1 ULB Nentina nidina tany Egypta i Josefa. Potifara, manam-pahefana an'i Farao izay kapitenin'ny mpiambina sy Egyptiana, no nividy azy tamin'ireo Ismaelita, izay nitondra azy nidina tany. BSB BSB: Meanwhile, Joseph had been taken down to Egypt, where an Egyptian named Potiphar, an officer of Pharaoh and captain of the guard, bought him from the Ishmaelites who had taken him there.
2 ULB Nomba an'i Josefa i Yaveh ka tonga lehilahy ambinina izy. Nipetraka tao amin'ny tranon'ny Egyptiana tompony izy. BSB BSB: And the LORD was with Joseph, and he became a successful man, serving in the household of his Egyptian master.
3 ULB Ny tompony dia nahita fa nomba azy Yaveh ary nampiroborobo ny zavatra rehetra izay nataony. BSB BSB: When his master saw that the LORD was with him and made him prosper in all he did,
4 ULB Dia nahita sitraka teo imasony i Josefa. Ary nanompo an'i Potifara izy. Nataon'i Potifara ho mpitantana ny tranony i Josefa, ary izay rehetra nananany, dia nataony teo ambany fiahiany. BSB BSB: Joseph found favor in his sight and became his personal attendant. Potiphar put him in charge of his household and entrusted him with everything he owned.
5 ULB Ary nanomboka tamin'ny fotoana izay nampitantanany azy ny tranony sy izay rehetra nananany, dia notahian'i Yaveh ny tranon'ilay Egyptiana noho i Josefa. Ny fitahian'i Yaveh dia tao amin'ny zavatra rehetra izay nananan'i Potifara tao an-trano sy tany an-tsaha. BSB BSB: From the time that he put Joseph in charge of his household and all he owned, the LORD blessed the Egyptian’s household on account of him. The LORD’s blessing was on everything he owned, both in his house and in his field.
6 ULB Napetrak'i Potifara teo ambany fiahian'i Josefa izay rehetra nananany. Tsy nila nieritreritra na inona na inona afa-tsy ny sakafo ho haniny izy. Ary Josefa dia tsara tarehy sady mahasarika. BSB BSB: So Potiphar left all that he owned in Joseph’s care; he did not concern himself with anything except the food he ate. Now Joseph was well-built and handsome,
7 ULB Ary tao aorian'izay dia nitsiriritra an'i Josefa ny vadin'ny tompony. Hoy izy hoe: "Mandria miaraka amiko." BSB BSB: and after some time his master’s wife cast her eyes upon Joseph and said, “Sleep with me.”
8 ULB Fa nandà izy ka niteny tamin'ny vadin'ny tompony hoe: "Indro, ny tompoko tsy miraharaha izay zavatra ataoko ato an-trano, ary nametraka tamiko ny zavatra rehetra izay azy eo ambany fiahiako izy. BSB BSB: But he refused. “Look,” he said to his master’s wife, “with me here, my master does not concern himself with anything in his house, and he has entrusted everything he owns to my care.
9 ULB Tsy misy lehibe noho izaho ato amin'ity trano ity. Tsy nandrara na inona na inona tamiko afa-tsy ianao izy, satria vadiny ianao. Dia ahoana no ahafahako manao izany faharatsiana lehibe sy fahotàna manohitra an'Andriamanitra izany?" BSB BSB: No one in this house is greater than I am. He has withheld nothing from me except you, because you are his wife. So how could I do such a great evil and sin against God?”
10 ULB Niteny tamin'i Josefa isan'andro isan'andro izy, saingy nandà tsy hiara-handry aminy na hiaraka aminy izy. BSB BSB: Although Potiphar’s wife spoke to Joseph day after day, he refused to go to bed with her or even be near her.
11 ULB Ary indray andro dia niditra tao an-trano hanao ny asany izy. Tsy nisy tamin'ireo lehilahy ao an-trano nijanona tao. BSB BSB: One day, however, Joseph went into the house to attend to his work, and not a single household servant was inside.
12 ULB Nisambotra azy tamin'ny akanjony izy ary niteny hoe: "Mandria miaraka amiko." Navelany teo an-tanany ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy. BSB BSB: She grabbed Joseph by his cloak and said, “Sleep with me!” But leaving his cloak in her hand, he escaped and ran outside.
13 ULB Ary rehefa hitany fa navelany teo an-tanany ny akanjony ary nandositra nivoaka tany ivelany izy, BSB BSB: When she saw that he had left his cloak in her hand and had run out of the house,
14 ULB dia nantsoiny ireo olona tao an-tranony ary nilazany hoe: "Jereo, Potifara nampiditra Hebreo mba hisangy antsika. Niditra tao amiko izy mba hiara-handry amiko, dia nihiakiaka aho. BSB BSB: she called her household servants. “Look,” she said, “this Hebrew has been brought to us to make sport of us. He came to me so he could sleep with me, but I screamed as loud as I could.
15 ULB Ary rehefa reny nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony, ka nandositra, ary nivoaka tany ivelany izy." BSB BSB: When he heard me scream for help, he left his cloak beside me and ran out of the house.”
16 ULB Napetrany teo akaikiny ilay akanjon'i Josefa mandra-pahatonga ny tompony tao an-trano. BSB BSB: So Potiphar’s wife kept Joseph’s cloak beside her until his master came home.
17 ULB Niteny taminy izao fanazavana izao izy hoe: "Ilay mpanompo Hebreo izay nentinao ho antsika, dia niditra tato haniratsira ahy. BSB BSB: Then she told him the same story: “The Hebrew slave you brought us came to me to make sport of me,
18 ULB Ary rehefa nihiakiaka aho, dia navelany teto amiko ny akanjony ka nandositra tany ivelany izy." BSB BSB: but when I screamed for help, he left his cloak beside me and ran out of the house.”
19 ULB Ary rehefa henon'ny tompony ny fanazavana notenenin'ny vadiny taminy hoe: "Izany no nataon'ny mpanomponao tamiko," dia tezitra mafy izy. BSB BSB: When his master heard the story his wife told him, saying, “This is what your slave did to me,” he burned with anger.
20 ULB Naka azy ny tompon'i Josefa ka nametraka azy tany am-ponja, toerana izay nitazomana ireo voafonjan'ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina izy. BSB BSB: So Joseph’s master took him and had him thrown into the prison where the king’s prisoners were confined. While Joseph was there in the prison,
21 ULB Fa Yaveh nomba an'i Josefa ka naneho ny tsy fivadiham-panekena taminy. Nampahita fitia azy teo imason'ny mpiambina ny fonja Izy. BSB BSB: the LORD was with him and extended kindness to him, granting him favor in the eyes of the prison warden.
22 ULB Nampandray an-tanana an'i Josefa ny voafonja rehetra izay tao an-tranomaizina ilay mpiambina ny fonja. Na inona na inona nataon'izy ireo tao, dia nandray an-tanana izany Josefa. BSB BSB: And the warden put all the prisoners under Joseph’s care, so that he was responsible for all that was done in the prison.
23 ULB Ny mpiambina ny fonja dia tsy nanahy ny zavatra rehetra izay teo an-tanany, satria nomba azy Yaveh. Izay rehetra nataony, dia nambinin'i Yaveh. BSB BSB: The warden did not concern himself with anything under Joseph’s care, because the LORD was with Joseph and gave him success in whatever he did.