1 ULB Hoy Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Miresaha amin'i Arona sy ireo zanany lahy, lazao izy ireo mba hitandrina ireo zavatra masin'ireo zanak'Israely, fa voatokana ho Ahy ireo. Aoka tsy hanimbazimba ny Anarako masina izy ireo. Izaho no Yaveh. BSB BSB: “Tell Aaron and his sons to treat with respect the sacred offerings that the Israelites have consecrated to Me, so that they do not profane My holy name. I am the LORD.
3 ULB Lazao azy ireo hoe: 'Raha misy amin'ireo taranakareo amin'ny fara aman-dimbinareo manakaiky ireo zavatra masina izay efa voatokan'ny zanak'Israely ho an'i Yaveh, kanefa maloto izy, dia aoka ho fongorina eo anatrehako izany olona izany: Izaho no Yaveh. BSB BSB: Tell them that for the generations to come, if any of their descendants in a state of uncleanness approaches the sacred offerings that the Israelites consecrate to the LORD, that person must be cut off from My presence. I am the LORD.
4 ULB Tsy misy amin'ireo taranak'i Arona izay manana areti-koditra mifindra, na aretina mikoriana amin'ny ràny tsy an-kijanona avy amin'ny vatany, ka afaka hihinana ny sorona natao ho an'i Yaveh ambara-pahadio azy. Izay rehetra mikasika ny zavatra maloto na mifandray amin'ny maty, na amin'ny fifandraisana amin'ny lehilahy izay mandeha tsirinaina tsy an-kijanona, BSB BSB: If a descendant of Aaron has a skin disease or a discharge, he may not eat the sacred offerings until he is clean. Whoever touches anything defiled by a corpse or by a man who has an emission of semen,
5 ULB na ireo rehetra mikasika ny biby mikisaka rehetra izay mampaloto azy, na ny olona izay mampaloto azy, na karazana loto inona izany na inona— BSB BSB: or whoever touches a crawling creature or a person that makes him unclean, whatever the uncleanness may be—
6 ULB ka ny mpisorona izay mikasika ny zavatra maloto rehetra dia haloto mandra-pahariva ny andro. Aoka tsy hihinana ny amin'ireo zavatra masina rehetra izy, raha tsy efa nampandro ny tenany tamin'ny rano. BSB BSB: the man who touches any of these will remain unclean until evening. He must not eat from the sacred offerings unless he has bathed himself with water.
7 ULB Rehefa milentika ny masoandro dia hadio izy. Aorian'ny filetehan'ny masoandro izy no afaka hihinana amin'ireo zavatra masina, satria sakafony ireo. BSB BSB: When the sun has set, he will become clean, and then he may eat from the sacred offerings, for they are his food.
8 ULB Aoka izy tsy hihinana ireo zavatra hitany maty na novonoin'ny bibi-dia, izay handotoany ny tenany. Izaho no Yaveh. BSB BSB: He must not eat anything found dead or torn by wild animals, which would make him unclean. I am the LORD.
9 ULB Aoka ny mpisorona hanaraka ireo fampianarako, fandrao ho meloka amin'ny ota izy ireo ka ho faty amin'ny fanimbazimbana Ahy. Izaho no Yaveh izay nanamasina ireo. BSB BSB: The priests must keep My charge, lest they bear the guilt and die because they profane it. I am the LORD who sanctifies them.
10 ULB Tsy misy olona ivelan'ny fianakavian'ny mpisorona, isan'izany ny vahinin'ny mpisorona na ireo mpanompony mpikarama, afaka hihinana ny zava-masina rehetra. BSB BSB: No one outside a priest’s family may eat the sacred offering, nor may the guest of a priest or his hired hand eat it.
11 ULB Saingy raha mividy andevo amin'ny volany manokana ny mpisorona, izany andevo izany dia afaka hihinana amin'ireo zavatra izay voatokana ho an'i Yaveh. Ny fikambanan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ireo andevo teraka tao an-tranony, izy ireo ihany koa dia afaka hihinana ireo zavatra ireo miaraka aminy. BSB BSB: But if a priest buys a slave with his own money, or if a slave is born in his household, that slave may eat his food.
12 ULB Raha ny zanaka vavin'ny mpisorona no manambady olona izay tsy mpisorona, dia tsy afaka ny hihinana amin'ireo anjara fanatitra masina izy. BSB BSB: If the priest’s daughter is married to a man other than a priest, she is not to eat of the sacred contributions.
13 ULB Fa raha mpitondratena ny zanaka vavin'ny mpisorona, na nisara-bady, ary raha tsy manan-janaka izy, ka miverina mitoetra amin'ny tranon-drainy toy ny tamin'ny fahazazany, dia afaka hihinana ny sakafon-drainy. Fa tsy misy olona izay tsy ao anatin'ny fianakavian'ny mpisorona afaka hihinana amin'ny sakafon'ny mpisorona. BSB BSB: But if a priest’s daughter with no children becomes widowed or divorced and returns to her father’s house, she may share her father’s food as in her youth. But no outsider may share it.
14 ULB Raha misy olona mihinana tsy nahy ny sakafo masina, dia aoka izy hanonitra izany amin'ny mpisorona; aoka izy hanampy iray ampahadimin'izany ary hamerina izany any amin'ny mpisorona. BSB BSB: If anyone eats a sacred offering in error, he must add a fifth to its value and give the sacred offering to the priest.
