1 ULB "Henoy izao, ry mpisorona! Manongilàna sofina, ry ankohonan'Israely! Mihainoa, ry ankohonan'ny mpanjaka! Fa ny fitsarana dia avy hanohitra anareo rehetra. Fa efa fandrika tany Mizpa ianao ary harato nivelatra teo amin'ny Tabara. BSB BSB: “Hear this, O priests! Take heed, O house of Israel! Give ear, O royal house! For this judgment is against you because you have been a snare at Mizpah, a net spread out on Tabor.
2 ULB Ireo mpikomy mikiry fatratra amin'ny famonoana, fa Izaho no hanasazy azy rehetra ireo. BSB BSB: The rebels are deep in slaughter; but I will chastise them all.
3 ULB Fantatro Efraima, ary Israely tsy miafina amiko. Ry Efraima, ankehitriny ianao dia tonga toy ny mpivaro-tena; voaloto Israely. BSB BSB: I know all about Ephraim, and Israel is not hidden from Me. For now, O Ephraim, you have turned to prostitution; Israel is defiled.
4 ULB Tsy hamela azy ireo hiverina amin'Andriamanitra ireo asany, satria ny fanahin'ny fijangajangana no ao amin'izy ireo, ary tsy fantatr'izy ireo Yaveh. BSB BSB: Their deeds do not permit them to return to their God, for a spirit of prostitution is within them, and they do not know the LORD.
5 ULB Ny fireharehan'Israely dia vavolombelona manohitra azy; koa ho tafintohina amin'ny fahamelohan'izy ireo Israely sy Efraima; ary Joda ihany koa dia ho tafintohina miaraka amin'izy ireo. BSB BSB: Israel’s arrogance testifies against them; Israel and Ephraim stumble in their iniquity; even Judah stumbles with them.
6 ULB Handeha hiaraka amin'ny ondry aman'osiny sy ombiny izy ireo mba hitady an'i Yaveh, fa tsy hahita Azy izy ireo, satria nanala ny tenany tamin'izy ireo Izy. BSB BSB: They go with their flocks and herds to seek the LORD, but they do not find Him; He has withdrawn Himself from them.
7 ULB Tsy nahatoky an'i Yaveh izy ireo, fa niteraka zaza tsy araka ny lalàna izy ireo. Ankehitriny ny firavoravoan'ny voaloham-bolana no handevona azy ireo mbamin'ireo sahany. BSB BSB: They have been unfaithful to the LORD; for they have borne illegitimate children. Now the New Moon will devour them along with their land.
8 ULB Tsofy ao Gibea ny anjomara, ary ao Rama ny trompetra. Manaova hiakiakan'ady ao Betavena hoe: 'Hanaraka anao izahay ry Benjamina!' BSB BSB: Blow the ram’s horn in Gibeah, the trumpet in Ramah; raise the battle cry in Beth-aven: Lead on, O Benjamin!
9 ULB Ho lao Efraima amin'ny andron'ny fanasaziana. Teo amin'ireo fokon'Israely no nanambarako izay tsy maintsy hitranga. BSB BSB: Ephraim will be laid waste on the day of rebuke. Among the tribes of Israel I proclaim what is certain.
10 ULB Ireo mpitarik'i Joda dia toy ireo izay mamindra fefy vato. Hararako toy ny rano amin'izy ireo ny fahavinirako. BSB BSB: The princes of Judah are like those who move boundary stones; I will pour out My fury upon them like water.
11 ULB Torotoro Efraima; torotoron'ny fitsarana izy, satria nandeha tamin'ny tsitra-pony hanaraka sampy. BSB BSB: Ephraim is oppressed, crushed in judgment, for he is determined to follow worthless idols.
12 ULB Ary ho toy ny kalalao amin'i Efraima Aho, ary tahaka ny bobongolo amin'ny ankohonan'i Joda. BSB BSB: So I am like a moth to Ephraim, and like decay to the house of Judah.
13 ULB Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary hitan'i Joda ny ratrany, dia nandeha tany Asyria i Efraima, ary Joda nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ilay mpanjaka lehibe. Fa tsy afaka nitsabo anareo izy ry olona na nanasitrana ny ratranareo. BSB BSB: When Ephraim saw his sickness and Judah his wound, then Ephraim turned to Assyria and sent to the great king. But he cannot cure you or heal your wound.
14 ULB Koa ho toy ny liona amin'i Efraima Aho, ary ho toy ny liona tanora amin'ny ankohonan'i Joda. Izaho, eny Izaho, no hamiravira ary handeha; ho entiko izy ireo, ary tsy hisy hanavotra azy ireo. BSB BSB: For I am like a lion to Ephraim and like a young lion to the house of Judah. I, even I, will tear them to pieces and then go away. I will carry them off where no one can rescue them.
15 ULB Handeha Aho ary hiverina any amin'ny toerako, mandra-piaiken'izy ireo ny helony ka hitady ny tavako, mandra-pitadin'izy ireo Ahy fatratra amin'ny fahorian'izy ireo." BSB BSB: Then I will return to My place until they admit their guilt and seek My face; in their affliction they will earnestly seek Me.”