1 ULB Dia hoy Yaveh tamiko hoe: "Na dia Mosesy na Samoela aza no nijoro teo anoloako, dia tsy mbola hankasitraka ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eo anoloako izy ireo, mba handehanan'izy ireo. BSB BSB: Then the LORD said to me: “Even if Moses and Samuel should stand before Me, My heart would not go out to this people. Send them from My presence, and let them go!
2 ULB Ary dia hilaza aminao izy ireo hoe: 'Aiza no tokony ho alehanay?' Dia tsy maintsy hiteny amin'izy ireo ianao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Ireo voalahatra ho faty dia ho faty; ireo voalahatra ho an'ny sabatra dia ho faty amin-tsabatra. Ireo voalahatra ho an'ny mosary dia ho fatin'ny mosary; ary ireo voalahatra ho amin'ny fahababoana dia ho babo.' BSB BSB: If they ask you, ‘Where shall we go?’ you are to tell them that this is what the LORD says: ‘Those destined for death, to death; those destined for the sword, to the sword; those destined for famine, to famine; and those destined for captivity, to captivity.’
3 ULB Fa ho tendreko ho antoko efatra izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ny sabatra dia hamono ny sasany, ireo amboa hitaritarika ny sasany, ireo voron'ny lanitra sy ireo bibidian'ny tany handevona ary hamotika ny sasany. BSB BSB: I will appoint over them four kinds of destroyers, declares the LORD: the sword to kill, the dogs to drag away, and the birds of the air and beasts of the earth to devour and destroy.
4 ULB Ho ataoko zavatra mampivarahontsana an'ireo fanjakan'ny tany rehetra izy ireo, noho izay zavatra nataon'i Manase zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, tany Jerosalema. BSB BSB: I will make them a horror to all the kingdoms of the earth because of what Manasseh son of Hezekiah king of Judah did in Jerusalem.
5 ULB Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no alahelo anao? Iza no hiverina hanontany momba ny toe-tena anao? BSB BSB: Who will have pity on you, O Jerusalem? Who will mourn for you? Who will turn aside to ask about your welfare?
6 ULB Nahafoy Ahy ianao—izany no fanambaran'i Yaveh—efa niala tamiko ianao. Koa hamely anao amin'ny tanako Aho ary hamotika anao. Reraky ny mamindra fo aminao Aho. BSB BSB: You have forsaken Me, declares the LORD. You have turned your back. So I will stretch out My hand against you and I will destroy you; I am weary of showing compassion.
7 ULB Ka dia ho kororohiko amin'ny fikororohana eo amin'ireo vavahadin'ny tany izy ireo. Hampahory azy ireo Aho. Hamotika ny vahoakako Aho satria tsy hiala amin'ny lalany izy ireo. BSB BSB: I will scatter them with a winnowing fork at the gates of the land. I will bereave and destroy My people who have not turned from their ways.
8 ULB Ho ataoko maro noho ny fasika eny amoron-dranomasina ny mpitondratenan'izy ireo. Handefa ny mpandrava amin'ny atoandro amin'ireo renin-jatovolahy Aho. Handatsaka horohoro sy tahotra tampoka amin'izy ireo Aho. BSB BSB: I will make their widows more numerous than the sand of the sea. I will bring a destroyer at noon against the mothers of young men. I will suddenly bring upon them anguish and dismay.
9 ULB Ny reny izay niteraka zaza fito dia hihaosa. Hiala aina izy. Ny masoandrony dia hilentika raha mbola andro iny. Ho afa-baraka sy menatra izy, fa homeko eo anatrehan'ireo fahavalony ireo izay sisa velona tamin'ny sabatra—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: The mother of seven will grow faint; she will breathe her last breath. Her sun will set while it is still day; she will be disgraced and humiliated. And the rest I will put to the sword in the presence of their enemies,” declares the LORD.
10 ULB Loza ho ahy, ry reniko! Fa niteraka ahy ianao, izaho izay lehilahin'ny adihevitra sy fandresen-dahatra manerana ny tany rehetra. Tsy manana ho ampindramina aho, ary tsy nisy olona nampindrana ahy, nefa manozona ahy izy rehetra. BSB BSB: Woe to me, my mother, that you have borne me, a man of strife and conflict in all the land. I have neither lent nor borrowed, yet everyone curses me.
