1 ULB Niainga niaraka tamin'izay rehetra nananany Israely ary nankany Beri-sheba. Tao no nanolorany fanatitra ho an'i Andriamanitr'Isaka rainy. BSB BSB: So Israel set out with all that he had, and when he came to Beersheba, he offered sacrifices to the God of his father Isaac.
2 ULB Niteny tamin'Israely tao anaty fahitana Andriamanitra ny alina, nanao hoe: "Jakoba, Jakoba." Hoy izy hoe: "Inty aho." BSB BSB: And that night God spoke to Israel in a vision: “Jacob, Jacob!” He said. “Here I am,” replied Jacob.
3 ULB Hoy Izy hoe: "Izaho no Andriamanitra, Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina ho any Egypta, fa hataoko firenena lehibe any ianao. BSB BSB: “I am God,” He said, “the God of your father. Do not be afraid to go down to Egypt, for I will make you into a great nation there.
4 ULB Hiaraka aminao hidina ho any Egypta Aho, ary Izaho hitondra anao hiverina hiakatra tokoa ary ny tanan'i Josefa no hanirina ny masonao amin'ny tanany. BSB BSB: I will go down with you to Egypt, and I will surely bring you back. And Joseph’s own hands will close your eyes.”
6 ULB Nentin'izy ireo ny biby fiompiny sy ny fananan'izy ireo izay efa azony tao amin'ny tany Kanana. Niditra tao Egypta izy ireo, niaraka tamin'i Jakoba sy ireo taranany rehetra. BSB BSB: They also took the livestock and possessions they had acquired in the land of Canaan, and Jacob and all his offspring went to Egypt.
7 ULB Nentiny niaraka taminy tany Egypta ireo zanany lahy sy ireo zafiny lahy, ireo zanany vavy sy ireo zafiny vavy, ary ireo taranany rehetra. BSB BSB: Jacob took with him to Egypt his sons and grandsons, and his daughters and granddaughters—all his offspring.
8 ULB Ireto no anaran'ny zanak'Israely izay tonga tany Egypta, Jakoba sy ireo zanany: Robena, lahimatoan'i Jakoba; BSB BSB: Now these are the names of the sons of Israel (Jacob and his descendants) who went to Egypt: Reuben, Jacob’s firstborn.
9 ULB ireo zanaka lahin'i Robena i Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy; BSB BSB: The sons of Reuben: Hanoch, Pallu, Hezron, and Carmi.
10 ULB ireo zanak'i Simeona, dia i Jemoela, Jamina, Ohada, Jakina, Zohara, ary Saoly, ireo zanaka lahin'ilay vehivavy Kananita; BSB BSB: The sons of Simeon: Jemuel, Jamin, Ohad, Jachin, Zohar, and Shaul the son of a Canaanite woman.
11 ULB ireo zanaka lahin'i Levy dia i Gersona, Kehata, Merary. BSB BSB: The sons of Levi: Gershon, Kohath, and Merari.
12 ULB Ireo zanaka lahin'i Joda: Era, Onana, Sela, Fareza, ary Zera (fa i Era sy Onana maty tany amin'ny tany Kanana). Ireo zanaka lahin'i Fazera dia i Hezrona sy Hamola. BSB BSB: The sons of Judah: Er, Onan, Shelah, Perez, and Zerah; but Er and Onan died in the land of Canaan. The sons of Perez: Hezron and Hamul.
13 ULB Ireo zanaka lahin'i Isakara dia i Tola, Pova, Joba, ary Simrona; BSB BSB: The sons of Issachar: Tola, Puvah, Job, and Shimron.
14 ULB Ireo zanaka lahin'i Zebolona dia Sereda, Elona, ary Jahalela. BSB BSB: The sons of Zebulun: Sered, Elon, and Jahleel.
15 ULB Ireo ny zanaka lahin'i Lea izay naterany tamin'i Jakoka tany Padana-Arama, mbamin'i Dina zanany vavy. Niisa telo amby telopolo ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy. BSB BSB: These are the sons of Leah born to Jacob in Paddan-aram, in addition to his daughter Dinah. The total number of sons and daughters was thirty-three.
16 ULB Ireo zanaka lahin'i Gada dia i Zifiona, Hagy, Sony, Ezbona, Ery, Aroda, ary Arely. BSB BSB: The sons of Gad: Ziphion, Haggi, Shuni, Ezbon, Eri, Arodi, and Areli.
17 ULB Ireo zanaka lahin'i Asera dia Jimna, Jisva, Jisvy, ary Beria; ary i Sera no anabavin'izy ireo. Ireo zanaka lahin'i Beria dia Hebera sy Malkiela. BSB BSB: The children of Asher: Imnah, Ishvah, Ishvi, Beriah, and their sister Serah. The sons of Beriah: Heber and Malchiel.
18 ULB Ireo no zanaka lahin'i Zilpa, izay nomen'i Labana an'i Lea zanaka vaviny. Ireo no zanany lahy naterany tamin'i Jakoba—enina ambin'ny folo no fitambarany. BSB BSB: These are the sons of Jacob born to Zilpah—whom Laban gave to his daughter Leah—sixteen in all.
