1 ULB Ary tao aorian'izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa hoe: "Indro, marary rainao." Dia nentiny niaraka taminy ny zanany mirahalahy, Manase sy Efraima. BSB BSB: Some time later Joseph was told, “Your father is ill.” So he set out with his two sons, Manasseh and Ephraim.
2 ULB Rehefa nilazana Jakoba hoe: "Indro, Josefa zanakao lahy tonga mba hijery anao," dia nanangona hery Israely ka niarina nipetraka teo am-pandriana. BSB BSB: When Jacob was told, “Your son Joseph has come to you,” Israel rallied his strength and sat up in bed.
3 ULB Hoy Jakoba tamin'i Josefa hoe: "Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy tany amin'ny tany Kanana. Nitso-drano ahy Izy BSB BSB: Jacob said to Joseph, “God Almighty appeared to me at Luz in the land of Canaan, and there He blessed me
4 ULB ka nanao tamiko hoe: 'Indro, hampamokatra, sy hahamaro anao Aho. Hahatonga firenena maro avy aminao Aho. Dia homeko ny taranakao ity tany ity ho fananana mandrakizay.' BSB BSB: and told me, ‘Behold, I will make you fruitful and multiply you; I will make you a multitude of peoples, and will give this land to your descendants after you as an everlasting possession.’
5 ULB Ary ireo zanakao mirahalahy, izay teraka ho anao teto Egypta talohan'ny nanatonako anao ho eto Egypta, dia ahy. Efraima sy Manase dia ho ahy, tahaka ny maha ahy an'i Robena sy Simeona. BSB BSB: And now your two sons born to you in Egypt before I came to you here shall be reckoned as mine; Ephraim and Manasseh shall be mine, just as Reuben and Simeon are mine.
6 ULB Ny zaza teraka aorian'izy ireo no ho anao; ho tanisain'izy ireo ny anaran'ireo rahalahiny araka ny lovan'izy ireo. BSB BSB: Any children born to you after them shall be yours, and they shall be called by the names of their brothers in the territory they inherit.
7 ULB Ary izaho, fony aho avy any Padana-Arama, dia maty teo anatrehako teny an-dalana tany amin'ny tany Kanana i Rahely, raha kely sisa no tsy nahatongavanay tao Efrata. Naleviko teny an-dalana ho any Efrata izy" (izay atao hoe, Betlehema). BSB BSB: Now as for me, when I was returning from Paddan, to my sorrow Rachel died along the way in the land of Canaan, some distance from Ephrath. So I buried her there beside the road to Ephrath” (that is, Bethlehem).
8 ULB Koa rehefa hitan'i Israely ireo zanak'i Josefa, dia hoy izy hoe: "An'iza moa ireto?" BSB BSB: When Israel saw the sons of Joseph, he asked, “Who are these?”
9 ULB Dia hoy Josefa tamin-drainy hoe: "Zanako ireo, izay nomen'Andriamanitra ahy taty." Dia hoy Israely hoe: "Ento mankaty amiko izy ireo, mba hitsofako rano azy." BSB BSB: Joseph said to his father, “They are the sons God has given me in this place.” So Jacob said, “Please bring them to me, that I may bless them.”
10 ULB Ary efa nanjavona ny mason'i Israely nohon'ny fahanterany, ka tsy afaka mahita izy. Dia nampanatonin'i Josefa azy izy ireo noho izany, ka nanoroka sy namihina azy ireo izy. BSB BSB: Now Israel’s eyesight was poor because of old age; he could hardly see. Joseph brought his sons to him, and his father kissed them and embraced them.
11 ULB Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Tsy nanantena ny hahita ny tavanao indray aho, nefa navelan' Andriamanitra ho hitako na dia ny zanakao aza." BSB BSB: “I never expected to see your face again,” Israel said to Joseph, “but now God has let me see your children as well.”
12 ULB Dia nesorin'i Josefa teo anelanelan'ny lohalik'i Israely izy ireo, ary niankohoka tamin'ny tany izy. BSB BSB: Then Joseph removed his sons from his father’s knees and bowed facedown.
