1 ULB Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta. Niteny tamin'ireo zanany lahy izy hoe: "Nahoana no mifampijery ianareo?" BSB BSB: When Jacob learned that there was grain in Egypt, he said to his sons, “Why are you staring at one another?”
2 ULB Hoy izy hoe: "Indro, reko fa misy vary any Egypta. Midìna any ary mividiana any ho antsika mba hahavelona antsika fa tsy ho faty. BSB BSB: “Look,” he added, “I have heard that there is grain in Egypt. Go down there and buy some for us, so that we may live and not die.”
3 ULB Nandeha nidina ireo rahalahin'i Josefa folo mba hividy vary any Egypta. BSB BSB: So ten of Joseph’s brothers went down to buy grain from Egypt.
4 ULB Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy nalefan'i Jakoba niaraka tamin'ireo rahalahiny, satria natahotra izy sao hisy loza mety hanjo azy. BSB BSB: But Jacob did not send Joseph’s brother Benjamin with his brothers, for he said, “I am afraid that harm might befall him.”
5 ULB Tonga ireo zanaka lahin'Israely mba hividy niaraka tamin'ireo izay tonga, fa nisy mosary tany amin'ny tany Kanàna. Ary Josefa no mpanapaka amin'ilay tany. BSB BSB: So the sons of Israel were among those who came to buy grain, since the famine had also spread to the land of Canaan.
6 ULB Izy ihany no nivarotra ho an'ireo vahoaky ny tany rehetra. Tonga ary nampiankohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany teo aminy ireo rahalahin'i Josefa. BSB BSB: Now Joseph was the ruler of the land; he was the one who sold grain to all its people. So when his brothers arrived, they bowed down before him with their faces to the ground.
7 ULB Nahita ireo rahalahiny i Josefa ary nahalala azy ireo, nefa nanova ny endriny tamin'izy ireo izy ary niteny mafy tamin'izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Avy aiza ianareo?" Hoy izy ireo hoe: "Avy any amin'ny tany Kanàna mba hividy hanina." BSB BSB: And when Joseph saw his brothers, he recognized them, but he treated them as strangers and spoke harshly to them. “Where have you come from?” he asked. “From the land of Canaan,” they replied. “We are here to buy food.”
8 ULB Fantatr'i Josefa ireo rahalahiny, fa izy ireo tsy nahalala azy. BSB BSB: Although Joseph recognized his brothers, they did not recognize him.
9 ULB Dia tsaroan'i Josefa ilay nofy azony nahakasika azy ireo, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mpitsikilo ianareo! Tonga mba hizaha ireo faritra tsy mbola voaaro eto amin'ny tany ianareo." BSB BSB: Joseph remembered his dreams about them and said, “You are spies! You have come to see if our land is vulnerable.”
10 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia, tompoko. Tonga mba hividy hanina ireto mpanomponao. BSB BSB: “Not so, my lord,” they replied. “Your servants have come to buy food.
11 ULB Zanaky ny lehilahy iray izahay rehetra. Lehilahy marina izahay. Tsy mpitsikilo ireto mpanomponao." BSB BSB: We are all sons of one man. Your servants are honest men, not spies.”
12 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Tsia, tonga mba hizaha ireo faritra mbola tsy voaaro eto amin'ny tany ianareo." BSB BSB: “No,” he told them. “You have come to see if our land is vulnerable.”
13 ULB Hoy izy ireo hoe: "Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray any amin'ny tany Kanàna. Indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, ary ny rahalahy iray dia efa maty." BSB BSB: But they answered, “Your servants are twelve brothers, the sons of one man in the land of Canaan. The youngest is now with our father, and one is no more.”
14 ULB Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Izao no nolazaiko anareo; mpitsikilo ianareo. BSB BSB: Then Joseph declared, “Just as I said, you are spies!
15 ULB Amin'izao no hitsapana anareo. Raha velona koa Farao, dia tsy hiala eto ianareo, raha tsy tonga eto ny faralahy aminareo. BSB BSB: And this is how you will be tested: As surely as Pharaoh lives, you shall not leave this place unless your youngest brother comes here.
