1 ULB Yaveh niteny tamin'i Mosesy, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Izao no ho lalàna ho an'ny boka amin'ny andro fanadiovana azy. Tsy maintsy entina any amin'ny mpisorona izy. BSB BSB: “This is the law for the one afflicted with a skin disease on the day of his cleansing, when he is brought to the priest.
3 ULB Hivoaka ny toby ny mpisorona ka hizaha ilay olona mba hahafantarana azo sitranina ilay aretin-koditra. BSB BSB: The priest is to go outside the camp to examine him, and if the skin disease of the afflicted person has healed,
4 ULB Avy eo dia hibaiko ilay mpisorona fa ilay hodiovina dia tsy maintsy mitondra vorona velona roa sady madio, hazo sedera, kofehy jaky, ary hysopa. BSB BSB: the priest shall order that two live clean birds, cedar wood, scarlet yarn, and hyssop be brought for the one to be cleansed.
5 ULB Hibaiko azy mba hamono ny iray amin'ireo vorona eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha izay ao anaty tavy tanimanga ilay mpisorona. BSB BSB: Then the priest shall command that one of the birds be slaughtered over fresh water in a clay pot.
6 ULB Haka ilay vorona velona sy ilay hazo sedera, ary ilay kofehy jaky sy ilay hysopa avy eo ny mpisorona, ary hampitsoboka ireo zavatra rehetra ireo, mbamin'ilay vorona velona, ao amin'ny ràn'ilay vorona izay novonoina tao amin'ilay rano nalaina tamin'ny rano mandeha. BSB BSB: And he is to take the live bird together with the cedar wood, scarlet yarn, and hyssop, and dip them into the blood of the bird that was slaughtered over the fresh water.
7 ULB Avy eo dia hafafin'ilay mpisorona im-pito amin'ilay olona hodiovina amin'ny aretina izany rano izany, ary avy eo hanambara azy ho madio ilay mpisorona. Avy eo dia hanafaka ilay vorona velona ho any amin'ny saha malalaka ilay mpisorona BSB BSB: Seven times he shall sprinkle the one to be cleansed of the skin disease. Then he shall pronounce him clean and release the live bird into the open field.
8 ULB Ilay olona voadio dia hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volony rehetra, ary hampandro ny tenany ao anaty rano, ary dia hadio izy. Aorian'izay dia tsy maintsy hiditra ao amin'ny toby izy, kanefa hijanona eo ivelan'ny lainy mandritra ny hafitoana. BSB BSB: The one being cleansed must wash his clothes, shave off all his hair, and bathe with water; then he will be ceremonially clean. Afterward, he may enter the camp, but he must remain outside his tent for seven days.
9 ULB Amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy manaratra ny volon-dohany rehetra izy, ary manaratra ny volom-bavany sy ny volo-masony ihany koa. Tsy maintsy manaratra ny volony rehetra izy, ary tsy maintsy manasa ny fitafiany sy mampandro ny tenany ao anaty rano; ary dia hadio izy. BSB BSB: On the seventh day he must shave off all his hair—his head, his beard, his eyebrows, and the rest of his hair. He must wash his clothes and bathe himself with water, and he will be clean.
10 ULB Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy haka zanak'ondry lahy tsy misy kilema roa izy, zanak'ondry vavy iray herintaona tsy misy kilema, sy koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo amin'ny diloilo ho fanatitra hohanina, ary diloilo iray loga. BSB BSB: On the eighth day he is to bring two unblemished male lambs, an unblemished ewe lamb a year old, a grain offering of three-tenths of an ephah of fine flour mixed with olive oil, and one log of olive oil.
11 ULB Ilay mpisorona izay manadio azy dia hampitsangana ilay olona hodiovina, miaraka amin'ireo zavatra ireo, eo anoloan'i Yaveh eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano lay fihaonana. BSB BSB: The priest who performs the cleansing shall present the one to be cleansed, together with these offerings, before the LORD at the entrance to the Tent of Meeting.
