1 ULB Ary Josefa tsy nahafehy ny fihetseham-pony teo anoloan'ireo mpanompo izay nitsangana teo anilany. Niteny mafy izy hoe: "Tsy maintsy mandao ahy ny rehetra." Ka dia tsy nisy mpanompo nijoro teo aminy rehefa nampahafantatra ny tenany tamin'ireo rahalahiny i Josefa. BSB BSB: Then Joseph could no longer control himself before all his attendants, and he cried out, “Send everyone away from me!” So none of them were with Joseph when he made himself known to his brothers.
2 ULB Nitomany mafy izy, ka ren'ireo Egyptiana izany, ary ren'ireo tao an-tranon'i Farao. BSB BSB: But he wept so loudly that the Egyptians heard him, and Pharaoh’s household soon heard of it.
3 ULB Hoy Josefa tamin'ireo rahalahiny hoe: "Izaho no Josefa. Mbola velona ve ny raiko?" Tsy nahavaly azy ireo rahalahiny, satria tohina teo anatrehany izy ireo. BSB BSB: Joseph said to his brothers, “I am Joseph! Is my father still alive?” But they were unable to answer him, because they were terrified in his presence.
4 ULB Avy eo Josefa niteny tamin'ireo rahalahiny hoe: "Manatona akaiky ahy, azafady." Dia nanatona akaiky izy ireo. Hoy izy hoe: "Izaho no Josefa rahalahinareo, izay namidinareo tany Egypta. BSB BSB: Then Joseph said to his brothers, “Please come near me.” And they did so. “I am Joseph, your brother,” he said, “the one you sold into Egypt!
5 ULB Aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo ny amin'ny namarotanareo ahy taty, satria Andriamanitra no nandefa ahy mialoha anareo mba hiarovana ny ainareo. BSB BSB: And now, do not be distressed or angry with yourselves that you sold me into this place, because it was to save lives that God sent me before you.
6 ULB Satria teto amin'ity tany ity ny mosary nandritr'izay roa taona izay, ary mbola hisy dimy taona izay tsy hisy na fiasana tany na fijinjana. BSB BSB: For the famine has covered the land these two years, and there will be five more years without plowing or harvesting.
7 ULB Andriamanitra naniraka ahy hialoha anareo mba hitahiry anareo ho sisa eto an-tany ary hitazona anareo ho velona amin'ny fanafahana lehibe. BSB BSB: God sent me before you to preserve you as a remnant on the earth and to save your lives by a great deliverance.
8 ULB Ary noho izany tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra, ary izy nanao ahy ho rain'i Farao, tompon'ny tranony rehetra, sy mpanapaka ny tany rehetra manerana an'i Egypta. BSB BSB: Therefore it was not you who sent me here, but God, who has made me a father to Pharaoh—lord of all his household and ruler over all the land of Egypt.
9 ULB Faingàna ary miakara any amin'ny raiko ka lazao aminy hoe: 'Izao no ambaran'i Josefa zanakao: "Nataon'Andriamanitra mpanapaka an'i Egypta iray manontolo aho. Midina aty amiko, ka aza mangatak'andro. BSB BSB: Now return quickly to my father and tell him, ‘This is what your son Joseph says: God has made me lord of all Egypt. Come down to me without delay.
10 ULB Hipetraka amin'ny tanin'i Gosena ianao ary ho eo akaikiko, ianao sy ireo zanakao ary ireo zanaky ny zanakao, sy ireo ondry aman'osy ary ireo omby, sy ny fanananao rehetra. BSB BSB: You shall settle in the land of Goshen and be near me—you and your children and grandchildren, your flocks and herds, and everything you own.
11 ULB Hamatsy anareo aho, satria mbola haharitra dimy taona ny mosary, ka mba tsy ho tonga aminareo ny fahantrana, aminao, sy ny tokantranonao, ary izay anananao rehetra."' BSB BSB: And there I will provide for you, because there will be five more years of famine. Otherwise, you and your household and everything you own will come to destitution.’
12 ULB Indro, hitan'ny masonareo, sy ny mason'i Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo. BSB BSB: Behold! You and my brother Benjamin can see that I, Joseph, am the one speaking with you.
13 ULB Ho lazainareo amin'ny raiko ny momban'ny voninahitro aty Egypta sy ny zavatra rehetra izay hitan'ny masonareo. Mandehana faingana ianareo ary ento midina aty ny raiko." BSB BSB: Tell my father about all my splendor in Egypt and everything you have seen. And bring my father down here quickly.”
