2 ULB Koa dia nividy atin'akanjo araka izay nitarihan'i Yaveh ahy aho, ary nafatotro teo amin'ny andilako izany. BSB BSB: So I bought a loincloth in accordance with the word of the LORD, and I put it around my waist.
3 ULB Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me a second time:
4 ULB "Raiso ilay atin'akanjo izay avy novidianao izay eo amin'ny andilanao, mitsangana ka mandehana any amin'ireo Eofrata. Afeno ao anaty haram-bato izany." BSB BSB: “Take the loincloth that you bought and are wearing, and go at once to Perath and hide it there in a crevice of the rocks.”
5 ULB Koa nandeha aho ary nanafina izany tany amin'ireo Eofrata araka izay nandidian'i Yaveh ahy. BSB BSB: So I went and hid it at Perath, as the LORD had commanded me.
6 ULB Afaka andro maromaro, dia niteny tamiko i Yaveh hoe: "Mitsangana ka mandehana miverina any amin'ireo Eofrata. Alaivo any ilay atin'akanjo izay nolazaiko hafeninao." BSB BSB: Many days later the LORD said to me, “Arise, go to Perath, and get the loincloth that I commanded you to hide there.”
7 ULB Koa niverina tany amin'ireo Eofrata aho ary nangady tao ilay nanafenako ilay atin'akanjo. Kanefa indro! Simba ilay atin'akanjo; tsy mba tsara intsony ilay izy. BSB BSB: So I went to Perath and dug up the loincloth, and I took it from the place where I had hidden it. But now it was ruined—of no use at all.
8 ULB Avy eo dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to me:
9 ULB "Hoy Yaveh hoe: Mitovy amin'izany ny fomba hamotehako ny fiavonavonana lehiben'ny Joda sy Jerosalema. BSB BSB: “This is what the LORD says: In the same way I will ruin the pride of Judah and the great pride of Jerusalem.
10 ULB Io vahoaka ratsy izay mandà ny hihaino ny teniko io, izay mandeha amin'ny fahamafisan'ny fon'izy ireo, izay manaraka andriamanin-kafa mba hanompo ireny sy hiankohoka amin'ireny—ho tahaka izany atin'akanjo izany izy ireo izay tsara fa tsy misy dikany. BSB BSB: These evil people, who refuse to listen to My words, who follow the stubbornness of their own hearts, and who go after other gods to serve and worship them, they will be like this loincloth—of no use at all.
11 ULB Fa tahaka ny atin'akanjo iray mifikitra amin'ny taolan-tehezan'olona, dia toy izany koa no efa nanaovako ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda hifikitra Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh—mba ho vahoakako, mba hitondra laza, dera, ary voninahitra ho Ahy. Saingy tsy nihaino ahy izy ireo. BSB BSB: For just as a loincloth clings to a man’s waist, so I have made the whole house of Israel and the whole house of Judah cling to Me, declares the LORD, so that they might be My people for My renown and praise and glory. But they did not listen.
12 ULB Koa tokony hiteny izao teny izao ho azy ireo ianao hoe: 'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely dia milaza izao: Ny tavoara rehetra dia ho feno divay.' Hiteny aminao izy ireo hoe: 'Moa tsy fantatray tokoa ve fa ho feno divay ny tavoara rehetra?' BSB BSB: Therefore you are to tell them that this is what the LORD, the God of Israel, says: ‘Every wineskin shall be filled with wine.’ And when they reply, ‘Don’t we surely know that every wineskin should be filled with wine?’
13 ULB Ka dia lazao izy ireo hoe: 'Hoy Yaveh hoe: Indro, ho fenoiko fahamamoana ny mponina rehetra an'ity tany ity, ireo mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ireo mpisorona, mpaminany, ary ireo mponin'i Jerosalema rehetra. BSB BSB: then you are to tell them that this is what the LORD says: ‘I am going to fill with drunkenness all who live in this land—the kings who sit on David’s throne, the priests, the prophets, and all the people of Jerusalem.
14 ULB Ary dia ho ampifamotehiko izy ireo, ireo ray sy ireo zanaka miaraka—izany no fanambaran'i Yaveh—Tsy hamindra fo amin'izy ireo Aho na hanana fangoraham-po, ary tsy hanavotra azy ireo amin'ny fahapotehina Aho. BSB BSB: I will smash them against one another, fathers and sons alike, declares the LORD. I will allow no mercy or pity or compassion to keep Me from destroying them.’”
