1 ULB Niteny tamin'i Mosesy teny an-tendrombohitr'i Sinay Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses on Mount Sinai,
2 ULB "Mitenena amin'ny vahoakan'Israely ary lazao amin'izy ireo hoe: 'Rehefa mankany amin'ny tany izay omeko anareo ianareo, dia aoka mba hitandrina ny Sabata ho an'i Yaveh ny tany. BSB BSB: “Speak to the Israelites and say to them: When you enter the land that I am giving you, the land itself must observe a Sabbath to the LORD.
3 ULB Aoka ianao hamboly eo amin'ny ny sahanao mandritra ny enin-taona, ary mandritra ny enin-taona dia aoka ianao handrantsana ny tanim-boalobokao ary hanangona ny vokatra. BSB BSB: For six years you may sow your field and prune your vineyard and gather its crops.
4 ULB Fa amin'ny taona fahafito, dia aoka ho tandrovina ny andro Sabatan'ny fitsaharana manetriketrika ho an'ny tany, Sabata ho an'i Yaveh. Aoka ianao tsy hamboly eny amin'ny sahanao na handrantsana ny tanim-boalobokao. BSB BSB: But in the seventh year there shall be a Sabbath of complete rest for the land—a Sabbath to the LORD. You are not to sow your field or prune your vineyard.
5 ULB Aoka ianao tsy hanao fijinjana voarindra amin'ny zava-drehetra maniry ho azy, ary aoka ianao tsy hanao fijinjana voarindra amin'ny voaloboka rehetra izay mitombo eo amin'ny voalobokao izay tsy voarantsana. Ho taom-pitsaharana manetriketrika ho an'ny tany izany. BSB BSB: You are not to reap the aftergrowth of your harvest or gather the grapes of your untended vines. The land must have a year of complete rest.
6 ULB Izay maniry eo amin'ny tany tsy niasàna mandritra ny taonan'ny Sabata no ho sakafonao. Ianao, ireo mpanomponao lahy sy vavy, ireo mpanompo karamainao ary ireo vahiny izay monina miaraka aminao no aoka hanangona hanina, BSB BSB: Whatever the land yields during the Sabbath year shall be food for you—for yourself, your manservant and maidservant, the hired hand or foreigner who stays with you,
7 ULB ary ny biby fiompinao sy ireo bibi-dia no aoka hihinana izay rehetra vokarin'ny tany. BSB BSB: and for your livestock and the wild animals in your land. All its growth may serve as food.
8 ULB Aoka ianao hanisa Sabata fito amin'ny taona, izany hoe, im-pito isaky ny fito taona, mba hisy Sabata fito ny taona, sivy amby efapolo taona ny fitambarany. BSB BSB: And you shall count off seven Sabbaths of years—seven times seven years—so that the seven Sabbaths of years amount to forty-nine years.
9 ULB Dia aoka ianao hitsoka anjomara mafy na aiza na aiza amin'ny andro fahafolon'ny volana fahafito. Amin'ny Andron'ny Fanavotana dia aoka ianao hitsoka anjomara manerana ny taninao rehetra. BSB BSB: Then you are to sound the horn far and wide on the tenth day of the seventh month, the Day of Atonement. You shall sound it throughout your land.
10 ULB Aoka ianao hanokana ny taona fahadimampolo ho an'i Yaveh ary hanambara ny fahafana manerana ny tany amin'ny mponiny rehetra. Ho Jobily ho anao izany, izay tsy maintsy hamerenana ireo fananana sy ireo andevo any amin'ireo fianakaviany. BSB BSB: So you are to consecrate the fiftieth year and proclaim liberty in the land for all its inhabitants. It shall be your Jubilee, when each of you is to return to his property and to his clan.
11 ULB Ho Jobily ho anao ny fahadimam-polo taona. Aoka ianao tsy hamboly na hitondra fijinjana voalamina. Mihinàna izay rehetra maniry ho azy, ary angony ireo voaloboka izay mitombo eo amin'ny tanim-boaloboka tsy voarantsana. BSB BSB: The fiftieth year will be a Jubilee for you; you are not to sow the land or reap its aftergrowth or harvest the untended vines.
12 ULB Fa Jobily, izay ho masina ho anao izany. Aoka ianao hihinana ny vokatra izay maniry ho azy ivelan'ireo saha. BSB BSB: For it is a Jubilee; it shall be holy to you. You may eat only the crops taken directly from the field.
13 ULB Aoka hamerina ny tsirairay any amin'ny zara-taniny ihany ianao amin'izany taonan'ny Jobily izany. BSB BSB: In this Year of Jubilee, each of you shall return to his own property.
14 ULB Raha mivarotra tany amin'ny namanao ianao na mividy tany avy amin'ny namanao, dia aoka ianareo tsy hifamitaka na hifanao ratsy. BSB BSB: If you make a sale to your neighbor or a purchase from him, you must not take advantage of each other.