14 ULB Namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin'ny vozony. BSB BSB: Then Joseph threw his arms around his brother Benjamin and wept, and Benjamin wept as they embraced.
15 ULB Nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ary nitomany teo amin'izy ireo. Tao aorian'izay dia niresaka taminy ireo rahalahiny. BSB BSB: Joseph kissed each of his brothers as he wept over them. And afterward his brothers talked with him.
16 ULB Ary nolazaina tao an-tranon'i Farao ny vaovao hoe: "Tonga ireo rahalahin'i Josefa." Nahafaly tanteraka an'i Farao sy ireo mpanompony izany. BSB BSB: When the news reached Pharaoh’s house that Joseph’s brothers had come, Pharaoh and his servants were pleased.
17 ULB Hoy Farao tamin'i Josefa hoe: "Lazao amin'ireo rahalahinao hoe: 'Ataovy izao: ataingeno ny entana ho entin'ireo bibinareo ary mandehana any amin'ny tany Kanana. BSB BSB: Pharaoh said to Joseph, “Tell your brothers, ‘Do as follows: Load your animals and return to the land of Canaan.
18 ULB Ento ny rainareo sy ny tokantranonareo ary mankanesa aty amiko. Homeko anareo ny tsara eto amin'ny tanin'i Egypta, ary hihinana ny matavin'ny tany ianareo.' BSB BSB: Then bring your father and your families and return to me. I will give you the best of the land of Egypt, and you shall eat from the fat of the land.’
19 ULB Ary omena didy ianareo hoe: 'Ataovy izao, makà kalesy amin'ny tany Egypta ho an'ny zanakareo sy ny vadinareo. Ento ny rainareo ka mankanesa aty. BSB BSB: You are also directed to tell them: ‘Take wagons from the land of Egypt for your young children and your wives, and bring your father and come back.
20 ULB Aza miahiahy ny amin'ireo fanananareo, fa anareo izay tsara eto amin'ny tany rehetra manerana an'i Egypta.'" BSB BSB: But pay no regard to your belongings, for the best of all the land of Egypt is yours.’”
21 ULB Koa dia nataon'ireo zanak'Israely izany. Nomen'i Josefa kalesy izy ireo araka ny nandidian'i Farao, ary nanome azy ireo vatsy ho entina eny an-dalana. BSB BSB: So the sons of Israel did as they were told. Joseph gave them wagons as Pharaoh had instructed, and he also gave them provisions for their journey.
22 ULB Nomeny akanjo ho soloina izy rehetra, fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telonjato sy akanjo ho soloina dimy. BSB BSB: He gave new garments to each of them, but to Benjamin he gave three hundred shekels of silver and five sets of clothes.
23 ULB Izao no nalefany ho an'ny rainy: boriky lahy folo nitondra ireo zava-tsoan'i Egypta; ary boriky vavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy hafa ho an'ny rainy entina eny an-dalana. BSB BSB: And he sent to his father the following: ten donkeys loaded with the best of Egypt, and ten female donkeys loaded with grain and bread and provisions for his father’s journey.
24 ULB Dia nalefany ireo rahalahiny ka lasa izy ireo. Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Aza mifanditra eny an-dalana ianareo." BSB BSB: Then Joseph sent his brothers on their way, and as they were leaving, he said to them, “Do not quarrel on the way!”
25 ULB Dia niakatra avy tao Egypta izy ireo ka tonga tany tamin'ny tany Kanana, ho any amin'i Jakoba rainy. BSB BSB: So the brothers went up out of Egypt and came to their father Jacob in the land of Canaan.
26 ULB Niteny taminy izy ireo hoe: "Mbola velona Josefa, ary mpanapaka ny tany Egypta iray manontolo izy." Niontana ny fony, satria tsy nino izay nolazain'izy ireo azy. BSB BSB: “Joseph is still alive,” they said, “and he is ruler over all the land of Egypt!” But Jacob was stunned, for he did not believe them.
27 ULB Nolazain'izy ireo taminy ny teny rehetra nambaran'i Josefa azy ireo. Rehefa hitan'i Jakoba ny sarety izay nalefan'i Josefa mba hitondrana azy, dia velona indray ny fanahin'i Jakoba rain'izy ireo. BSB BSB: However, when they relayed all that Joseph had told them, and when he saw the wagons that Joseph had sent to carry him back, the spirit of their father Jacob was revived.
28 ULB Hoy Israely hoe: "Ampy izay. Mbola velona Josefa zanako. Handeha aho ary hijery azy mialohan'ny hafatesako." BSB BSB: “Enough!” declared Israel. “My son Joseph is still alive! I will go to see him before I die.”