1 ULB Dia nitsahatra tsy namaly an'i Joba intsony ireo telo lahy ireo satria marina teo imasony ihany izy. BSB BSB: So these three men stopped answering Job, because he was righteous in his own eyes.
2 ULB Ary dia nirehitra ny fahatezeran'i Eliho zanaka lahin'i Barakela ilay Bozita, avy amin'ny fokon'ny Rama; nirehitra tamin'i Joba izany satria nanamarina ny tenany izy raha tokony ho Andriamanitra. BSB BSB: This kindled the anger of Elihu son of Barachel the Buzite, of the family of Ram. He burned with anger against Job for justifying himself rather than God,
3 ULB Nirehitra tamin'izy telo lahy namany ihany koa ny fahatezeran'i Eliho satria tsy nahita teny havaly an'i Joba izy ireo, ary mbola nomelohin'izy ireo ihany i Joba. BSB BSB: and he burned with anger against Job’s three friends because they had failed to refute Job, and yet had condemned him.
4 ULB Ary Eliho dia niandry ny hiresaka tamin'ny Joba satria ireo lehilahy hafa ireo dia lehibe noho izy. BSB BSB: Now Elihu had waited to speak to Job because the others were older than he.
5 ULB Kanefa, rehefa hitan'i Eliho fa tsy nisy teny havaly an'i Joba teo ambavan'izy telo lahy ireo, dia nirehitra ny fahatezerany. BSB BSB: But when he saw that the three men had no further reply, his anger was kindled.
6 ULB Ary Eliho zanaka lahin'i Barakela ilay Bozita niteny mafy ka nanao hoe: "Tanora aho, ary ianareo dia efa tena antitra. Ka izany antony nisalasalako ka tsy nasahiako nilaza taminareo ny hevitro manokana. BSB BSB: So Elihu son of Barachel the Buzite declared: “I am young in years, while you are old; that is why I was timid and afraid to tell you what I know.
7 ULB Hoy aho hoe: "Ny halavan'ny andro no tokony hiteny; ny taona maro no tokony hampianatra fahendrena. BSB BSB: I thought that age should speak, and many years should teach wisdom.
8 ULB Kanefa misy fanahy ao amin'ny olona; ny fofonain'ilay Tsitoha no manome azy fahazavan-tsaina. BSB BSB: But there is a spirit in a man, the breath of the Almighty, that gives him understanding.
9 ULB Tsy izay olona lehibe ihany no hendry, na ireo olona nahazo taona ihany no mahatakatra ny rariny. BSB BSB: It is not only the old who are wise, or the elderly who understand justice.
10 ULB Noho izany dia hoy aho aminareo hoe: 'Henoy aho; hambarako aminareo ihany koa ny fahalalako.' BSB BSB: Therefore I say, ‘Listen to me; I too will declare what I know.’
11 ULB Indro, niandry ny teninareo aho; nihaino ny fandresen-dahatrareo aho raha nieritreritra izay ho lazaina ianareo. BSB BSB: Indeed, I waited while you spoke; I listened to your reasoning; as you searched for words,
12 ULB Nihaino tsara anareo tokoa aho, kanefa, indro, tsy nisy na dia iray taminareo aza afaka nandresy lahatra an'i Joba na afaka namaly ireo teniny. BSB BSB: I paid you full attention. But no one proved Job wrong; not one of you rebutted his arguments.
13 ULB Tandremo mba tsy hilaza hoe: 'Efa nahita fahendrena izahay!' Andriamanitra dia tsy maintsy handresy an'i Joba; raha olon-tsotra tsy afaka ny hanao izany. BSB BSB: So do not claim, ‘We have found wisdom; let God, not man, refute him.’
14 ULB Satria i Joba tsy niteny mivantana tamiko, dia tsy hamaly azy amin'ny teninareo aho. BSB BSB: But Job has not directed his words against me, and I will not answer him with your arguments.
15 ULB Tsy nahaloa-bava ireo telo lahy ireo; tsy nahavaly an'i Joba intsony izy ireo; tsy manana teny ho lazaina intsony izy ireo. BSB BSB: Job’s friends are dismayed, with no more to say; words have escaped them.
16 ULB Tokony hiandry ve aho satria tsy miteny izy ireo, satria mitsangana eo izy ireo ka mangina ary tsy mamaly intsony? BSB BSB: Must I wait, now that they are silent, now that they stand and no longer reply?
17 ULB Tsia, hamaly amin'ny anjarako koa aho; ho lazaiko azy ireo ihany koa ny fahalalako. BSB BSB: I too will answer; yes, I will declare what I know.
18 ULB Satria manana teny maro ho lazaina aho; ny fanahy izay ato anatiko no manery ahy. BSB BSB: For I am full of words, and my spirit within me compels me.
19 ULB Indro, tahaka ny divay milona izay tsy misy hivoahany ny tratrako; tahaka ny siny hoditra vaovao, izay efa hitriatra. BSB BSB: Behold, my belly is like unvented wine; it is about to burst like a new wineskin.
20 ULB Ary hiteny aho mba hahavelombelon'aina ahy; hanokatra ny molotro aho ka hamaly. BSB BSB: I must speak and find relief; I must open my lips and respond.
21 ULB Tsy haneho fiangarana aho; ary tsy hanome fiantsoana mihaja na amin'iza na amin'iza. BSB BSB: I will be partial to no one, nor will I flatter any man.
22 ULB Satria tsy haiko ny manome fiantsoana toy izany; raha nanao izany aho, dia haka ahy tsy ho ela ny Mpahary ahy. BSB BSB: For I do not know how to flatter, or my Maker would remove me in an instant.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.