1 ULB Ary rehefa afaka roa taona naninjitra dia nanana nofy iray Farao. Raha nitsangana teo amin'i Neily izy. BSB BSB: After two full years had passed, Pharaoh had a dream: He was standing beside the Nile,
2 ULB Dia indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, mampitsiriritra sy matavy, ary niraoka vilona teo amin'ny sisiny ireo. BSB BSB: when seven cows, sleek and well-fed, came up from the river and began to graze among the reeds.
3 ULB Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka avy tao amin'i Neily taorian'ireo, tsy maha te-ho tia sy mahia. Nankeo akaikin'ireo omby vavy hafa teo amoron'ny renirano ireo. BSB BSB: After them, seven other cows, sickly and thin, came up from the Nile and stood beside the well-fed cows on the bank of the river.
4 ULB Avy eo ireo omby vavy marary sy mahia nihinana ireo omby vavy mampitsiriritra sy matavy fito. Avy eo nifoha i Farao. BSB BSB: And the cows that were sickly and thin devoured the seven sleek, well-fed cows. Then Pharaoh woke up,
5 ULB Natory indray izy ary nanofy fanindroany. Indro, nisy salohim-bary fito nitsiry avy tamin'ny taho iray, vokatra be sy tsara. BSB BSB: but he fell back asleep and dreamed a second time: Seven heads of grain, plump and ripe, came up on one stalk.
6 ULB Indro, nisy salohim-bary fito hafa, manify ary main'ny rivotra antsinanana, nitsimoka taorian'ireo. BSB BSB: After them, seven other heads of grain sprouted, thin and scorched by the east wind.
7 ULB Nitelina ireo salohy fito vokatra be sy tsara ireo salohy manify. Taitra Farao, ary, indro, nofy izany. BSB BSB: And the thin heads of grain swallowed up the seven plump, ripe ones. Then Pharaoh awoke and realized it was a dream.
8 ULB Ary tonga ny maraina ka nihorohoro ny fanahiny. Naniraka ka nampiantso ireo mpahay ody sy olon-kendrin'i Egypta rehetra izy. Nolazain'i Farao tamin'izy ireo ny nofiny, fa tsy nisy iray tamin'izy ireo afaka nanazava izany tamin'i Farao. BSB BSB: In the morning his spirit was troubled, so he summoned all the magicians and wise men of Egypt. Pharaoh told them his dreams, but no one could interpret them for him.
9 ULB Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka niteny tamin'i Farao hoe: "Izao aho vao miheritreritra ireo fahotako. BSB BSB: Then the chief cupbearer said to Pharaoh, “Today I recall my failures.
10 ULB Tezitra tamin'ireo mpanompony i Farao, ka nandefa ahy tany an-tranomaizina tao an-tranon'ny kapitenin'ny mpiambina, izaho sy ilay lehiben'ny mpanao mofo. BSB BSB: Pharaoh was once angry with his servants, and he put me and the chief baker in the custody of the captain of the guard.
11 ULB Niara-nanofy izahay tamin'io alina io, izaho sy izy. Samy nanana ny nofiny araka ny dikany avy izahay. BSB BSB: One night both the chief baker and I had dreams, and each dream had its own meaning.
12 ULB Nisy tovolahy Hebreo niaraka taminay tao, mpanompon'ilay kapitenin'ny mpiambina. Nolazainay azy ary nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy. Nandika tamin'ny tsirairay taminay araka ny nofiny avy izy. BSB BSB: Now a young Hebrew was there with us, a servant of the captain of the guard. We told him our dreams and he interpreted them for us individually.
13 ULB Ary raha nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy, dia niseho izany. Naverin'i Farao tamin'ny toerana nisy ahy aho, fa ilay iray hafa nahantony." BSB BSB: And it happened to us just as he had interpreted: I was restored to my position, and the other man was hanged.”
14 ULB Avy eo Farao naniraka ka nampiantso an'i Josefa. Navoakan'izy ireo faingana tao an-tranomaizina izy. Niaratra izy, nisolo akanjo, ary nankany amin'i Farao. BSB BSB: So Pharaoh sent for Joseph, who was quickly brought out of the dungeon. After he had shaved and changed his clothes, he went in before Pharaoh.
