1 ULB Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Baikoy ny olon'Israely mba hitondra diloilo tsy mifangaro vita tamin'ny oliva ho anao mba ampiasaina amin'ny fanilo, mba hirehitra mandrakariva ny jiro. BSB BSB: “Command the Israelites to bring you pure oil of pressed olives for the light, to keep the lamps burning continually.
3 ULB Arona dia tsy maintsy mamela ny jiro hirehitra foana ao ivelan'ny lamba fanakonana eo anatrehan'ny didim-panekena ao amin'ny tranoy-lay fihaonana, manomboka ny hariva mandra-parain'ny andro. Ho lalàna maharitra hatramin'ny taranak'ireo vahoakanareo izany. BSB BSB: Outside the veil of the Testimony in the Tent of Meeting, Aaron is to tend the lamps continually before the LORD from evening until morning. This is to be a permanent statute for the generations to come.
4 ULB Ny mpisoronabe dia tsy maintsy mitandrina ny jiro hirehitra foana eo anatrehan'i Yaveh, ireo jiro eo amin'ny fitoeran-jiro volamena tsy misy fangarony. BSB BSB: He shall tend the lamps on the pure gold lampstand before the LORD continually.
5 ULB Aoka ianao haka koba manify ary hanendy mofo roa ambin'ny folo amin'izany. Tsy maintsy misy roa ampahafolon'ny efaha isaky ny mofo. BSB BSB: You are also to take fine flour and bake twelve loaves, using two-tenths of an ephah for each loaf,
6 ULB Avy eo ianao dia hizara izany ho andalana roa, enina amin'ny andalana iray, eo ambonin'ny latabatra vita tamin'ny volamena tsy mifangaro. BSB BSB: and set them in two rows—six per row—on the table of pure gold before the LORD.
7 ULB Aoka ianao hametraka ditin-kazo manitra madio isak'ireo andalana mofo ho fanati-pahatsiarovana. Io ditin-kazo manitra io dia ho dorana ho an'i Yaveh. BSB BSB: And you are to place pure frankincense near each row, so that it may serve as a memorial portion for the bread, a food offering to the LORD.
8 ULB Isaky ny Sabata ny mpisorona avo dia tsy maintsy mametraka mandrakariva ny mofo eo anatrehan'i Yaveh ho an'ny olon'Israely, mba ho famantarana ny fanekena tsy manam-pahataperana. BSB BSB: Every Sabbath day the bread is to be set out before the LORD on behalf of the Israelites as a permanent covenant.
9 ULB Io fanatitra io dia ho an'i Arona sy ireo zanany lahy, ary hohanin'izy ireo eo amin'ny toerana izay masina izany, satria ampahany avy tamin'ireo fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh izany." BSB BSB: It belongs to Aaron and his sons, who are to eat it in a holy place; for it is to him a most holy part of the food offerings to the LORD—his portion forever.”
10 ULB Ary nisy zanaka vehivavy Israelita iray, izay Egyptiana no rainy, nandeha teo amin'ny vahoakan'Israely. Io zanakalahin'ilay vehivavy Israelita io dia niady tamin'ny Israelita iray tao amin'ny toby. BSB BSB: Now the son of an Israelite mother and an Egyptian father went out among the Israelites, and a fight broke out in the camp between him and an Israelite.
11 ULB Niteny ratsy ny anaran'i Yaveh sy nanozona an'Andriamanitra io zanaka lahin'ilay vehivavy Israelita io, ka nentin'ny vahoaka teo amin'i Mosesy izy. Sebomita no anaran'ilay reniny, zanaka vavin'i Dibry, avy amin'ny fokon'i Dana. BSB BSB: The son of the Israelite woman blasphemed the Name with a curse. So they brought him to Moses. (His mother’s name was Shelomith daughter of Dibri, of the tribe of Dan.)
12 ULB Notazonin'izy ireo tao am-ponja izy mandra-panambaran'i Yaveh Izy tenany ny sitrapony amin'izy ireo. BSB BSB: They placed him in custody until the will of the LORD should be made clear to them.
13 ULB Dia niteny tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
14 ULB "Alaivo ilay lehilahy izay nanozona an'Andriamanitra tao ivelan'ny toby. Izay rehetra mandre azy dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohany, ary aoka ny fiangonana iray manontolo hitora-bato azy. BSB BSB: “Take the blasphemer outside the camp, and have all who heard him lay their hands on his head; then have the whole assembly stone him.
15 ULB Aoka ianao hanazava amin'ny olon'Israely ary hiteny hoe: "Izay rehetra manozona ny Andriamaniny dia tsy maintsy mizaka ny helony. BSB BSB: And you are to tell the Israelites, ‘If anyone curses his God, he shall bear the consequences of his sin.
16 ULB Izy izay miteny ratsy ny anaran'i Yaveh dia tsy maintsy ho vonoina tokoa. Tsy maintsy hitora-bato azy tokoa ny fiangonana manontolo, na vahiny izy na tera-tany Israelita. Raha misy olona miteny ratsy ny anaran'i Yaveh, dia tsy maintsy vonoina izy. BSB BSB: Whoever blasphemes the name of the LORD must surely be put to death; the whole assembly must surely stone him, whether he is a foreign resident or native; if he blasphemes the Name, he must be put to death.
17 ULB Raha misy olona mamono olona hafa, dia azo antoka fa tsy maintsy ho vonoina izy. BSB BSB: And if a man takes the life of anyone else, he must surely be put to death.
18 ULB Raha misy olona mamono ny bibin'ny olona iray hafa, dia tsy maintsy manonitra izany izy, aina solon'ny aina. BSB BSB: Whoever kills an animal must make restitution—life for life.
19 ULB Raha misy olona mandratra ny mpiara-monina aminy, dia tsy maintsy atao aminy izay nataony tamin'ny mpiara-monina aminy: BSB BSB: If anyone injures his neighbor, whatever he has done must be done to him:
20 ULB Fahatapahana solon'ny fahatapahana, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify. Satria nandratra olona izy, dia tsy maintsy atao aminy koa izany. BSB BSB: fracture for fracture, eye for eye, tooth for tooth. Just as he injured the other person, the same must be inflicted on him.
21 ULB Izay rehetra mamono biby iray dia tsy maintsy manonitra izany, ary izay rehetra mamono olona dia tsy maintsy vonoina. BSB BSB: Whoever kills an animal must make restitution, but whoever kills a man must be put to death.
22 ULB Aoka ianao hanana lalàna mitovy ho an'ny vahiny sy ny tera-tany Israelita, fa Izaho no Yaveh Andriamanitrao."' BSB BSB: You are to have the same standard of law for the foreign resident and the native; for I am the LORD your God.’”
23 ULB Koa niresaka tamin'ny olon'Israely i Mosesy, ary nentin'ny olona nivoaka tao ivelan'ny toby ilay lehilahy, ilay nanozona an'i Yaveh. Notorahin'izy ireo tamin'ny vato izy. Ireo vahoakan'Israely dia nanao arak'izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. BSB BSB: Then Moses spoke to the Israelites, and they took the blasphemer outside the camp and stoned him. So the Israelites did as the LORD had commanded Moses.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.