1 ULB Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely, ary milazà amin'izy ireo hoe: 'Ireto avy ireo firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh, izay tsy maintsy ambaranareo ho fiombonana masina; ireo no firavoravoako mahazatra. BSB BSB: “Speak to the Israelites and say to them, ‘These are My appointed feasts, the feasts of the LORD that you are to proclaim as sacred assemblies.
3 ULB Afaka miasa mandritra ny enina andro ianareo, fa ny andro fahafito dia Sabata fitsaharana tanteraka, fiombonana masina. Aoka ianareo tsy hiasa satria Sabata ho an'i Yaveh amin'ny toerana rehetra izay honenanareo izany. BSB BSB: For six days work may be done, but the seventh day is a Sabbath of complete rest, a day of sacred assembly. You must not do any work; wherever you live, it is a Sabbath to the LORD.
4 ULB Ireto avy ireo firavoravoana voatendrin'i Yaveh, dia ireo fiombonana masina izay tsy maintsy lazainareo amin'ny fotoany voatondro: BSB BSB: These are the LORD’s appointed feasts, the sacred assemblies you are to proclaim at their appointed times.
5 ULB Amin'ny volana voalohany, amin'ny andro fahaefatry ny volana amin'ny takariva, no Paskan'i Yaveh. BSB BSB: The Passover to the LORD begins at twilight on the fourteenth day of the first month.
6 ULB Amin'ny andro faha-dimy ambin'ny folon'io volana io ihany ny Firavoravoan'ny Mofo tsy Misy Masirasira ho an'i Yaveh. Mandritra ny fito andro ianareo dia tsy maintsy mihinana mofo tsy misy masirasira. BSB BSB: On the fifteenth day of the same month begins the Feast of Unleavened Bread to the LORD. For seven days you must eat unleavened bread.
7 ULB Ny andro voalohany dia tsy maintsy atokanareo mba hiangonana miaraka; tsy hanao ireo asa mahazatra anareo ianareo. BSB BSB: On the first day you are to hold a sacred assembly; you are not to do any regular work.
8 ULB Hanolotra fanatitra hohanina ho an'i Yaveh ianareo mandritra ny fito andro. Ny andro fahafito dia fiombonana natokana ho an'i Yaveh, ary amin'io andro io ianareo dia aoka tsy hanao ny asa mahazatra."' BSB BSB: For seven days you are to present a food offering to the LORD. On the seventh day there shall be a sacred assembly; you must not do any regular work.’”
9 ULB Yaveh niteny tamin'i Mosesy, nanao hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
10 ULB "Miresaha amin'ny olon'Israely ary milazà amin'izy ireo hoe: 'Rehefa tonga ao amin'ny tany izy homeko anareo ianareo, ary rehefa mijinja ireo vokatr'izany ianareo, dia tsy maintsy mitondra ny amboaran'ny voaloham-bokatr'izany ho an'ny mpisorona. BSB BSB: “Speak to the Israelites and say, ‘When you enter the land that I am giving you and you reap its harvest, you are to bring to the priest a sheaf of the firstfruits of your harvest.
11 ULB Hanandratra ny amboara eo anatrehan'i Yaveh izy ary hanolotra izany ho Azy, fa ho ankasitrahana eo aminareo izany. Amin'ny andro aorian'ny Sabata no hanandratan'ny mpisorona izany sy hanolorany izany ho Ahy. BSB BSB: And he shall wave the sheaf before the LORD so that it may be accepted on your behalf; the priest is to wave it on the day after the Sabbath.
12 ULB Amin'ny andro izay hanandratanareo ny amboara sy hanolorana izany ho Ahy, dia tsy maintsy manolotra zanak'ondry lahy iray herintaona sy tsy misy kilema ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh ianareo. BSB BSB: On the day you wave the sheaf, you shall offer a year-old lamb without blemish as a burnt offering to the LORD,
13 ULB Ny fanatitra voa dia tsy maintsy koba manify roa ampahafolon'ny efaha miaro menaka, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, mba hamoaka hanitra ankasitrahana, ary divay fanatitra sotroina, iray ampahefatry ny hina miaraka amin'izany. BSB BSB: along with its grain offering of two-tenths of an ephah of fine flour mixed with oil—a food offering to the LORD, a pleasing aroma—and its drink offering of a quarter hin of wine.
