1 ULB "Aoka ianareo tsy hanao ireo sampy, na hanangana sarin-javatra voasokitra na tsangam-bato masina, ary aoka ianareo tsy hametraka sary vato voasokitra ao amin'ny taninareo izay hiankohofanareo, fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: “You must not make idols for yourselves or set up a carved image or sacred pillar; you must not place a sculpted stone in your land to bow down to it. For I am the LORD your God.
2 ULB Aoka hitandrina ireo Sabatako sy hanome voninahitra ny fitoerako masina ianareo. Izaho no Yaveh. BSB BSB: You must keep My Sabbaths and have reverence for My sanctuary. I am the LORD.
3 ULB Raha manaraka ireo lalàko sy mitandrina ireo didiko ary mankato izany ianareo, BSB BSB: If you follow My statutes and carefully keep My commandments,
4 ULB dia hanome orana anareo amin'ny vanim-potoany Aho; hanome ny vokany ny tany, ary ireo hazon'ny saha hamokatra ireo voany. BSB BSB: I will give you rains in their season, and the land will yield its produce, and the trees of the field will bear their fruit.
5 ULB Ary ny fivelesam-bary dia hitohy amin'ny fotoan'ny fiotazam-boaloboka, ary hihitatra hatramin'ny fotoam-pambolena ny voka-boaloboka. Hihinana ny mofonareo mandra-pahavoky ianareo ary hiaina am-pilaminana any amin'izay nataonareo fonenana ao amin'ny tany. BSB BSB: Your threshing will continue until the grape harvest, and the grape harvest will continue until sowing time; you will have your fill of food to eat and will dwell securely in your land.
6 ULB Hanome fiadanana ao amin'ny tany Aho; handry miaraka amin'ny zavatra tsy hampahotra anareo ianareo. Hamongotra ireo biby mandoza amin'ny tany Aho, ary tsy handalo amin'ny taninareo ny sabatra. BSB BSB: And I will give peace to the land, and you will lie down with nothing to fear. I will rid the land of dangerous animals, and no sword will pass through your land.
7 ULB Hanenjika ireo fahavalonareo ianareo, ka ho lavo eo anoloanareo amin'ny alalan'ny sabatra izy ireo. BSB BSB: You will pursue your enemies, and they will fall by the sword before you.
8 ULB Dimy aminareo hanenjika zato, ary zato aminareo hanenjika iray alina; ho lavo eo anoloanareo amin'ny alalan'ny sabatra ireo fahavalonareo. BSB BSB: Five of you will pursue a hundred, and a hundred of you will pursue ten thousand, and your enemies will fall by the sword before you.
9 ULB Hijery anareo amim-pankasitrahana Aho ary hampamokatra sy hampitombo isa anareo; hametraka ny fanekeko aminareo Aho. BSB BSB: I will turn toward you and make you fruitful and multiply you, and I will establish My covenant with you.
10 ULB Hihinana ireo hanina voatahiry amin'ny fotoana maharitra ianareo. Tsy maintsy hamoaka ireo sakafo voatahiry ianareo satria hilainareo ho an'ny vokatra vaovao ny efitra. BSB BSB: You will still be eating the old supply of grain when you need to clear it out to make room for the new.
11 ULB Hametraka ny tabernakeliko eo aminareo Aho, ary tsy hankahala anareo Aho. BSB BSB: And I will make My dwelling place among you, and My soul will not despise you.
12 ULB Handeha eo aminareo Aho ary ho Andriamanitrareo, ary ianareo ho oloko. BSB BSB: I will walk among you and be your God, and you will be My people.
13 ULB Izaho no Yaveh Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta, mba tsy ho andevon'izy ireo ianareo, nanapaka ny hidin'ny zioganareo Aho ary nampandeha anareo mahitsy. BSB BSB: I am the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt so that you would no longer be slaves to the Egyptians. I broke the bars of your yoke and enabled you to walk in uprightness.
14 ULB Fa raha tsy hihaino Ahy ianareo, ary tsy hankato ireo didiko rehetra, BSB BSB: If, however, you fail to obey Me and to carry out all these commandments,
15 ULB ary raha mandà ireo didiko sy mankahala ireo lalàko, ary tsy mankato ireo didiko rehetra ianareo, fa hivadihanareo ny fanekeko— BSB BSB: and if you reject My statutes, despise My ordinances, and neglect to carry out all My commandments, and so break My covenant,
16 ULB —raha manao ireo zavatra ireo ianareo, dia hanao izao aminareo Aho: Hampisy horohoro aminareo Aho, aretina sy tazo izay hanimba ny maso sy hanimba ny ainareo. Hamboly ireo voa ho zava-poana ianareo, satria ireo fahavalonareo no hihinana ny vokany. BSB BSB: then this is what I will do to you: I will bring upon you sudden terror, wasting disease, and fever that will destroy your sight and drain your life. You will sow your seed in vain, because your enemies will eat it.