13 ULB Dia nalain'i Josefa izy mirahalahy, Efraima teo an-tanan-kavanany ho eo an-tanan-kavian'i Israely, ary Manase teo an-tanan-kaviany manatrika ny an-tanan-kavanan'i Israely, ka nitondra azy ireo mba hanakaiky azy. BSB BSB: And Joseph took both of them—with Ephraim in his right hand toward Israel’s left hand, and Manasseh in his left hand toward Israel’s right hand—and brought them close to him.
14 ULB Dia natsotran'i Israely ny tanany havanana ka napetrany teo ambonin'ny lohan'i Efraima, ilay zandriny, ary ny tanany havia teo ambonin'ny lohan'i Manase. Nampifamadihany ny tanany, satria Manase no lahimatoa. BSB BSB: But Israel stretched out his right hand and put it on the head of Ephraim, the younger; and crossing his hands, he put his left on Manasseh’s head, although Manasseh was the firstborn.
15 ULB Dia nitso-drano an'i Josefa i Israely, ka nanao hoe: "Ilay Andriamanitra izay nandeha teo alohan'i Abrahama sy Isaka, ilay Andriamanitra izay niahy ahy mandrak'ankehitriny, BSB BSB: Then he blessed Joseph and said: “May the God before whom my fathers Abraham and Isaac walked, the God who has been my shepherd all my life to this day,
16 ULB ilay anjely izay niaro ahy tamin'ny ratsy rehetra anie, hitahy ireto zaza lahy ireto. Ho tononina ao amin'izy ireo anie ny anarako, ary ny anaran'i Abrahama sy Isaka razako. Hihamaro eto an-tany anie izy ireo." BSB BSB: the angel who has redeemed me from all harm—may He bless these boys. And may they be called by my name and the names of my fathers Abraham and Isaac, and may they grow into a multitude upon the earth.”
17 ULB Koa rehefa hitan'i Josefa fa napetraky ny rainy teo amin'ny lohan'i Efraima ny tanany an-kavanana, dia tsy nankasitraka izany izy. Dia nesoriny tsy ho eo amin'ny lohan'i Efraima ny tanan'ny rainy ka nafinfrany teo ambonin'ny lohan'i Manase. BSB BSB: When Joseph saw that his father had placed his right hand on Ephraim’s head, he was displeased and took his father’s hand to move it from Ephraim’s head to Manasseh’s.
18 ULB Dia hoy Josefa tamin'ny rainy hoe: "Tsy izao no izy, ry raiko; fa ity no lahimatoa. Apetraho eo ambonin'ny lohany ny tananao an-kavanana." BSB BSB: “Not so, my father!” Joseph said. “This one is the firstborn; put your right hand on his head.”
19 ULB Dia nandà ny rainy ka nanao hoe: "Fantatro, ry zanako, fantatro. Ho tonga firenena, sy ho tonga lehibe ihany koa izy. Ary ny zandriny koa dia ho lehibe noho izy, ary ho tonga firenena maro ny taranany." BSB BSB: But his father refused. “I know, my son, I know!” he said. “He too shall become a people, and he too shall be great; nevertheless, his younger brother shall be greater than he, and his offspring shall become a multitude of nations.”
20 ULB Izao teny izao no nitsofan'i Israely rano azy ireo tamin'izany andro izany: "Amin'ny anaranareo no hanononan'ny vahoakan'i Israely fitahiana hanao hoe: 'Andriamanitra anie hahatonga anareo tahaka an'i Efraima sy Manase.'" Izany no fomba, nametrahan'i Israely an'i Efraima ho eo alohan'i Manase. BSB BSB: So that day Jacob blessed them and said: “By you shall Israel pronounce this blessing: ‘May God make you like Ephraim and Manasseh.’” So he put Ephraim before Manasseh.
21 ULB Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Indro, efa ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anao, ary hitondra anao hiverina any amin'ny tanin'ireo razanao. BSB BSB: Then Israel said to Joseph, “Look, I am about to die, but God will be with you and bring you back to the land of your fathers.
22 ULB Ho anao, izay ambony noho ireo rahalahinao, dia omeko anao ny zaratany izay nalaiko tamin'ny Amorita tamin'ny sabatro sy ny tsipikako." BSB BSB: And to you, as one who is above your brothers, I give the ridge of land that I took from the Amorites with my sword and bow.”