1 ULB Fanampin'izay, dia mbola niteny i Eliho hoe: BSB BSB: Then Elihu continued:
2 ULB "Henoy ny teniko, ry lehilahy hendry; henoy aho, ianareo izay manana fahalalana. BSB BSB: “Hear my words, O wise men; give ear to me, O men of learning.
3 ULB Fa ny sofina dia mandre ny teny toy ny hatsapan'ny lela ny tsiron-kanina. BSB BSB: For the ear tests words as the mouth tastes food.
4 ULB Aoka isika hisafidy izay rariny ho antsika: aoka isika samy hahita ny tsara eo amintsika. BSB BSB: Let us choose for ourselves what is right; let us learn together what is good.
5 ULB Fa i Joba nilaza hoe: 'Marina aho, fa nalan'Andriamanitra ny zoko. BSB BSB: For Job has declared, ‘I am righteous, yet God has deprived me of justice.
6 ULB Na inona na inona zoko, dia raisina ho mpandainga aho. Tsy azo sitranina ny ratrako, na dia tsy nanota aza aho.' BSB BSB: Would I lie about my case? My wound is incurable, though I am without transgression.’
7 ULB Fa lehilahy inona i Joba, izay misotro ny fanamavoana toy ny rano, BSB BSB: What man is like Job, who drinks up derision like water?
8 ULB izay mandeha etsy sy eroa miaraka amin'ireo mpanao ratsy, ary miray lalana amin'ny olona ratsy fanahy? BSB BSB: He keeps company with evildoers and walks with wicked men.
9 ULB Fa efa nilaza izy hoe: 'Tsy hahazoan'ny olona tombony ny miravoravo amin'ny fanaovana izay tian'Andriamanitra.' BSB BSB: For he has said, ‘It profits a man nothing that he should delight in God.’
10 ULB Ka henoy aho, ry lehilahy manana fahazavan-tsaina: sanatria amin'Andriamanitra anie ny hanao ratsy; sanatria amin'ilay Tsitoha anie ny hanota. BSB BSB: Therefore listen to me, O men of understanding. Far be it from God to do wrong, and from the Almighty to act unjustly.
11 ULB Satria mamaly ny asan'ny olona izy; ataony tody amin'ny valisoan'ny lalana nosafidiany ny olona rehetra. BSB BSB: For according to a man’s deeds He repays him; according to a man’s ways He brings consequences.
12 ULB Eny tokoa, tsy mba manao ratsy Andriamanitra, na hamadika ny rariny mandrakizay ny Tsitoha. BSB BSB: Indeed, it is true that God does not act wickedly, and the Almighty does not pervert justice.
13 ULB Iza no nampiandraikitra azy ny tany? Iza no nametraka ny tany iray manontolo teo ambaniny? BSB BSB: Who gave Him charge over the earth? Who appointed Him over the whole world?
14 ULB Raha izy ihany no hifantohan'ny tenany, ary raha mamerina manangona ny fanahiny sy ny fofonainy aminy ihany izy, BSB BSB: If He were to set His heart to it and withdraw His Spirit and breath,
15 ULB dia hiaraka ho lo avokoa ny nofo rehetra; ary hiverina ho vovoka indray ny olombelona. BSB BSB: all flesh would perish together and mankind would return to the dust.
16 ULB Raha manana fahazavan-tsaina ianao ankehitriny, dia henoy izao; henoy ny feon'ny teniko. BSB BSB: If you have understanding, hear this; listen to my words.
17 ULB Afaka ny hitondra ve ny olona iray izay mankahala ny rariny? Ho helohinao ve Andriamanitra, izay marina sy mahery? BSB BSB: Could one who hates justice govern? Will you condemn the just and mighty One,
18 ULB Andriamanitra, izay milaza amin'ny mpanjaka hoe: 'Maharikoriko ianao,' na koa milaza amin'ireo manan-kaja hoe: 'ratsy fanahy ianareo'? BSB BSB: who says to kings, ‘You are worthless!’ and to nobles, ‘You are wicked,’
19 ULB Andriamanitra, izay tsy miangatra amin'ireo mpitondra ary tsy manome lanja ireo mpanan-karena mihoatra ireo mahantra, satria asan'ny tanany avokoa izy ireo. BSB BSB: who is not partial to princes and does not favor rich over poor? For they are all the work of His hands.
