1 ULB Nonina tany amin'ilay tany izay nitoeran'ny rainy i Jakoba, tao amin'ny tany Kanana. BSB BSB: Now Jacob lived in the land where his father had resided, the land of Canaan.
2 ULB Izao ny tranga mahakasika an'i Jakoba. Josefa, izay tovolahy fito ambin'ny folo taona, dia niambina ireo ondry aman'osy niaraka tamin'ireo rahalahiny. Izy dia niaraka tamin'ireo zanaka lahin'i Bila sy ireo zanaka lahin'i Zilpa, ireo vadin'ny rainy. Nanao tatitra ratsy momba azy ireo tamin'ny rainy i Josefa. BSB BSB: This is the account of Jacob. When Joseph was seventeen years old, he was tending the flock with his brothers, the sons of his father’s wives Bilhah and Zilpah, and he brought their father a bad report about them.
3 ULB Ary dia tian'i Israely mihoatra noho ireo zanany lahy hafa i Josefa noho izy zanakin'ny fahanterany. Nanjairany akanjo tsara tarehy izy. BSB BSB: Now Israel loved Joseph more than his other sons, because Joseph had been born to him in his old age; so he made him a robe of many colors.
4 ULB Hitan'ireo rahalahiny fa tian'ny rainy mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra izy. Nankahala azy izy ireo ary tsy niteny am-pitiavana taminy. BSB BSB: When Joseph’s brothers saw that their father loved him more than any of them, they hated him and could not speak a kind word to him.
5 ULB Nahazo nofy i Josefa, ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny izany. Vao maika nankahala azy izy ireo. BSB BSB: Then Joseph had a dream, and when he told it to his brothers, they hated him even more.
6 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mba henoy anie izao nofiko izay nonofisiko izao. BSB BSB: He said to them, “Listen to this dream I had:
7 ULB Indro, namehy amboaram-bary tany an-tsaha isika ary indro, niarina ny amboarako ka tafajoro tsara, ary indro, nilahatra nanodidina ny ahy kosa ireo amboaranareo ary niankohoka teo anatrehan'ny amboarako." BSB BSB: We were binding sheaves of grain in the field, and suddenly my sheaf rose and stood upright, while your sheaves gathered around and bowed down to mine.”
8 ULB Hoy ireo rahalahiny taminy hoe: "Dia hanjaka aminay tokoa ve ianao? Hanapaka anay tokoa ve ianao?" Vao maika izy ireo nankahala azy noho ireo nofiny sy ireo teniny. BSB BSB: “Do you intend to reign over us?” his brothers asked. “Will you actually rule us?” So they hated him even more because of his dream and his statements.
9 ULB Dia mbola nanofy hafa indray izy ka nambarany tamin'ireo rahalahiny. Hoy izy hoe: "Mbola nahazo nofy hafa indray aho: Niankohoka teo anatrehako ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo." BSB BSB: Then Joseph had another dream and told it to his brothers. “Look,” he said, “I had another dream, and this time the sun and moon and eleven stars were bowing down to me.”
10 ULB Notantarainy tamin-drainy izany toy ny nataony tamin'ireo rahalahany, ka notenenin-drainy mafy izy. Hoy izy taminy hoe: "Inona izany azonao nofy izany? Dia hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao?" BSB BSB: He told his father and brothers, but his father rebuked him and said, “What is this dream that you have had? Will your mother and brothers and I actually come and bow down to the ground before you?”
11 ULB Nialona azy ireo rahalahany, fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany tao an-tsainy. BSB BSB: And his brothers were jealous of him, but his father kept in mind what he had said.
12 ULB Nandeha niandry ireo ondry aman'osin-drainy tany Sekema ireo rahalahiny. BSB BSB: Some time later, Joseph’s brothers had gone to pasture their father’s flocks near Shechem.
13 ULB Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Moa tsy lasa niandry ireo ondry aman'osy any Sekema ve ireo rahalahinao? Avia, fa hirahiko ho any amin'izy ireo ianao." Hoy Josefa taminy hoe: "Vonona aho." BSB BSB: Israel said to him, “Are not your brothers pasturing the flocks at Shechem? Get ready; I am sending you to them.” “I am ready,” Joseph replied.
