1 ULB "Voasoratra tamin'ny penina vy manana tendro diamondra ny fahotan'i Joda. Voasokitra eo amin'ny takelaky ny fon'izy ireo sy eo amin'ny tandrok'ireo alitaranao izany. BSB BSB: “The sin of Judah is written with an iron stylus, engraved with a diamond point on the tablets of their hearts and on the horns of their altars.
2 ULB Na dia ny zanak'izy ireo aza dia mahatsiaro ireo alitarany sy ireo baon'Aserahany izay teo akaikin'ny hazo misandrahaka sy tambonin'ny havoana avo. BSB BSB: Even their children remember their altars and Asherah poles by the green trees and on the high hills.
3 ULB Teo an-tendrombohitro tao amin'ny tanàna malalaka ny baon'Aseraha. Ny harenanareo sy ireo zava-tsarobidinareo rehetra dia homeko toy ny babo, miaraka amin'ny fitoerana avonareo, noho ireo fahotana nataonareo teo amin'ny faritaninareo rehetra. BSB BSB: O My mountain in the countryside, I will give over your wealth and all your treasures as plunder, because of the sin of your high places, within all your borders.
4 ULB Ho very ny lova izay nomeko anareo. Ho ataoko andevon'ireo fahavalonareo ao amin'ny tany izay tsy fantatrareo ianareo, fa ianareo dia efa nandrehitra afo amin'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay." BSB BSB: And you yourself will relinquish the inheritance that I gave you. I will enslave you to your enemies in a land that you do not know, for you have kindled My anger; it will burn forever.”
5 ULB Hoy i Yaveh: "Voaozona ny olona izay mahatoky olombelona; manao ny nofony ho heriny izy nefa mampivily ny fony amin'i Yaveh. BSB BSB: This is what the LORD says: “Cursed is the man who trusts in mankind, who makes mere flesh his strength and turns his heart from the LORD.
6 ULB Fa ho tahaka ny kirihitra kely ao Araba izy ary tsy hahita zava-tsoa ho avy. Hijanona any amin'ny toeram-batolampy any an-efitra izy, tany karakaina tsy misy mponina. BSB BSB: He will be like a shrub in the desert; he will not see when prosperity comes. He will dwell in the parched places of the desert, in a salt land where no one lives.
7 ULB Nefa voatahy ny olona izay mahatoky an'i Yaveh, fa Yaveh no anton'ny fahatokiany. BSB BSB: But blessed is the man who trusts in the LORD, whose confidence is in Him.
8 ULB Fa ho tahaka ny hazo nambolena teny amoron-drano izy, hisandrahaka manamorona ny riaka ireo fakany. Tsy hatahotra ny hafanana izy raha tonga izany, fa ireo raviny dia maitso mandrakariva. Tsy manahy amin'ny taonan'ny hain-tany izy, ary tsy hitsahatra hamoa izy. BSB BSB: He is like a tree planted by the waters that sends out its roots toward the stream. It does not fear when the heat comes, and its leaves are always green. It does not worry in a year of drought, nor does it cease to produce fruit.
9 ULB Mamitaka mihoatra ny zavatra rehetra ny fo. Marary izany; iza no afaka ahatakatra izany? BSB BSB: The heart is deceitful above all things and beyond cure. Who can understand it?
10 ULB Izaho no Yaveh, ilay mizaha ny ao an-tsaina, ilay mitsapa ireo fo. Manome araky ny fomban'ny olona tsirairay Aho, araky ny vokatr'ireo asany. BSB BSB: I, the LORD, search the heart; I examine the mind to reward a man according to his way, by what his deeds deserve.
11 ULB Mikotrika ny atody izay tsy nalatsany ny tsipohy. Mety ho tonga mpanankarena tsy ara-drariny ny olona, nefa rehefa misasaka ny andro iainany, dia handao azy ireo mpanakarena ireo, ary any am-parany dia ho lasa adala izy." BSB BSB: Like a partridge hatching eggs it did not lay is the man who makes a fortune unjustly. In the middle of his days his riches will desert him, and in the end he will be the fool.”
12 ULB "Ny sezan'ny tempolinay dia seza fiandrianana be voninahitra, nankarina hatrany am-piandohana. BSB BSB: A glorious throne, exalted from the beginning, is the place of our sanctuary.
13 ULB Yaveh no fanantenan'Israely. Ho menatra ireo rehetra izay mandao Anao. Ireo ao amin'ny tany izay niala taminao dia ho soratana amin'ny vovoka. Satria mandao an'i Yaveh Izy ireo, ilay loharanon'ny rano velona. BSB BSB: O LORD, the hope of Israel, all who abandon You will be put to shame. All who turn away will be written in the dust, for they have abandoned the LORD, the fountain of living water.
14 ULB Sitrano aho, ry Yaveh, dia ho sitrana aho! Vonjeo aho, dia ho voavonjy aho. Fa Ianao no hira fiderako. BSB BSB: Heal me, O LORD, and I will be healed; save me, and I will be saved, for You are my praise.
15 ULB Indro, hoy izy ireo tamiko: "Aiza ny tenin'Yaveh? Avelao izany ho avy!' BSB BSB: Behold, they keep saying to me, “Where is the word of the LORD? Let it come now!”
