1 ULB Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses and Aaron,
2 ULB "Rehefa misy mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana amin'ny hoditry ny vatany, ka lasa mamindra izany ary misy aretin-koditra ny vatany, dia tsy maintsy entina any amin'ny Arona mpisoronabe izy, na amin'iray amin'ireo zanany lahy mpisorona. BSB BSB: “When someone has a swelling or rash or bright spot on his skin that may be an infectious skin disease, he must be brought to Aaron the priest or to one of his sons who is a priest.
3 ULB Avy eo ilay mpisorona dia hizaha ny aretina eo amin'ny hoditrin'ny vatany. Raha nivadika fotsy ny volo eo amin'ny faritr'ilay aretina, ary raha hita fa lalina kokoa noho ny eo amin'ny hoditra fotsiny ilay aretina, dia lasa areti-mifindra izany. Ary aorian'ny fizahan'ny mpisorona azy, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto izy. BSB BSB: The priest is to examine the infection on his skin, and if the hair in the infection has turned white and the sore appears to be deeper than the skin, it is a skin disease. After the priest examines him, he must pronounce him unclean.
4 ULB Raha fotsifotsy ny mifaritra mangirana amin'ny hodiny, ary ny endrin'izany dia tsy lalina kokoa noho ny amin'ny hoditra, ary raha tsy mivadika fotsy ny volo amin'ny faritry ny aretina, dia tsy maintsy atokan'ilay mpisorona monina mandritra ny hafitoana ilay iray misy aretin. BSB BSB: If, however, the spot on his skin is white and does not appear to be deeper than the skin, and the hair in it has not turned white, the priest shall isolate the infected person for seven days.
5 ULB Amin'ny andro fahafito, dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha tsy miha-ratsy ilay aretina raha ny heviny, ary raha tsy miparitaka amin'ny hoditra izany. Raha tsy misy izany, dia tsy maintsy mampitoka-monina azy mandritra ny hafitoana na mihoatra ilay mpisorona. BSB BSB: On the seventh day the priest is to reexamine him, and if he sees that the infection is unchanged and has not spread on the skin, the priest must isolate him for another seven days.
6 ULB Hizaha azy indray ilay mpisorona amin'ny andro fahafito mba hijery raha miha-tsara ilay aretina ary tsy miparitaka manerana ny hoditra. Raha tsy misy izany, dia hilaza azy ho madio ilay mpisorona. Manako-pery izany. Tsy maintsy manasa ny fitafiany izy, ary dia hadio izy. BSB BSB: The priest will examine him again on the seventh day, and if the sore has faded and has not spread on the skin, the priest shall pronounce him clean; it is a rash. The person must wash his clothes and be clean.
7 ULB Fa raha miparitaka amin'ny hoditra indray izany fery izany taorian'ny nampisehoany ny tenany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fahadiovany. BSB BSB: But if the rash spreads further on his skin after he has shown himself to the priest for his cleansing, he must present himself again to the priest.
8 ULB dia tsy maintsy haneho ny tenany eo amin'ilay mpisorona indray izy avy eo. Hizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha niparitaka manerana ny hoditra ilay fery. Raha niparitaka izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. BSB BSB: The priest will reexamine him, and if the rash has spread on the skin, the priest must pronounce him unclean; it is a skin disease.
9 ULB Raha misy areti-koditra mifindra amin'ny olona, dia tsy maintsy entina any amin'ny mpisorona izy. BSB BSB: When anyone develops a skin disease, he must be brought to the priest.
10 ULB Hizaha azy ny mpisorona mba hizahana raha misy mamontsina fotsy amin'ilay hoditra, raha mivadika fotsy ny volo, na raha misy nofo mangana amin'ny mamontsina. BSB BSB: The priest will examine him, and if there is a white swelling on the skin that has turned the hair white, and there is raw flesh in the swelling,
11 ULB Raha misy, dia areti-koditra mitaiza izany, ary tsy maintsy manambara azy ho maloto ny mpisorona. Tsy hanokana monina azy izy, satria efa maloto izy. BSB BSB: it is a chronic skin disease and the priest must pronounce him unclean. He need not isolate him, for he is unclean.