12 ULB Haka ny iray amin'ireo zanak'ondry lahy ka hanolotra izany ho fanatitra nohon'ny heloka, miaraka amin'ilay logan-diloilo ilay mpisorona; hanevaheva ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh izy. BSB BSB: Then the priest is to take one of the male lambs and present it as a guilt offering, along with the log of olive oil; and he must wave them as a wave offering before the LORD.
13 ULB Tsy maintsy hamono ilay ondry lahy eo amin'ny toerana izay famonoan'izy ireo fanatitra nohon'ny ota sy fanatitra dorana izy, ao amin'ny faritry ny tabernakely, fa an'ny mpisorona ny fanatitra nohon'ny ota, tahaka izany koa ny fanatitra nohon'ny heloka, satria izany no masina indrindra. BSB BSB: Then he is to slaughter the lamb in the sanctuary area where the sin offering and burnt offering are slaughtered. Like the sin offering, the guilt offering belongs to the priest; it is most holy.
14 ULB Haka amin'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny heloka ka hametraka izany eo an-tendron-tsofina havanan'ilay olona izay hodiovina ilay, eo amin'ny ankihiben-tanany havanana, ary amin'ny ankihiben-tongony havanana ilay mpisorona. BSB BSB: The priest is to take some of the blood from the guilt offering and put it on the right earlobe of the one to be cleansed, on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot.
15 ULB Ary haka diloilo avy amin'ilay loga ilay mpisorona ka handraraka izany eo amin'ny fela-tanany havia, BSB BSB: Then the priest shall take some of the log of olive oil, pour it into his left palm,
16 ULB ary hanatsoboka ny ratsan-tanany havanana ao anatin'ilay diloilo eo amin'ny tanany havia, ary hamafy im-pito avy amin'ny diloilo amin'ny rantsan-tanany eo anoloan'i Yaveh. BSB BSB: dip his right forefinger into the oil in his left palm, and sprinkle some of the oil with his finger seven times before the LORD.
17 ULB Ary hanosotra ny ambin'ilay diloilo teo amin'ny tanany eo amin'ny tendron-tsofina havanan'ilay olona hodiovina, ny ankihiben-tanany an-kavanana, ary ny ankihiben-tongony an-kavanana ilay mpisorona. Tsy maintsy mametraka izany diloilo izany eo ambonin'ilay rà avy tamin'ny fanatitra nohon'ny heloka izy. BSB BSB: And the priest is to put some of the oil remaining in his palm on the right earlobe of the one to be cleansed, on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot, on top of the blood of the guilt offering.
18 ULB Ary ny amin'ireo ambina diloilo izay eo an-tanan'ilay mpisorona, dia hanosotra izany eo amin'ny lohan'ilay olona hodiovina izy, ary ilay mpisorona dia hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: The rest of the oil in his palm, the priest is to put on the head of the one to be cleansed, to make atonement for him before the LORD.
19 ULB Avy eo dia hanolotra ny fanatitra nohon'ny ota sy hanao fanavotana ho azy izay ho diovina nohon'ny fahalotoany ilay mpisorona, ary aorian'izany dia hamono ilay fanatitra dorana izy. BSB BSB: Then the priest is to sacrifice the sin offering and make atonement for the one to be cleansed from his uncleanness. After that, the priest shall slaughter the burnt offering
20 ULB Ary avy eo dia hanolotra ilay fanatitra dorana sy fanatitra hohanina eo ambony alitara ilay mpisorona. Hanao fanavotana ho an'ilay olona ilay mpisorona, ary dia hadio izy. BSB BSB: and offer it on the altar, with the grain offering, to make atonement for him, and he will be clean.