16 ULB Iraho ny iray aminareo ary aoka izy haka ny rahalahinareo. Ary ianareo hijanona ao am-ponja, mba hahafahana mitsapa ny teninareo, raha misy fahamarinana ao aminareo." BSB BSB: Send one of your number to get your brother; the rest of you will be confined so that the truth of your words may be tested. If they are untrue, then as surely as Pharaoh lives, you are spies!”
17 ULB Nalefany tany am-ponja izy rehetra nandritry ny telo andro. BSB BSB: So Joseph imprisoned them for three days,
18 ULB Ny andro fahatelo dia hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Izao no ataovy mba ho velona, fa matahotra an'Andriamanitra aho. BSB BSB: and on the third day he said to them, “I fear God. So do this and you will live:
19 ULB Raha olo-marina ianareo, aoka ny iray amin'ireo rahalahinareo tsy hiala ao amin'ny fonja, fa mandehana ianareo, mivimbìna vary ho amin'ny mosary amin'ny tranonareo. BSB BSB: If you are honest, leave one of your brothers in custody while the rest of you go and take back grain to relieve the hunger of your households.
20 ULB Ento mankaty amiko ny faralahy aminareo hanamarinana ny teninareo sy tsy hahafaty anareo." Ary nataon'izy ireo izany. BSB BSB: Then bring your youngest brother to me so that your words can be verified, that you may not die.” And to this they consented.
21 ULB Nifampiresaka izy ireo hoe: "Meloka marina tokoa isika nohon'ny amin'ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahorian'ny fanahiny raha niangavy antsika izy ary isika tsy nihaino azy. Koa noho izany no nahatonga izao fahoriana izao tamintsika." BSB BSB: Then they said to one another, “Surely we are being punished because of our brother. We saw his anguish when he pleaded with us, but we would not listen. That is why this distress has come upon us.”
22 ULB Hoy Robena namaly azy ireo hoe: "Tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: 'Aza manota amin'ilay zazalahy,' nefa tsy nihaino ahy ianareo? Indro, izao takiana amintsika ny ràny." BSB BSB: And Reuben responded, “Didn’t I tell you not to sin against the boy? But you would not listen. Now we must account for his blood!”
23 ULB Tsy fantatr'izy ireo fa nahafantatra ny fitenin'izy ireo i Josefa, satria nisy mpandika teny teo anelanelan'izy ireo. BSB BSB: They did not realize that Joseph understood them, since there was an interpreter between them.
24 ULB Nihodina niala tamin'izy ireo izy ka nitomany. Niverina nankeo amin'izy ireo indray izy ary niteny tamin'izy ireo. Nalainy teo amin'izy ireo i Simeona ary nafatony teo imason'izy ireo. BSB BSB: And he turned away from them and wept. When he turned back and spoke to them, he took Simeon from them and had him bound before their eyes.
25 ULB Avy eo nibaiko ny mpanompony i Josefa mba hameno vary ny kitapon'ireo rahalahiny, ary mba hamerina ny volan'ny lehilahy tsirairay tao amin'ny lasakany, ary hanome azy ireo vatsy ho amin'ny dia. Natao ho azy ireo izany. BSB BSB: Then Joseph gave orders to fill their bags with grain, to return each man’s silver to his sack, and to give them provisions for their journey. This order was carried out,
26 ULB Nameno vary ny ampondrany ireo mpirahalahy ary dia niainga tany. BSB BSB: and they loaded the grain on their donkeys and departed.
27 ULB Raha nanokatra ny lasakany ny iray tamin'izy ireo mba hamahana ny ampondrany teo amin'ny toerana nandriany, dia nahita ny volany izy. Indro, teo ambavan'ny lasakany izany. BSB BSB: At the place where they lodged for the night, one of them opened his sack to get feed for his donkey, and he saw his silver in the mouth of the sack.
28 ULB Hoy izy tamin'ireo rahalahiny hoe: "Naverina ny volako. Jereo; ao anaty lasakako izany." Nihontan'ny tahotra ny fon'izy ireo sady nifampitodika am-pangovitana, nanao hoe: "Inona re ity nataon'Andriamanitra tamintsika?" BSB BSB: “My silver has been returned!” he said to his brothers. “It is here in my sack.” Their hearts sank, and trembling, they turned to one another and said, “What is this that God has done to us?”
