1 ULB Ary tamin'izany andro izany dia nandao ireo rahalahiny i Joda ary niara-nipetraka tamina Adolamita, izay nantsoina hoe Hira. BSB BSB: About that time, Judah left his brothers and settled near a man named Hirah, an Adullamite.
2 ULB Tany no nihaonany tamin'ny zanaka vavin'ny lehilahy Kananita izay nantsoina hoe Soa. Nanambady azy izy ary niara-nandry taminy. BSB BSB: There Judah saw the daughter of a Canaanite man named Shua, and he took her as a wife and slept with her.
3 ULB Nanan'anaka izy ary nahazo zazalahy. Era no niantsoana azy. BSB BSB: So she conceived and gave birth to a son, and Judah named him Er.
4 ULB Nanan'anaka indray izy ary nahazo zazalahy. Nantsoiny hoe Onana. BSB BSB: Again she conceived and gave birth to a son, and she named him Onan.
5 ULB Ary mbola nahazo zazalahy indray izy ary nantsoiny hoe Sela. Tany Keziba no niterahany azy. BSB BSB: Then she gave birth to another son and named him Shelah; it was at Chezib that she gave birth to him.
6 ULB Joda nahita vady ho an'i Era, lahimatoany. Tamara no anarany. BSB BSB: Now Judah acquired a wife for Er, his firstborn, and her name was Tamar.
7 ULB Era zanaka lahimatoan'i Joda dia ratsy teo imason'i Yaveh. Novonoin'i Yaveh izy. BSB BSB: But Er, Judah’s firstborn, was wicked in the sight of the LORD; so the LORD put him to death.
8 ULB Hoy Joda tamin'i Onana hoe: "Mandria miaraka amin'ny vadin'ny rahalahinao. Ataovy aminy ny adidy amin'ny maha-zaodahy anao, ary manangàna zanaka ho an'ny rahalahinao." BSB BSB: Then Judah said to Onan, “Sleep with your brother’s wife. Perform your duty as her brother-in-law and raise up offspring for your brother.”
9 ULB Ary fantatr'i Onana fa ny zaza dia tsy ho azy. Ka isaky ny niara-nandry tamin'ny vadin-drahalahiny izy, dia nararany tamin'ny tany ny tsirin'ainy mba tsy hananany zaza ho an'ny rahalahiny. BSB BSB: But Onan knew that the offspring would not belong to him; so whenever he would sleep with his brother’s wife, he would spill his seed on the ground so that he would not produce offspring for his brother.
10 ULB Ratsy ny nataony teo imason'i Yaveh. Novonoin'i Yaveh ihany koa izy. BSB BSB: What he did was wicked in the sight of the LORD, so He put Onan to death as well.
11 ULB Ary hoy Joda tamin'i Tamara, vinanto vaviny hoe: "Aoka ianao hijanona mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehibe an'i Sela, zanako lahy." Satria natahotra izy hoe: "Sao ho faty tahaka ireo rahalahiny ihany koa izy." Lasa Tamara ary nipetraka tao an-tranon'ny rainy. BSB BSB: Then Judah said to his daughter-in-law Tamar, “Live as a widow in your father’s house until my son Shelah grows up.” For he thought, “He may die too, like his brothers.” So Tamar went to live in her father’s house.
12 ULB Fotoana maro taty aoriana, dia maty ny vadin'i Joda, zanaka vavin'i Soa. Efa nionona i Joda ary niakatra tany amin'ny mpanety ny ondriny tany Timna, izy sy Hira ilay Adolamita namany. BSB BSB: After a long time Judah’s wife, the daughter of Shua, died. When Judah had finished mourning, he and his friend Hirah the Adullamite went up to his sheepshearers at Timnah.
13 ULB Nisy nilaza tamin'i Tamara hoe: "Indro, ny rafozanao fa miakatra any Timna hanety ny ondriny." BSB BSB: When Tamar was told, “Your father-in-law is going up to Timnah to shear his sheep,”
14 ULB Nesoriny ny akanjo maha-mpitondratena azy dia norakofany ny voaliny ary nosaronany ny tenany. Nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay teo akaikin'ny lalana mankany Timna izy. Satria efa hitany fa efa lehibe i Sela kanefa tsy mba natolotra ho vadiny izy. BSB BSB: she removed her widow’s garments, covered her face with a veil to disguise herself, and sat at the entrance to Enaim, which is on the way to Timnah. For she saw that although Shelah had grown up, she had not been given to him as a wife.
15 ULB Rehefa nahita azy i Joda dia nihevitra fa mpivaro-tena izy satria nosaronany ny tarehiny. BSB BSB: When Judah saw her, he thought she was a prostitute because she had covered her face.
16 ULB Nanatona azy teny an-dalana izy ary niteny hoe: "Avia, aleo aho mba hiara-mandry aminao" —satria tsy fantany hoe vinantovaviny izy—ary hoy izy hoe: "Inona no homenao ahy dia afaka miara-mandry amiko ianao?" BSB BSB: Not realizing that she was his daughter-in-law, he went over to her and said, “Come now, let me sleep with you.” “What will you give me for sleeping with you?” she inquired.
