ada sy Zila, mihainoa ny feoko; ianareo ry vadin'i Lameka, henoy izay lazaiko, efa namono lehilahy iray aho nohon'ny fandratrana ahy, ary tovolahy iray noho ny fanorotoroana ahy. BSB BSB: Then Lamech said to his wives: “Adah and Zillah, hear my voice; wives of Lamech, listen to my speech. For I have slain a man for wounding me, a young man for striking me.
24 ULB Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, dia fito amby fitopolo heny kosa ny an'i Lameka." BSB BSB: If Cain is avenged sevenfold, then Lamech seventy-sevenfold.”
25 ULB Ary niara-nandry tamin'ny vadiny indray Adama, ka niteraka zazalahy hafa izy. Niantso ny anarany hoe Seta izy ary niteny hoe: "Nomen'Andriamanitra zanaka hafa ho solon'i Abela aho, satria novonoin'i Kaina izy. BSB BSB: And Adam again had relations with his wife, and she gave birth to a son and named him Seth, saying, “God has granted me another seed in place of Abel, since Cain killed him.”
26 ULB Niteraka zazalahy i Seta ary nataony hoe Enosy ny anarany. Tamin'izany fotoana izany dia nanomboka niantso ny anaran'i Yaveh ny olona. BSB BSB: And to Seth also a son was born, and he called him Enosh. At that time men began to call upon the name of the LORD.