1 ULB Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Miresaha amin'i Arona sy ireo zanany lahy, sy amin'ny vahoakan'Israely rehetra. Teneno azy ireo izay nandidian'i Yaveh: BSB BSB: “Speak to Aaron, his sons, and all the Israelites and tell them this is what the LORD has commanded:
3 ULB 'Ny lehilahy ao Israely izay mamono omby, zanak'ondry, na osy eo amin'ny toby na mamono izany ivelan'ny toby, mba hanao sorona izany— BSB BSB: ‘Anyone from the house of Israel who slaughters an ox, a lamb, or a goat in the camp or outside of it
4 ULB ka raha tsy mitondra izany eo amin'ny fidirana amin'ny trano-lay fihaonana mba hanatitra izany ho sorona ho an'i Yaveheo anoloan'ny tabernakeliny izy, dia ho meloka amin'ny fandatsahan-drà izany lehilahy izany. Nandatsa-drà izy, ary tsy maintsy esorina eo amin'ny vahoakany izany lehilahy izany. BSB BSB: instead of bringing it to the entrance to the Tent of Meeting to present it as an offering to the LORD before His tabernacle—that man shall incur bloodguilt. He has shed blood and must be cut off from among his people.
5 ULB Ny anton'izany didy izany dia ny mba hitondran'ny vahoakan'Israely ny soron'izy ireo amin'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba hatolotry ny mpisorona ho fanati-pihavanana amin'i Yaveh, fa tsy hanatitra sorona ao amin'ny saha malalaka. BSB BSB: For this reason the Israelites will bring to the LORD the sacrifices they have been offering in the open fields. They are to bring them to the priest at the entrance to the Tent of Meeting and offer them as sacrifices of peace offerings to the LORD.
6 ULB Hamafy ny rà eo amin'ny alitaran'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana ny mpisorona; handoro ny sabora ho an'izany izy mba hanome hanitra mamerovero ho an'i Yaveh. BSB BSB: The priest will then splatter the blood on the altar of the LORD at the entrance to the Tent of Meeting and burn the fat as a pleasing aroma to the LORD.
7 ULB Aoka tsy hanatitra ny soron'izy ireo amin'ny sampy osy intsony ny vahoaka, fa tamin'izany no nanaovan'izy ireo fijangajangana. Ho lalàna maharitra eo amin'izy ireo hatramin'ny taranaka fara-mandimbiny izany.' BSB BSB: They must no longer offer their sacrifices to the goat demons to which they have prostituted themselves. This will be a permanent statute for them for the generations to come.’
8 ULB Aoka ianao hilaza amin'izy ireo hoe: 'Na iza na iza lehilahy eo amin'Israely, na vahiny izay monina eo amin'izy ireo, manatitra fanatitra dorana na sorona BSB BSB: Tell them that if anyone from the house of Israel or any foreigner living among them offers a burnt offering or a sacrifice
9 ULB ka tsy mitondra izany eo amin'ny fidirana ao amin'ny trano-lay fihaonana mba hanao sorona izany ho an'i Yaveh, dia aoka ho esorina eo amin'ny vahoakany izany lehilahy izany. BSB BSB: but does not bring it to the entrance to the Tent of Meeting to sacrifice it to the LORD, that man must be cut off from his people.
10 ULB Raha misy olona amin'ny ankohonan' Israely, na misy vahiny izay monina eo amin'izy ireo mihinana rà, dia hanandrina ny tavako hanohitra izany olona izany Aho ary hanongotra izany olona izany eo amin'ny vahoakany Aho. BSB BSB: If anyone from the house of Israel or a foreigner living among them eats any blood, I will set My face against that person and cut him off from among his people.
11 ULB Fa ao amin'ny ràny ny ain'ny biby. Nomeko anao ny ràn'izany mba hampisy fanavotana eo amin'ny alitara ho an'ny ainareo, satria ny rà no mampisy fanavotana, fa ny rà no manonitra ny aina. BSB BSB: For the life of the flesh is in the blood, and I have given it to you to make atonement for your souls upon the altar; for it is the blood that makes atonement for the soul.
12 ULB Noho izany dia niteny tamin'ny vahoakan'Israely Aho mba tsy hisy hihinana rà eo aminareo, na misy hihinana rà izay vahiny monina eo aminareo. BSB BSB: Therefore I say to the Israelites, ‘None of you may eat blood, nor may any foreigner living among you eat blood.’
13 ULB Na iza na iza amin'ny vahoakan'Israely, na izay vahiny monina eo amin'izy ireo, izay mihaza sy mamono biby na vorona izay azo hanina, dia handraraka ny ràn'izany ary hanototra tany ilay rà. BSB BSB: And if any Israelite or foreigner living among them hunts down a wild animal or bird that may be eaten, he must drain its blood and cover it with dirt.
14 ULB Fa ao amin'ny ràny ny ain'ny zava-boaary rehetra. Izany no nilazako tamin'ny vahoakan'Israely hoe: "Aoka ianareo tsy hihinana ny ràn'ny zava-boaary, satria ao amin'ny ràny ny ain'ny zava-manan'aina rehetra. Na iza na iza mihinana izany dia aoka ho roahina." BSB BSB: For the life of all flesh is its blood. Therefore I have told the Israelites, ‘You must not eat the blood of any living thing, because the life of all flesh is its blood; whoever eats it must be cut off.’
15 ULB Ny olona tsirairay izay mihinana biby efa maty na voaviraviran'ny bibi-dia, na tera-tany na vahiny ilay olona monina eo aminareo, dia aoka izy hanasa ny akanjony ary hampandro ny tenany amin'ny rano, ary haloto izy mandra-paharivan'ny andro. Dia hadio izy avy eo. BSB BSB: And any person, whether native or foreigner, who eats anything found dead or mauled by wild beasts must wash his clothes and bathe with water, and he will be unclean until evening; then he will be clean.
16 ULB Fa raha tsy manasa ny akanjony na mampandro ny vatany izy, dia aoka izy hizaka ny helony.'" BSB BSB: But if he does not wash his clothes and bathe himself, then he shall bear his iniquity.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.