1 ULB Nahoana ny fotoana fitsaràna ireo ratsy fanahy no tsy nataon'ilay Tsitoha? Nahoana ireo izay mahatoky an'Andriamanitra no tsy mahita ny fahatongavan'ny andron'ny fitsaràny? BSB BSB: “Why does the Almighty not reserve times for judgment? Why may those who know Him never see His days?
2 ULB Misy olona ratsy fanahy izay manala ny mariky ny sisin-tany; misy olona ratsy fanahy izay maka an-kery ny andian'ondry aman'osy ka mametraka ireo ao amin'ny valan'izy ireo manokana. BSB BSB: Men move boundary stones; they pasture stolen flocks.
3 ULB Mandroaka ny borikin'ireo izay kamboty ray izy ireo; maka ny ombin'ny mpitondratena ho fiarovana izy ireo. BSB BSB: They drive away the donkey of the fatherless and take the widow’s ox in pledge.
4 ULB Manery ireo olona ory hiala amin'ny lalany izy ireo; ireo olona mahantran'ny tany dia miafina azy ireo avokoa. BSB BSB: They push the needy off the road and force all the poor of the land into hiding.
5 ULB Indro, ireo olona mahantra ireo dia mivoaka miasa tahaka ny borikidia any amin'ny tany hay, mitady sakafo fatratra; sao mba hanome azy ireo sakafo ho an'ny zanak'izy ireo ihany i Araba. BSB BSB: Indeed, like wild donkeys in the desert, the poor go to work foraging for food; the wasteland is food for their children.
6 ULB Ny olona mahantra dia mijinja any amin'ny sahan'ny olona hafa amin'ny alina; mitsimpona ny voaloboka avy amin'ny vokatr'ireo olona ratsy fanahy izy ireo. BSB BSB: They gather fodder in the fields and glean the vineyards of the wicked.
7 ULB Mandry mitanjaka tsy misy fitafiana izy ireo ny alina tontolo; tsy manana firakofana izy ireo amin'ny hatsiaka. BSB BSB: Without clothing, they spend the night naked; they have no covering against the cold.
8 ULB Kotsan'ny eriky ny tendrombohitra izy ireo; ary mandry akaikin'ireo vato lehibe satria tsy manan-kialofana. BSB BSB: Drenched by mountain rains, they huddle against the rocks for want of shelter.
9 ULB Misy ireo ratsy fanahy manaisotra ireo kamboty eo an-tratran-dreniny, ary olona ratsy fanahy izay maka ireo zaza ho fiarovana amin'ny olona mahantra. BSB BSB: The fatherless infant is snatched from the breast; the nursing child of the poor is seized for a debt.
10 ULB Fa ireo olona mahantra dia mandehandeha mitanjaka tsy mitafy; na dia mandeha noana aza izy ireo, dia milanja ny amboaram-barin'ireo hafa. BSB BSB: Without clothing, they wander about naked. They carry the sheaves, but still go hungry.
11 ULB Ireo olona mahantra dia manao diloilo ao anatin'ny rindrin'ireo ratsy fanahy ireo; manitsakitsaka ao amin'ny famiazan-divain'ireo ratsy fanahy izy ireo, fa ny tenan'izy ireo dia mijalin'ny hetaheta. BSB BSB: They crush olives within their walls; they tread the winepresses, but go thirsty.
12 ULB Misento ny olona ao amin'ny tanàna, mihiaka mafy ny olona naratra, satria tsy miraharaha ny vavak'izy ireo Andriamanitra. BSB BSB: From the city, men groan, and the souls of the wounded cry out, yet God charges no one with wrongdoing.
13 ULB Ny sasany tamin'ireo olona ratsy fanahy ireo dia mikomy manohitra ny hazavana; sady tsy fantatr'izy ireo ny lalany, no mijanona amin'ny lalany izy ireo. BSB BSB: Then there are those who rebel against the light, not knowing its ways or staying on its paths.
14 ULB Mialohan'ny andro mazava no mitsangana ilay mpamono olona ka mamono ny mahantra sy ny olona ory; toy ny mpangalatra izy amin'ny alina. BSB BSB: When daylight is gone, the murderer rises to kill the poor and needy; in the night he is like a thief.
15 ULB Miandry ny takariva ihany koa ny mason'ireo mpijangajanga; hoy izy hoe: 'Tsy hisy maso hahita ahy.' Manarona ny tavany izy. BSB BSB: The eye of the adulterer watches for twilight. Thinking, ‘No eye will see me,’ he covers his face.
16 ULB Ao amin'ny aizina no hisavan'ny olona ratsy fanahy ny trano; fa izy ireo dia mampangina ny tenan'izy ireo amin'ny andro; tsy miraharaha ny hazavana izy ireo. BSB BSB: In the dark they dig through houses; by day they shut themselves in, never to experience the light.
17 ULB Amin'izy rehetra, ny aizim-pito dia tahaka ny maraina; satria izy ireo dia sakaizan'ny fampihorohoroan'ny aizim-pito. BSB BSB: For to them, deep darkness is their morning; surely they are friends with the terrors of darkness!
18 ULB Na izany aza anefa dia ho levona faingana izy ireo, tahaka ny roatra mitsingevana eny ambony rano; ny anjaran-tanin'izy ireo dia voaozona; tsy misy olona andeha hiasa eny amin'ny tanim-boalobok'izy ireo. BSB BSB: They are but foam on the surface of the water; their portion of the land is cursed, so that no one turns toward their vineyards.
19 ULB Tahaka ny nampitsonihan'ny hain-tany sy ny hafanana ny oram-panala ho rano, no hakan'ny Fiainan-tsy hita ireo izay nanota. BSB BSB: As drought and heat consume the melting snow, so Sheol steals those who have sinned.
20 ULB Ny kibo izay nitondra azy dia hanadino azy; ny kankana no hihinana azy an-kamamiana; tsy ho tsaroana intsony izy; amin'izany fomba izany, no hahapotika ny faharatsiana tahaka ny hazo. BSB BSB: The womb forgets them; the worm feeds on them; they are remembered no more. So injustice is broken like a tree.
21 ULB Ny ratsy fanahy dia handrapaka ny vehivavy momba izay tsy nitera-jaza; tsy manisy soa amin'ny mpitondratena izy. BSB BSB: They prey on the barren and childless, and show no kindness to the widow.
22 ULB Kanefa Andriamanitra mbola mitarika ny olona mahery amin'ny alalan'ny heriny ihany; mitsangana Izy ary tsy mampatanjaka azy ireo amin'ny fiainana. BSB BSB: Yet by His power, God drags away the mighty; though rising up, they have no assurance of life.
23 ULB Andriamanitra dia mamela azy ireo hihevitra fa mandry fahalemana izy ireo, ary faly ny amin'izany izy ireo, saingy ny masony dia eny amin'ny lalany. BSB BSB: He gives them a sense of security, but His eyes are on their ways.
24 ULB Asandratra ireo olona ireo; kanefa, ao anatin'ny fotoana fohy ihany, dia ho lasa izy ireo; eny tokoa, hahetry izy ireo; hangonina tahaka ny hafa rehetra izy ireo; ho tapahana tahaka ny salohim-bary izy ireo. BSB BSB: They are exalted for a moment, then they are gone; they are brought low and gathered up like all others; they are cut off like heads of grain.
25 ULB Raha tsy izany, iza no afaka hanamarina ahy ho mpandainga; iza no afaka hanao tsinontsinona ny teniko? BSB BSB: If this is not so, then who can prove me a liar and reduce my words to nothing?”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.