15 ULB Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Nanofy aho, fa tsy misy afaka manazava izany. Fa nandre momba anao aho, fa rehefa mahare nofy ianao dia afaka manazava izany. BSB BSB: Pharaoh said to Joseph, “I had a dream, and no one can interpret it. But I have heard it said of you that when you hear a dream you can interpret it.”
16 ULB Namaly an'i Farao i Josefa, nanao hoe: "Tsy ato amiko izany. Andriamanitra no hamaly an'i Farao araka izay sitrany." BSB BSB: “I myself cannot do it,” Joseph replied, “but God will give Pharaoh a sound answer.”
17 ULB Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Tao amin'ny nofiko, dia indro, nitsangana teo amin'ny sisin'i Neily aho. BSB BSB: Then Pharaoh said to Joseph: “In my dream I was standing on the bank of the Nile,
18 ULB Indro, nisy omby vavy fito nivoaka avy tao amin'i Neily, matavy sy mampitsiriritra, ary niraoka bozaka teo amin'ny sisiny ireo. BSB BSB: when seven cows, well-fed and sleek, came up from the river and began to graze among the reeds.
19 ULB Indro, nisy omby vavy fito hafa nivoaka tao aorian'izy ireo, tsy maha-te-ho tia, ary mahia. Tsy mbola nahitana faharatsiana tahaka izany mihitsy aho nanerana ny tanin'i Egypta manontolo. BSB BSB: After them, seven other cows—sickly, ugly, and thin—came up. I have never seen such ugly cows in all the land of Egypt!
20 ULB Ireo mahia sy omby vavy ratsy no nihinana ireo omby vavy matavy voalohany. BSB BSB: Then the thin, ugly cows devoured the seven well-fed cows that were there first.
21 ULB Rehefa lanin'izy ireo izany, dia tsy nisy nahafantatra akory hoe nohanin'izy ireo izany, satria mbola ratsy toy ny teo aloha ihany izy ireo. Avy eo dia nifoha aho. BSB BSB: When they had devoured them, however, no one could tell that they had done so; their appearance was as ugly as it had been before. Then I awoke.
22 ULB Niverina nanofy indray aho, ary, indro, nisy salohim-bary fito nitsimoka tamin'ny taho iray, vokatra be ary tsara. BSB BSB: In my dream I also saw seven heads of grain, plump and ripe, growing on a single stalk.
23 ULB Indro, nisy salohim-bary fito hafa, malazo, manify sy main'ny rivotra atsinanana, nitsimoka taorian'ireo. BSB BSB: After them, seven other heads of grain sprouted—withered, thin, and scorched by the east wind.
24 ULB Nitelina ireo salohim-bary fito tsara ireo salohim-bary manify. Nolazaiko tamin'ireo mpahay ody izany, fa tsy nisy tamin'izy ireo afaka nanazava izany tamiko." BSB BSB: And the thin heads of grain swallowed the seven plump ones. I told this dream to the magicians, but no one could explain it to me.”
25 ULB Hoy Josefa tamin'i Farao hoe: "Mitovy ireo nofin'i Farao ireo. Izay ho ataon'Andriamanitra, dia nambarany tamin'i Farao. BSB BSB: At this, Joseph said to Pharaoh, “The dreams of Pharaoh are one and the same. God has revealed to Pharaoh what He is about to do.
26 ULB Ireo omby vavy fito tsara dia ny fito taona, ary ny salohim-bary fito dia ny fito taona. Mitovy ireo nofy ireo. BSB BSB: The seven good cows are seven years, and the seven ripe heads of grain are seven years. The dreams have the same meaning.
27 ULB Ireo omby vavy fito mahia sy tsy maha-te-hotia izay tonga taorian'izy ireo dia taona fito, ary ireo salohim-bary manify fito main'ny rivotra atsinanana ihany koa dia taona fiton'ny mosary. BSB BSB: Moreover, the seven thin, ugly cows that came up after them are seven years, and so are the seven worthless heads of grain scorched by the east wind—they are seven years of famine.
28 ULB Izany no zavatra izay nolazaiko tamin'i Farao. Izay ho ataon'Andriamanitra dia nambarany tamin'i Farao. BSB BSB: It is just as I said to Pharaoh: God has shown Pharaoh what He is about to do.
29 ULB Indro, fito taonan'ny fitobahana no ho tonga manerana ny tanin'i Egypta rehetra. BSB BSB: Behold, seven years of great abundance are coming throughout the land of Egypt,
30 ULB Fito taonan'ny mosary no ho avy manaraka izany, ary ny fitobahana rehetra dia ho adino ao amin'ny tany Egypta, ary handringana ny tany ny mosary. BSB BSB: but seven years of famine will follow them. Then all the abundance in the land of Egypt will be forgotten, and the famine will devastate the land.
