1 ULB Isaky ny te-hanasitrana an'Israely Aho, dia miseho ny fahotan'i Efraima, sy ny asa ratsin'i Samaria, satria mamitaka izy ireo; tonga ny mpangalatra, ary ny andiana mpandroba manafika eny an-dalambe. BSB BSB: When I heal Israel, the iniquity of Ephraim will be exposed, as well as the crimes of Samaria. For they practice deceit and thieves break in; bandits raid in the streets.
2 ULB Tsy tsapan'izy ireo tao am-pony fa tsaroako ny asa ratsiny rehetra. Ankehitriny mihodidina eo amin'izy ireo ny asany; manoloana ny tavako ireo. BSB BSB: But they fail to consider in their hearts that I remember all their evil. Now their deeds are all around them; they are before My face.
3 ULB Faly tamin'ny faharatsian'izy ireo ny mpanjaka, ary tamin'ny laingany ny manam-pahefana. BSB BSB: They delight the king with their evil, and the princes with their lies.
4 ULB Izy rehetra dia mpijangajanga, tahaka ny lafaoro nafanain'ny mpanao mofo, izay mitsahatra misoron'afo hatramin'ny famolavolana ny foto-koba ka mandra-pitombon'izany. BSB BSB: They are all adulterers, like an oven heated by a baker who needs not stoke the fire from the kneading to the rising of the dough.
5 ULB Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika ireo manam-pahefana dia nankarary ny tenany tamin'ny hafanan'ny divay. Naninjitra ny tanany tamin'ireo izay naneso izy. BSB BSB: The princes are inflamed with wine on the day of our king; so he joins hands with those who mock him.
6 ULB Fa amin'ny fo toy ny lafaoro, no hieverany ireo tetika famitahan'izy ireo. Mirehitra mandritra ny alina tontolo ny fahatezeran'izy ireo; ny amin'ny maraina dia mirehitra toy ny afo midedadeda izany. BSB BSB: For they prepare their heart like an oven while they lie in wait; all night their anger smolders; in the morning it blazes like a flaming fire.
7 ULB Izy rehetra dia mafana tahaka ny lafaoro, ary mandrapaka ireo izay manapaka eo amin'izy ireo. Efa lavo ireo mpanjakany rehetra; tsy nisy niantso Ahy izy ireo. BSB BSB: All of them are hot as an oven, and they devour their rulers. All their kings fall; not one of them calls upon Me.
8 ULB Nifangaro tamin'ireo olona i Efraima. Mofomamy fisaka izay tsy mbola navadika i Efraima. BSB BSB: Ephraim mixes with the nations; Ephraim is an unturned cake.
9 ULB Efa nandevona ny heriny ireo firenena hafa, nefa tsy fantany izany. Volo fotsy no mifafy eo aminy, nefa tsy fantany izany. BSB BSB: Foreigners consume his strength, but he does not notice. Even his hair is streaked with gray, but he does not know.
10 ULB Ny avonavon'Israely dia vavolombelona miampanga azy; na izany aza, dia tsy niverina tamin'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, na nitady Azy, na dia teo aza izany rehetra izany. BSB BSB: Israel’s arrogance testifies against them, yet they do not return to the LORD their God; despite all this, they do not seek Him.
11 ULB Efraima dia toy ny voromailala, minomino foana sady tsy misy saina, miantso mafy any Egypta, avy eo manidina ho any Asyria. BSB BSB: So Ephraim has become like a silly, senseless dove—calling out to Egypt, then turning to Assyria.
12 ULB Rehefa mandeha izy ireo, dia ho velariko eo amin'izy ireo ny haratoko, hampidiniko toy ny voron'ny lanitra izy ireo. Hanasazy azy ireo ao amin'ny firohotany Aho. BSB BSB: As they go, I will spread My net over them; I will bring them down like birds of the air. I will chastise them when I hear them flocking together.
13 ULB Lozan'izy ireo! Fa efa nandositra Ahy izy ireo. Tonga eo amin'izy ireo ny fandringanana! Nikomy tamiko izy ireo! Tokony hanavotra azy ireo Aho, kanefa nilaza lainga tamiko izy ireo. BSB BSB: Woe to them, for they have strayed from Me! Destruction to them, for they have rebelled against Me! Though I would redeem them, they speak lies against Me.
14 ULB Tsy nihiaka tamiko tamin'ny fony rehetra izy ireo, fa midradradradra eo am-pandriany. Miara-miangona ho an'ny vary sy ny divay vaovao izy ireo, ary mivily miala Amiko. BSB BSB: They do not cry out to Me from their hearts when they wail upon their beds. They slash themselves for grain and new wine, but turn away from Me.
15 ULB Na dia nampianatra azy ireo sy nanamafy ny sandriny aza Aho, dia miteti-dratsy hanohitra Ahy izy ireo ankehitriny. BSB BSB: Although I trained and strengthened their arms, they plot evil against Me.
16 ULB Miverina izy ireo, nefa tsy miverina Amiko, ilay Avo Indrindra. Toy ny tsipìka miraviravy izy ireo. Ho lavo amin'ny sabatra nohon'ny fitenenam-poan'ny lelany ny manam-pahefan'izy ireo. Izany no ho zary fanesoan'izy ireo ao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: They turn, but not to the Most High; they are like a faulty bow. Their leaders will fall by the sword for the cursing of their tongue; for this they will be ridiculed in the land of Egypt.