1 ULB Manaraka izany dia nanandratra ny masoko aho ary nahita lehilahy niaraka tamin'ny tady fandrefesana teny an-tanany. BSB BSB: Then I lifted up my eyes and saw a man with a measuring line in his hand.
2 ULB Hoy aho hoe: "Andeha ho aiza ianao?" Dia hoy izy tamiko hoe: "Handrefy an'i Jerosalema, hamaritra ny sakany sy ny halavany." BSB BSB: “Where are you going?” I asked. “To measure Jerusalem,” he replied, “and to determine its width and length.”
3 ULB Dia lasa ilay anjely izay niresaka tamiko ary nisy anjely iray hafa nivoaka mba hitsena azy. BSB BSB: Then the angel who was speaking with me went forth, and another angel came forward to meet him
4 ULB Hoy ilay anjely faharoa taminy hoe: "Mihazakazaha ary miresaha amin'iny tovolahy iny; lazao hoe: 'Hipetraka eo amin'ny tanàna misokatra i Jerosalema nohon'ny hamaroan'ny olona sy ireo biby ao aminy. BSB BSB: and said to him, “Run and tell that young man: ‘Jerusalem will be a city without walls because of the multitude of men and livestock within it.
5 ULB Fa Izaho— izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho tonga manda afo manodidina azy, ary ho voninahitra eo afovoany Aho. BSB BSB: For I will be a wall of fire around it, declares the LORD, and I will be the glory within it.’”
6 ULB Haingana! Haingana! Mitsoaha avy any amin'ny tany avaratra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa Izaho efa nampiely anareo toy ny rivotra efatry ny lanitra! —Izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “Get up! Get up! Flee from the land of the north,” declares the LORD, “for I have scattered you like the four winds of heaven,” declares the LORD.
7 ULB Eh! Mandosira mankany Ziona, ianareo izay mipetraka miaraka amin'ny zanaka vavin'i Babylona!"' BSB BSB: “Get up, O Zion! Escape, you who dwell with the Daughter of Babylon!”
8 ULB Fa taorian'ny nanomezan'i Yaveh tompon'ny maro voninahitra ahy sy nandefasany ahy hanohitra ireo firenena izay nandroba anareo—fa na iza na iza mikasika anareo, dia mikasika ny anakandriamason' Andriamanitra! —rehefa avy nanao izany Yaveh, dia hoy Izy hoe: BSB BSB: For this is what the LORD of Hosts says: “After His Glory has sent Me against the nations that have plundered you—for whoever touches you touches the apple of His eye—
9 ULB "Izaho mihitsy no haninjitra ny tanako amin'izy ireo, ary dia ho babo ho an'ireo andevony izy ireo." Dia ho fantatrareo fa i Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy. BSB BSB: I will surely wave My hand over them, so that they will become plunder for their own servants. Then you will know that the LORD of Hosts has sent Me.”
10 ULB "Mihirà ho amin'ny fifaliana, ry zanaka vavin'i Ziona, fa Izaho mihitsy no ho tonga sy hitoby eo aminareo! —izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: “Shout for joy and be glad, O Daughter of Zion, for I am coming to dwell among you,” declares the LORD.
11 ULB Avy eo ireo firenen-dehibe hiaraka amin'i Yaveh amin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ary dia ho tonga vahoakako ianareo; fa hitoby eo afovoanareo Aho," ary ho fantatrareo fa Yaveh tompon'ny maro no naniraka ahy ho eo aminareo. BSB BSB: “On that day many nations will join themselves to the LORD, and they will become My people. I will dwell among you, and you will know that the LORD of Hosts has sent Me to you.
12 ULB Fa Yaveh hampandova an'i Joda toy ny fananany ara-drariny any amin'ny tany masina ary hifidy indray an'i Jerosalema ho azy. BSB BSB: And the LORD will take possession of Judah as His portion in the Holy Land, and He will once again choose Jerusalem.
13 ULB Aza miteny, eo anatrehan'i Yaveh, ry nofo rehetra, fa nitsangana avy tao amin'ny toerany masina Izy! BSB BSB: Be silent before the LORD, all people, for He has roused Himself from His holy dwelling.”