21 ULB Kanefa, raha mahantra sy tsy mahatakatra ireo sorona ireo ilay olona, dia tokony haka zanak'ondry lahy iray ho fanatitra nohon'ny heloka mba haevaheva izy, mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenany, sy koba tsara toto iray am-pahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina, ary diloilo iray loga, BSB BSB: If, however, the person is poor and cannot afford these offerings, he is to take one male lamb as a guilt offering to be waved to make atonement for him, along with a tenth of an ephah of fine flour mixed with olive oil for a grain offering, a log of olive oil,
22 ULB miaraka amin'ny domoina roa na zana-boromailala roa, araka izay tratrany; vorona iray ho fanatitra nohon'ny ota ary ilay hafa ho fanatitra dorana. BSB BSB: and two turtledoves or two young pigeons, whichever he can afford, one to be a sin offering and the other a burnt offering.
23 ULB Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy mitondra ireo ho an'ny fanadiovana azy eo amin'ny mpisorona izy, eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano lay fihaonana, eo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: On the eighth day he is to bring them for his cleansing to the priest at the entrance to the Tent of Meeting before the LORD.
24 ULB Haka ilay zanak'ondry ho fanatitra ilay mpisorona, ary halainy miaraka amin'izany ilay menak'oliva iray loga, ary hanandratra izany ambony ho fanehoana azy ireo amin'i Yaveh izy. BSB BSB: The priest shall take the lamb for the guilt offering, along with the log of olive oil, and wave them as a wave offering before the LORD.
25 ULB Hamono ilay zanak'ondry ho an'ny fanatitra nohon'ny heloka izy, ary haka amin'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny heloka ka hanisy izany eo amin'ny tendron-tsofina havanan'ilay ho diovina, eo amin'ny ankihiben-tanany an-kavanana, ary eo amin'ny ankihiben-tongony an-kavanana. BSB BSB: And after he slaughters the lamb for the guilt offering, the priest is to take some of the blood of the guilt offering and put it on the right earlobe of the one to be cleansed, on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot.
26 ULB Avy eo dia handraraka amin'ilay diloilo eo am-pelatanany an-kavia ilay mpisorona, BSB BSB: Then the priest is to pour some of the oil into his left palm
27 ULB ary hamafy im-pito amin'ny rantsan-tanany an-kavanana amin'ilay diloilo izay eo amin'ny tanany an-kavia eo anatrehan'i Yaveh izy. BSB BSB: and sprinkle with his right forefinger some of the oil in his left palm seven times before the LORD.
28 ULB Dia hanisy amin'ilay diloilo izay eo amin'ny tanany ny tendron-tsofina an-kavanan'ilay hodiovina ilay mpisorona, ny ankihiben-tanany havanana, sy ny ankihiben-tongony havanana, eo amin'ilay faritra nasiany ny ràn'ilay fanatitra nohon'ny heloka ihany. BSB BSB: The priest shall also put some of the oil in his palm on the right earlobe of the one to be cleansed, on the thumb of his right hand, and on the big toe of his right foot—on the same places as the blood of the guilt offering.
29 ULB Hasiany ny ambin'ilay diloilo izay eo amin'ny tanany ny lohan'ilay hodiovina, mba hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: The rest of the oil in his palm, the priest is to put on the head of the one to be cleansed, to make atonement for him before the LORD.
30 ULB Tsy maintsy manolotra iray amin'ireo domoina na ireo zana-boromailala, araka izay takany izy— BSB BSB: Then he must sacrifice the turtledoves or young pigeons, whichever he can afford,
31 ULB iray ho an'ny fanatitra nohon'ny ota ary iray hafa ho fanatitra dorana, miaraka amin'ny fanatitra voa. Avy eo dia hanao fanavotana ho an'ilay ho diovina eo anatrehan'i Yaveh ilay mpisorona. BSB BSB: one as a sin offering and the other as a burnt offering, together with the grain offering. In this way the priest will make atonement before the LORD for the one to be cleansed.
32 ULB Izany no lalàna ho an'ny olona izay misy aretin-koditra mifindra, izay tsy mahatakatra ny fanatitra mahazatra ho an'ny fanadiovana azy." BSB BSB: This is the law for someone who has a skin disease and cannot afford the cost of his cleansing.”
