1 ULB Ary taorian'izany zavatra rehetra izany, dia nanafintohina ny tompon'izy ireo, ilay mpanjakan'i Egypta, ny mpitondra kapoakan'ny mpanjaka sy ny mpanao mofony. BSB BSB: Some time later, the king’s cupbearer and baker offended their master, the king of Egypt.
2 ULB Tezitra tamin'ireo manam-pahefany roa lahy i Farao, dia ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo. BSB BSB: Pharaoh was angry with his two officers, the chief cupbearer and the chief baker,
3 ULB Nogadrainy tao an-tranon'ny lehiben'ny mpiambina izy ireo, tao amin'ilay fonja izay nihazonana an'i Josefa ihany. BSB BSB: and imprisoned them in the house of the captain of the guard, the same prison where Joseph was confined.
4 ULB Nanendry an'i Josefa ny lehiben'ny mpiambina mba ho mpanompon'izy ireo. Ary izy ireo nitoetra nandritry ny fotoana maharitra tany am-ponja. BSB BSB: The captain of the guard assigned them to Joseph, and he became their personal attendant. After they had been in custody for some time,
5 ULB Samy nanonofy izy ireo—ilay mpitondra kapoaka sy mpanao mofon'ny mpanjakan'ny Egypta izay nohazonina tao amin'ny fonja—dia samy nanana ny nofiny avy izy roa lahy tamin'io alina io, ary ny nofy tsirairay dia samy nanana ny heviny manokana. BSB BSB: both of these men—the Egyptian king’s cupbearer and baker, who were being held in the prison—had a dream on the same night, and each dream had its own meaning.
6 ULB Tonga maraina tao amin'izy ireo i Josefa ary nahita azy ireo. Indro, nalahelo izy ireo. BSB BSB: When Joseph came to them in the morning, he saw that they were distraught.
7 ULB Nangataka tamin'ireo tandapan'i Farao izay niaraka taminy tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony izy, nanao hoe: "Nahoana ianareo no toa malahelo izao?" BSB BSB: So he asked the officials of Pharaoh who were in custody with him in his master’s house, “Why are your faces so downcast today?”
8 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Nanofy izahay roa lahy ary tsy misy afaka ny hilaza ny hevitr'izany." Hoy Josefa tamin'izy ireo hoe: "Tsy avy amin'Andriamanitra ve ny fanomezana dika izany? Mba lazao ahy re." BSB BSB: “We both had dreams,” they replied, “but there is no one to interpret them.” Then Joseph said to them, “Don’t interpretations belong to God? Tell me your dreams.”
9 ULB Dia nilaza ny nofiny tamin'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka. Hoy izy taminy hoe: "Tao anatin'ny nofiko, dia indro, nisy voaloboka teo anoloako. BSB BSB: So the chief cupbearer told Joseph his dream: “In my dream there was a vine before me,
10 ULB Nisy sampana telo tamin'ilay voaloboka. Raha nitsimoka izany, dia namony ny voniny ary masaka ireo sampam-boaloboka. BSB BSB: and on the vine were three branches. As it budded, its blossoms opened and its clusters ripened into grapes.
11 ULB Teo an-tanako ny kapoakan'i Farao. Nalaiko ireo voaloboka ka nofihazako tao anatin'ny kapoakan'i Farao ireo, ary napetrako teo an-tanan'i Farao izany." BSB BSB: Pharaoh’s cup was in my hand, and I took the grapes, squeezed them into his cup, and placed the cup in his hand.”
12 ULB Niteny taminy Josefa hoe: "Ity no hevitr'izany. Ny sampam-boaloboka telo dia mira hateloana. BSB BSB: Joseph replied, “This is the interpretation: The three branches are three days.
13 ULB Ao anatin'ny hateloana i Farao no hampitraka ny lohanao ary hamerina anao amin'ny asanao. Hametraka ny kapoakan'i Farao eo an-tanany ianao, toy ny tamin'ny naha-pitondra ny kapoakany anao. BSB BSB: Within three days Pharaoh will lift up your head and restore your position. You will put Pharaoh’s cup in his hand, just as you did when you were his cupbearer.
14 ULB Fa tsarovy aho rehefa milamina ny aminao, ary mba manehoa hatsaram-panahy amiko. Resaho any amin'i Farao aho ary esory ato amin'ity fonja ity. BSB BSB: But when it goes well for you, please remember me and show me kindness by mentioning me to Pharaoh, that he might bring me out of this prison.
15 ULB Fa nalaina an-keriny tamin'ny tany Hebreo tokoa aho. Eto ihany koa dia tsy nisy zavatra nataoko izay tokony nametrahan'izy ireo ahy ato amin'ity fonja ity." BSB BSB: For I was kidnapped from the land of the Hebrews, and even here I have done nothing for which they should have put me in this dungeon.”
16 ULB Rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny hevitr'izany, dia hoy izy tamin'i Josefa hoe: "Nanofy ihany koa aho, ary, indro, nisy harona telo nisy mofo teo an-dohako. BSB BSB: When the chief baker saw that the interpretation was favorable, he said to Joseph, “I too had a dream: There were three baskets of white bread on my head.
17 ULB Teo amin'ny harona ambony indrindra dia nisy ireo karazan-javatra maro natao mofo ho an'i Farao, kanefa nohanin'ireo vorona avy tao amin'ny harona teo ambony lohako izany. BSB BSB: In the top basket were all sorts of baked goods for Pharaoh, but the birds were eating them out of the basket on my head.”
18 ULB Namaly Josefa ary nanao hoe: "Izao no hevitr'izany. Ny harona anaky telo dia mira hateloana. BSB BSB: Joseph replied, “This is the interpretation: The three baskets are three days.
19 ULB Anatin'ny hateloana no hanalan'i Farao ny lohanao ary hanantonany anao eo ambony hazo. Ary hihinana ny nofonao ireo vorona." BSB BSB: Within three days Pharaoh will lift off your head and hang you on a tree. Then the birds will eat the flesh of your body.”
20 ULB Ary tamin'ny andro fahatelo ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Farao. Nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy. "Nasandrany" ny lohan'ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ilay lehiben'ny mpanao mofo, teo amin'ireo mpanompony. BSB BSB: On the third day, which was Pharaoh’s birthday, he held a feast for all his officials, and in their presence he lifted up the heads of the chief cupbearer and the chief baker.
21 ULB Naveriny tamin'ny andraikiny ny lehiben'ny mpitondra kapoaka, ary nametraka ilay kapoaka teo an-tanan'i Farao indray izy. BSB BSB: Pharaoh restored the chief cupbearer to his position, so that he once again placed the cup in Pharaoh’s hand.
22 ULB Fa nahantony kosa ny lehiben'ny mpanao mofo, arak'izay nolazain'i Josefa tamin'izy ireo. BSB BSB: But Pharaoh hanged the chief baker, just as Joseph had described to them in his interpretation.
23 ULB Kanefa tsy mbola nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka, fa adinony aza ny momba azy. BSB BSB: The chief cupbearer, however, did not remember Joseph; he forgot all about him.