1 ULB Avy eo nampiantso ireo zanany lahy Jakoba, ary niteny hoe: "Miangona ianareo, mba hafahako milaza aminareo izay hitranga aminareo amin'ny ho avy. BSB BSB: Then Jacob called for his sons and said, “Gather around so that I can tell you what will happen to you in the days to come:
2 ULB Mivoria ary mihainoa, ianareo ry zanaka lahin'i Jakoba. Mihainoa an'i Israely, rainareo. BSB BSB: Come together and listen, O sons of Jacob; listen to your father Israel.
3 ULB Ry Robena, ianao no lahimatoako, ny maheriko, ary ny fiandohan'ny heriko, miavaka amin'ny fahamendrehana, ary miavaka amin'ny fahefana. BSB BSB: Reuben, you are my firstborn, my might, and the beginning of my strength, excelling in honor, excelling in power.
4 ULB Tsy voafehy toy ny rano mandeha mafy, no tsy hahazo ny lohany ianao, satria niakatra teo amin'ny fandrian'ny rainao ianao. Avy eo nandoto izany ianao; niakatra teo amin'ny fandriako ianao. BSB BSB: Uncontrolled as the waters, you will no longer excel, because you went up to your father’s bed, onto my couch, and defiled it.
5 ULB Simeona sy Levy dia mpirahalahy. Ireo fitaovam-piadian'ny herisetra no sabatr'izy ireo. BSB BSB: Simeon and Levi are brothers; their swords are weapons of violence.
6 ULB Ry fanahiko, aza miditra ao amin'ireo filan-kevitr'izy ireo; aza miditra ao amin'ny fivorian'izy ireo, fa ny foko be voninahitra loatra raha ho an'izany. Fa tao anatin'ny hatezeran'izy ireo no namonoany olona. Ho fahafinaretana no nitraingoin'izy ireo omby. BSB BSB: May I never enter their council; may I never join their assembly. For they kill men in their anger, and hamstring oxen on a whim.
7 ULB Aoka hozonina ny hatezeran'izy ireo, fa nasiaka izany—ary ny faharomotan'izy ireo, fa loza be izany. Hizara azy ireo any amin'i Jakoba aho ary hampiely azy ireo any amin'i Israely. BSB BSB: Cursed be their anger, for it is strong, and their wrath, for it is cruel! I will disperse them in Jacob and scatter them in Israel.
8 ULB Ry Joda, hidera anao ireo rahalahinao. Ho eo am-bozon'ireo fahavalonao ny tananao. Hiankohoka eo alohanao ireo zanaka lahin'ny rainao. BSB BSB: Judah, your brothers shall praise you. Your hand shall be on the necks of your enemies; your father’s sons shall bow down to you.
9 ULB Joda dia zana-diona. Ry zanako lahy, niakatra tamin'ireo fandresenao ianao. Dia niondrika izy, nitampify toy ny liona, toy ny liona vavy. Iza no hahasahy hamoha azy? BSB BSB: Judah is a young lion—my son, you return from the prey. Like a lion he crouches and lies down; like a lioness, who dares to rouse him?
10 ULB Ny tehim-panjakana dia tsy hiala eo amin'i Joda, na ireo tehin'ireo mpanapaka eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo. Hankatoa azy ireo firenena. BSB BSB: The scepter will not depart from Judah, nor the staff from between his feet, until Shiloh comes and the allegiance of the nations is his.
11 ULB Namatotra ny ampondrany teo amin'ny voaloboka, ary ny zana-birikiny teo amin'ny voaloboka voasafidy, dia nanasa ireo fitafiany tao anatin'ny divay izy, ary ny akanjo lavany tao anatin'ny ràm-boaloboka. BSB BSB: He ties his donkey to the vine, his colt to the choicest branch. He washes his garments in wine, his robes in the blood of grapes.
12 ULB Ho mainty toy ny divay ireo masony, ary ho fotsy toy ny ronono ireo nifiny. BSB BSB: His eyes are darker than wine, and his teeth are whiter than milk.
13 ULB Hipetraka eo amoron-dranomasina i Zebolona. Ho seranan'ireo sambo izy, ary hihitatra any Sidona ny fari-taniny. BSB BSB: Zebulun shall dwell by the seashore and become a harbor for ships; his border shall extend to Sidon.
14 ULB Isakara dia ampondra matanjaka, mandry anelanelan'ireo valan'ondry. BSB BSB: Issachar is a strong donkey, lying down between the sheepfolds.
15 ULB Mahita toerana fialan-tsasatra tsara sy tany mahafinaritra izy. Hanondrika ny sorony ho amin'ny enta-mavesatra izy ary ho lasa mpanompo ho an'ny asa. BSB BSB: He saw that his resting place was good and that his land was pleasant, so he bent his shoulder to the burden and submitted to labor as a servant.
16 ULB Hitsara ny vahoakany toy ny iray amin'ireo fokon'i Israely i Dana. BSB BSB: Dan shall provide justice for his people as one of the tribes of Israel.