15 ULB Aoka ny zanak'Israely tsy hametaveta ny zavatra masina izay efa nasandratra ambony sy natolotra ho an'i Yaveh, BSB BSB: The priests must not profane the sacred offerings that the Israelites present to the LORD
16 ULB ary tsy hampitondra ny tenan'izy ireo ny fahotana izay manameloka azy ireo amin'ny fihinanana ny sakafo masina, fa Izaho no Yaveh izay manamasina ireo."' BSB BSB: by allowing the people to eat the sacred offerings and thus to bear the punishment for guilt. For I am the LORD who sanctifies them.”
17 ULB Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
18 ULB "Miresaha amin'i Arona sy ireo zanany lahy, ary amin'ireo zanak'Israely rehetra. Lazao azy ireo hoe: 'Ny Israelita rehetra, na vahiny mitoetra ao Israely, rehefa manolotra sorona izy ireo__na hanatanteraka voady izany, na fanatitra antsitra-po, na hatolotr'izy ireo amin'i Yaveh ny fanatitra dorana, BSB BSB: “Speak to Aaron and his sons and all the Israelites and tell them, ‘Any man of the house of Israel or any foreign resident who presents a gift for a burnt offering to the LORD, whether to fulfill a vow or as a freewill offering,
19 ULB raha ho ankasitrahana izany, dia aoka izy ireo hanolotra biby fiompy lahy tsy misy kilema, ondry, na osy. BSB BSB: must offer an unblemished male from the cattle, sheep, or goats in order for it to be accepted on your behalf.
20 ULB Nefa aoka ianareo tsy hanolotra izay manan-kilema. Tsy hankasitraka izany eo aminareo Aho. BSB BSB: You must not present anything with a defect, because it will not be accepted on your behalf.
21 ULB Izay rehetra manolotra fanatim-pihavanana avy amin'ny omby na ny ondry ho an'i Yaveh mba hanatanterahana voady, na fanatitra antsitra-po, dia tsy tokony ho kilemaina izany mba ho ankasitrahana. Aoka tsy hisy biby manan-kilema. BSB BSB: When a man presents a peace offering to the LORD from the herd or flock to fulfill a vow or as a freewill offering, it must be without blemish or defect to be acceptable.
22 ULB Aoka tsy hanolotra biby jamba, sembana, na kilemaina, na izay misy fahabokana, marary, na ferena ianareo. Aoka tsy hanolotra ireo amin'i Yaveh ho sorona avy tamin'ny afo eo amin'ny alitara ianareo. BSB BSB: You are not to present to the LORD any animal that is blind, injured, or maimed, or anything with a running sore, a festering rash, or a scab; you must not put any of these on the altar as a food offering to the LORD.
23 ULB Afaka manolotra omby iray na zanak'ondry izay sampona na kely ho fanatitra antsitra-po ianareo, nefa ny fanatitra tahaka izany dia tsy ho ankasitrahana ho an'ny voady. BSB BSB: You may present as a freewill offering an ox or sheep that has a deformed or stunted limb, but it is not acceptable in fulfillment of a vow.
24 ULB Aza manolotra biby izay efa voatorotoro, potipotika, rovidrovitra, na vositra ho an'i Yaveh. Aza manao izany ao amin'ny taninareo. BSB BSB: You are not to present to the LORD an animal whose testicles are bruised, crushed, torn, or cut; you are not to sacrifice them in your land.
25 ULB Aoka ianareo tsy hanolotra ny mofon'ny Andriamanitrareo avy amin'ny tanan'ny vahiny. Ireo biby ireo dia sampona ary manan-kilema, tsy ho ankasitrahana ho anareo ireo."' BSB BSB: Neither you nor a foreigner shall present food to your God from any such animal. They will not be accepted on your behalf, because they are deformed and flawed.’”
26 ULB Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh ary nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
27 ULB "Rehefa teraka ny omby na ny ondry na ny osy, dia tsy maintsy mijanona hafitoana miaraka amin'ny reniny izany. Ary manomboka amin'ny andro fahavalo, dia azo ankasitrahana ho fanatitra natao amin'ny afo ho an'i Yaveh izany. BSB BSB: “When an ox, a sheep, or a goat is born, it must remain with its mother for seven days. From the eighth day on, it will be acceptable as a food offering presented to the LORD.
28 ULB Aza mamono omby vavy na ondry vavy miaraka amin'ny zanany, ao anatin'ny iray andro. BSB BSB: But you must not slaughter an ox or a sheep on the same day as its young.
29 ULB Rehefa manao sorona fanati-pisaorana ho an'i Yaveh ianareo, dia aoka hanao sorona izany amin'ny fomba azo ekena. BSB BSB: When you sacrifice a thank offering to the LORD, offer it so that it may be acceptable on your behalf.
30 ULB Aoka hohanina amin'ny andro izay nanaovana sorona azy izany. Aoka tsy hisy avelanareo ho tra-maraina izany. Izaho no Yaveh. BSB BSB: It must be eaten that same day. Do not leave any of it until morning. I am the LORD.
31 ULB Koa aoka hitandrina ny didiko sy hanatanteraka ireo ianareo. Izaho no Yaveh. BSB BSB: You are to keep My commandments and practice them. I am the LORD.
32 ULB Aoka tsy hanamavo ny Anarako masina ianareo. Aoka ho ekena ho masina amin'ny alalan'ny zanak'Israely Aho. Izaho no Yaveh izay nanamasina anareo, BSB BSB: You must not profane My holy name. I must be acknowledged as holy among the Israelites. I am the LORD who sanctifies you,
33 ULB izay nitondra anareo nivoaka avy tany Egypta mba ho Andriamanitrareo: Izaho no Yaveh." BSB BSB: who brought you out of the land of Egypt to be your God. I am the LORD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.