20 ULB Ao anatin'ny fotoana fohy izy ireo dia ho faty; amin'ny sasak'alina dia ho voahozongozona ny olona ary ho faty; ho alaina ihany koa ny olona mahery, saingy tsy amin'ny tanan'olombelona. BSB BSB: They die in an instant, in the middle of the night. The people convulse and pass away; the mighty are removed without human hand.
21 ULB Fa ny mason'Andriamanitra dia eo amin'ny lalan'ny olona; hitany avokoa ireo dingana ataony. BSB BSB: For His eyes are on the ways of a man, and He sees his every step.
22 ULB Tsy misy aizina, na aizim-pito hiafenan'ireo mpanao ny tsy rariny. BSB BSB: There is no darkness or deep shadow where the workers of iniquity can hide.
23 ULB Fa tsy mila mandinika ny olona intsony Andriamanitra; tsy misy antony handehanan'ny olona ho tsaraina eo anatrehany. BSB BSB: For God need not examine a man further or have him approach for judgment.
24 ULB Potipotehiny ireo lehilahy mahery nohon'ny lalan'izy ireo izay tsy hilàna fanadihadiana intsony; hapetrany amin'ny toerany avy ny hafa. BSB BSB: He shatters the mighty without inquiry and sets up others in their place.
25 ULB Ary izany no hahafantarany ny asan'izy ireo; amin'ny alina no handravany ireo olona ireo; ringana izy ireo. BSB BSB: Therefore, He recognizes their deeds; He overthrows them in the night and they are crushed.
26 ULB Eo imason'ny hafa, vonoiny toy ny jiolahy izy ireo nohon'ny asa ratsy vitany BSB BSB: He strikes them for their wickedness in full view,
27 ULB satria nivadika tsy nanaraka Azy izy ireo ary tsy nety nanaiky na iray aza tamin'ny lalany. BSB BSB: because they turned aside from Him and had no regard for any of His ways.
28 ULB Tamin'izany, dia nataon'izy ireo tonga teo aminy ny tomanin'ireo mahantra; ary reny ny tomanin'ireo olona nampahoriana. BSB BSB: They caused the cry of the poor to come before Him, and He heard the outcry of the afflicted.
29 ULB Rehefa mangina Izy, iza no afaka hanameloka Azy? Raha hafeniny ny tavany, iza no hahita Azy? Mitovy ny fanapahany ny firenena sy ny tsirairay, BSB BSB: But when He remains silent, who can condemn Him? When He hides His face, who can see Him? Yet He watches over both man and nation,
30 ULB mba tsy ho afaka hanapaka ny olona mpaniratsira, mba tsy hisy na iray aza hamandrika ny olona. BSB BSB: that godless men should not rule or lay snares for the people.
31 ULB Raha atao hoe misy olona iray milaza amin'Andriamanitra hoe: 'Meloka tokoa aho, fa tsy hanota intsony; BSB BSB: Suppose someone says to God, ‘I have endured my punishment; I will offend no more.
32 ULB ampianaro ahy ny zavatra tsy mety hitako; nanota aho, fa tsy hamerina izany intsony.' BSB BSB: Teach me what I cannot see; if I have done wrong, I will not do it again.’
33 ULB Dia mihevitra ve ianao fa ho sazian'Andriamanitra nohon'ny otan'izany olona izany, satria tsy tianao ny ataon'Andriamanitra? Aoka ianao no hisafidy, fa tsy izaho. Ka lazao izay fantatrao. BSB BSB: Should God repay you on your own terms when you have disavowed Him? You must choose, not I; so tell me what you know.
34 ULB Ny olona manana fahazavan-tsaina dia hilaza amiko hoe— eny tokoa, izay lehilahy hendry rehetra mandre ahy dia hiteny hoe: BSB BSB: Men of understanding will declare to me, and the wise men who hear me will say:
35 ULB 'Miteny tsy am-pahalalana i Joba; tsy misy fahendrena ny teniny.' BSB BSB: ‘Job speaks without knowledge; his words lack insight.’
36 ULB Raha mba notsaraina tamin'ny antsipirihiny kely indrindra tamin'ny tranga nahazo azy mantsy i Joba nohon'ny firesany toy ny olona ratsy fanahy. BSB BSB: If only Job were tried to the utmost for answering like a wicked man.
37 ULB Fa ampiany fikomiana ny fahotany; miteha-tanana am-panesoana eo afovoantsika izy; manangona teny anoherana an'Andriamanitra izy." BSB BSB: For he adds rebellion to his sin; he claps his hands among us and multiplies his words against God.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.