1 ULB Avy eo Yaveh nampiseho ahy an'i Josoa ilay mpisoronabe izay nijoro nanoloana ny anjelin'i Yaveh sy Satana nijoro teo an-tanan-kavanany mba hiampanga azy ho nanota. BSB BSB: Then the angel showed me Joshua the high priest standing before the angel of the LORD, with Satan standing at his right hand to accuse him.
2 ULB Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'ny Satana hoe: "Hiteny mafy anao anie Yaveh, ry Satana; Yaveh, izay nisafidy an'i Jerosalema anie, hiteny mafy anao! Moa tsy forohana nosarihana tamin'ny afo ve ity?" BSB BSB: And the LORD said to Satan: “The LORD rebukes you, Satan! Indeed, the LORD, who has chosen Jerusalem, rebukes you! Is not this man a firebrand snatched from the fire?”
3 ULB Niakanjo fitafiana maloto Josoa raha nijoro teo anoloan'ilay anjely. BSB BSB: Now Joshua was dressed in filthy garments as he stood before the angel.
4 ULB Niresaka ilay anjely ary niteny tamin'ireo izay nijoro teo anoloany hoe: "Esory aminy ireo fitafiana maloto." Dia hoy izy tamin'i Josoa hoe: "Indro! Efa nesoriko taminao ny helokao ary hampiakanjoako akanjo tsara ianao." BSB BSB: So the angel said to those standing before him, “Take off his filthy clothes!” Then he said to Joshua, “See, I have removed your iniquity, and I will clothe you with splendid robes.”
5 ULB Hoy izy hoe: "Aoka izy ireo hametraka hamama madio eo an-dohany!" Dia nametraka hamama madio teo ambony lohan'i Josoa izy ireo ary nampiakanjo azy tamin'ny akanjo madio raha nijoro teo akaiky teo ilay anjelin'i Yaveh. BSB BSB: Then I said, “Let them put a clean turban on his head.” So a clean turban was placed on his head, and they clothed him, as the angel of the LORD stood by.
6 ULB Avy eo ilay anjelin'i Yaveh nibaiko am-pahamatorana an'i Josoa ary niteny hoe: BSB BSB: Then the angel of the LORD gave this charge to Joshua:
7 ULB "Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: Raha handeha amin'ny lalako ianao, ary raha hitandrina ireo didiko ianao, dia hifehy ny tranoko ianao ary hiambina ny kianjako, satria havelako handeha sy hiditra eo amin'ireo izay mijoro manoloana Ahy ireo ianao. BSB BSB: “This is what the LORD of Hosts says: ‘If you walk in My ways and keep My instructions, then you will govern My house and will also have charge of My courts; and I will give you a place among these who are standing here.
8 ULB Henoy, ry Josoa mpisoronabe, ianao sy ireo namanao izay monina miaraka aminao! Fa famantarana ireo olona ireo, satria Izaho mihitsy no hampiakatra ny mpanompoko ilay Rantsana. BSB BSB: Hear now, O high priest Joshua, you and your companions seated before you, who are indeed a sign. For behold, I am going to bring My servant, the Branch.
9 ULB Ary jereo ilay vato izay napetrako eo anoloan'i Josoa. Misy maso fito ao amin'io vato tokana io, ary hanao sokitra soratra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro— ary hanala ny fahotana amin'ity tany ity ao anatin'ny iray andro Aho. BSB BSB: See the stone I have set before Joshua; on that one stone are seven eyes. Behold, I will engrave on it an inscription, declares the LORD of Hosts, and I will remove the iniquity of this land in a single day.
10 ULB Amin'izany andro izany— izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—ny olona tsirairay dia hanasa ny mpiara-belona aminy mba hipetraka ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny." BSB BSB: On that day, declares the LORD of Hosts, you will each invite your neighbor to sit under your own vine and fig tree.’”