29 ULB Nandeha tany amin'i Jakoba izy ireo, ny rain'izy ireo tany amin'ny tany kanàna ary nilaza taminy izay rehetra niseho tamin'izy ireo. Hoy izy ireo hoe: BSB BSB: When they reached their father Jacob in the land of Canaan, they described to him all that had happened to them:
30 ULB "Ilay lehilahy, tompon'ny tany, dia niteny mahery anay ary nihevitra fa mpitsikilo tany amin'ilay tany izahay. BSB BSB: “The man who is lord of the land spoke harshly to us and accused us of spying on the country.
31 ULB Hoy izahay taminy hoe: 'Olo-marina izahay. Ary tsy mpitsikilo akory. BSB BSB: But we told him, ‘We are honest men, not spies.
32 ULB Roa ambin'ny folo mirahalahy izahay, zanaky ny rainay. Efa maty ny iray, ary ny faralahy dia miaraka amin'ny rainay any amin'ny tany Kanàna ankehitriny.' BSB BSB: We are twelve brothers, sons of one father. One is no more, and the youngest is now with our father in the land of Canaan.’
33 ULB Ilay lehilahy, tompon'ny tany, niteny taminay hoe: 'Izao no hahalalako fa olo-marina ianareo. Ajanony eto amiko ny iray amin'ireo rahalahinareo, mitondrà vary ho amin'ny mosary any amin'ny tranonareo, ary zory ny lalanareo. BSB BSB: Then the man who is lord of the land said to us, ‘This is how I will know whether you are honest: Leave one brother with me, take food to relieve the hunger of your households, and go.
34 ULB Ento eto amiko ny faralahy aminareo. Dia ho fantatro fa tsy mpitsikilo ianareo, fa lehilahy marina. Dia havotsotro ho anareo ny rahalahinareo, dia hividy eto amin'ny tany ianareo.'" BSB BSB: But bring your youngest brother back to me so I will know that you are not spies but honest men. Then I will give your brother back to you, and you can trade in the land.’”
35 ULB Ary rehefa nanafoana ny tao an-dasakany izy ireo, no indro, ny fonosam-bolafotsin'ny lehilahy tsirairay avy dia tao anatin'ny lasakany. Nony hitan'izy ireo sy ny rain'izy ireo ny fonosam-bolafotsiny, dia natahotra izy ireo. BSB BSB: As they began emptying their sacks, there in each man’s sack was his bag of silver! And when they and their father saw the bags of silver, they were dismayed.
36 ULB Hoy Jakoba rain'izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Efa nanaisotra ireo zanako tamiko ianareo. Josefa dia efa maty, i Simeona lasa, ary dia ho entinareo lavitra koa i Benjamina. Manohitra ahy avokoa ireo zavatra rehetra ireo." BSB BSB: Their father Jacob said to them, “You have deprived me of my sons. Joseph is gone and Simeon is no more. Now you want to take Benjamin. Everything is going against me!”
37 ULB Niresaka tamin-drainy i Robena, nanao hoe: "Azonao vonoina ireo zanako roa lahy raha toa tsy mitondra an'i Benjamina miverina aminao aho. Apetraho eo an-tanako izy, dia hitondra azy aminao indray aho." BSB BSB: Then Reuben said to his father, “You may kill my two sons if I fail to bring him back to you. Put him in my care, and I will return him.”
38 ULB Hoy Jakoba hoe: "Tsy handeha hidina hiaraka aminareo izany ny zanako lahy. Fa efa maty ny rahalahiny ary izy irery sisa. Raha misy loza tonga aminy eny amin'ny lalana izay alehanareo, dia hitondra amin-kalahelo ny volo-fotsiko midina any amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo." BSB BSB: But Jacob replied, “My son will not go down there with you, for his brother is dead, and he alone is left. If any harm comes to him on your journey, you will bring my gray hair down to Sheol in sorrow.”