14 ULB Aoka ianareo tsy hihinana mofo, na vary nendasina na tsotra, mandra-pahatongan'ny andro nitondranareo io fanatitra io ho an'ny Andriamanitrareo. Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo, amin'ny toerana rehetra honenanareo izany. BSB BSB: You must not eat any bread or roasted or new grain until the very day you have brought this offering to your God. This is to be a permanent statute for the generations to come, wherever you live.
15 ULB Manomboka amin'ny andro aorian'ny Sabata—izay andro nitondranareo ny amboaran'ny fanatitra ahevaheva—dia manisà fito herinandro feno. BSB BSB: From the day after the Sabbath, the day you brought the sheaf of the wave offering, you are to count off seven full weeks.
16 ULB Hanisa dimampolo andro, izay ho andro aorian'ny Sabata fahafito ianareo. Avy eo dia tsy maintsy hanolotra fanatitra vary vaovao ho an'i Yaveh. BSB BSB: You shall count off fifty days until the day after the seventh Sabbath, and then present an offering of new grain to the LORD.
17 ULB Tsy maintsy hitondra mofo roa natao tamin'ny roa ampahafolon'ny efaha avy any an-tranonareo ianareo. Aoka ho vita amin'ny koba tsara toto sy mofo misy lalivay ireo; ho fanatitra voaloham-bokatra ahevaheva ho an'i Yaveh ireo. BSB BSB: Bring two loaves of bread from your dwellings as a wave offering, each made from two-tenths of an ephah of fine flour, baked with leaven, as the firstfruits to the LORD.
18 ULB Tsy maintsy atolotrareo miaraka amin'ny mofo ireo zanak'ondry lahy fito herintaona sy tsy misy kilema, vantotr'ombilahy iray, ary ondrilahy roa. Tsy maintsy atao fanatitra dorana ho an'i Yaveh, miaraka amin'ny fanatitra voan'izy ireo sy ny fanatiny sotroina ireo, fanatitra izay natao tamin'ny afo ka mamoaka hanitra ankasitrahana ho an'i Yaveh. BSB BSB: Along with the bread you are to present seven unblemished male lambs a year old, one young bull, and two rams. They will be a burnt offering to the LORD, together with their grain offerings and drink offerings—a food offering, a pleasing aroma to the LORD.
19 ULB Tsy maintsy manolotra osilahy iray ho an'ny fanatitry ny heloka ianareo, ary zanak'ondrilahy roa herintaona ho an'ny sorona, ho fanati-pihavanana. BSB BSB: You shall also prepare one male goat as a sin offering and two male lambs a year old as a peace offering.
20 ULB Ny mpisorona dia tsy maintsy manevaheva ireo miaraka amin'ny mofon'ireo voaloham-bokatra eo anatrehan'i Yaveh, ary manolotra azy ireo ho Azy mba ho fanatitra miaraka amin'ireo zanak'ondry roa. Amin'ireo mpisorona, ireo fanatitra masina ho an'i Yaveh. BSB BSB: The priest is to wave the lambs as a wave offering before the LORD, together with the bread of the firstfruits. The bread and the two lambs shall be holy to the LORD for the priest.
21 ULB Amin'io andro io ihany ianareo dia tsy maintsy manao fanambarana. Hisy ny fiombonana masina, ka tsy hanao ny asa mahazatra ianareo. Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo amin'ny toerana rehetra honenanareo izany. BSB BSB: On that same day you are to proclaim a sacred assembly, and you must not do any regular work. This is to be a permanent statute wherever you live for the generations to come.
