1 ULB Ary tonga teo amin'i Jona zanaka lahin'i Amitahy ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: Now the word of the LORD came to Jonah son of Amittai, saying,
2 ULB "Mitsangàna ary mandehana any Ninive, izay tanàna tena lehibe, ary miresàha ny momba izany, satria efa niakatra teo anatrehako ny faharatsian'izy ireo." BSB BSB: “Get up! Go to the great city of Nineveh and preach against it, because its wickedness has come up before Me.”
3 ULB Fa nitsangana i Jona mba hitsoaka ny fanatrehan'i Yaveh ary nandeha tany Tarsisy. Nidina tany Jopa izy ary nahita sambo hiainga ho any Tarsisy. Koa dia naloany ny saran-dalana ary niakatra tao amin'ilay sambo niaraka tamin'izy ireo ho any Tarsisy izy, lavitry ny fanatrehan'Andriamanitra. BSB BSB: Jonah, however, got up to flee to Tarshish, away from the presence of the LORD. He went down to Joppa and found a ship bound for Tarshish. So he paid the fare and went aboard to sail for Tarshish, away from the presence of the LORD.
4 ULB Fa nandefasan'i Yaveh rivo-mahery teny amin'ny ranomasina ary dia lasa tafio-drivotra teny amin'ny ranomasina izany. Vetivety teo dia hita fa ho potika ilay sambo. BSB BSB: Then the LORD hurled a great wind upon the sea, and such a violent storm arose that the ship was in danger of breaking apart.
5 ULB Ary lasa natahotra mafy ireo tantsambo ka niantso mafy ny andriamaniny manokana. Natsipin'izy ireo tany an-dranomasina ny entana tao amin'ilay sambo mba hanamaivana izany. Fa Jona kosa nidina lalina tao amin'ilay sambo, ary nitsilany renoky ny torimaso tao. BSB BSB: The sailors were afraid, and each cried out to his own god. And they threw the ship’s cargo into the sea to lighten the load. But Jonah had gone down to the lowest part of the vessel, where he lay down and fell into a deep sleep.
6 ULB Ka nanatona azy ny kapitenin-tsambo ary niteny taminy hoe: "Nahoana ianao no matory? Mitsangàna! Antsoy ny andriamanitrao! Mety mba hahita antsika ny andriamanitrao ka tsy ho faty isika." BSB BSB: The captain approached him and said, “How can you sleep? Get up and call upon your God. Perhaps this God will consider us, so that we may not perish.”
7 ULB Nifampiresaka izy rehetra nanao hoe: "Manatona, andao isika hanao ankitsapaka, mba hafahantsika mahafantatra hoe iza no anton'izao loza mitranga amintsika izao." Ka nataon'izy ireo ny ankitsapaka, ary nitontona teo amin'i Jona izany. BSB BSB: “Come!” said the sailors to one another. “Let us cast lots to find out who is responsible for this calamity that is upon us.” So they cast lots, and the lot fell on Jonah.
8 ULB Dia hoy izy ireo tamin'i Jona hoe: "Mba teneno anay re hoe iza no anton'izao loza mitranga amintsika izao. Inona no asanao, ary avy aiza ianao? Inona no firenenao, ary avy amin'ny vahoaka iza ianao? BSB BSB: “Tell us now,” they demanded, “who is to blame for this calamity that is upon us? What is your occupation, and where have you come from? What is your country, and who are your people?”
9 ULB Hoy Jona tamin'izy ireo hoe: "Hebreo aho; ary matahotra an'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina." BSB BSB: “I am a Hebrew,” replied Jonah. “I worship the LORD, the God of the heavens, who made the sea and the dry land.”
10 ULB Ary vao mainka niha-natahotra ireo lehilahy ka niteny tamin'i Jona hoe: "Fa inona ity nataonao?" Fa fantatr'ireo lehilahy fa nitsoaka ny fanatrehan'i Yaveh izy, satria nolazainy tamin'izy ireo. BSB BSB: Then the men were even more afraid and said to him, “What have you done?” The men knew that he was fleeing from the presence of the LORD, because he had told them.
11 ULB Ary hoy izy ireo tamin'i Jona hoe: "Inona no tokony ho ataonay aminao mba hampilamina ny ranomasina ho anay?" Satria niha-nanonja mafy dia mafy ny ranomasina. BSB BSB: Now the sea was growing worse and worse, so they said to Jonah, “What must we do to you to calm this sea for us?”
12 ULB Hoy i Jona tamin'izy ireo hoe: "Raiso aho ary atsipazo any anaty ranomasina. Ary hilamina ho anareo ny ranomasina, satria fantatro fa noho izaho no mahatonga izao tafio-drivotra izao hitranga aminareo." BSB BSB: “Pick me up,” he answered, “and cast me into the sea, so it may quiet down for you. For I know that I am to blame for this violent storm that has come upon you.”
13 ULB Na dia izany aza, dia namohy mafy ireo lehilahy mba hampiverina azy ireo eny an-tanety, saingy tsy afaka nanao izany izy ireo satria niha-nahery ny ranomasina nanohitra azy ireo. BSB BSB: Nevertheless, the men rowed hard to get back to dry land, but they could not, for the sea was raging against them more and more.
14 ULB Noho izany dia niantso mafy an'i Yaveh izy ireo ary nanao hoe: "Mitalaho Aminao izahay, ry Yaveh, mitalaho Aminao izahay, aza avela ho faty nohon'ny ain'ity lehilahy ity izahay, ary aza melohina aminay ny fahafatesany, satria Ianao, Yaveh, dia efa nanao araka izay sitraky ny fonao." BSB BSB: So they cried out to the LORD: “Please, O LORD, do not let us perish on account of this man’s life! Do not charge us with innocent blood! For You, O LORD, have done as You pleased.”
15 ULB Koa dia noraisin'izy ireo i Jona ary natsipin'izy ireo tany anaty ranomasina, ary nijanona tsy nisafoaka ny ranomasina. BSB BSB: Then they picked up Jonah and cast him into the sea, and the raging sea grew calm.
16 ULB Avy eo dia natahotra mafy an'i Yaveh ireo lehilahy. Nanolotra sorona ho an'i Yaveh izy ireo ary nanao voady. BSB BSB: Then the men feared the LORD greatly, and they offered a sacrifice to the LORD and made vows to Him.