1 ULB Henoy ny Tenin'i Yaveh, ianareo ry vahoakan' Israely. Manao fitoriana amin'ny mponin'ny tany i Yaveh, satria tsy misy fahamarinana na fanekena mahatoky ao, tsy misy fahalalana an'Andriamanitra ao amin'ny tany. BSB BSB: Hear the word of the LORD, O children of Israel, for the LORD has a case against the people of the land: “There is no truth, no loving devotion, and no knowledge of God in the land!
2 ULB Misy ozona, lainga, famonoana, halatra sy fijangajangana ao. Nopotehan'ny vahoaka ny fatotra rehetra, ary ny miampy manaraka ny fandatsahan-drà. BSB BSB: Cursing and lying, murder and stealing, and adultery are rampant; one act of bloodshed follows another.
3 ULB Ka mihamaina ny tany, ary ketraka izay rehetra monina amin'izany; ireo bibi-dia any an-tsaha sy ny vorona eny amin'ny lanitra, na ny trondro any anaty ranomasina aza, dia esorina. BSB BSB: Therefore the land mourns, and all who dwell in it will waste away with the beasts of the field and the birds of the air; even the fish of the sea disappear.
4 ULB Fa aza mamela na iza na iza hanao fitoriana; aza mamela na iza na iza hiampanga ny hafa. Fa ianareo izany, ry mpisorona, izay ampangaiko. BSB BSB: But let no man contend; let no man offer reproof; for your people are like those who contend with a priest.
5 ULB Ho tafintohina ianareo mpisorona mandritra ny andro; ho tafintohina miaraka aminareo ihany koa ireo mpaminany amin'ny alina, ary ho potehiko ny reninareo. BSB BSB: You will stumble by day, and the prophet will stumble with you by night; so I will destroy your mother—
6 ULB Ringana ny oloko nohon'ny tsy fahampian'ny fahalalana. Satria efa nandà ny fahalalana ianareo mpisorona, Izaho ihany koa dia handà anareo amin'ny maha mpisorona ho Ahy. Satria nohadinoinareo ny lalàko, na dia Andriamanitrareo aza Aho, dia hanadino ireo zanakareo ihany koa Aho. BSB BSB: My people are destroyed for lack of knowledge. Because you have rejected knowledge, I will also reject you as My priests. Since you have forgotten the law of your God, I will also forget your children.
7 ULB Arakaraka ny hitomboan'ny mpisorona, no hanotan'izy ireo Amiko. Natakalon'izy ireo henatra ny voninahitr'izy ireo. BSB BSB: The more they multiplied, the more they sinned against Me; they exchanged their Glory for a thing of disgrace.
8 ULB Mihinana ny fahotan'ny vahoakako izy ireo; mangetahetan'ny faharatsiany bebe kokoa izy ireo. BSB BSB: They feed on the sins of My people and set their hearts on iniquity.
9 ULB Hitovy ihany ho an'ny vahoaka sy ho an'ireo mpisorona: hanafay azy rehetra nohon'ny fanaony Aho; hamaly azy ireo noho ny asany Aho. BSB BSB: And it shall be like people, like priest. I will punish both of them for their ways and repay them for their deeds.
10 ULB Hihinana izy ireo fa tsy ho voky; hanatanteraka fijangajangana izy ireo fa tsy hitombo, satria nanalavitra an'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: They will eat but not be satisfied; they will be promiscuous but not multiply. For they have abandoned the LORD to give themselves
11 ULB Tia fijangajangana mamoa-fady, divay, ary divay vaovao izy ireo, izay nanala ny fahazavan-tsain'izy ireo. BSB BSB: to promiscuity, wine, and new wine, which take away understanding.
12 ULB Manontany ireo sampiny hazo ny oloko, ary ny tapa-kazon'izy ireo nanome faminaniana ho azy ireo. Fa namitaka azy ireo ny fanahin'ny fijangajangana, ary nitondra tena toy ny mpijangajanga izy ireo raha tokony nahatoky ny Andriamanitr'izy ireo BSB BSB: My people consult their wooden idols, and their divining rods inform them. For a spirit of prostitution leads them astray and they have played the harlot against their God.
13 ULB Manao sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin'ireo havoana, ambanin'ny hazo oka, popola sy terebinta, satria tsara ny alokaloka. Ka fahavetavaetana ara-nofo ireo zanakareo vavinareo, ary ireo vinanto vavinareo mijangajanga. BSB BSB: They sacrifice on the mountaintops and burn offerings on the hills, under oak, poplar, and terebinth, because their shade is pleasant. And so your daughters turn to prostitution and your daughters-in-law to adultery.
14 ULB Tsy hanafay ireo zanakareo vavy Aho rehefa misafidy ny hanao fahavetavetana ara-nofo izy ireo, na ny vinanto vavinareo rehefa mijangajanga izy ireo. Fa ireo lehilahy ihany koa dia manolotra ny tenany ho an'ireo mpijangajanga, ary manolotra sorona izy ireo ka afaka manao asa maloto miaraka amin'ireo mpivaro-tena masina. Koa ho atsipy any ity vahoaka izay tsy mahalala ity. BSB BSB: I will not punish your daughters when they prostitute themselves, nor your daughters-in-law when they commit adultery. For the men themselves go off with prostitutes and offer sacrifices with shrine prostitutes. So a people without understanding will come to ruin.
15 ULB Fa ianao, ry Israely, na dia nanao fijangajangana aza, dia enga anie Joda tsy ho tonga meloka. Aza mandeha any Gilgala, ianao ry vahoaka; aza mandeha miakatra any Betavena, ary aza mianiana, manao hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh." BSB BSB: Though you prostitute yourself, O Israel, may Judah avoid such guilt! Do not journey to Gilgal, do not go up to Beth-aven, and do not swear on oath, ‘As surely as the LORD lives!’
16 ULB Fa Israely dia nitondra tena tamin'ny fahamafisan-doha, tahaka ny ombivavy mafy loha. Ahoana no hitondran'i Yaveh azy ireo eny amin'ny fihinanam-bilona tahaka ny zanak'ondry any amin'ny tanin'ahitra? BSB BSB: For Israel is as obstinate as a stubborn heifer. Can the LORD now shepherd them like lambs in an open meadow?
17 ULB Nampiray ny tenany tamin'ireo sampy i Efraima; avelao ho irery izy. BSB BSB: Ephraim is joined to idols; leave him alone!
18 ULB Na dia lany aza ny zava-pisotro maherin'izy ireo, dia manohy ny fijangajangana izy ireo; mankafy fatratra ny henatr'izy ireo ny mpanapany. BSB BSB: When their liquor is gone, they turn to prostitution; their rulers dearly love disgrace.
19 ULB Handrakotra azy ireo amin'ny elany ny rivotra; ary ho menatra izy ireo noho ny amin'ny soron'izy ireo. BSB BSB: The whirlwind has wrapped them in its wings, and their sacrifices will bring them shame.