22 ULB Rehefa mijinja ny vokatry ny taninareo ianareo, dia tsy tokony hijinja tanteraka ireo zoron'ireo sahanareo, ary tsy tokony hanangona izay latsaka amin'ny vokatrareo. Aoka havelanareo ho an'ny mahantra sy ho an'ny vahiny ireo. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo."' BSB BSB: When you reap the harvest of your land, do not reap all the way to the edges of your field or gather the gleanings of your harvest. Leave them for the poor and the foreign resident. I am the LORD your God.’”
23 ULB Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: The LORD also said to Moses,
24 ULB "Miresaha amin'ny vahoakan'Israely ary mitenena hoe: 'Amin'ny volana fahafito, ny andro voalohan'izany volana izany dia ho fitsaharana manetriketrika ho anareo, fahatsiarovana miaraka amin'ny fitsofana trompetra, ary fiombonana masina. BSB BSB: “Speak to the Israelites and say, ‘On the first day of the seventh month you are to have a day of rest, a sacred assembly announced by trumpet blasts.
25 ULB Aoka ianareo tsy hanao ny asa mahazatra, ary aoka ianareo hanolotra sorona natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh."' BSB BSB: You must not do any regular work, but you are to present a food offering to the LORD.’”
26 ULB Dia niresaka tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Again the LORD said to Moses,
27 ULB "Ary amin'ny andro fahafolon'izany volana fahafito izany no Andron'ny Fanavotana. Ho fiombonana masina izany, ary ianareo dia tsy maintsy manetry ny tenanareo ary manolotra fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. BSB BSB: “The tenth day of this seventh month is the Day of Atonement. You shall hold a sacred assembly and humble yourselves, and present a food offering to the LORD.
28 ULB Aoka ianareo tsy hiasa amin'io andro io satria Andron'ny Fanavotana izany, mba ho fanavotana ho an'ny tenanareo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: On this day you are not to do any work, for it is the Day of Atonement, when atonement is made for you before the LORD your God.
29 ULB Izay rehetra tsy manetry ny tenany amin'io andro io dia tsy maintsy alàna avy eo amin'ny olony. BSB BSB: If anyone does not humble himself on this day, he must be cut off from his people.
30 ULB Na iza na iza miasa amin'io andro io, Izaho, Yaveh, dia handrava azy eo amin'ireo olony. BSB BSB: I will destroy from among his people anyone who does any work on this day.
31 ULB Aoka ianareo tsy hanao asa amin'io andro io na inona na inona izany. Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo amin'ny toerana rehetra honenanareo izany. BSB BSB: You are not to do any work at all. This is a permanent statute for the generations to come, wherever you live.
32 ULB Izany andro izany dia tsy maintsy ho Sabata fitsaharana manetriketrika ho anareo, ary ianareo dia tsy maintsy manetry ny tenanareo amin'ny andro fahasivin'ny volana amin'ny hariva. Manomboka amin'ny hariva ka hatramin'ny hariva ianareo dia hankalaza ny Sabatanareo." BSB BSB: It will be a Sabbath of complete rest for you, and you shall humble yourselves. From the evening of the ninth day of the month until the following evening you are to keep your Sabbath.”
33 ULB Yaveh niresaka tamin'i Mosesy, nanao hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
34 ULB "Miresaha amin'ny olon'Israely, manao hoe: 'Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito no ho Firavoravoan'ny Fialofana ho an'i Yaveh. Haharitra fito andro izany. BSB BSB: “Speak to the Israelites and say, ‘On the fifteenth day of the seventh month the Feast of Tabernacles to the LORD begins, and it continues for seven days.
35 ULB Amin'ny andro voalohany dia tsy maintsy hisy fiombonana masina. Aoka ianareo tsy hanao ny asa mahazatra. BSB BSB: On the first day there shall be a sacred assembly. You must not do any regular work.