12 ULB Raha miparitaka be amin'ny hoditra ilay aretina ary mandrakotra ny hoditr'ilay olona rehetra ilay aretina hatrany amin'ny tampon-dohany ka hatrany amin'ny tongony, raha vao hitan'ny mpisorona izany, BSB BSB: But if the skin disease breaks out all over his skin so that it covers all the skin of the infected person from head to foot, as far as the priest can see,
13 ULB dia tsy maintsy hizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha mandrakotra ny vatany rehetra ilay aretina. Raha misy izany, dia tsy maintsy manambara an'ilay olona misy aretina ho madio ny mpisorona. Raha nivadika fotsy avokoa izany, dia madio izy. BSB BSB: the priest shall examine him, and if the disease has covered his entire body, he is to pronounce the infected person clean. Since it has all turned white, he is clean.
14 ULB Fa raha misy nofo mangana miseho eo aminy, dia haloto izy. BSB BSB: But whenever raw flesh appears on someone, he will be unclean.
15 ULB Tsy maintsy mijery an'ilay nofo mangana ilay mpisorona ary manambara azy ho maloto satria maloto ilay nofo mangana. Areti-mifindra izany. BSB BSB: When the priest sees the raw flesh, he must pronounce him unclean. The raw flesh is unclean; it is a skin disease.
16 ULB Fa raha mivadika fotsy indray ny nofo mangana, dia tsy maintsy mandeha any amin'ny mpisorona ilay olona. BSB BSB: But if the raw flesh changes and turns white, he must go to the priest.
17 ULB Hizaha azy ilay mpisorona mba hijerena raha nivadika fotsy ilay nofo. Raha nivadika izany dia hanambara ilay olona ho madio ilay mpisorona. BSB BSB: The priest will reexamine him, and if the infection has turned white, the priest is to pronounce the infected person clean; then he is clean.
18 ULB Raha misy vay eo amin'ny hoditra ny olona iray ka sitrana izany, BSB BSB: When a boil appears on someone’s skin and it heals,
19 ULB ary raha misy mamontsina fotsy na holatry ny fery, mena fotsy eo amin'ny toeran'ilay vay, dia tsy maintsy aseho an'ilay mpisorona izany. BSB BSB: and a white swelling or a reddish-white spot develops where the boil was, he must present himself to the priest.
20 ULB Hizaha izany ilay mpisorona mba hijery raha miha-milentika ambanin'ny hoditra izany, ary raha nivadika fotsy ny volo eo. Raha izany, dia tsy miantsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany, raha mitombo eo amin'ilay toerana izay nisy ilay vay izany. BSB BSB: The priest shall examine it, and if it appears to be beneath the skin and the hair in it has turned white, the priest shall pronounce him unclean; it is a diseased infection that has broken out in the boil.
21 ULB Fa raha mizaha izany ilay mpisorona ka mahita fa tsy misy volo fotsy eo amin'izany, ary tsy ao ambanin'ny hoditra izany fa efa niala, dia tsy maintsy hatokan'ily mpisorona monina mandritra ny hafitoana iz. BSB BSB: But when the priest examines it, if there is no white hair in it, and it is not beneath the skin and has faded, the priest shall isolate him for seven days.
22 ULB Raha miparitaka be amin'ny hoditra izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. BSB BSB: If it spreads any further on the skin, the priest must pronounce him unclean; it is an infection.
23 ULB Fa raha mijanona amin'ny toerany ilay holatry ilay fery fa tsy niparitaka, dia holatr'ilay vay izany, ka tsy maintsy hanambara azy ho madio ilay mpisorona. BSB BSB: But if the spot remains unchanged and does not spread, it is only the scar from the boil, and the priest shall pronounce him clean.
24 ULB Rehefa misy may ny hoditra ary lasa somary mena-fotsy na faritra fotsy ilay nofo mangana may, BSB BSB: When there is a burn on someone’s skin and the raw area of the burn becomes reddish-white or white,
25 ULB dia hizaha izany ilay mpisorona mba hijery raha nivadika fotsy ny volo amin'izany faritra izany, ary raha hita fa lalina kokoa noho ilay teo amin'ny hoditra izany. Raha misy izany, dia areti-mifindra. Lasa habokana teo amin'ilay may izany, ary tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. BSB BSB: the priest must examine it. If the hair in the spot has turned white and the spot appears to be deeper than the skin, it is a disease that has broken out in the burn. The priest must pronounce him unclean; it is a diseased infection.