16 ULB Raha ny amiko, tsy niala tamin'ny maha mpiandry ondry manaraka Anao aho, tsy naniry ny andron'ny loza aho. Fantatrao ireo fanambarana avy amin'ny molotro. Natao teo amin'ny fanatrehahanao ireny. BSB BSB: But I have not run away from being Your shepherd; I have not desired the day of despair. You know that the utterance of my lips was spoken in Your presence.
17 ULB Aza mampihorohoro ahy. Ianao no fialofako amin'ny andron'ny loza. Aoka ho menatra anie ireo mpanenjika ahy, nefa aza avela ho menatra aho. BSB BSB: Do not become a terror to me; You are my refuge in the day of disaster.
18 ULB Aoka izy ireo hatahotra, fa aza avela hatahotra aho. Alefaso amin'izy ireo ny andron'ny loza ary torotoroy amin'ny anjara loza avo roa heny izy ireo." BSB BSB: Let my persecutors be put to shame, but do not let me be put to shame. Let them be terrified, but do not let me be terrified. Bring upon them the day of disaster and shatter them with double destruction.
19 ULB Izao no nolazain'i Yaveh tamiko: "Mandehana ary mijoroa eo amin'ny vavahadin'ny vahoaka izay hidiran'ireo mpanjakan'i Joda sy ivoahan'izy ireo, ary avy eo amin'ny vavahady hafa an'i Jerosalema rehetra. BSB BSB: This is what the LORD said to me: “Go and stand at the gate of the people, through which the kings of Judah go in and out; and stand at all the other gates of Jerusalem.
20 ULB Lazao izy ireo hoe: 'Henoy ny tenin'i Yaveh, ry mpanjakan'i Joda sy ianareo vahoakan'i Joda rehetra, ary ny mponin'i Jerosalema izay mandalo amin'ireo vavahady ireo. BSB BSB: Say to them, ‘Hear the word of the LORD, O kings of Judah, all people of Judah and Jerusalem who enter through these gates.
21 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Tandremo ny ainareo aza milanja enta-mavesatra amin'ny Andro Sabata ka hitondra izany mankeo amin'ireo vavahadin'i Jerosalema. Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin'ny Andro Sabata. BSB BSB: This is what the LORD says: Take heed for yourselves; do not carry a load or bring it through the gates of Jerusalem on the Sabbath day.
22 ULB Aza manao asa na inona na inona, fa atokano ny Andro Sabata, izay tahaka ny nandidiako ireo razanao hatao.'" BSB BSB: You must not carry a load out of your houses or do any work on the Sabbath day, but you must keep the Sabbath day holy, just as I commanded your forefathers.
23 ULB Tsy nihaino na nitandrina izy ireo, fa nanamafy ny hatony mba tsy handrenesany ahy na hanaiky famaizana. BSB BSB: Yet they would not listen or incline their ear, but they stiffened their necks and would not listen or receive My discipline.
24 ULB Hiseho izao raha mihaino ahy tokoa ianareo—izao no fanambaran'i Yaveh—ary aza mitondra entana mankeo amin'ireo vavahadin'ny tanàna amin'ny Andro Sabata fa kosa atokano ho an'i Yaveh ny Andro Sabata ary aza manao asa na inona na inona amin'izany, BSB BSB: If, however, you listen carefully to Me, says the LORD, and bring no load through the gates of this city on the Sabbath day, and keep the Sabbath day holy, and do no work on it,
25 ULB ary ireo mpanjaka, andriana, sy ireo izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hankeo amin'ireo vavahadin'ity tanàna ity amin'ny kalesy miaraka amin'ny soavaly, izy ireo sy ireo mpitarika azy ireo, ny lehilahin'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay. BSB BSB: then kings and princes will enter through the gates of this city. They will sit on the throne of David, riding in chariots and on horses with their officials, along with the men of Judah and the residents of Jerusalem, and this city will be inhabited forever.
26 ULB Izy ireo dia ho avy any amin'ny tanànan'i Joda sy avy amin'ny manodidina an'i Jerosalema, avy amin'ny tanin'i Benjamina sy ireo faritra iva, avy any amin'ireo tendrombohitra, ary avy any Negeva, hitondra ireo fanatitra dorana sy ireo sorona, fanatitra voa sy ditin-kazo manitra, fanati-pisaorana ao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: And people will come from the cities of Judah and the places around Jerusalem, from the land of Benjamin, and from the foothills, the hill country, and the Negev, bringing burnt offerings and sacrifices, grain offerings and frankincense, and thank offerings to the house of the LORD.
27 ULB Nefa raha tsy mihaino Ahy ianareo—ny amin'ny fanokanana ny Andro Sabata sy ny tsy fitondrana enta-mavesatra ary ny tsy fidirana amin'ireo vavahadin'i Jerosalema amin'ny Andro Sabata—dia handrehetako afo eo amin'ireo vavahadiny, ka handevona ny mandan'i Jerosalema izany, ary tsy ho vonoina izany." BSB BSB: But if you do not listen to Me to keep the Sabbath day holy by not carrying a load while entering the gates of Jerusalem on the Sabbath day, then I will kindle an unquenchable fire in its gates to consume the citadels of Jerusalem.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.