33 ULB Niteny tamin'i Mosesy sy tamin'i Arona i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses and Aaron,
34 ULB "Raha tonga amin'ny tany Kanana izay nomeko ho fanananareo ianareo, ary raha manisy maty fotsy izay miparitaka ao amin'ny trano ao amin'ny tany izay fanananareo Aho, BSB BSB: “When you enter the land of Canaan, which I am giving you as your possession, and I put a contamination of mildew into a house in that land,
35 ULB dia tsy maintsy tonga ary mampilaza ny mpisorona izay tompon'ny trano. Aoka izy hanao hoe: "Toa misy zavatra tahaka ny maty fotsy ao an-tranoko.' BSB BSB: the owner of the house shall come and tell the priest, ‘Something like mildew has appeared in my house.’
36 ULB Avy eo dia handidy azy ireo ny mpisorona mba hanafoanan'izy ireo ilay trano mialohan'ny hidirany ao hizaha ny fisiana maty fotsy, mba tsy hisy na inona na inona ho voaloto ao amin'ilay trano. Aorian'izay dia tsy maintsy hiditra ao mba hijery ilay trano ny mpisorona. BSB BSB: The priest must order that the house be cleared before he enters it to examine the mildew, so that nothing in the house will become unclean. After this, the priest shall go in to inspect the house.
37 ULB Tsy maintsy mizaha ilay maty fotsy izy raha amin'ny rindrin'ny trano izany, ary hijery raha manopy maitso na manopy mena ny filentiny eo amin'ny rindrin'ny trano. BSB BSB: He is to examine the house, and if the mildew on the walls consists of green or red depressions that appear to be beneath the surface of the wall,
38 ULB Raha misy maty fotsy ilay trano, dia hivoaka ilay mpisorona ka hanidy ny varavaran'ilay trano mandritra ny hafitoana. BSB BSB: the priest shall go outside the doorway of the house and close it up for seven days.
39 ULB Ary hiverina indray ilay mpisorona amin'ny andro fahafito ka hizaha izany mba hamantatra raha niparitaka amin'ny rindrin'ny trano ilay maty fotsy. BSB BSB: On the seventh day the priest is to return and inspect the house. If the mildew has spread on the walls,
40 ULB Raha izany, dia hibaiko ny amin'ny hanalan'izy ireo ny vato izay nahitana ilay maty fotsy ilay mpisorona ka hanipy ireo any amin'ny toerana maloto ivelan'ny tanàna. BSB BSB: he must order that the contaminated stones be pulled out and thrown into an unclean place outside the city.
41 ULB Hasainy ho kikisana ny rindrina rehetran'ilay trano, ary tsy maintsy harian'izy ireo any ivelan'ny tanàna ireo kikiny izay mamindra ary hariany any amin'ny toerana maloto izany. BSB BSB: And he shall have the inside of the house scraped completely and the plaster that is scraped off dumped into an unclean place outside the city.
42 ULB Tsy maintsy maka vato hafa izy ireo ary mametraka ireo amin'ny toeran'ireo vato izay nesoriny, ary tsy maintsy mampiasa tanimanga vaovao izy ireo mba handalorana ny trano. BSB BSB: So different stones must be obtained to replace the contaminated ones, as well as additional mortar to replaster the house.
43 ULB Raha miverina indray ilay maty fotsy ka mamariparitra ao amin'ny trano izay vao avy nisy vato nesorina sy rindrina vao avy nokikisana ary avy naverina nolalorina, BSB BSB: If the mildew reappears in the house after the stones have been torn out and the house has been scraped and replastered,
44 ULB dia tsy maintsy miditra ao ny mpisorona ka mizaha ilay trano mba hijery raha niparitaka ao amin'ny trano ilay maty fotsy. Raha izany, dia maty fotsy mampidi-doza izany, ary ilay trano dia maloto. BSB BSB: the priest must come and inspect it. If the mildew has spread in the house, it is a destructive mildew; the house is unclean.