17 ULB Hanandrina ny tavako hanohitra anareo Aho, ary hanjakan'ireo fahavalonareo tanteraka ianareo. Hanapaka anao ireo lehilahy izay mankahala anao, dia handositra ianao, na dia tsy misy na iray aza manenjika anao. BSB BSB: And I will set My face against you, so that you will be defeated by your enemies. Those who hate you will rule over you, and you will flee when no one pursues you.
18 ULB Raha tsy mihaino ireo didiko ianareo, dia hanafay am-pahasiahana anareo im-pito nohon'ny fahotanareo Aho. BSB BSB: And if after all this you will not obey Me, I will proceed to punish you sevenfold for your sins.
19 ULB Handrava ny avonavonareo anatin'ny herinareo Aho. Hanao ny lanitra eo amboninareo ho toy ny vy Aho ary ny taninareo tahaka ny varahina. BSB BSB: I will break down your stubborn pride and make your sky like iron and your land like bronze,
20 ULB Hampiasaina amin'ny zava-poana ny tanjakareo, satria tsy hamokatra ny vokany ny taninareo, ary ireo hazo ao amin'ny tany dia tsy hamokatra ireo voany. BSB BSB: and your strength will be spent in vain. For your land will not yield its produce, and the trees of the land will not bear their fruit.
22 ULB Handefa ireo biby mandoza hanohitra anareo Aho, izay hangalatra ireo zanakareo, handrava ny biby fiompinareo, ary hahavitsy isa anareo. Ka ho tonga ngazana ny lalanareo. BSB BSB: I will send wild animals against you to rob you of your children, destroy your livestock, and reduce your numbers, until your roads lie desolate.
23 ULB Na dia eo aza izany zavatra izany ka mbola tsy manaiky ny fanitsiako ihany ianareo ary mandeha manohitra Ahy hatrany, BSB BSB: And if in spite of these things you do not accept My discipline, but continue to walk in hostility toward Me,
24 ULB dia handeha hanohitra anareo ihany koa Aho, dia Izaho mihitsy no hanafay anareo im-pito noho ireo fahotanareo. BSB BSB: then I will act with hostility toward you, and I will strike you sevenfold for your sins.
25 ULB Hitondra sabatra eo aminareo Aho izay hanatanteraka ny famaliana nohon'ny fivadihana tamin'ny fanekeko. Hangonina miaraka ao an-tanànareo ianareo, dia handefa aretina eo aminareo any Aho, dia hatolotra ho eo an-tanan'ireo fahavalonareo ianareo. BSB BSB: And I will bring a sword against you to execute the vengeance of the covenant. Though you withdraw into your cities, I will send a plague among you, and you will be delivered into the hand of the enemy.
26 ULB Rehefa hotapahiko ny sakafo vatsinareo, dia vehivavy folo dia hahavita hanendy ny mofonareo anaty lafaoro iray, dia hizara ny mofonareo ara-danja izy ireo. Hihinana ianareo fa tsy ho afa-po. BSB BSB: When I cut off your supply of bread, ten women will bake your bread in a single oven and dole out your bread by weight, so that you will eat but not be satisfied.
27 ULB Raha tsy mihaino Ahy ianareo na dia eo aza ireny zavatra ireny, fa mbola mandeha manohitra Ahy hatrany, BSB BSB: But if in spite of all this you do not obey Me, but continue to walk in hostility toward Me,
28 ULB dia handeha hanohitra anareo amim-pahatezerana hatrany Aho, ary hanafay anareo im-pito avo heny mihoatra nohon'ny fahotanareo. BSB BSB: then I will walk in fury against you, and I, even I, will punish you sevenfold for your sins.
29 ULB Hihinana ny nofon'ireo zanakareo lahy ianareo; hihinana ny nofon'ireo zanakareo vavy ianareo. BSB BSB: You will eat the flesh of your own sons and daughters.
30 ULB Handrava ireo fitoeranareo avo Aho, hanapaka ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra, ary hanary ny fatinareo eo ambonin'ny fatin'ireo sampinareo, dia Izaho mihitsy no hankahala anareo. BSB BSB: I will destroy your high places, cut down your incense altars, and heap your lifeless bodies on the lifeless remains of your idols; and My soul will despise you.
31 ULB Hamadika ireo tanànanareo ho faharavana Aho ary handrava ireo fitoeranareo masina. Tsy ho faly amin'ny hanitrin'ireo fanatitrareo Aho. BSB BSB: I will reduce your cities to rubble and lay waste your sanctuaries, and I will refuse to smell the pleasing aroma of your sacrifices.
32 ULB Handrava ny taninareo Aho. Ireo fahavalonareo izay honina any dia ho talanjona amin'ny faharavana. BSB BSB: And I will lay waste the land, so that your enemies who dwell in it will be appalled.
33 ULB Hampiely anareo manerana ireo firenena Aho, ary hanatsoaka ny sabatro sy hanaraka anareo Aho. Hilaozana ny taninareo, ary ho ravana ireo tanànanareo. BSB BSB: But I will scatter you among the nations and will draw out a sword after you as your land becomes desolate and your cities are laid waste.
