1 ULB Dia namaly an'i Yaveh i Joba ka niteny hoe: BSB BSB: Then Job replied to the LORD:
2 ULB "Haiko fa hainao hatao ny zavatra rehetra, fa tsy hay sakanana ny tanjonao. BSB BSB: “I know that You can do all things and that no plan of Yours can be thwarted.
3 ULB 'Iza izao manafina fikasana tsy amin'ny fahalalana izao?' Eny tokoa, nanambara zavatra izay tsy takatro aho, zavatra saro-takarina loatra ho ahy, izay tsy mba fantatro. BSB BSB: You asked, ‘Who is this who conceals My counsel without knowledge?’ Surely I spoke of things I did not understand, things too wonderful for me to know.
4 ULB Hoy Ianao tamiko hoe: 'Mihainoa, ankehitriny, ary hiteny Aho; hanontany zavatra aminao Aho, ary hilaza Amiko ianao.' BSB BSB: You said, ‘Listen now, and I will speak. I will question you, and you shall inform Me.’
5 ULB Nandre ny momba Anao tamin'ny siosion-dresaka aho, fa ankehitriny dia mahita Anao ny masoko. BSB BSB: My ears had heard of You, but now my eyes have seen You.
6 ULB Koa manamavo ny tenako aho; mibebaka amin'ny vovoka sy lavenona aho." BSB BSB: Therefore I despise myself, and I repent in dust and ashes.”
8 ULB Ankehitriny ary, makà omby lahy fito sy ondry lahy fito ho an'ny tenanareo, dia mandehana any amin'i Joba mpanompoko, ka manolora fanatitra dorana ho an'ny tenanareo. Hivavaka ho anareo i Joba mpanompoko, dia hanaiky ny fivavany Aho, mba tsy hamaliako anareo araka ny fahadalanareo. Tsy nilaza izay marina momba Ahy, tahaka ny nataon'i Joba mpanompoko ianareo." BSB BSB: So now, take seven bulls and seven rams, go to My servant Job, and sacrifice a burnt offering for yourselves. Then My servant Job will pray for you, for I will accept his prayer and not deal with you according to your folly. For you have not spoken accurately about Me, as My servant Job has.”
9 ULB Koa dia nandeha ary nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy ireo i Elifaza ilay Temanita, i Bildada ilay Sohita, ary i Zofara ilay Namatita, ary Yaveh nanaiky an'i Joba. BSB BSB: So Eliphaz the Temanite, Bildad the Shuhite, and Zophar the Naamathite went and did as the LORD had told them; and the LORD accepted Job’s prayer.
10 ULB Rehefa nivavaka ho an'ireo namany i Joba, dia naverin'Andriamanitra tamin'ny laoniny ny hareny. Nomen'i Yaveh avo roa heny mihoatra izay nananany teo aloha izy. BSB BSB: After Job had prayed for his friends, the LORD restored his prosperity and doubled his former possessions.
11 ULB Dia nandeha tany aminy ireo rahalahin'i Joba rehetra, ireo anabaviny rehetra, ary ireo olom-pantany teo aloha— ary nisakafo niaraka taminy tao an-tranony. Niara-ory taminy izy ireo ary nampionona azy ny amin'ireo loza rehetra izay nalefan'i Yaveh taminy. Samy nanome volafotsy madinika sy peratra volamena an'i Joba avokoa ny olon-drehetra. BSB BSB: All his brothers and sisters and prior acquaintances came and dined with him in his house. They consoled him and comforted him over all the adversity that the LORD had brought upon him. And each one gave him a piece of silver and a gold ring.
12 ULB Nitahy ny andro farany niainan'i Joba mihoatra noho ny tamin'ny voalohany Yaveh; nanana ondry efatra arivo sy iray alina izy, rameva enina arivo, andian'omby arivo, ary boriky vavy arivo. BSB BSB: So the LORD blessed Job’s latter days more than his first. He owned 14,000 sheep, 6,000 camels, 1,000 yoke of oxen, and 1,000 female donkeys.
13 ULB Nanan-janaka lahy fito sy zanaka vavy telo ihany koa izy. BSB BSB: And he also had seven sons and three daughters.
14 ULB Nantsoiny hoe Jemima ilay vavimatoa, Kezia ilay faharoa, ary ny fahatelo dia Kerena-hapoka. BSB BSB: He named his first daughter Jemimah, his second Keziah, and his third Keren-happuch.
15 ULB Tsy nisy vehivavy hita ho tsara mihoatra an'ireo zanaka vavin'i Joba teo amin'ny tany rehetra. Nanome lova ho azy ireo mbamin'ireo anadahiny ny rain'izy ireo. BSB BSB: No women as beautiful as Job’s daughters could be found in all the land, and their father granted them an inheritance among their brothers.
16 ULB Taorian'izany, dia niaina 140 taona i Joba; nahita ireo zanany sy ireo zafiny izy, hatramin'ny taranaka efatra nifandimby. BSB BSB: After this, Job lived 140 years and saw his children and their children to the fourth generation.
17 ULB Avy eo dia maty i Joba, raha antitra sy voky andro. BSB BSB: And so Job died, old and full of years.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.