1 ULB Dia niditra Josefa ary niteny tamin'i Farao hoe: "Tonga avy any amin'ny tany Kanana ny raiko sy ireo rahalahiko, ireo andian'ondry, ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra izay ananan'izy ireo. Indro, ao amin'ny tanin'i Gosena izy ireo." BSB BSB: So Joseph went and told Pharaoh: “My father and my brothers, with their flocks and herds and all they own, have come from the land of Canaan and are now in Goshen.”
2 ULB Ary naka dimy tamin'ireo rahalahiny i Josefa ka nampahafantatra azy ireo tamin'i Farao. BSB BSB: And he chose five of his brothers and presented them before Pharaoh.
3 ULB Hoy Farao tamin'ireo rahalahiny hoe: "Inona no asanareo?" Hoy izy ireo tamin'i Farao hoe: "Mpiandry ondry ny mpanomponao, tahaka ireo razambenay ihany." BSB BSB: “What is your occupation?” Pharaoh asked Joseph’s brothers. “Your servants are shepherds,” they replied, “both we and our fathers.”
4 ULB Ary hoy indray izy ireo tamin'i Farao hoe: "Tonga ho mpivahiny fotoana fohy amin'ity tany ity izahay. Tsy misy ahitra ho an'ny biby fiompin'ny mpanomponao, satria mamaivay ny mosary any Kanana. Koa ankehitriny ary, mba avelao re ny mpanomponao hitoetra eo amin'ny tanin'i Gosena." BSB BSB: Then they said to Pharaoh, “We have come to live in the land for a time, because there is no pasture for the flocks of your servants, since the famine in the land of Canaan has been severe. So now, please allow your servants to settle in the land of Goshen.”
5 ULB Ary niresaka tamin'i Josefa i Farao, nanao hoe: "Tonga teto aminao ny rainao sy ny rahalahinao. BSB BSB: Pharaoh said to Joseph, “Now that your father and brothers have come to you,
6 ULB Eo anoloanao ny tany Egypta. Ampitoero ao amin'ny faritra tsara indrindra ny rainao sy ireo rahalahinao, dia ny tanin'i Gosena. Raha mahafantatra olona mahay amin'izy ireo ianao, dia ampitantano ny biby fiompiko ireo." BSB BSB: the land of Egypt is before you; settle your father and brothers in the best part of the land. They may dwell in the land of Goshen. And if you know of any talented men among them, put them in charge of my own livestock.”
7 ULB Avy eo dia nentin'i Josefa niditra i Jakoba ary nampahafantariny tamin'i Farao. Nitso-drano an'i Farao i Jakoba. BSB BSB: Then Joseph brought in his father Jacob and presented him before Pharaoh, and Jacob blessed Pharaoh.
8 ULB Hoy Farao tamin'i Jakoba hoe: "Hafiriana izay no nahavelomanao?" BSB BSB: “How many years have you lived?” Pharaoh asked.
9 ULB Jakoba niteny tamin'i Farao hoe: "Telopolo amby zato izay no taonan'ny diako. Vitsy ary nangirifiry ny androm-piainako. Tsy mba lava tahaka ny an'ny razako ireo." BSB BSB: “My travels have lasted 130 years,” Jacob replied. “My years have been few and hard, and they have not matched the years of the travels of my fathers.”
10 ULB Ary nitso-drano an'i Farao i Jakoba ka nivoaka niala teo amin'ny fanatrehany. BSB BSB: Then Jacob blessed Pharaoh and departed from his presence.
12 ULB Nanome sakafo ho an-drainy, sy ireo rahalahiny, ary ny ankohonan-drainy rehetra i Josefa, araka ny isan'ny zanany avy. BSB BSB: Joseph also provided his father and brothers and all his father’s household with food for their families.
13 ULB Ary tsy nisy sakafo teo amin'ny tany rehetra; satria namaivay ny mosary. Simba ny tany Egypta sy Kanana nohon'ny mosary. BSB BSB: There was no food, however, in all that region, because the famine was so severe; the lands of Egypt and Canaan had been exhausted by the famine.
14 ULB Nangonin'i Josefa tamin'ny alalan'ny fivarotana vary tamin'ireo mponina avokoa ny vola rehetra teo amin'ny tany Egypta sy ny tany Kanana. Avy eo dia nentin'i Josefa tao an-dapan'i Farao ny vola. BSB BSB: Joseph collected all the money to be found in the land of Egypt and the land of Canaan in exchange for the grain they were buying, and he brought it into Pharaoh’s palace.
15 ULB Rehefa lany avokoa ny volan'ny tany Egypta sy tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa avokoa ny Egyptiana rehetra nanao hoe: "Omeo hanina izahay! Nahoana izahay no dia ho faty eto anatrehanao satria lany ny volanay?" BSB BSB: When the money from the lands of Egypt and Canaan was gone, all the Egyptians came to Joseph and said, “Give us food. Why should we die before your eyes? For our funds have run out!”
16 ULB Hoy Josefa hoe: "Raha lany ny volanareo, dia ento aty ny biby fiompinareo ary hanome hanina ho anareo aho ho solon'ny biby fiompinareo." BSB BSB: “Then bring me your livestock,” said Joseph. “Since the money is gone, I will sell you food in exchange for your livestock.”
17 ULB Koa dia nentin'izy ireo teo amin'i Josefa ny biby fiompin'izy ireo. Nomen'i Josefa hanina izy ireo ho takalon'ny soavaly, ny omby, ny ondry, ary ireo ampondra. Novokisany mofo izy ireo ho takalon'ny biby fiompiny tamin'izay taona izany. BSB BSB: So they brought their livestock to Joseph, and he gave them food in exchange for their horses, their flocks and herds, and their donkeys. Throughout that year he provided them with food in exchange for all their livestock.