31 ULB Ho adino ao amin'ilay faritra ny fitobahana nohon'ny mosary izay manaraka izany, dia hasiaka tokoa. BSB BSB: The abundance in the land will not be remembered, since the famine that follows it will be so severe.
32 ULB Naverimberina tamin'i Farao izany nofy izany satria izany tranga izany dia efa novolavolain'Andriamanitra, ary hanao izany tsy ho ela Andriamanitra. BSB BSB: Moreover, because the dream was given to Pharaoh in two versions, the matter has been decreed by God, and He will carry it out shortly.
33 ULB Ary aoka Farao hitady olona manan-tsaina sy hendry, ka hametraka azy amin'ny tany Egypta. BSB BSB: Now, therefore, Pharaoh should look for a discerning and wise man and set him over the land of Egypt.
34 ULB Aoka Farao hanao izao: aoka izy hanendry mpiandraikitra ny tany. Aoka izy ireo haka ny ampahadimin'ny vokatr'i Egypta amin'ny taona fiton'ny fitobahana. BSB BSB: Let Pharaoh take action and appoint commissioners over the land to take a fifth of the harvest of Egypt during the seven years of abundance.
35 ULB Aoka izy ireo hanangona ny sakafo rehetra amin'io taona tsara izay ho avy io ka hitahiry ny vokatra eo ambany fahefan'i Farao, mba ho sakafo ho an'ireo mponina. Tokony arovan'izy ireo izany. BSB BSB: Under the authority of Pharaoh, let them collect all the excess food from these good years, that they may come and lay up the grain to be preserved as food in the cities.
36 ULB Ny sakafo dia ho famatsiana ho an'ny tany amin'ny fito taonan'ny mosary izay ho ao amin'ny tany Egypta. Amin'izany fomba izany ny tany dia tsy ho ringan'ny mosary. BSB BSB: This food will be a reserve for the land during the seven years of famine to come upon the land of Egypt. Then the country will not perish in the famine.”
37 ULB Tsara teo imason'i Farao sy teo imason'ireo mpanompony rehetra izany hevitra izany. BSB BSB: This proposal pleased Pharaoh and all his officials.
38 ULB Hoy Farao tamin'ireo mpanompony rehetra hoe: "Afaka mahita olona tahaka izany ve isika, izay ao aminy ny Fanahin'Andriamanitra?" BSB BSB: So Pharaoh asked them, “Can we find anyone like this man, in whom the Spirit of God abides?”
39 ULB Ka hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Satria Andriamanitra nampiseho anao izany rehetra izany, dia tsy misy hafa misaina lalina sy hendry tahaka anao. BSB BSB: Then Pharaoh said to Joseph, “Since God has made all this known to you, there is no one as discerning and wise as you.
40 ULB Hitantana ny tranoko ianao, ary araka ny teninao no hanapahana ny vahoakako rehetra. Eo amin'ny seza fiandrianana ihany aho no ho ambony noho ianao. BSB BSB: You shall be in charge of my house, and all my people are to obey your commands. Only with regard to the throne will I be greater than you.”
41 ULB Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Indro, apetrako aminao ny tanin'i Egypta rehetra." BSB BSB: Pharaoh also told Joseph, “I hereby place you over all the land of Egypt.”
42 ULB Nalan'i Farao tamin'ny tanany ny peratra misy ny tombo-kaseny ary natsofony tamin'ny tanan'i Josefa. Nampiankanjoany lamba rongony manify izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony. BSB BSB: Then Pharaoh removed the signet ring from his finger, put it on Joseph’s finger, clothed him in garments of fine linen, and placed a gold chain around his neck.
43 ULB Nampitaingenana teo amin'ny kalesy faharoa izay azy izy. Nihiakiaka nanoloana azy ny olona hoe: "Mandohaliha." Nataon'i Farao nanapaka teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra izy. BSB BSB: He had Joseph ride in his second chariot, with men calling out before him, “Bow the knee!” So he placed him over all the land of Egypt.