14 ULB Hoy izy taminy hoe: "Mandehana, ndeha zahao raha salama ireo rahalahinao sy ireo ondry aman'osy, ary tatero aty amiko." Ary dia navoakan'i Jakoba nihoatra ny lohasahan'i Hebrona izy, ary Josefa nankany Sekema. BSB BSB: Then Israel told him, “Go now and see how your brothers and the flocks are faring, and bring word back to me.” So he sent him off from the Valley of Hebron. And when Joseph arrived in Shechem,
15 ULB Ary nisy lehilahy iray nahita an'i Josefa. Indro, i Josefa nirenireny teny an-tsaha. Nanontany azy ilay lehilahy hoe: "Inona no tadiavinao?" BSB BSB: a man found him wandering in the field and asked, “What are you looking for?”
16 ULB Hoy Josefa hoe: "Mitady ireo rahalahiko aho. Miangavy, mba lazao ahy re, aiza izy ireo no miandry ireo ondry aman'osy." BSB BSB: “I am looking for my brothers,” Joseph replied. “Can you please tell me where they are pasturing their flocks?”
17 ULB Hoy ilay lehilahy hoe: "Efa nandao ity toerana ity izy ireo, ary reko izy ireo niteny hoe: 'Andeha isika ho any Dotana."' Nanaraka ny dian'ireo rahalahany i Josefa ka nahita azy ireo tany Dotana. BSB BSB: “They have moved on from here,” the man answered. “I heard them say, ‘Let us go to Dothan.’” So Joseph set out after his brothers and found them at Dothan.
18 ULB Tazan'izy ireo avy lavitra izy, ary talohan'ny nahatongavany teo akaikin'izy ireo, dia nanao tetika hamonoana azy izy ireo. BSB BSB: Now Joseph’s brothers saw him in the distance, and before he arrived, they plotted to kill him.
19 ULB Nifampiresaka ireo rahalahany hoe: "Jereo, tamy ilay mpanonofy. BSB BSB: “Here comes that dreamer!” they said to one another.
20 ULB Avia ankehitriny, andeha ho vonointsika izy ka hatsipintsika ao amin'iray amin'ireo lavaka. Ho lazaintsika hoe: 'Narapakin'ny bibidia izy.' Dia ho hitantsika eo izay hiafaran'ireo nofiny." BSB BSB: “Come now, let us kill him and throw him into one of the pits. We can say that a vicious animal has devoured him. Then we shall see what becomes of his dreams!”
21 ULB Nandre izany Robena ka namonjy azy teo am-pelan-tanan'izy ireo. Hoy izy hoe: "Aleo tsy esorintsika ny ainy." BSB BSB: When Reuben heard this, he tried to rescue Joseph from their hands. “Let us not take his life,” he said.
22 ULB Hoy Robena tamin'izy ireo hoe: "Aza mandatsa-drà. Atsipazo any amin'ny lavaka izay an'efitra izy, fa aza mikasi-tanana azy"— mba hafahany manavotra azy eo an-tanan'izy ireo ka hitondra azy miverina any amin-drainy. BSB BSB: “Do not shed his blood. Throw him into this pit in the wilderness, but do not lay a hand on him.” Reuben said this so that he could rescue Joseph from their hands and return him to his father.
23 ULB Ary rehefa tonga teo amin'ireo rahalahiny Josefa, dia nendahan'izy ireo taminy ilay akanjo tsara tarehy. BSB BSB: So when Joseph came to his brothers, they stripped him of his robe—the robe of many colors he was wearing—
24 ULB Noraisin' izy ireo izy ary natsipiny tao anaty lavaka. Foana ilay lavaka ary tsy nisy rano tao anatiny. BSB BSB: and they took him and threw him into the pit. Now the pit was empty, with no water in it.