11 ULB Hoy Yaveh: "Tsy hamonjy anao amin'ny tsara ve Aho? Ho ataoko mitalaho vonjy amin'ny fotoan'ny loza sy fahoriana tokoa ireo fahavalonao. BSB BSB: The LORD said: “Surely I will deliver you for a good purpose; surely I will intercede with your enemy in your time of trouble, in your time of distress.
12 ULB Mahapotika vy ve ny olona? Indrindra fa ny vy avy any avaratra izay miharo varahina? BSB BSB: Can anyone smash iron—iron from the north—or bronze?
13 ULB Homeko ireo fahavalonao ho babo maimaim-poana ny harena sy zava-tsarobidinao. Ho ataoko izany nohon'ny fahotana rehetra nataonao tao anatin'ny faritaninao rehetra. BSB BSB: Your wealth and your treasures I will give up as plunder, without charge for all your sins within all your borders.
14 ULB Dia ho ataoko manompo ireo fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao, fa hirehitra ny afo, handrehitra ny fahatezerako aminao." BSB BSB: Then I will enslave you to your enemies in a land you do not know, for My anger will kindle a fire that will burn against you.”
15 ULB Ry Yaveh, Ianao mahalala! Tsarovy aho ka vonjeo. Manaova valifaty ho ahy amin'ireo izay manenjika ahy. Mahari-pery Ianao, nefa aza avela haka ahy izy ireo; fantaro fa mijaly amin'ny fanalam-baraka noho Ianao aho. BSB BSB: You understand, O LORD; remember me and attend to me. Avenge me against my persecutors. In Your patience, do not take me away. Know that I endure reproach for Your honor.
16 ULB Efa hita ireo teninao, ary notsakotsakoko ireo. Ireo teninao dia tonga hafaliana ho ahy ary fahafinaretan'ny foko, fa mitondra ny anaranao aho, ry Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. BSB BSB: Your words were found, and I ate them. Your words became my joy and my heart’s delight. For I bear Your name, O LORD God of Hosts.
17 ULB Tsy nipetraka teo amin'ny faribolan'ireo izay nankalaza na nifaly aho. Nipetraka irery aho nohon'ny tananao mahery, satria nofenoinao fahatezerana aho. BSB BSB: I never sat with the band of revelers, nor did I celebrate with them. Because Your hand was on me, I sat alone, for You have filled me with indignation.
18 ULB Nahoana no mitohy ny fanaintainako ary tsy misy fanafany ny ratrako, mandà ny ho sitranina? Ho tahaka ny rano mamitaka amiko ve Ianao, rano izay ritra? BSB BSB: Why is my pain unending, and my wound incurable, refusing to be healed? You have indeed become like a mirage to me—water that is not there.
19 ULB Koa izao no lazain'i Yaveh: "Raha mibebaka ianao, ry Jeremia, dia ho averiko indray, ary hijoro eo anoloako ianao ka hanompo Ahy. Fa raha manasaraka ny zavatra adaladala amin'ireo zavatra sarobidy ianao, dia ho tahaka ny vavako ianao. Hiverina aminao ny vahoaka, nefa ianao dia tsy hiverina amin'izy ireo. BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: “If you return, I will restore you; you will stand in My presence. And if you speak words that are noble instead of worthless, you will be My spokesman. It is they who must turn to you, but you must not turn to them.
20 ULB Ho ataoko toy ny manda varahina tsy azo idirana ho an'ity vahoaka ity ianao, ary hanangana ady aminao izy ireo. Nefa tsy handresy anao izy ireo, satria momba anao Aho mba hamonjy sy hanavotra anao—izany no fanambaran'i Yaveh— BSB BSB: Then I will make you a wall to this people, a fortified wall of bronze; they will fight against you but will not overcome you, for I am with you to save and deliver you, declares the LORD.
21 ULB fa hamonjy anao amin'ny tanan'ny ratsy fanahy Aho ary hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpanao jadona." BSB BSB: I will deliver you from the hand of the wicked and redeem you from the grasp of the ruthless.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.