15 ULB Raha mividy tany amin'ny namanao ianao, hevero ny isan'ny taona sy ny vokatra izay azo jinjaina madra-pahatongan'ny Jobily manaraka. Aoka ihany koa ny namanao mivarotra ilay tany hihevitra izany. BSB BSB: You are to buy from your neighbor according to the number of years since the last Jubilee; he is to sell to you according to the number of harvest years remaining.
16 ULB Ny hamaron'ny isan'ny taona mandra-pahatongan'ny Jobily manaraka no hampitombo ny lanjan'ny tany, ary ny havitsian'ny isan'ny taona mandra-pahatongan'ny Jobily manaraka no hampihena ny lanja. Satria ny isan'ny vokatra ho vokarin'ny tany ho an'ny tompony vaovao dia mifandraika amin'ny isan'ny taona mialohan'ny Jobily manaraka. BSB BSB: You shall increase the price in proportion to a greater number of years, or decrease it in proportion to a lesser number of years; for he is selling you a given number of harvests.
17 ULB Aoka ianareo tsy hifamitaka na hifanao ratsy; fa kosa; aoka ianao hanome voninahitra an'Andriamanitrao, fa Izaho no Yaveh Andriamanitrao. BSB BSB: Do not take advantage of each other, but fear your God; for I am the LORD your God.
18 ULB Noho izany dia aoka ianao hankatò ireo didiko, hitandrina ireo lalàko, ary hanatanteraka azy ireo. Dia honina ao amin'ny tany am-pilaminana ianao. BSB BSB: You are to keep My statutes and carefully observe My judgments, so that you may dwell securely in the land.
19 ULB Hanome ny vokany ny tany, ary hihinana ianao ka ho voky ary honina any am-pilaminana ao. BSB BSB: Then the land will yield its fruit, so that you can eat your fill and dwell in safety in the land.
20 ULB Mety hiteny ianao hoe: "Inona no hohaninay mandritra ilay taona fahafito? Indro, tsy afaka mamboly na manangona ny vokatray izahay." BSB BSB: Now you may wonder, ‘What will we eat in the seventh year if we do not sow or gather our produce?’
21 ULB Handidy ny fitahiako Aho mba ho tonga aminareo amin'ny taona fahaenina, ary hamokatra vokatra ampy mandritry ny telo taona izany. BSB BSB: But I will send My blessing upon you in the sixth year, so that the land will yield a crop sufficient for three years.
22 ULB Hamboly ianao amin'ny taona fahavalo ary hanohy hihinana avy amin'ny vokatry ny taona teo aloha sy ny hanina voatahiry. Ambara-pahatongan'ny fijinjana amin'ny taona fahasivy, dia afaka hihinana avy amin'ny vatsy voatahiry tamin'ny taona teo aloha ianao. BSB BSB: While you are sowing in the eighth year, you will be eating from the previous harvest, until the ninth year’s harvest comes in.
23 ULB Aoka tsy hamidy amin'ny tompo vaovao ny tany, satria Ahy ny tany. Vahiny avokoa ianareo ary mponina mandalo eo amin'ny taniko. BSB BSB: The land must not be sold permanently, because it is Mine, and you are but foreigners and residents with Me.
24 ULB Aoka ianao handinika ny zon'ny fanavotana ho an'ny tany rehetra izay azonao; aoka ianao hamela ny tany hiverina hovidian'ny fianakaviana izay nividiananao izany. BSB BSB: Thus for every piece of property you possess, you must provide for the redemption of the land.
25 ULB Raha tonga mahantra ny Israelita namanao ary noho izany antony izany no nivarotany ny sasany amin'ny fananany, dia mety ho avy ny havany akaiky indrindra ary hividy ny fananana izay namidiny taminao. BSB BSB: If your brother becomes impoverished and sells some of his property, his nearest of kin may come and redeem what his brother has sold.
26 ULB Raha tsy manan-kavana mba hanavotra ny fananany ny lehilahy iray, kanefa raha ambinina izy ary manana fahafahana hanavotra izany, BSB BSB: Or if a man has no one to redeem it for him, but he prospers and acquires enough to redeem his land,
27 ULB dia hikajy ny taona hatramin'ny nivarotana ny tany sy nanonerana indray ny fandanjana tamin'ilay olona izay nivarotany izany izy. Dia hiverina any amin'ny fananany ihany izy. BSB BSB: he shall calculate the years since its sale, repay the balance to the man to whom he sold it, and return to his property.
