1 ULB Niteny tamin'i Mosesy Yaveh ka nanao hoe: BSB BSB: Then the LORD said to Moses,
2 ULB "Mitenena amin'ny vahoakan'Israely ka lazao izy ireo hoe: 'Raha misy olona manao voady miavaka amin'i Yaveh, dia ampiasao ireo tombam-bidy mifanaraka aminy. BSB BSB: “Speak to the Israelites and say to them, ‘When someone makes a special vow to the LORD involving the value of persons,
3 ULB Ny fenitry ny tombanao ho an'ny lahy manomboka amin'ny roapolo ka hatramin'ny enimpolo taona dia tsy maintsy sekely volafotsy dimapolo, araka ny sekelin'ny fitoerana masina. BSB BSB: if the valuation concerns a male from twenty to sixty years of age, then your valuation shall be fifty shekels of silver, according to the sanctuary shekel.
4 ULB Ho an'ny vavy amin'izany taona izany ihany dia sekely telopolo ny fenitry ny tombanao. BSB BSB: Or if it is a female, then your valuation shall be thirty shekels.
5 ULB Ny fenitry ny tombanao amin'ny dimy hatramin'ny roapolo taona dia tsy maintsy sekely roapolo, ary ho an'ny vavy dia sekely folo. BSB BSB: And if the person is from five to twenty years of age, then your valuation for the male shall be twenty shekels, and for the female ten shekels.
6 ULB Ny fenitry ny tombanao ho an'ny lahy iray volana hatramin'ny dimy taona dia tsy maintsy sekely volafotsy dimy, ary sekely volafotsy telo ho an'ny vavy. BSB BSB: Now if the person is from one month to five years of age, then your valuation for the male shall be five shekels of silver, and for the female three shekels of silver.
7 ULB Ny fenitry ny tombanao ho an'ny lahy enimpolo taona no miakatra dia tsy maintsy sekely dimy ambin'ny folo, ary ho an'ny vavy dia sekely folo. BSB BSB: And if the person is sixty years of age or older, then your valuation shall be fifteen shekels for the male and ten shekels for the female.
8 ULB Nefa raha tsy afaka ny handoa ny fenitry ny tombana ilay olona manao ny voady, dia tsy maintsy aseho any amin'ny mpisorona ilay olona atolotra, ary hanombana izany olona izany amin'ny vidiny zakan'ilay manao ny voady ny mpisorona. BSB BSB: But if the one making the vow is too poor to pay the valuation, he is to present the person before the priest, who shall set the value according to what the one making the vow can afford.
9 ULB Raha misy olona maniry hanao sorona biby ho an'i Yaveh, ka raha eken'i Yaveh izany, dia ho voatokana ho Azy izany biby izany. BSB BSB: If he vows an animal that may be brought as an offering to the LORD, any such animal given to the LORD shall be holy.
10 ULB Aoka ilay olona tsy hanova na hamadika biby toy izany, ny tsara ho amin'ny ratsy na ny ratsy ho amin'ny tsara. Raha mampifamadika biby iray ho amin'ny iray hafa izy, dia samy tonga masina na izany na ny iray izay nampifamadihana taminy. BSB BSB: He must not replace it or exchange it, either good for bad or bad for good. But if he does substitute one animal for another, both that animal and its substitute will be holy.
11 ULB Kanefa, raha toa ka maloto ilay nanaovan'ilay olona voady homena an'i Yaveh, mba tsy haneken'i Yaveh izany, dia tsy maintsy hitondra ilay biby any amin'ny mpisorona ilay olona. BSB BSB: But if the vow involves any of the unclean animals that may not be brought as an offering to the LORD, the animal must be presented before the priest.
12 ULB Hanombana izany ny mpisorona, araka ny tombana ivarotana ny biby. Na inona na inona tombana apetraky ny mpisorona amin'ilay biby, dia izany no ho tombany. BSB BSB: The priest shall set its value, whether high or low; as the priest values it, the price will be set.
13 ULB Raha maniry ny hanavotra izany ny tompony, dia manampy avo dimy henin'ny tombam-bidiny ao amin'ny vidim-panavotan'izany. BSB BSB: If, however, the owner decides to redeem the animal, he must add a fifth to its value.
14 ULB Rehefa manokana ny tranony ho fanomezana masina ho an'i Yaveh ny lehilahy iray, dia hanombana izany ny mpisorona na ho tsara na ho ratsy. Na inona na inona anombanan'ny mpisorona izany, dia izany no ho izy. BSB BSB: Now if a man consecrates his house as holy to the LORD, then the priest shall value it either as good or bad. The price will stand just as the priest values it.