34 ULB Dia hitia ny Sabatany ny tany mandritra ny handriany ho lao ary ho ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo. Mandritr'izany fotoana izany, hitsahatra ny tany ka hitia ireo Sabatany. BSB BSB: Then the land shall enjoy its Sabbaths all the days it lies desolate, while you are in the land of your enemies. At that time the land will rest and enjoy its Sabbaths.
35 ULB Raha mbola handry ho lao izany, dia hanana fitsaharana, izay ho fitsaharana tsy azony tamin'ny Sabatanareo, rehefa nonina tao ianareo. BSB BSB: As long as it lies desolate, the land will have the rest it did not receive during the Sabbaths when you lived in it.
36 ULB Ary ny amin'ny sasany aminareo izay navela any amin'ny tanin'ireo fahavalonareo, dia handefa tahotra amin'ny fonareo Aho ka na dia ravina voatsokan'ny rivotra aza dia hanaitra anareo, dia handositra tahaka ny hoe nitsoaka amin'ny sabatra ianareo. Hianjera ianao, na dia tsy misy na iza na iza manenjika aza. BSB BSB: As for those of you who survive, I will send a faintness into their hearts in the lands of their enemies, so that even the sound of a windblown leaf will put them to flight. And they will flee as one flees the sword, and fall when no one pursues them.
37 ULB Ho tafintohina eo amin'ny tsirairay tahaka ny hoe mandosi-tsabatra ianareo, na dia tsy misy na iza na iza aza manenjika anareo. Tsy hanana hery hitsanganana manoloana ireo fahavalonareo ianareo. BSB BSB: They will stumble over one another as before the sword, though no one is behind them. So you will not be able to stand against your enemies.
38 ULB Ho faty any amin'ireo firenena ianareo, ary handrapaka anareo ireo tanin'ny fahavalonareo. BSB BSB: You will perish among the nations, and the land of your enemies will consume you.
39 ULB Ireo izay sisa tavela aminareo dia ho very ao anatin'ny fahotan'izy ireo, ao amin'ny tanin'ireo fahavalonareo, ary noho ireo heloky ny razamben'izy ireo dia hihaosa izy ireo. BSB BSB: Those of you who survive in the lands of your enemies will waste away in their iniquity and will decay in the sins of their fathers.
40 ULB Fa raha miaiky ireo fahotany sy ny fahotan'ireo razambeny izy ireo, sy ireo famadihana izay tsy nahatokisana tamiko, ary koa ny fandehanana manohitra Ahy— BSB BSB: But if they will confess their iniquity and that of their fathers in the unfaithfulness that they practiced against Me, by which they have also walked in hostility toward Me—
41 ULB izay nahatonga Ahy hivadika amin'izy ireo ary nitondrako azy ireo tany amin'ny tanin'ireo fahavalony— raha mietry ny fo tsy voaforan'izy ire, ary raha manaiky ny famaizako ho an'ireo fahotany izy ireo, BSB BSB: and I acted with hostility toward them and brought them into the land of their enemies—and if their uncircumcised hearts will be humbled and they will make amends for their iniquity,
42 ULB dia hotsaroiko ny fanekeko niaraka tamin'i Jakoba, ny fanekeko niaraka tamin'i Isaka, ary ny fanekeko niaraka tamin'i Abrahama; hotsaroiko ihany koa ny tany. BSB BSB: then I will remember My covenant with Jacob and My covenant with Isaac and My covenant with Abraham, and I will remember the land.
43 ULB Hilaozan'izy ireo ny tany, ka ho faly miaraka amin'ny Sabatany izany mandritra ny handriany ho lao tsy misy azy ireo. Ka tsy maintsy hanonitra ho an'ireo otany izy ireo satria izy ireo mihitsy no nandà ireo fitsipiko sy nankahala ireo lalàko. BSB BSB: For the land will be abandoned by them, and it will enjoy its Sabbaths by lying desolate without them. And they will pay the penalty for their iniquity, because they rejected My ordinances and abhorred My statutes.
44 ULB Fa na dia eo aza izany rehetra izany, rehefa any an-tanin'ireo fahavalony izy ireo, dia tsy hanary azy ireo Aho, na hankahala azy ka handrava tanteraka azy ireo sy hanafoana ny fanekeko niaraka tamin'izy ireo, fa Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: Yet in spite of this, when they are in the land of their enemies, I will not reject or despise them so as to destroy them and break My covenant with them; for I am the LORD their God.
45 ULB Fa hotsaroiko ho azy ireo ny fanekena niaraka tamin'ireo razambeny, izay nentiko nivoaka ny tany Egypta teo imason'ireo firenena, mba ho Andriamanitr'izy ireo Aho. Izaho no Yaveh." BSB BSB: But for their sake I will remember the covenant with their fathers, whom I brought out of the land of Egypt in the sight of the nations, that I might be their God. I am the LORD.”
46 ULB Ireo no didy, fitsipika, ary lalàna izay nataon'i Yaveh teo Aminy sy ny vahoakan'Israely tany an-tendrombohitr'i Sinay tamin'ny alalan'i Mosesy. BSB BSB: These are the statutes, ordinances, and laws that the LORD established between Himself and the Israelites through Moses on Mount Sinai.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.