28 ULB Fa raha toa ka tsy afaka mampiverina ny tany ho azy ihany izy, dia hijanona ho fananan'ilay nividy izany hatramin'ny taonan'ny Jobily ny tany. Amin'ny taonan'ny Jobily, dia haverina amin'ny lehilahy izay nivarotra izany ny tany, ary ny tena tompony hiverina amin'ny fananany. BSB BSB: But if he cannot obtain enough to repay him, what he sold will remain in possession of the buyer until the Year of Jubilee. In the Jubilee, however, it is to be released, so that he may return to his property.
29 ULB Raha mivarotra trano any amin'ny tanàna mimanda ny lehilahy iray, dia mety hividy izany indray anatin'ny taona iray manontolo izy aorian'ny nahalafo izany. Fa mandritra ny taona iray manontolo dia hanana ny zon'ny fanavotana izy. BSB BSB: If a man sells a house in a walled city, he retains his right of redemption until a full year after its sale; during that year it may be redeemed.
30 ULB Raha tsy avotra anatin'ny taona iray manontolo ny trano, dia ho fananana mandrakizay ho an'ny olona izay nividy izany ny trano ao amin'ny tanàna mimanda, ka hatramin'ny taranany fara mandimby. Dia tsy ho hiverina izany trano izany amin'ny taonan'ny Jobily. BSB BSB: If it is not redeemed by the end of a full year, then the house in the walled city is permanently transferred to its buyer and his descendants. It is not to be released in the Jubilee.
31 ULB Fa ireo tranon'ireo vohitra izay tsy misy manda manodidina azy ireo dia heverina ho toy ny sahan'ny tany. Havotana izy ireo, ary tsy maintsy haverina mandritra ny taonan'ny Jobily. BSB BSB: But houses in villages with no walls around them are to be considered as open fields. They may be redeemed, and they shall be released in the Jubilee.
32 ULB Na izany aza, ny tranon'ireo Levita ao an-tanànan'izy ireo dia ho avotra amin'ny fotoana rehetra. BSB BSB: As for the cities of the Levites, the Levites always have the right to redeem their houses in the cities they possess.
33 ULB Raha tsy manavotra ny trano izay namidiny ny iray amin'ireo Levita, dia tsy maintsy haverina amin'ny taonan'ny Jobily ny trano izay namidiny tao an-tanàna nisy azy, fa fananan'izy ireo amin'ny vahoakan'Israely ireo tranon'ny tanànan'ny Levita. BSB BSB: So whatever belongs to the Levites may be redeemed—a house sold in a city they possess—and must be released in the Jubilee, because the houses in the cities of the Levites are their possession among the Israelites.
34 ULB Fa ireo saha manodidina ny tanànany dia tsy azo amidy satria fananana raikitr'ireo Levita izany. BSB BSB: But the open pastureland around their cities may not be sold, for this is their permanent possession.
35 ULB Raha lasa mahantra ny mpiray tanindrazana aminao, ka tsy afaka mamokatra ho azy intsony izy, dia aoka ianao hanampy azy tahaka ny hanampianao vahiny na olona iray izay monina tahaka ny mpivahiny eo aminao. BSB BSB: Now if your countryman becomes destitute and cannot support himself among you, then you are to help him as you would a foreigner or stranger, so that he can continue to live among you.
36 ULB Aza maka tombony aminy na manandrana manararaotra azy amin'ny fomba rehetra, fa manomeza voninahitra ny Andriamanitrao mba ho afaka hiaina miaraka aminao ireo rahalahinao. BSB BSB: Do not take any interest or profit from him, but fear your God, that your countryman may live among you.
37 ULB Aza mampindram-bola azy ary maka zana-bola aminy, na mivarotra aminy ny haninao mba hahazoana tombony. BSB BSB: You must not lend him your silver at interest or sell him your food for profit.
38 ULB Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka ny tany Egypta, mba hahafahako manome anao ny tany Kanana, ary hahatonga Ahy ho Andriamanitrao. BSB BSB: I am the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt to give you the land of Canaan and to be your God.
39 ULB Raha lasa mahantra ny mpiray tanindrazana aminao ary mivarotra ny tenany aminao, aoka ianao tsy hampiasa azy tahaka ny andevo. BSB BSB: If a countryman among you becomes destitute and sells himself to you, then you must not force him into slave labor.
40 ULB Ataovy tahaka ny mpanompo karamaina izy. Aoka izy ho toy ny olona izay miaina miaraka aminao amin'ny fotoana voafetra. Hanompo hiaraka aminao hatramin'ny taonan'ny Jobily izy. BSB BSB: Let him stay with you as a hired worker or temporary resident; he is to work for you until the Year of Jubilee.
41 ULB Avy eo dia hiala aminao izy, izy sy ireo zanany miaraka aminy, ary hiverina any amin'ny fianakaviany sy ny fananan-drainy izy. BSB BSB: Then he and his children are to be released, and he may return to his clan and to the property of his fathers.
