1 ULB "Avia, andeha isika hiverina amin'i Yaveh. Fa efa nanorotoro antsika Izy, nefa hanasitrana antsika; nandratra antsika Izy, fa hamehy ny ferintsika. BSB BSB: Come, let us return to the LORD. For He has torn us to pieces, but He will heal us; He has wounded us, but He will bind up our wounds.
2 ULB Afaka roa andro dia hamelona antsika indray Izy; hanangana antsika Izy amin'ny andro fahatelo, ary ho velona eo anoloany isika. BSB BSB: After two days He will revive us; on the third day He will raise us up, that we may live in His presence.
3 ULB Aoka hahafantatra an'i Yaveh isika; aoka ho dodona ny hahalala an'i Yaveh isika. Ny fiposahany dia azo antoka tahaka ny mangiran-dratsy; ho avy amintsika tahaka ny ranon'orana Izy, toy ny loharanon'orana izay manondraka ny tany." BSB BSB: So let us know—let us press on to know the LORD. As surely as the sun rises, He will appear; He will come to us like the rain, like the spring showers that water the earth.
4 ULB Ry Efraima, inona no hataoko miaraka aminao? Ry Joda, inona no hataoko miaraka aminao? Ny fahatokianao dia toy ny rahon'ny maraina, tahaka ny ando izay vetivety dia lasa. BSB BSB: What shall I do with you, O Ephraim? What shall I do with you, O Judah? For your loyalty is like a morning mist, like the early dew that vanishes.
5 ULB Koa nokapakapaiko tamin'ny alalan'ireo mpaminany izy ireo, novonoiko tamin'ny alalan'ny tenin'ny vavako izy ireo. Ireo lalànao dia toy ny hazavana izay mamirapiratra. BSB BSB: Therefore I have hewn them by the prophets; I have slain them by the words of My mouth, and My judgments go forth like lightning.
6 ULB Fa fahatokiana no iriako fa tsy sorona, ary ny fahafantarana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana. BSB BSB: For I desire mercy, not sacrifice, and the knowledge of God rather than burnt offerings.
7 ULB Toa an'i Adama dia namadika ny fanekena izy ireo; tsy nahatoky Ahy izy ireo. BSB BSB: But they, like Adam, have transgressed the covenant; there they were unfaithful to Me.
8 ULB Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy miaraka amin'ny dian-tongotra mihoson-drà. BSB BSB: Gilead is a city of evildoers, tracked with footprints of blood.
9 ULB Toy ny fiandrasan'ny andian-jiolahy olona, no hikambanan'ireo andiana mpisorona hamono olona any amin'ny lalana mankany Sekema; nanao heloka mahamenatra izy ireo. BSB BSB: Like raiders who lie in ambush, so does a band of priests; they murder on the way to Shechem; surely they have committed atrocities.
10 ULB Tao amin'ny ankohonan'Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ny fivarotan-tenan'i Efraima no ao, ary Israely dia nanjary naloto. BSB BSB: In the house of Israel I have seen a horrible thing: Ephraim practices prostitution there, and Israel is defiled.
11 ULB Fa ho anao ihany koa, ry Joda, dia efa voatondro ny fotoam-pijinjana, rehefa hamerina ny haren'ny oloko Aho. BSB BSB: Also for you, O Judah, a harvest is appointed, when I restore My people from captivity.