1 ULB Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses and Aaron,
2 ULB "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary lazao azy ireo hoe: 'Raha misy lehilahy mamoaka tsiranoka misy otrikaretina avy amin'ny vatany, dia lasa maloto izy. BSB BSB: “Say to the Israelites, ‘When any man has a bodily discharge, the discharge is unclean.
3 ULB Ny fahalotoany dia vokatr'izany tsiranoka misy otrikaretina izany. Na mitsika ny tsiranoka aminy na tsy mitsika, dia maloto izany. BSB BSB: This uncleanness is from his discharge, whether his body allows the discharge to flow or blocks it. So his discharge will bring about uncleanness.
4 ULB Ny fandriana rehetra handriany dia haloto, ary ny zavatra rehetra izay hipetrahany dia haloto. BSB BSB: Any bed on which the man with the discharge lies will be unclean, and any furniture on which he sits will be unclean.
5 ULB Na iza na iza mikasika ny fandriany dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, ary haloto mandra- paharivan'ny andro. BSB BSB: Anyone who touches his bed must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
6 ULB Izay rehetra mipetraka amin'ny zavatra izay nipetrahan'ilay lehilahy mitsika tsiranoka misy otrikaretina, izany olona izany dia tokony manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy. BSB BSB: Whoever sits on furniture on which the man with the discharge was sitting must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
7 ULB Izay rehetra mikasika ny vatan'ilay mitsika tsiranoka misy otrikaretina dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro. BSB BSB: Whoever touches the body of the man with a discharge must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
8 ULB Raha mandrora amin'ny olona izay madio ilay olona izay mitsika tsiranoka tahaka izany, dia tsy maintsy manasa ny akanjony izany olona izany ary mandro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy. BSB BSB: If the man with the discharge spits on one who is clean, that person must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
9 ULB Ny lasely rehetra izay taingenan'ilay mitsika dia haloto. BSB BSB: Any saddle on which the man with the discharge rides will be unclean.
10 ULB Na iza na iza mikasika ny zavatra izay tao ambanin' izany olona izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro, ary izay rehetra mitondra ireo zavatra ireo dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; haloto mandra-paharivan'ny andro izy. BSB BSB: Whoever touches anything that was under him will be unclean until evening, and whoever carries such things must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
11 ULB Na iza na iza mikasika ny tsiranoka tahaka izany kanefa tsy nanasa ny tanany mialoha ao anaty rano, dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano ilay olona voakasika, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy. BSB BSB: If the man with the discharge touches anyone without first rinsing his hands with water, the one who was touched must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
12 ULB Ny vilany tany rehetra izay nokasihan'ilay mamoaka tsiranoka tahaka izany dia tsy maintsy vakiana, ary ny vata hazo rehetra dia tsy maintsy sasana amin'ny rano. BSB BSB: Any clay pot that the man with the discharge touches must be broken, and any wooden utensil must be rinsed with water.
13 ULB Rehefa sitrana amin'ny fitsihany izy izay mitsika, dia tsy maintsy manisa fito andro amin'ny fanadiovana azy izy; avy eo hanasa ny akanjony izy ary hampandro ny vatany amin'ny rano mandeha. Dia hadio izy. BSB BSB: When the man has been cleansed from his discharge, he must count off seven days for his cleansing, wash his clothes, and bathe himself in fresh water, and he shall be clean.
14 ULB Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy maka voromailala roa na zana-boromailala roa izy ary manatona eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana; eo izy no hanolotra ireo vorona ho an'ny mpisorona. BSB BSB: On the eighth day he is to take two turtledoves or two young pigeons, come before the LORD at the entrance to the Tent of Meeting, and give them to the priest.
15 ULB Tsy maintsy manolotra ireo ilay mpisorona, ny iray ho fanatitra nohon'ny fahotana ary ny iray hafa ho fanatitra dorana, ary tsy maintsy manao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Yaveh nohon'ny fitsihany izy. BSB BSB: The priest is to sacrifice them, one as a sin offering and the other as a burnt offering. In this way the priest will make atonement for the man before the LORD because of his discharge.
16 ULB Raha misy lehilahy mamoaka tsirinaina, dia tsy maintsy manasa ny vatany manontolo amin'ny rano izy; haloto mandra-paharivan'ny andro izy. BSB BSB: When a man has an emission of semen, he must bathe his whole body with water, and he will be unclean until evening.
17 ULB Ny fitafiana sy hoditra rehetra izay misy tsirin'aina dia tsy maintsy sasaina amin'ny rano; haloto mandra-paharivan'ny andro izany. BSB BSB: Any clothing or leather on which there is an emission of semen must be washed with water, and it will remain unclean until evening.
18 ULB Raha miara-mandry ny lehilahy sy vehivavy ary misy fandefasana tsirinaina ao amin-dravehivavy, dia tsy maintsy mandro amin'ny rano izy roa; haloto mandra-paharivan'ny andro izy ireo. BSB BSB: If a man lies with a woman and there is an emission of semen, both must bathe with water, and they will remain unclean until evening.