42 ULB Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka ny tany Egypta izy ireo. Tsy hamidy tahaka ireo andevo izy ireo. BSB BSB: Because the Israelites are My servants, whom I brought out of the land of Egypt, they are not to be sold as slaves.
43 ULB Aoka ianao tsy hitondra azy ireo amin-karatsiana, fa aoka ianao hanome voninahitra ny Andriamanitrao. BSB BSB: You are not to rule over them harshly, but you shall fear your God.
45 ULB Afaka mividy andevo avy amin'ireo vahiny izay monina eo aminao ihany koa ianao, dia izay avy amin'ireo fianakaviana izay miaraka aminao, ankizy izay teraka tao amin'ny taninao. Ho tonga fanananao izy ireo. BSB BSB: You may also purchase them from the foreigners residing among you or their clans living among you who are born in your land. These may become your property.
46 ULB Hamokatra andevo tahaka izany ho lova ho an'ireo zanakao aoriana, mba hazonina ho fananana ianao. Avy amin'izy ireo mandrakariva no hividiananao ireo andevonao, fa aoka ianao tsy hitondra an-kery ireo rahalahinao amin'ireo vahoakan'Israely. BSB BSB: You may leave them to your sons after you to inherit as property; you can make them slaves for life. But as for your brothers, the Israelites, no man may rule harshly over his brother.
47 ULB Raha tonga mpanan-karena ny vahiny na ny olona izay miaina miaraka aminao amin'ny fotoana voafetra, ary raha lasa mahantra ny iray amin'ny Israelita namanao ka mamarotra ny tenany amin'izany vahiny izany, na amin'ny olona ao amin'ny fianakavian'ny vahiny, BSB BSB: If a foreigner residing among you prospers, but your countryman dwelling near him becomes destitute and sells himself to the foreigner or to a member of his clan,
48 ULB rehefa voavidy ny Israelita namanao, dia afaka vidiana indray izy. Hanavotra azy ny iray ao amin'ny fianakaviany. BSB BSB: he retains the right of redemption after he has sold himself. One of his brothers may redeem him:
49 ULB Mety ho rahalahin-drain'ilay olona, na zana-drahalahin-drainy, no manavotra azy, na olona izay havany akaiky avy amin'ny fianakaviany. Na, raha tonga mpanan-karena izy, dia afaka hanavotra ny tenany. BSB BSB: either his uncle or cousin or any close relative from his clan may redeem him. Or if he prospers, he may redeem himself.
50 ULB Aoka izy hifanaraka amin'ny olona izay nividy azy; aoka izy ireo hanisa ny taona manomboka ny taona nahalafo azy tamin'ny mpividy azy ka hatramin'ny taonan'ny Jobily. Aoka ny vidin'ny fanavotana azy ho etritreretina miaraka amin'ny taham-bidin'ny mpanompo nokaramaina, ho an'ny isan'ny taona hanoizany miasa ho an'ilay nividy azy. BSB BSB: He and his purchaser will then count the time from the year he sold himself up to the Year of Jubilee. The price of his sale will be determined by the number of years, based on the daily wages of a hired hand.
51 ULB Raha mbola misy taona maro mandra-pahatongan'ny taonan'ny Jobily, aoka izy hiverina handoa sandam-bola tahaka ny vidin'ny fanavotana izay mifandanja amin'ny isan'ireo taona. BSB BSB: If many years remain, he must pay for his redemption in proportion to his purchase price.
52 ULB Raha toa ka taona vitsy monja sisa mandra-pahatongan'ny taonan'ny Jobily, dia tsy maintsy mifanaraka amin'ny mpividy azy izy mba hahitana ny isan'ny taona sisa ambiny mialohan'ny taonan'ny Jobily, ary aoka izy hanefa ho an'ny fanavotany mifanaraka amin'ny isan'ny taona. BSB BSB: If only a few years remain until the Year of Jubilee, he is to calculate and pay his redemption according to his remaining years.
53 ULB Hatao tahaka ny lehilahy nokaramaina isan-taona izy. Aoka ho azonao antoka fa tsy hitondra azy amin- kery tokoa ianao. BSB BSB: He shall be treated like a man hired from year to year, but a foreign owner must not rule over him harshly in your sight.
54 ULB Raha tsy avotra amin'izany izy, dia aoka izy hanompo hatramin'ny taonan'ny Jobily, izy sy ireo zanany miaraka aminy. BSB BSB: Even if he is not redeemed in any of these ways, he and his children shall be released in the Year of Jubilee.
55 ULB Amiko dia mpanompo ny vahoakan'Israely. Mpanompoko izay nentiko nivoaka ny tany Egypta izy ireo. Izaho no Yaveh Andriamanitrao."' BSB BSB: For the Israelites are My servants. They are My servants, whom I brought out of the land of Egypt. I am the LORD your God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.