26 ULB Fa raha mizaha izany ilay mpisorona ka mahita fa tsy misy volo fotsy amin'ilay faritra, ary tsy ao ambanin'ny hoditra izany fa matroka, dia tsy maintsy hatokan'ny mpisorona monina mandritra ny hafitoana izy. BSB BSB: But if the priest examines it and there is no white hair in the spot, and it is not beneath the skin but has faded, the priest shall isolate him for seven days.
27 ULB Avy eo dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona amin'ny andro fahafito. Raha niparitaka be tamin'ny hoditra izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona, Areti-mifindra izany. BSB BSB: On the seventh day the priest is to reexamine him, and if it has spread further on the skin, the priest must pronounce him unclean; it is a diseased infection.
28 ULB Raha mijanona eo amin'ny toerany ilay faritra ary tsy miparitaka amin'ny hoditra fa matroka, dia famontsinana avy amin'ilay may izany, ary ny mpisorona dia tsy maintsy hanambara azy ho madio, fa zavatra tsy misy dikany izany mihoatra noho ny holatry ny may. BSB BSB: But if the spot is unchanged and has not spread on the skin but has faded, it is a swelling from the burn, and the priest is to pronounce him clean; for it is only the scar from the burn.
29 ULB Raha misy lehilahy na vehivavy misy areti-mifindra eo amin'ny loha na saoka, BSB BSB: If a man or woman has an infection on the head or chin,
30 ULB dia tsy maintsy mizaha ilay olona amin'ny areti-mifindra ilay mpisorona mba hijery raha miseho lalina kokoa noho ny eo amin'ny hoditra izany, ary raha misy mavomavo, volo manify ao amin'izany. Raha misy, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Hidihidy izany, areti-mifindra eo amin'ny loha na amin'ny saoka izany. BSB BSB: the priest shall examine the infection, and if it appears to be deeper than the skin and the hair in it is yellow and thin, the priest must pronounce him unclean; it is a scaly outbreak, an infectious disease of the head or chin.
31 ULB Raha mizaha ilay aretin'ny hidihidy ilay mpisorona ka mahita fa tsy eo ambanin'ny hoditra izany, ary raha tsy misy volo mainty amin'izany, dia hampitoka-monina an'ilay olona misy aretin'ny hidihidy ilay mpisorona mandritra ny hafitoana. BSB BSB: But if the priest examines the scaly infection and it does not appear to be deeper than the skin, and there is no black hair in it, the priest shall isolate the infected person for seven days.
32 ULB Amin'ny andro fahafito dia hizaha ilay aretina ilay mpisorona mba hijery raha niparitaka izany. Raha tsy misy volo mavomavo, ary raha toy ny hatevin'ny hoditra fotsiny ny fahitana ilay aretina, BSB BSB: On the seventh day the priest is to reexamine the infection, and if the scaly outbreak has not spread and there is no yellow hair in it, and it does not appear to be deeper than the skin,
33 ULB dia tsy maintsy ho solaina izy, fa ilay faritra misy ny aretina dia tsy tokony ho solaina, ary ny mpisorona dia tsy maintsy hampitoka-monina an'ilay olona amin'ny aretin'ny hidihidy mandritra ny hafitoana. BSB BSB: then the person must shave himself except for the scaly area. Then the priest shall isolate him for another seven days.
34 ULB Amin'ny andro fahafito dia hizaha ilay aretina ilay mpisorona mba hijery raha nitsahatra niparitaka tamin'ny hoditra izany. Raha hita ho tsy matevina noho ny hoditra izany, dia tsy maintsy hanambara azy ho madio ny mpisorona. Tsy maintsy manasa ny akanjony ilay olona, dia hadio izy avy eo. BSB BSB: On the seventh day the priest shall examine the scaly outbreak, and if it has not spread on the skin and does not appear to be deeper than the skin, the priest is to pronounce him clean. He must wash his clothes, and he will be clean.
35 ULB Fa raha miha-miparitaka amin'ny hoditra ilay aretin'ny hidihidy taorian'ny nilazan'ilay mpisorona fa madio izy, BSB BSB: If, however, the scaly outbreak spreads further on the skin after his cleansing,
36 ULB dia tsy maintsy mizaha azy indray ilay mpisorona. Raha miparitaka amin'ny hoditra ilay aretina, dia tsy mila mitady volo mavomavo intsony ilay mpisorona. Maloto ilay olona. BSB BSB: the priest is to examine him, and if the scaly outbreak has spread on the skin, the priest need not look for yellow hair; the person is unclean.