25 ULB Nipetraka izy ireo mba hihinana mofo. Nanandratra ny masony izy ireo ka nijery, indreny, nisy Ismaelita niara-dia avy tany Gileada, niaraka tamin'ny ramevan'izy ireo izay nitondra hanitra, sy balsama ary miora. Nandeha izy ireo mba hitondra izany hidina ho any Egypta. BSB BSB: And as they sat down to eat a meal, they looked up and saw a caravan of Ishmaelites coming from Gilead. Their camels were carrying spices, balm, and myrrh on their way down to Egypt.
26 ULB Hoy Joda tamin'ireo rahalahiny hoe: "Inona no tombotsoa ho azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny ràny isika? BSB BSB: Then Judah said to his brothers, “What profit will we gain if we kill our brother and cover up his blood?
27 ULB Ndeha, ary aoka hamidintsika amin'ireo Ismaelita izy ary aoka tsy hisy hikasi-tanana azy isika. Satria rahalahintsika izy, nofontsika izy." Nihaino azy ireo rahalahiny. BSB BSB: Come, let us sell him to the Ishmaelites and not lay a hand on him; for he is our brother, our own flesh.” And they agreed.
28 ULB Nandalo ireo Midianita mpivaro-mandeha. Nosintomin'ireo rahalahiny ary nankariny avy tao an-davaka i Josefa. Namidin'izy ireo farantsa volafotsy roapolo tamin'ireo Ismaelita i Josefa. Dia nentin'ireo Ismaelita tany Egypta i Josefa. BSB BSB: So when the Midianite traders passed by, his brothers pulled Joseph out of the pit and sold him for twenty shekels of silver to the Ishmaelites, who took him to Egypt.
29 ULB Niverina teo amin'ilay lavaka Robena, ary, indro, tsy tao anaty lavaka i Josefa. Norovitiny ny fitafiany. BSB BSB: When Reuben returned to the pit and saw that Joseph was not there, he tore his clothes,
30 ULB Niverina tany amin'ireo rahalahiny izy ary niteny hoe: "Tsy ao ilay zazalahy! Aiza no tany halehako?" BSB BSB: returned to his brothers, and said, “The boy is gone! What am I going to do?”
31 ULB Namono osy iray izy ireo ary naka ny akanjon'i Josefa ka nanatsoboka izany tao amin'ilay rà. BSB BSB: Then they took Joseph’s robe, slaughtered a young goat, and dipped the robe in its blood.
32 ULB Ary dia nentin'izy ireo tany amin'ny rainy izany ary hoy izy ireo hoe: "Hitanay ity. Mba jereo raha akanjon'ny zanakao ity na tsia." BSB BSB: They sent the robe of many colors to their father and said, “We found this. Examine it to see whether it is your son’s robe or not.”
33 ULB Fantatr'i Jakoba izany ary hoy izy hoe: "Akanjon'ny zanako ity. Narapaky ny bibidia izy. Tena rotidrotika tokoa Josefa." BSB BSB: His father recognized it and said, “It is my son’s robe! A vicious animal has devoured him. Joseph has surely been torn to pieces!”
34 ULB Nandrovitra ny fitafiany Jakoba ary nisikina lamba fisaonana teo am-balahany. Nisaona ny zanany nandritry ny andro maro izy. BSB BSB: Then Jacob tore his clothes, put sackcloth around his waist, and mourned for his son many days.
35 ULB Nitsangana nampionona azy avokoa ny zanany lahy sy ny zanany vavy rehetra, fa tsy nety nampiononina izy. Hoy izy hoe: "Hidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita tokoa aho hisaona ny zanako lahy." Nitomany azy ny rainy. BSB BSB: All his sons and daughters tried to comfort him, but he refused to be comforted. “No,” he said. “I will go down to Sheol mourning for my son.” So his father wept for him.
36 ULB Namidin'ireo Midianita tany Egypta tamin'i Potifara izy, tandapan'i Farao, ilay lehiben'ny mpiambina. BSB BSB: Meanwhile, the Midianites sold Joseph in Egypt to Potiphar, an officer of Pharaoh and captain of the guard.