18 ULB Rehefa tapitra izany taona izany, dia tonga teo aminy indray izy ireo ny taona manaraka ary niteny hoe: "Tsy anafina amin'ny tomponay izahay fa lany tanteraka ny volanay, ary ny andian'ny biby fiompinay dia efa an'ny tomponay. Tsy misy na inona na inona tavela eo imason'ny tomponay, afa-tsy ny tenanay sy ny taninay. BSB BSB: When that year was over, they came to him the second year and said, “We cannot hide from our lord that our money is gone and all our livestock belongs to you. There is nothing left for our lord except our bodies and our land.
19 ULB Nahoana izahay no ho faty eo imasonao, izahay sy amin'ny taninay? Vidio izahay sy ny taninay ho takalon-kanina, ka ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay. Mba omeo voa izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny taninay." BSB BSB: Why should we perish before your eyes—we and our land as well? Purchase us and our land in exchange for food. Then we, along with our land, will be slaves to Pharaoh. Give us seed that we may live and not die, and that the land may not become desolate.”
20 ULB Koa dia novidian'i Josefa ho an'i Farao ny tan'ny Egypta manontolo, satria nivarotra ny taniny avokoa ny Egyptiana rehetra fa namaivay tokoa ny mosary. Tamin'izay dia lasan'i Farao ny tany. BSB BSB: So Joseph acquired for Pharaoh all the land in Egypt; the Egyptians, one and all, sold their fields because the famine was so severe upon them. The land became Pharaoh’s,
21 ULB Raha ny amin'ny vahoaka, dia nataony andevo tany amin'ny ilan'ny sisin-tanin'i Egypta iray ka hatrany amin'ny ilany hafa izy ireo. BSB BSB: and Joseph reduced the people to servitude from one end of Egypt to the other.
22 ULB Ny tanin'ny mpisorona no hany tsy novidian'i Josefa, satria nomena tombony ireo mpisorona. Nihinana tamin'ny anjara nomen'i Farao azy izy ireo. Noho izany dia tsy nivarotra ny taniny izy ireo. BSB BSB: However, he did not acquire the priests’ portion of the land, for it had been given to them by Pharaoh. They ate the rations that Pharaoh supplied; so they did not sell their land.
23 ULB Ary hoy Josefa tamin'ny vahoaka hoe: "Indro, efa novidiako ho an'i Farao ianareo sy ny taninareo anio. Ary ity misy voa ho anareo, dia hamboly eo amin'ny tany ianareo. BSB BSB: Then Joseph said to the people, “Now that I have acquired you and your land for Pharaoh this day, here is seed for you to sow in the land.
24 ULB Amin'ny fijinjana, dia tsy maintsy manome ny ampaha-diminy ho an'i Farao ianareo, ary ny ampahany efatra ho anareo manokana, mba ho masom-boly ho an'ny tany ary mba ho sakafo ho an'ny ankohonanareo sy ny zanakareo." BSB BSB: At harvest time, you are to give a fifth of it to Pharaoh, and four-fifths will be yours as seed for the field and food for yourselves and your households and children.”
25 ULB Ary hoy izy ireo hoe: "Nanavotra ny ainay ianao. Enga anie ka hahita fitia eo imasonao izahay. Ho mpanompon'i Farao izahay." BSB BSB: “You have saved our lives,” they said. “We have found favor in our lord’s eyes, and we will be Pharaoh’s servants.”
26 ULB Koa dia nataon'i Josefa didy nihatra teo amin'ny tany Egypta izany hatramin'izao andro izao, fa ny iray ampaha-diminy dia an'i Farao. Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy lasan'i Farao. BSB BSB: So Joseph established a law that a fifth of the produce belongs to Pharaoh, and it is in effect in the land of Egypt to this day. Only the priests’ land does not belong to Pharaoh.
27 ULB Koa nipetraka tany amin'ny tany Egypta, tao amin'ny tanin'i Gosena i Israely. Nahazo fananana tany ny vahoakany. Namokatra be izy ireo ary nitombo isa fatratra. BSB BSB: Now the Israelites settled in the land of Egypt, in the region of Goshen. They acquired property there and became fruitful and increased greatly in number.
28 ULB Nitoetra tany amin'ny tany Egypta fito ambin'ny folo taona i Jakoba, ka fito amby efapolo amby zato taona ny androm-piainany. BSB BSB: And Jacob lived in the land of Egypt seventeen years, and the length of his life was 147 years.
29 ULB Rehefa akaiky ny fotoana hahafatesan'Israely, dia niantso an'i Josefa zanany izy ary nanao taminy hoe: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, dia apetraho eo ambanin'ny feko ny tananao, ary anehoy fahatokiana sy fahamendreham-pitokisana aho. Aza mba halevina eto Egypta re aho. BSB BSB: When the time drew near for Israel to die, he called his son Joseph and said to him, “If I have found favor in your eyes, put your hand under my thigh and promise to show me kindness and faithfulness. Do not bury me in Egypt,
30 ULB Rehefa mody mandry miaraka amin'ireo razako aho, dia hoentinao mivoaka an'i Egypta ary halevinao any amin'ny fasan'ny razambeko." Hoy Josefa hoe: "Hanao araka izay nolazainao aho." BSB BSB: but when I lie down with my fathers, carry me out of Egypt and bury me with them.” Joseph answered, “I will do as you have requested.”
31 ULB Hoy Israely hoe: "Mianiana amiko," ary nianiana taminy i Josefa. Avy eo dia niankohoka teo an-doham-pandriany Israely. BSB BSB: “Swear to me,” Jacob said. So Joseph swore to him, and Israel bowed in worship at the head of his bed.