1 ULB Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: In the eighth month of the second year of Darius, the word of the LORD came to the prophet Zechariah son of Berechiah, the son of Iddo, saying:
2 ULB "Tezitra fatratra tamin'ireo razambenao i Yaveh! BSB BSB: “The LORD was very angry with your fathers.
3 ULB Lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Mitodiha Amiko! —izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro —dia hitodika aminareo Aho, hoy Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: So tell the people that this is what the LORD of Hosts says: ‘Return to Me, declares the LORD of Hosts, and I will return to you, says the LORD of Hosts.’
4 ULB Aoka ianareo tsy ho tahaka ny razambenareo izay nantsoin'ireo mpaminany teo aloha, manao hoe: "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalan-dratsinareo sy ny fampiharan-dratsinareo!" Fa tsy nandre izy ireo ary tsy niraharaha Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh.' BSB BSB: Do not be like your fathers, to whom the former prophets proclaimed that this is what the LORD of Hosts says: ‘Turn now from your evil ways and deeds.’ But they did not listen or pay attention to Me, declares the LORD.
5 ULB Ireo razambenareo, aiza izy ireo? Aiza ireo mpaminany, eto mandrakizay ve izy ireo? BSB BSB: Where are your fathers now? And the prophets, do they live forever?
6 ULB Fa ireo teniko sy ireo lalàko izay nandidiko an'ireo mpaminany mpanompoko, tsy efa nahatratra ireo razambenareo ve ireo? Koa nibebaka izy ireo ary nanao hoe: 'Araka izay efa nalahatr'i Yaveh tompon'ny maro hatao aminay izay mendrika ireo lalanay sy ireo asanay, no nataony taminay."" BSB BSB: But did not My words and My statutes, which I commanded My servants the prophets, overtake your fathers? They repented and said, ‘Just as the LORD of Hosts purposed to do to us according to our ways and deeds, so He has done to us.’”
7 ULB Tamin'ny andro fahefatra amby roapolo tamin'ny fahiraika ambin'ny folon'ny volana, izay volan'ny Sebata, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Zakaria, zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, ilay mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: On the twenty-fourth day of the eleventh month, the month of Shebat, in the second year of Darius, the word of the LORD came to the prophet Zechariah son of Berechiah, the son of Iddo.
8 ULB "Nahita tamin'ny alina aho, ary, indro! nisy lehilahy iray nitaingina soavaly mena, ary teo amin'ny hazo rotra izay teo amin'ny lohasaha izy; ary teo aoriany dia nisy soavaly mena, volontany manopy mena, ary soavaly fotsy." BSB BSB: I looked out into the night and saw a man riding on a red horse. He was standing among the myrtle trees in the hollow, and behind him were red, sorrel, and white horses.
9 ULB Hoy aho hoe: "Inona ireto zavatra ireto, ry Tompo?" Avy eo dia nisy anjely iray niresaka tamiko nanao tamiko hoe: "Ho asehoko anao hoe inona ireo zavatra ireo." BSB BSB: “What are these, my lord?” I asked. And the angel who was speaking with me replied, “I will show you what they are.”
10 ULB Ary ilay lehilahy izay nitsangana teo amin'ny hazo rotra namaly ary niteny hoe: "Ireo no nalefan'i Yaveh mba hirenireny manerana ny tany." BSB BSB: Then the man standing among the myrtle trees explained, “They are the ones the LORD has sent to patrol the earth.”
11 ULB Namaly ilay anjelin'i Yaveh izay nitsangana teo amin'ny hazo rotra izy ireo; hoy izy ireo taminy hoe: "Efa nirenireny nanerana ny tany izahay; indro, ny tany rehetra dia mbola mipetraka sy mitsahatra." BSB BSB: And the riders answered the angel of the LORD who was standing among the myrtle trees, “We have patrolled the earth, and behold, all the earth is at rest and tranquil.”
12 ULB Dia namaly ilay anjelin'i Yaveh ary niteny hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, mandra-pahoviana no hanehoanao tsy fangoraham-po amin'i Jerosalema sy amin'ireo tanànan'i Joda izay efa niharitra fahatezerana izay fitopolo taona izay?" BSB BSB: Then the angel of the LORD said, “How long, O LORD of Hosts, will You withhold mercy from Jerusalem and the cities of Judah, with which You have been angry these seventy years?”
13 ULB Namaly ilay anjely izay niresaka tamiko, tamin'ny teny soa, teny fampaherezana i Yaveh. BSB BSB: So the LORD spoke kind and comforting words to the angel who was speaking with me.
14 ULB Ka niteny tamiko ilay anjely izay niresaka tamiko hoe: "Miantsoa mafy ary milazà hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Saro-piaro tamim-pitiavana lehibe tamin'i Jerosalema sy tamin'i Ziona Aho! Tezitra mafy amin'ireo firenena izay ao anatin'ny fitoniana ireo Aho. BSB BSB: Then the angel who was speaking with me said, “Proclaim this word: This is what the LORD of Hosts says: ‘I am very jealous for Jerusalem and Zion,
15 ULB Raha mbola tezitra kely tamin'ireo Aho, dia vao mainka nampaharatsy ny fahoriana izy ireo. BSB BSB: but I am fiercely angry with the nations that are at ease. For I was a little angry, but they have added to the calamity.’
16 ULB Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Efa niverina tamin'i Jerosalema tamim-pamindram-po Aho. Ho voaorina ao anatiny ny tranoko—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—ary ny famolaina dia ho henjanina amin'i Jerosalema!' BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: ‘I will return to Jerusalem with mercy, and there My house will be rebuilt, declares the LORD of Hosts, and a measuring line will be stretched out over Jerusalem.’
17 ULB Miantsoa mafy indray, manao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Ho tondraka soa indray ireo tanànako, ary hampahery an'i Ziona indray Yaveh, ary hisafidy an'i Jerosalema indray Izy."' BSB BSB: Proclaim further that this is what the LORD of Hosts says: ‘My cities will again overflow with prosperity; the LORD will again comfort Zion and choose Jerusalem.’”
18 ULB Dia nanandratra ny masoko aho ary nahita tandroka efatra! BSB BSB: Then I looked up and saw four horns.
19 ULB Niresaka tamin'ilay anjely izay niresaka tamiko aho hoe: "Inona ireo?" Namaly ahy izy hoe: "Ireo no tandroka izay efa nanaparitaka an'i Joda, Israely, ary Jerosalema." BSB BSB: So I asked the angel who was speaking with me, “What are these?” And he told me, “These are the horns that have scattered Judah, Israel, and Jerusalem.”
20 ULB Avy eo dia nampiseho mpanao asa tanana efatra tamiko i Yaveh. BSB BSB: Then the LORD showed me four craftsmen.
21 ULB Hoy aho hoe: "Inona no anton-dian'ireo olona ireo?" Namaly Izy, ary niteny hoe: "Ireo no tandroka izay nanaparitaka an'i Joda mba tsy hisy olona afaka hanandratra ny lohany. Fa ireo olona ireo dia tonga mba handroaka azy ireo, mba handrava ireo tandrok'ireo firenena izay nanandratra tandroka manohitra ny tanin'i Joda mba hanaparitaka azy." BSB BSB: “What are these coming to do?” I asked. And He replied, “These are the horns that scattered Judah so that no one could raise his head; but the craftsmen have come to terrify them and throw down these horns of the nations that have lifted up their horns against the land of Judah to scatter it.”