15 ULB Mihainoa ka mandrenesa. Aza miavonavona, fa Yaveh no efa niteny. BSB BSB: Listen and give heed. Do not be arrogant, for the LORD has spoken.
16 ULB Manomeza voninahitra ho an'i Yaveh Andriamanitrareo mialohan'ny hitondrany aizina, ary mialohan'ny hanafintohinany ny tongotrareo ao an-tendrombohitra amin'ny maizimaizina. Fa manantena hazavana ianao, saingy hamadika ny toerana ho aizina lalina Izy, ho rahona mainty. BSB BSB: Give glory to the LORD your God before He brings darkness, before your feet stumble on the dusky mountains. You wait for light, but He turns it into deep gloom and thick darkness.
17 ULB Noho izany raha tsy hihaino ianao, dia hitomany irery aho noho ny fiavonavonanao. Hanganohano sy hikoriana ranomaso tokoa ny masoko, satria nobaboina ireo ondrin'i Yaveh. BSB BSB: But if you do not listen, I will weep in secret because of your pride. My eyes will overflow with tears, because the LORD’s flock has been taken captive.
18 ULB Lazao ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy reniny hoe: 'Manetre tena ianareo ka mipetraha, fa ireo satro-boninahitra eo amin'ny lohanareo, ny fireharehana sy voninahitrareo, dia efa nianjera.' BSB BSB: Say to the king and to the queen mother: “Take a lowly seat, for your glorious crowns have fallen from your heads.”
19 ULB Hikatona avokoa ireo tanànan'i Negeva, tsy misy iray hamoha ireo. Ho baboina i Joda, ho atao sesitany ny aminy rehetra. BSB BSB: The cities of the Negev have been shut tight, and no one can open them. All Judah has been carried into exile, wholly taken captive.
20 ULB Asandrato ny masonao ka jereo ireo tonga avy any avaratra. Aiza ny andian'ondry izay nomeny anao, ny andian'ondry izay tena tsara tarehy taminao? BSB BSB: Lift up your eyes and see those coming from the north. Where is the flock entrusted to you, the sheep that were your pride?
21 ULB Inona no ho lazainao rehefa apetrak'Andriamanitra eo aminao ireo izay efa nampianarinao mba ho sakaizanao? Tsy ireo ve ny fiantombohan'ireo fanaintainana izay hahazo anao tahaka ny vehivavy miteraka? BSB BSB: What will you say when He sets over you close allies whom you yourself trained? Will not pangs of anguish grip you, as they do a woman in labor?
22 ULB Dia mety hiteny anakampo ianao hoe: "Nahoana no miseho amiko ireo zavatra ireo?" Dia ho amin'ny fahamaroan'ireo fahotanao no nampiainga ireo ziponao ary nanolanana anao. BSB BSB: And if you ask yourself, “Why has this happened to me?” It is because of the magnitude of your iniquity that your skirts have been stripped off and your body has been exposed.
23 ULB Moa afaka ny hanova ny volon-kodiny ve ny Kosy, na ny leoparda hanova ny pentiny? Raha izany, dia ianao tenanao, na dia zatra ny faharatsiana aza, dia afaka manao ny tsara. BSB BSB: Can the Ethiopian change his skin, or the leopard his spots? Neither are you able to do good—you who are accustomed to doing evil.
24 ULB Noho izany dia hampiely azy ireny tahaka ny akofa izay levon'ny rivotry ny efitra Aho. BSB BSB: “I will scatter you like chaff driven by the desert wind.
25 ULB Izany no nomeko anao, ny anjara izay efa nodidiko ho anao—izany no fanambaran'i Yaveh—satria efa nanadino Ahy ianao ary nitoky tamim-pitaka. BSB BSB: This is your lot, the portion I have measured to you,” declares the LORD, “because you have forgotten Me and trusted in falsehood.
26 ULB Noho izany ihany koa dia Izaho mihitsy no hanala ny ziponao aminao, ary hiseho ireo faritra saro-padinao. BSB BSB: So I will pull your skirts up over your face, that your shame may be seen.
27 ULB Efa nahita ny fanitsakitsaham-bady sy ny fihikanao Aho, ny faharatsian'ny fivarotan-tenanao teny amin'ireo havoana sy teny amin'ireo saha, ary efa nahita ireny zavatra maharikoriko ireny Aho! Loza ho anao, ry Jerosalema! Hafiriana izany vao ho madio indray ianao?" BSB BSB: Your adulteries and lustful neighings, your shameless prostitution on the hills and in the fields—I have seen your detestable acts. Woe to you, O Jerusalem! How long will you remain unclean?”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.