37 ULB Fa raha amin'ny fijerin'ny mpisorona dia efa nijanona niparitaka ilay aretin'ny hidihidy ary nisy volo mainty naniry teo amin'ny faritra, avy eo dia sitrana ilay aretina. Madio izy, ary tsy maintsy manambara azy ho madio ilay mpisorona. BSB BSB: If, however, in his sight the scaly outbreak is unchanged and black hair has grown in it, then it has healed. He is clean, and the priest is to pronounce him clean.
38 ULB Raha misy lehilahy na vehivavy misy faritra fotsy amin'ny hoditra, BSB BSB: When a man or a woman has white spots on the skin,
39 ULB dia tsy maintsy mizaha ilay olona ilay mpisorona mba hijery raha matroka ilay faritra, izay fery vaky teo amin'ny hoditra fotsiny ihany. Dia madio izy. BSB BSB: the priest shall examine them, and if the spots are dull white, it is a harmless rash that has broken out on the skin; the person is clean.
40 ULB Raha mihintsana amin'ny lohany ny volon'ny olona iray, dia sola izy, fa madio. BSB BSB: Now if a man loses his hair and is bald, he is still clean.
41 ULB Raha milatsaka avy eo amin'ny tampon-dohany ny volony, ary sola ny tampon-kandriny, dia madio izy. BSB BSB: Or if his hairline recedes and he is bald on his forehead, he is still clean.
42 ULB Fa raha misy ratra mena-fotsy eo amin'ny lohany sola na tampon-kandriny, dia areti-mifindra izay vaky aty ivelany izany. BSB BSB: But if there is a reddish-white sore on the bald head or forehead, it is an infectious disease breaking out on it.
43 ULB Avy eo dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha mena-fotsy ilay faritra mivonton'ilay aretina eo amin'ny lohany sola na ny tampon-kandriny, tahaka ny endriky ny areti-mifindra amin'ny hoditra. BSB BSB: The priest is to examine him, and if the swelling of the infection on his bald head or forehead is reddish-white like a skin disease,
44 ULB Raha izany, dia misy areti-mifindra sy maloto izy. Tsy maintsy manambara azy ho maloto tokoa ilay mpisorona nohon'ny aretiny eo amin'ny lohany. BSB BSB: the man is diseased; he is unclean. The priest must pronounce him unclean because of the infection on his head.
45 ULB Ny olona izay misy areti-mifindra dia tsy maintsy manao akanjo rovitra, tsy maintsy asarakorako ny volony, ary tsy maintsy manarona ny tavany hatreo amin'ny orony izy ary miantsoantso hoe: 'Maloto, maloto.' BSB BSB: A diseased person must wear torn clothes and let his hair hang loose, and he must cover his mouth and cry out, ‘Unclean, unclean!’
46 ULB Mandritra ny andro rehetra izay hisian'ilay areti-mifindra aminy dia haloto izy. Satria maloton'ilay aretina izay mety mifindra izy, dia tsy maintsy mipetra-drery. Tsy maintsy mipetraka any ivelan'ny toby izy. BSB BSB: As long as he has the infection, he remains unclean. He must live alone in a place outside the camp.
47 ULB Ny akanjo izay nifindran'ny maty fotsy, na volon'ondry izany na lamban-drongony fotsy madinika, BSB BSB: If any fabric is contaminated with mildew—any wool or linen garment,
48 ULB na zavatra vita tamin'ny tenona na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy madinika na hoditra na zavatra vita tamin'ny hoditra— BSB BSB: any weave or knit of linen or wool, or any article of leather—
49 ULB raha misy fifindrana manopy maitso na manopy mena amin'ilay akanjo, ilay hoditra, ilay tenona, na fitaovana fanjairana, na zavatra vita tamin'ny hoditra, dia maty fotsy miparitaka izany; tsy maintsy aseho amin'ny mpisorona izany. BSB BSB: and if the mark in the fabric, leather, weave, knit, or leather article is green or red, then it is contaminated with mildew and must be shown to the priest.
50 ULB Tsy maintsy mizaha ny mahakasika ilay maty fotsy ilay mpisorona; tsy maintsy hatokany mandritra ny hafitoana ny zavatra rehetra izay misy maty fotsy. BSB BSB: And the priest is to examine the mildew and isolate the contaminated fabric for seven days.