19 ULB Ireo zanaka lahin'i Rahely vadin'i Jakoba dia Josefa sy Benjamina. BSB BSB: The sons of Jacob’s wife Rachel: Joseph and Benjamin.
20 ULB Niteraka an'i Manase sy Efraima tamin'i Asenata, zanaka vavin'i Potifera mpisorona tao Ona i Josefa tany Egypta. BSB BSB: Manasseh and Ephraim were born to Joseph in the land of Egypt by Asenath daughter of Potiphera, priest of On.
21 ULB Ireo zanaka lahin'i Benjamina dia i Bela, Bakera, Gera, Asbela, Gera, Namana, Ehy, Rosy, Mopima, Hopima ary Arda. BSB BSB: The sons of Benjamin: Bela, Becher, Ashbel, Gera, Naaman, Ehi, Rosh, Muppim, Huppim, and Ard.
22 ULB Ireo no zanak'i Rahely naterany tamin'i Jakoba—efatra ambin'ny folo no fitambarany. BSB BSB: These are the sons of Rachel born to Jacob—fourteen in all.
23 ULB Ny zanaka lahin'i Dana dia i Hosima. BSB BSB: The son of Dan: Hushim.
24 ULB Ireo zanaka lahin'i Naftaly dia Jaziela, Gony, Jezera, ary Silema. BSB BSB: The sons of Naphtali: Jahzeel, Guni, Jezer, and Shillem.
25 ULB Ireo no zanaka lahy naterak'i Jakoba tamin'i Bila, izay nomen'i Labana an'i Rahely zanany vavy—fito ny fitambarany. BSB BSB: These are the sons of Jacob born to Bilhah, whom Laban gave to his daughter Rachel—seven in all.
26 ULB Ireo rehetra izay nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, izay taranany, raha tsy isaina ireo vadin'ny zanany lahy, dia enina amby enimpolo ny fitambarany. BSB BSB: All those belonging to Jacob who came to Egypt—his direct descendants, besides the wives of Jacob’s sons—numbered sixty-six persons.
27 ULB Fitopolo ny fitambaran'ny fianakanaviany nankany Egypta, niaraka tamin'ny zanaka lahin'i Josefa anankiroa izay naterany tany Egypta. BSB BSB: And with the two sons who had been born to Joseph in Egypt, the members of Jacob’s family who went to Egypt were seventy in all.
28 ULB Nalefan'i Jakoba hialoha lalana azy mankany amin'i Josefa i Joda mba hanoro lalana azy ho any Gosena, ary dia tonga tany amin'ny tanin'i Gosena izy ireo. BSB BSB: Now Jacob had sent Judah ahead of him to Joseph to get directions to Goshen. When Jacob’s family arrived in the land of Goshen,
29 ULB Nanomana ny kalesiny Josefa ary lasa niakatra nitsena an'Israely rainy. Nahita azy izy, namihina ny vozony, ary nitomany ela teo amin'ny vozony. BSB BSB: Joseph prepared his chariot and went there to meet his father Israel. Joseph presented himself to him, embraced him, and wept profusely.
30 ULB Hoy Israely tamin'i Josefa hoe: "Aoka ho faty amin'izay aho, satria efa nahita ny tavanao, fa mbola velona ianao." BSB BSB: Then Israel said to Joseph, “Finally I can die, now that I have seen your face and know that you are still alive!”
31 ULB Josefa niteny tamin'ireo rahalahiny sy ireo ankohonan-drainy hoe: "Hiakatra aho ary hilaza amin'i Farao, ka hiteny hoe: 'Efa tonga aty amiko ireo rahalahiko sy ireo fianakavian-draiko izay tany amin'ny tany Kanana. BSB BSB: Joseph said to his brothers and to his father’s household, “I will go up and inform Pharaoh: ‘My brothers and my father’s household from the land of Canaan have come to me.
32 ULB Mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, satria mpikarakara biby fiompy izy ireo. Nentin'izy ireo ny ondry aman'osiny, ireo ombin'izy ireo, ary izay rehetra nananany.' BSB BSB: The men are shepherds; they raise livestock, and they have brought their flocks and herds and all that they own.’
33 ULB Ary rehefa miantso anareo Farao ary manontany hoe: 'Inona no asanareo?' BSB BSB: When Pharaoh summons you and asks, ‘What is your occupation?’
34 ULB dia tokony hiteny ianareo fa: 'Ireo mpanomponao dia efa mpikarakara biby fiompy hatramin'ny fahazazanay ka hatramin'izao, dia izahay sy ny razanay.' Ataovy izany mba hafahanareo monina amin'ny tanin'i Gosena, satria fahavetavetana ho an'ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra." BSB BSB: you are to say, ‘Your servants have raised livestock ever since our youth—both we and our fathers.’ Then you will be allowed to settle in the land of Goshen, since all shepherds are detestable to the Egyptians.”