19 ULB Raha fadimbolana ny vehivavy iray, dia hitohy mandritry ny fito andro ny fahalotoany, ary na iza na iza mikasika azy dia haloto mandra-paharivan'ny andro. BSB BSB: When a woman has a discharge consisting of blood from her body, she will be unclean due to her menstruation for seven days, and anyone who touches her will be unclean until evening.
20 ULB Ny zavatra rehetra izay handriany mandritry nyfotoanany dia haloto; ny zavatra rehetra izay hipetrahany dia haloto ihany koa. BSB BSB: Anything on which she lies or sits during her menstruation will be unclean,
21 ULB Na iza na iza mikasika ny fandrianany dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; izany olona izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro. BSB BSB: and anyone who touches her bed must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
22 ULB Na iza na iza mikasika ny zavatra rehetra izay hipetrahany dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; izany olona izany dia haloto mandra-paharivan'ny andro. BSB BSB: Whoever touches any furniture on which she was sitting must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
23 ULB Na amin'ny fandriana izany na amin'ny zavatra izay hipetrahany, raha mikasika izany izy, dia haloto mandra-paharivan'ny andro izany olona izany. BSB BSB: And whether it is a bed or furniture on which she was sitting, whoever touches it will be unclean until evening.
24 ULB Raha miara-mandry aminy ny lehilahy, ary raha mikasika an-dralehilahy ny tsiranoka maloto avy aminy, dia haloto mandritry ny fito andro izy. Ny fandriana rehetra izay handriany dia haloto. BSB BSB: If a man lies with her and her menstrual flow touches him, he will be unclean for seven days, and any bed on which he lies will become unclean.
25 ULB Raha misy vehivavy mamoaka rà mandritry ny andro maro izay tsy amin'ny fotoanan'ny fadimbolany, na raha mamoaka tsiranoka ivelan'ny fotoanan'ny fadimbolany izy, dia ho toy ny hoe amin'ny andron'ny fadimbolany izy, mandritry ny andro rehetra hitsihan'ny fahalotoany. Maloto izy. BSB BSB: When a woman has a discharge of her blood for many days at a time other than her menstrual period, or if it continues beyond her period, she will be unclean all the days of her unclean discharge, just as she is during the days of her menstruation.
26 ULB Ny fandriana rehetra handriany mandritry ny fandehanan'ny ràny dia ho toy ny fandriana izay handriany mandritry ny fadimbolany ihany aminy, ary ny zavatra rehetra izay hipetrahany dia haloto, toy ny fahalotoan'ny fadimbolany. BSB BSB: Any bed on which she lies or any furniture on which she sits during the days of her discharge will be unclean, like her bed during her menstrual period.
27 ULB Na iza na iza mikasika ireo zavatra ireo dia haloto; tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano izy, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy. BSB BSB: Anyone who touches these things will be unclean; he must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening.
28 ULB Fa raha voadio amin'ny fitsihan'ny ràny izy, dia hanisa fito andro ho azy, ary aorian'izay dia hadio izy. BSB BSB: When a woman is cleansed of her discharge, she must count off seven days, and after that she will be ceremonially clean.
29 ULB Amin'ny andro fahavalo dia haka voromailala roa na zana-boromailala roa izy ho azy izy ary hitondra ireo any amin'ny mpisorona eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana. BSB BSB: On the eighth day she is to take two turtledoves or two young pigeons and bring them to the priest at the entrance to the Tent of Meeting.
30 ULB Ilay mpisorona dia hanolotra vorona iray ho fanatitra nohon'ny ota ary ny iray hafa ho fanatitra dorana, ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Yaveh izy nohon'ny fitsihan'ny rà malotony. BSB BSB: The priest is to sacrifice one as a sin offering and the other as a burnt offering. In this way the priest will make atonement for her before the LORD for her unclean discharge.
31 ULB Izany no fomba tokony hanasarahanao ny vahoakan'Israely amin'ny fahalotoan'izy ireo, ka tsy ho faty nohon'ny fahalotoany izy ireo, amin'ny fandotoana ny tabernakely, izay hitoerako eo amin'izy ireo. BSB BSB: You must keep the children of Israel separate from their uncleanness, so that they do not die by defiling My tabernacle, which is among them.
32 ULB Ireo no didy amam-pitsipika ho an'ny rehetra izay mamoaka tsiranoka, ho an'ny lehilahy rehetra izay mamoaka ny tsirinainy sy mandoto ny tenany, BSB BSB: This is the law of him who has a discharge, of the man who has an emission of semen whereby he is unclean,
33 ULB ho an'ny vehivavy izay ao anaty fadimbolana, ho an'ny rehetra izay mamoaka tsiranoka, na lahy na vavy, ary ho an'ny lehilahy rehetra izay miara-mandry amin'ny vehivavy maloto.'" BSB BSB: of a woman in her menstrual period, of any male or female who has a discharge, and of a man who lies with an unclean woman.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.