17 ULB Hoy izy hoe: "Hanaterako zanak'osy amin'ireo ondry aman'osy ianao." Hoy izy hoe: "Hanome antoka ahy ve ianao mandra-panateranao izany?" BSB BSB: “I will send you a young goat from my flock,” Judah answered. But she replied, “Only if you leave me something as a pledge until you send it.”
18 ULB Hoy izy hoe: "Inona no antoka azoko omena anao?" Namaly izy hoe: "Fanombohan-kase sy ny kofehinao, ary iny tehina eny an-tananao iny." Nomeny azy ireo ary niara-nandry taminy izy, ka dia nitoe-jaza taminy izy. BSB BSB: “What pledge should I give you?” he asked. She answered, “Your seal and your cord, and the staff in your hand.” So he gave them to her and slept with her, and she became pregnant by him.
19 ULB Nitsangana izy ary niala teo. Nesoriny ny voaliny ary nampidiriny ny lamba maha mpitondratena azy. BSB BSB: Then Tamar got up and departed. And she removed her veil and put on her widow’s garments again.
20 ULB Nampanaterin'i Joda an'ilay Adolamita namany ny zanak'osy tamin'ireo ondry aman'osy mba hahazoany ilay antoka teny an-tanan-dravehivavy, kanefa tsy nahita azy izy. BSB BSB: Now when Judah sent his friend Hirah the Adullamite with the young goat to collect the items he had left with the woman, he could not find her.
21 ULB Avy eo dia nanontany ireo lehilahy nonina teo an-toerana ilay Adolamita hoe: "Aiza ilay mpivarotena teto amin'ny lalan'i Enaima?" Hoy izy ireo hoe: "Tsy nisy mpivaro-tena teto." BSB BSB: He asked the men of that place, “Where is the shrine prostitute who was beside the road at Enaim?” “No shrine prostitute has been here,” they answered.
22 ULB Dia niverina tany amin'i Joda izy ary hoy izy hoe: "Tsy nahita azy aho. Ary hoy koa ireo lehilahy teo an-toerana hoe: 'Tsy nisy mpivaro-tena teto" BSB BSB: So Hirah returned to Judah and said, “I could not find her, and furthermore, the men of that place said, ‘No shrine prostitute has been here.’”
23 ULB Hoy i Joda hoe: "Aleo ho tazominy any ireny zavatra ireny, mba tsy hanala baraka antsika. Efa nampanatitra zanak'osy tokoa aho, kanefa ianao tsy nahita azy." BSB BSB: “Let her keep the items,” Judah replied. “Otherwise we will become a laughingstock. After all, I did send her this young goat, but you could not find her.”
24 ULB Ary rehefa afaka telo volana teo dia nisy nilaza tamin'i Joda hoe: "Nivarotena i Tamara vinantovavinao, ary efa mitoe-jaza noho izany tokoa izy." Hoy Joda hoe: "Ento aty izy ary aoka ho dorana." BSB BSB: About three months later, Judah was told, “Your daughter-in-law Tamar has prostituted herself, and now she is pregnant.” “Bring her out!” Judah replied. “Let her be burned to death!”
25 ULB Ary rehefa navoaka izy dia nampita hafatra tany amin'ny rafozany hoe: "Avy amin'ny lehilahy tompon'ireto no nampitoe-jaza ahy." Hoy izy hoe: "Mba fantaro re hoe an'iza ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto." BSB BSB: As she was being brought out, Tamar sent a message to her father-in-law: “I am pregnant by the man to whom these items belong.” And she added, “Please examine them. Whose seal and cord and staff are these?”
26 ULB Ary fantatr'i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: "Marina mihoatra ahy izy, satria izy dia tsy natolotro ho vadin'i Sela zanako." Ary tsy niara-nandry taminy intsony izy. BSB BSB: Judah recognized the items and said, “She is more righteous than I, since I did not give her to my son Shelah.” And he did not have relations with her again.
27 ULB Ary tamin'izany andro izany dia teraka izy, indro, kambana no tao an-kibony. BSB BSB: When the time came for Tamar to give birth, there were twins in her womb.
28 ULB Ary raha teo am-piterahana dia nipoitra ny tanan'ny iray tamin'ireo zaza, ary naka kofehy mena ilay mpampivelona ka nataony voina tamin'ny tanany ary hoy izy hoe: "Ity no teraka voalohany." BSB BSB: And as she was giving birth, one of them put out his hand; so the midwife took a scarlet thread and tied it around his wrist. “This one came out first,” she announced.
29 ULB Ary avy eo dia nahemony ny tanany, ary indro, ny rahalahiny nivoaka voalohany. Hoy ilay mpampivelona hoe: "Tamin'ny fomba ahoana no nahatafavoaka anao!" Koa dia nantsoina hoe Fareza izy. BSB BSB: But when he pulled his hand back and his brother came out, she said, “You have broken out first!” So he was named Perez.
30 ULB Ary nivoaka indray ilay rahalahiny, izay nisy an'ilay kofehy mena tamin'ny tanany ka nantsoina hoe Zera izy. BSB BSB: Then his brother came out with the scarlet thread around his wrist, and he was named Zerah.