17 ULB Ho bibilava akaikin'ny lalana i Dana, bibilava misy poizina eo amin'ny lalana izay manaikitra ireo ombelahin-tongotry ny soavaly, ka mianjera ny mpitaingina izany. BSB BSB: He will be a snake by the road, a viper in the path that bites the horse’s heels so that its rider tumbles backward.
18 ULB Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh. BSB BSB: I await Your salvation, O LORD.
19 ULB Gada—hanafika azy ny andiany, fa hanafika azy ireo eo amin'ny ombelahin-tongon'izy ireo izy. BSB BSB: Gad will be attacked by raiders, but he will attack their heels.
20 ULB Ho tsara ny sakafon'i Asera, ary hamatsy hanim-py ny mpanjaka izy. BSB BSB: Asher’s food will be rich; he shall provide royal delicacies.
21 ULB Naftaly dia diera vavy novahana, hanana biby tsara tarehy izy. BSB BSB: Naphtali is a doe set free that bears beautiful fawns.
22 ULB Josefa dia sampam-bokatra, sampam-bokatra akaiky lohataona, izay ny sampany dia mananika mihoatry ny fefy. BSB BSB: Joseph is a fruitful vine—a fruitful vine by a spring, whose branches scale the wall.
23 ULB Ireo mpandefa tsipika dia hanafika azy ary hitifitra azy sy hampijaly azy. BSB BSB: The archers attacked him with bitterness; they aimed at him in hostility.
24 ULB Fa ny tsipikany dia hijanona hateza, ary ireo tanany dia hahay hanao noho ny tanan'ilay Maherin'i Jakoba, noho ny anaran'ny Mpiandry ondry, ny Vatolampin'i Israely. BSB BSB: Yet he steadied his bow, and his strong arms were tempered by the hands of the Mighty One of Jacob, in the name of the Shepherd, the Rock of Israel,
25 ULB Ny Andriamanitry ny rainao dia hanampy anao ary ny Andriamanitra Tsitoha hitahy anao amin'ireo fitahian'ny lanitra ambony, ireo fitahian'ny lalina izay nandry ambany, ary ireo fitahian'ny tratra sy kibo. BSB BSB: by the God of your father who helps you, and by the Almighty who blesses you, with blessings of the heavens above, with blessings of the depths below, with blessings of the breasts and womb.
26 ULB Ireo tso-dranon'ny rainao dia lehibe noho ireo fitahian'ireo tendrombohitra taloha na ireo zavatra irian'ireo havoana taloha. Ho eo an-dohan'i Josefa anie ireo, dia eo amin'ny satro-boninahitry ny lohan'ny printsin'ireo rahalahiny mihintsy. BSB BSB: The blessings of your father have surpassed the blessings of the ancient mountains and the bounty of the everlasting hills. May they rest on the head of Joseph, on the brow of the prince of his brothers.
27 ULB Benjamina dia amboadia noana. Amin'ny maraina dia handrapaka ny haza izy, ary amin'ny hariva dia hizara ny voaroba izy." BSB BSB: Benjamin is a ravenous wolf; in the morning he devours the prey, in the evening he divides the plunder.”
28 ULB Ireo no foko roa ambin'ny folon'i Israely. Izany no nolazain'ny rainy tamin'izy ireo rehefa nitso-drano azy ireo izy. Ny tsirairay avy dia notsofina rano tamin'ny fitsofan-drano mifanaraka avy. BSB BSB: These are the tribes of Israel, twelve in all, and this was what their father said to them. He blessed them, and he blessed each one with a suitable blessing.
29 ULB Dia nandidy azy ireo izy ary nanao tamin'izy ireo hoe: "Efa andeha any amin'ny vahoakako aho. Aleveno miaraka amin'ireo razam-beko ao am-pasana izay ao amin'ny sahan'i Efrona Hetita aho, BSB BSB: Then Jacob instructed them, “I am about to be gathered to my people. Bury me with my fathers in the cave in the field of Ephron the Hittite.
30 ULB ao amin'ny fasana izay ao amin'ny sahan'i Makpela, izay akaikin'i Mamre ao amin'ny tany Kanàna, ny saha izay novidian'i Abrahama ho toerana fandevenana tany amin'i Efrona Hetita. BSB BSB: The cave is in the field of Machpelah near Mamre, in the land of Canaan. This is the field Abraham purchased from Ephron the Hittite as a burial site.
31 ULB Tao no nandevenan'izy ireo an'i Abrahama sy Saraha vadiny; tao no nandevenan'izy ireo an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao no nandevenako an'i Lea. BSB BSB: There Abraham and his wife Sarah are buried, there Isaac and his wife Rebekah are buried, and there I buried Leah.
32 ULB Ny saha sy ny fasana izay tao anatin'izany dia novidiana tamin'ireo vahoakan'i Heta. BSB BSB: The field and the cave that is in it were purchased from the Hittites.”
33 ULB Rehefa vitan'i Jakoba tamin'ireo zanany izany didy izany, dia namonkina ny tongony ho eny am-pandriana izy, dia niala aina, ary nandeha nankany amin'ny olony. BSB BSB: When Jacob had finished instructing his sons, he pulled his feet into the bed and breathed his last, and he was gathered to his people.