44 ULB Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Izaho no Farao, ary ankoatra anao, dia tsy misy olona hanandratra ny tanany na ny tongony amin'ny tanin'i Egypta rehetra. BSB BSB: And Pharaoh declared to Joseph, “I am Pharaoh, but without your permission, no one in all the land of Egypt shall lift his hand or foot.”
45 ULB Niantso ny anaran'i Josefa hoe: "Zafenata Panea" i Farao. Nomeny ho vadiny i Asenata, ilay zanaka vavin'i Potifera mpisoron'i Ona. Namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra i Josefa. BSB BSB: Pharaoh gave Joseph the name Zaphenath-paneah, and he gave him Asenath daughter of Potiphera, priest of On, to be his wife. And Joseph took charge of all the land of Egypt.
46 ULB Telopolo taona Josefa raha nitsangana teo anatrehan'i Farao izy, ilay mpanjakan'i Egypta. Niala teo amin'ny fanatrehan'i Farao izy, ary namakivaky ny tanin'i Egypta rehetra. BSB BSB: Now Joseph was thirty years old when he entered the service of Pharaoh king of Egypt. And Joseph left Pharaoh’s presence and traveled throughout the land of Egypt.
47 ULB Nandritry ny fito taona zina dia namokatra be ny tany. BSB BSB: During the seven years of abundance, the land brought forth bountifully.
48 ULB Nangoniny avokoa ny sakafo rehetra nandritry ny fito taona izay tao amin'ny tany Egypta ary napetrany tany amin'ireo tanàn-dehibe. Napetrany isaky ny tanàna ny sakafo izay avy amin'ny saha manodidina izany. BSB BSB: During those seven years, Joseph collected all the excess food in the land of Egypt and stored it in the cities. In every city he laid up the food from the fields around it.
49 ULB Nangonin'i Josefa tahaka ny fasiky ny ranomasina ny voa, betsaka loatra ka nitsahatra nanisa izy, satria tsy hita isa izany. BSB BSB: So Joseph stored up grain in such abundance, like the sand of the sea, that he stopped keeping track of it; for it was beyond measure.
50 ULB Tao alohan'ny nahatongavan'ny taonan'ny mosary, dia nanana zanaka roa lahy, tamin'i Asenata, zanaka vavin'i Potifera mpisorona tao Ona, i Josefa. BSB BSB: Before the years of famine arrived, two sons were born to Joseph by Asenath daughter of Potiphera, priest of On.
51 ULB Nantsoin'i Josefa hoe Manase ny lahimatoany, satria hoy izy hoe: "Andriamanitra nampanadino ahy ny olana rehetra sy ny ankohonan'ny raiko rehetra." BSB BSB: Joseph named the firstborn Manasseh, saying, “God has made me forget all my hardship and all my father’s household.”
52 ULB Nantsoiny hoe Efraima ny zanaka lahiny faharoa, satria hoy izy hoe: "Andriamanitra nahamaro ahy teo amin'ny tanin'ny fahoriako." BSB BSB: And the second son he named Ephraim, saying, “God has made me fruitful in the land of my affliction.”
53 ULB Andalam-pifaranana ireo fito taonan'ny fahabetsahana tao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: When the seven years of abundance in the land of Egypt came to an end,
54 ULB Nanomboka ny fito taonan'ny mosary, araka ny nolazain'i Josefa. Nisy mosary teo amin'ny tany rehetra, kanefa nisy sakafo kosa teo amin'ny tanin'i Egypta rehetra. BSB BSB: the seven years of famine began, just as Joseph had said. And although there was famine in every country, there was food throughout the land of Egypt.
55 ULB Rehefa tao anatin'ny mosary ny tany rehetra tao Egypta, dia niantsoantso sakafo tamin'i Farao ny vahoaka. Hoy Farao tamin'ireo Egyptiana rehetra hoe: "Mankanesa any amin'i Josefa ary ataovy izay lazainy anareo." BSB BSB: When extreme hunger came to all the land of Egypt and the people cried out to Pharaoh for food, he told all the Egyptians, “Go to Joseph and do whatever he tells you.”
56 ULB Nanerana ny faritriny ny tany iray manontolo ny mosary. Nanokatra ny trano fitehirizana rehetra Josefa ary nivarotra tamin'ireo Egyptiana. Mafy tokoa ny mosary tao amin'ny tanin'i Egypta. BSB BSB: When the famine had spread over all the land, Joseph opened up all the storehouses and sold grain to the Egyptians; for the famine was severe in the land of Egypt.