45 ULB Tsy maintsy arodana ilay trano. Ireo vato, hazo, ary ireo lalotra rehetra ao amin'ilay trano dia tsy maintsy entina hariana any amin'ny toerana maloto any ivelan'ny tanàna. BSB BSB: It must be torn down with its stones, its timbers, and all its plaster, and taken outside the city to an unclean place.
46 ULB Ankoatr'izay, na iza na iza miditra ao amin'ilay trano mandritra ny fotoana hikatonany dia haloto mandra-paharivan'ny andro. BSB BSB: Anyone who enters the house during any of the days that it is closed up will be unclean until evening.
47 ULB Izay natory tao amin'ilay trano dia tsy maintsy manasa ireo fitafiany, ary izay nihinana tao amin'ilay trano dia tsy maintsy manasa ireo fitafiany. BSB BSB: And anyone who sleeps in the house or eats in it must wash his clothes.
48 ULB Raha miditra ao amin'ilay trano ilay mpisorona ka mizaha izany mba hahafantarana raha efa niparitaka manerana ny trano ilay maty fotsy taorian'ny nandalorana ilay trano, ary, raha niala ilay maty fotsy, dia hanambara izy fa madio ny trano. BSB BSB: If, however, the priest comes and inspects it, and the mildew has not spread after the house has been replastered, he shall pronounce the house clean, because the mildew is gone.
49 ULB Avy eo dia haka vorona roa, sy hazo sedera, sy kofehy jaky ary hysopa mba hanadiovana ilay trano ilay mpisorona. BSB BSB: He is to take two birds, cedar wood, scarlet yarn, and hyssop to purify the house;
50 ULB Ho vonoiny eo amin'ny rano nalaina tamin'ny rano mandeha ao anaty siny tanimanga ny iray amin'ireo vorona. BSB BSB: and he shall slaughter one of the birds over fresh water in a clay pot.
51 ULB Haka ilay hazo sedera, ilay hysopa, ilay kofehy jaky, ary ilay vorona velona izy, ka hanatsoboka izany ao amin'ny ràn'ilay vorona novonoina, ao anaty rano nalaina tamin'ny rano mandeha, ary hamafy izany im-pito ao amin'ilay trano. BSB BSB: Then he shall take the cedar wood, the hyssop, the scarlet yarn, and the live bird, dip them in the blood of the slaughtered bird and the fresh water, and sprinkle the house seven times.
52 ULB Hanadio ilay trano amin'ny ràn'ilay vorona sy ilay rano nalaina teny amin'ny rano mandeha izy, miaraka amin'ilay vorona velona, ilay hazo sedera, ilay hysopa, ary ilay kofehy jaky. BSB BSB: And he shall cleanse the house with the bird’s blood, the fresh water, the live bird, the cedar wood, the hyssop, and the scarlet yarn.
53 ULB Kanefa hamela ilay vorona velona hivoaka ny tanàna ho any amin'ny saha midadasika izy. Amin'izany fomba izany no tsy maintsy hanaovany fanavotana ho an'ilay trano, ka dia hadio izany. BSB BSB: Finally, he is to release the live bird into the open fields outside the city. In this way he will make atonement for the house, and it will be clean.
54 ULB Izany no lalàna ho an'ireo karazan'aretin-koditra mifindra rehetra sy ireo zavatra izay miteraka aretina tahaka izany, sy ho an'ny hidihidy, BSB BSB: This is the law for any infectious skin disease, for a scaly outbreak,
55 ULB ny amin'ny maty fotsy amin'ny fitafiana sy amin'ny trano, BSB BSB: for mildew in clothing or in a house,
56 ULB ny amin'ny mamontsina, ny amin'ny manako-pery, ary ny amin'ny mifaritra fotsy magirana, BSB BSB: and for a swelling, rash, or spot,
57 ULB mba ahafantarana raha misy amin'ireo tranga ireo no maloto na madio. Izany no lalàna ho an'ny aretin-koditra mifindra sy ny maty fotsy." BSB BSB: to determine when something is clean or unclean. This is the law regarding skin diseases and mildew.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.