51 ULB Tsy maintsy mizaha ilay maty fotsy indray izy amin'ny andro fahafito. Raha niparitaka tamin'ny akanjo na zavatra vita tamin'ny tenona, nozairina tamin'ny volon'ondry na fitaovana rongony fotsy madinika, na hoditra na zavatra izay nampiasana hoditra, dia maty fotsy mampidi-doza izany, ary maloto izany zavatra izany. BSB BSB: On the seventh day the priest shall reexamine it, and if the mildew has spread in the fabric, weave, knit, or leather, then regardless of how it is used, it is a harmful mildew; the article is unclean.
52 ULB Tsy maintsy mandoro ilay akanjo, na zavatra vita tamin'ny tenona, nozairina tamin'ny volon'ondry na fitaovana rongony fotsy, na hoditra na zavatra rehetra vita tamin'ny rongony fotsy, zavatra rehetra izay hita tamin'ilay maty fotsy mampidi-doza izy, fa mety hitondra aretina izany. Tsy maintsy dorana tanteraka izany zavatra izany. BSB BSB: He is to burn the fabric, weave, or knit, whether the contaminated item is wool or linen or leather. Since the mildew is harmful, the article must be burned up.
53 ULB Raha mizaha ilay singa ny mpisorona ary mahita fa tsy niparitaka tamin'ny akanjo na ny zavatra notenonina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony, fitaovana hoditra ilay maty fotsy, dia hibaiko azy ireo izy mba hanasa ny zavatra izay nahitana ilay maty fotsy, BSB BSB: But when the priest reexamines it, if the mildew has not spread in the fabric, weave, knit, or leather article,
54 ULB ary tsy maintsy hatoka-monina mandritra ny hafitoana izany. BSB BSB: the priest is to order the contaminated article to be washed and isolated for another seven days.
55 ULB Avy eo dia hizaha ilay singa ilay mpisorona rehefa voasasa ilay zavatra misy maty fotsy. Na dia tsy niova ny lokon'ilay maty fotsy, ary tsy niparitaka aza izany, dia maloto foana izany. Tsy maintsy doranareo ilay singa, na taiza na taiza no nifindran'ilay maty fotsy. BSB BSB: After it has been washed, the priest is to reexamine it, and if the mildewed article has not changed in appearance, it is unclean. Even though the mildew has not spread, you must burn it, whether the rot is on the front or back.
56 ULB Raha mizaha ilay singa ny mpisorona, ary raha matromatroka ilay maty fotsy rehefa voasasa, dia tsy maintsy mandriatra ilay faritra maloto eo amin'ny akanjo na eo amin'ny rongony fotsy, na eo amin'ny tenona na fitaovana fanjairana izy. BSB BSB: If the priest examines it and the mildew has faded after it has been washed, he must cut the contaminated section out of the fabric, leather, weave, or knit.
57 ULB Raha mbola miseho amin'ny akanjo hatrany ilay maty fotsy, na amin'ny tenona na amin'ny fitaovana fanjairana, na amin'ny zavatra rehetra natao tamin'ny rongony fotsy, dia miparitaka izany. Tsy maintsy mandoro ny zavatra rehetra izay nisy ilay maty fotsy ianareo. BSB BSB: But if it reappears in the fabric, weave, or knit, or on any leather article, it is spreading. You must burn the contaminated article.
58 ULB Ny lamba na zavatra vita tamin'ny tenona na nozairina tamin'ny volon'ondry na fizavatra vita tamin'ny rongony fotsy, na hoditra na zavatra vita tamin'ny hoditra—raha manasa ilay zavatra ianareo ka miala ilay maty fotsy, dia tsy maintsy sasàna fanindroany ilay zavatra, dia hadio izany. BSB BSB: If the mildew disappears from the fabric, weave, or knit, or any leather article after washing, then it is to be washed again, and it will be clean.
59 ULB Izany no lalàna momba ny maty fotsy amin'ny akanjo volon'ondry na rongony fotsy madinika, na zavatra notenonina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy madinika na hoditra na zavatra vita amin'ny hoditra, mba hahafahanareo manambara na madio izany na maloto." BSB BSB: This is the law concerning a mildew contamination in wool or linen fabric, weave, or knit, or any leather article, for pronouncing it clean or unclean.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.