36 ULB Mandritra ireo fito andro ianareo dia tsy maintsy manolotra sorona natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. Amin'ny andro fahavalo dia tsy maintsy hisy fiombonana masina, ary tsy maintsy manao sorona amin'ny afo atolotra ho an'i Yaveh ianareo. Fiombonana manetriketrika izany, ary ianareo dia aoka tsy hanao ny asa mahazatra. BSB BSB: For seven days you are to present a food offering to the LORD. On the eighth day you are to hold a sacred assembly and present a food offering to the LORD. It is a solemn assembly; you must not do any regular work.
37 ULB Ireo no firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh, izay tsy maintsy ambaranareo ho fiombonana masina mba hanolorana sorona natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh, fanatitra dorana sy fanatitra vary, sorona sy fanatitra sotroina, ny tsirairay samy amin'ny androny avy. BSB BSB: These are the LORD’s appointed feasts, which you are to proclaim as sacred assemblies for presenting food offerings to the LORD—burnt offerings and grain offerings, sacrifices and drink offerings, each on its designated day.
38 ULB Ireo firavoravoana ireo dia hiampy ireo Sabatan'i Yaveh sy ireo fanomezanareo, ireo voadinareo rehetra, ary ireo fanatitrareo an-tsitrapo izay homenareo an'i Yaveh. BSB BSB: These offerings are in addition to the offerings for the LORD’s Sabbaths, and in addition to your gifts, to all your vow offerings, and to all the freewill offerings you give to the LORD.
39 ULB Momba ny Firavoravoan'ny Fialofana, amin'ny andro fahadimy ambin'ny folon'ny volana fahafito, rehefa voaangonareo ireo vokatry ny tany, dia tsy maintsy tandremanareo io firavoravoan'i Yaveh mandritra ny fito andro io. Ny andro voalohany dia ho fitsaharana manetriketrika, ary ny andro fahavalo ihany koa dia ho fitsaharana manetriketrika. BSB BSB: On the fifteenth day of the seventh month, after you have gathered the produce of the land, you are to celebrate a feast to the LORD for seven days. There shall be complete rest on the first day and also on the eighth day.
40 ULB Amin'ny andro voalohany ianareo dia tsy maintsy maka ny vokatra tsara indrindra avy amin'ireo hazo ianareo, sampan'ny hazo rofia, sy sampana be ravina ao amin'ny ala mikitroka, ary hazo malahelo eny amin'ireo loharano, ary hifaly eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo mandritra ny fito andro ianareo. BSB BSB: On the first day you are to gather the fruit of majestic trees, the branches of palm trees, and the boughs of leafy trees and of willows of the brook. And you are to rejoice before the LORD your God for seven days.
41 ULB Mandritra ireo fito andro isan-taona, dia tsy maintsy mankalaza io firavoravoan'i Yaveh io ianareo. Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo amin'ny toerana rehetra honenanareo izany. Tsy maintsy hankalaza io firavoravoana io ianareo amin'ny volana fahafito. BSB BSB: You are to celebrate this as a feast to the LORD for seven days each year. This is a permanent statute for the generations to come; you are to celebrate it in the seventh month.
42 ULB Aoka ianareo honina amin'ny fialofana kely mandritra ny fito andro. Ireo Israelita tera-tany rehetra dia tsy maintsy honina amin'ny fialofana kely mandritra ny fito andro, BSB BSB: You are to dwell in booths for seven days. All the native-born of Israel must dwell in booths,
43 ULB mba ho afaka hianatra ny fomba namponenako ny olon'Israely tamin'ny fialofana tahaka izany rehefa notarihiko niala ny tany Egypta ireo taranakareo, ny taranaka mifandimby. Izaho no Yaveh Andriamanitrareo."' BSB BSB: so that your descendants may know that I made the Israelites dwell in booths when I brought them out of the land of Egypt. I am the LORD your God.’”
44 ULB Tamin'izany fomba izany, no nanambaran'i Mosesy tamin'ny olon'Israely ireo firavoravoana voatendry ho an'i Yaveh. BSB BSB: So Moses announced to the Israelites the appointed feasts of the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.