1 ULB Tamin'ny volana fahafito tamin'ny andro fahiraika amby roapolon'ny volana, dia tonga tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: On the twenty-first day of the seventh month, the word of the LORD came through Haggai the prophet, saying:
2 ULB "Mitenena amin'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela zanak'i Sealtiela, sy amin'ny mpisorona be dia i Josoa zanak'i Jehozadaka, ary amin'ny sisan'ny vahoaka. Lazao hoe: BSB BSB: “Speak to Zerubbabel son of Shealtiel, governor of Judah, and to Joshua son of Jehozadak, the high priest, and also to the remnant of the people. Ask them,
3 ULB "Iza no tavela aminareo izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha? Ahoana ny fahitanareo izany ankehitriny? Moa ve tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo izany? BSB BSB: ‘Who is left among you who saw this house in its former glory? How does it look to you now? Does it not appear to you like nothing in comparison?’
4 ULB Ankehitriny, matanjaha, ry Zerobabela! —izany no fanambaran'i Yaveh—ary matanjaha, ry mpisorona be dia i Josoa zanak'i Jehozadaka; ary matanjaha, ianareo vahoaka rehetra amin'ny tany! —izany no fanambaran'i Yaveh—ary miasà, fa momba anareo Aho! —izany ny fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: But now be strong, O Zerubbabel, declares the LORD. Be strong, O Joshua son of Jehozadak, the high priest. And be strong, all you people of the land, declares the LORD. Work! For I am with you, declares the LORD of Hosts.
5 ULB Izany ny fanekena izay naoriko taminareo raha nivoaka tany Egypta ianareo, ary mitoetra ao aminareo ny Fanahiko. Aza matahotra! BSB BSB: This is the promise I made to you when you came out of Egypt. And My Spirit remains among you; do not be afraid.”
6 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ao anatin'ny fotoana fohy dia hanozongozona ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy ny tany maina indray Aho! BSB BSB: For this is what the LORD of Hosts says: “Once more, in a little while, I will shake the heavens and the earth, the sea and the dry land.
8 ULB Ahy ny volafotsy sy ny volamena! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: The silver is Mine, and the gold is Mine, declares the LORD of Hosts.
9 ULB Ny voninahitr'ity trano ity dia ho lehibe amin'ny hoavy noho ny tany am-boalohany, hoy Yaveh Tompon'ny maro, ary eto amin'ity toerana ity no hanomezako fiadanana! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro." BSB BSB: The latter glory of this house will be greater than the former, says the LORD of Hosts. And in this place I will provide peace, declares the LORD of Hosts.”
10 ULB Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: On the twenty-fourth day of the ninth month, in the second year of Darius, the word of the LORD came to Haggai the prophet, saying,
11 ULB "Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Manontania ireo mpisorona mahakasika ny lalàna, ka lazao hoe: BSB BSB: “This is what the LORD of Hosts says: ‘Ask the priests for a ruling.
12 ULB 'Raha misy olona mitondra hena izay voatokana ho an'i Yaveh ao amin'ny valonan'akanjony, ary mikasika mofo na hanina, divay na diloilo ilay valonany, na izay karazan-tsakafo, dia tsy lasa masina ve izany?'" Namaly ireo mpisorona ka nanao hoe: "Tsia." BSB BSB: If a man carries consecrated meat in the fold of his garment, and it touches bread, stew, wine, oil, or any other food, does that item become holy?’” “No,” replied the priests.
13 ULB Dia hoy Hagay: "Raha misy olona izay maloto amin'ny faty mikasika ireo zavatra ireo, tsy tonga maloto ve ireo?" Namaly ireo mpisorona ka nanao hoe: "Eny, lasa maloto ireo." BSB BSB: So Haggai asked, “If one who is defiled by contact with a corpse touches any of these, does it become defiled?” “Yes, it becomes defiled,” the priests answered.
14 ULB Dia namaly Hagay ka nanao hoe: "Dia toy izany koa ity vahoaka ity sy ity firenena ity eo anatrehako! —izany ny fanambaran'i Yaveh—ary toy izany koa ny zava-drehetra vitan'ny tanan'izy ireo: izay atolotr'izy ireo ho Ahy dia maloto. BSB BSB: Then Haggai replied, “So it is with this people and this nation before Me, declares the LORD, and so it is with every work of their hands; whatever they offer there is defiled.
15 ULB Koa ankehitriny, hevero ao an-tsainareo ny lasa ka hatramin'izao andro izao mihitsy. Nialohan'ny nametrahana ny vato ambonin'ny vato tao an-tempolin'i Yaveh, BSB BSB: Now consider carefully from this day forward: Before one stone was placed on another in the temple of the LORD,
16 ULB dia nanao ahoana ary izany? Raha tonga teo amin'ny antontam-bary roapolo fatra ianareo, dia folo ihany no nisy, ary raha tonga teo amin'ny vatan-divay mba handraoka dimampolo fatra ianareo, dia roapolo ihany no nisy. BSB BSB: from that time, when one came expecting a heap of twenty ephahs of grain, there were but ten. When one came to the winepress to draw out fifty baths, there were but twenty.
17 ULB Namely anareo sy ny asan'ny tananareo rehetra tamin'ny vary sy ny maty fotsy Aho, nefa mbola tsy niverina tamiko ihany ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: I struck you—all the work of your hands—with blight, mildew, and hail, but you did not turn to Me, declares the LORD.
18 ULB Hevero manomboka izao andro izao, hatramin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, hatramin'ny andro izay nametrahana ny fototry ny tempolin'i Yaveh. Hevero izany! BSB BSB: Consider carefully from this day forward—from the twenty-fourth day of the ninth month, the day the foundation of the LORD’s temple was laid—consider carefully:
19 ULB Mbola misy voa ve ao amin'ny trano fitehirizana? Tsy namokatra ny divay, ny hazon'aviavy, ny ampongaben-danitra, ary ny hazon'oliva! Fa manomboka ankehitriny dia hitahy anareo Aho!" BSB BSB: Is there still seed in the barn? The vine, the fig, the pomegranate, and the olive tree have not yet yielded fruit. But from this day on, I will bless you.”
20 ULB Dia tonga fanindroany tamin'i Hagay tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana ny tenin'i Yaveh ka nanao hoe:" BSB BSB: For the second time that day, the twenty-fourth day of the month, the word of the LORD came to Haggai, saying,
21 ULB Mitenena amin'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela, ka lazao hoe: "Hanozongozona ny lanitra sy ny tany Aho. BSB BSB: “Tell Zerubbabel governor of Judah that I am about to shake the heavens and the earth:
22 ULB Satria horavako ny seza fiandrianan'ireo fanjakana ary hopotehiko ny herin'ireo fanjakan'ny firenena! Horavako ireo kalesy sy ireo mpitaingina izany; ho lavo ireo soavaly sy ny mpitaingina izany, ny tsirairay lavo nohon'ny sabatry ny rahalahiny. BSB BSB: I will overturn royal thrones and destroy the power of the kingdoms of the nations. I will overturn chariots and their riders; horses and their riders will fall, each by the sword of his brother.
23 ULB Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—dia halaiko ianao, ry Zerobabela zanak'i Sealtiela, ho mpanompoko—izany ny fanambaran'i Yaveh. Hataoko toy ny peratra fanombohan-kase ianao, fa efa nifidy anao Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro!'" BSB BSB: On that day, declares the LORD of Hosts, I will take you, My servant, Zerubbabel son of Shealtiel, declares the LORD, and I will make you like My signet ring, for I have chosen you, declares the LORD of Hosts.”