15 ULB Nefa raha maniry hanavotra izany ny tompony izay nanokana ny fonenany, dia tsy maintsy manampy iray ampahadimin'ny tombam-bidiny ao amin'ny vidim-panavotan'izany izy, ka ho azy izany. BSB BSB: But if he who consecrated his house redeems it, he must add a fifth to the assessed value, and it will belong to him.
16 ULB Raha manokana ny sasany amin'ny taniny ihany ny lehilahy iray, dia ho arakaraka ny lanjan'ny voa ilaina volena amin'izany no ho tombam-bidiny_vary hordea iray homera ho tombanana sekely volafotsy dimapolo. BSB BSB: If a man consecrates to the LORD a parcel of his land, then your valuation shall be proportional to the seed required for it—fifty shekels of silver for every homer of barley seed.
17 ULB Raha toa ka manokana ny sahany mandritra ny taon-jobily izy, dia hijanona amin'izany ihany ny tombam-bidiny. BSB BSB: If he consecrates his field during the Year of Jubilee, the price will stand according to your valuation.
18 ULB Kanefa raha manokana ny sahany aorian'ny taon-jobily kosa izy, dia aoka hokajian'ny mpisorona ny tomban'ny saha araka ny isan'ny taona sisa mandra-pahatongan'ny taon-jobily manaraka, ary tsy maintsy hahena ny tombam-bidin'izany. BSB BSB: But if he consecrates his field after the Jubilee, the priest is to calculate the price in proportion to the years left until the next Year of Jubilee, so that your valuation will be reduced.
19 ULB Raha maniry hanavotra ny saha ilay lehilahy izay nanokana izany, dia tsy maintsy manampy iray ampahadimin'ny tombam-bidiny izy, ka ho azy izany. BSB BSB: And if the one who consecrated the field decides to redeem it, he must add a fifth to the assessed value, and it shall belong to him.
20 ULB Raha tsy hanavotra ny saha kosa izy, na efa novarotany tamin'olon-kafa ilay saha, dia tsy azo avotana intsony izany. BSB BSB: If, however, he does not redeem the field, or if he has sold it to another man, it may no longer be redeemed.
21 ULB Fa kosa, ilay saha, rehefa avoaka amin'ny taon-jobily, dia ho fanomezana masina ho an'i Yaveh izany, tahaka ny saha izay efa natolotra tanteraka ho an'i Yaveh. Ho an'ny mpisorona izany. BSB BSB: When the field is released in the Jubilee, it will become holy, like a field devoted to the LORD; it becomes the property of the priests.
22 ULB Raha manokana saha izay avy novidiany ny lehilahy iray, kanefa tsy anisan'ny tanin-drazany izany saha izany, BSB BSB: Now if a man consecrates to the LORD a field he has purchased, which is not a part of his own property,
23 ULB dia ho vinavinain'ny mpisorona ny tombam-bidin'izany hatramin'ny taon-jobily, ka tsy maintsy aloan'ilay lehilahy ho fanomezana masina ho an'i Yaveh ny tomban'izany amin'izany andro izany. BSB BSB: then the priest shall calculate for him the value up to the Year of Jubilee, and the man shall pay the assessed value on that day as a sacred offering to the LORD.
24 ULB Amin'ny taon-jobily, dia hiverina any amin'ilay lehilahy izay nividianana izany ny tany, any amin'ny tompon'ny tany. BSB BSB: In the Year of Jubilee the field shall return to the one from whom it was bought—the original owner of the land.
25 ULB Ny tombam-bidy rehetra dia tsy maintsy atao araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina. Tsy maintsy gera roapolo no mifandraika amin'ny sekely iray. BSB BSB: Every valuation will be according to the sanctuary shekel, twenty gerahs to the shekel.
26 ULB Tsy misy mahazo manokana ny voalohan-teraka amin'ny biby, satria ny voalohan-teraka dia efa an'i Yaveh; na omby na ondry, an'i Yaveh izany. BSB BSB: But no one may consecrate a firstborn of the livestock, because a firstborn belongs to the LORD. Whether it is an ox or a sheep, it is the LORD’s.
27 ULB Raha toa ka biby maloto izany, dia mahazo mividy izany amin'ny tombam-bidiny indray ilay tompony, ary tsy maintsy manampy iray ampahadimin'ny tomban'izany. Fa raha tsy avotra kosa ilay biby, dia ho amidy amin'ny tombany voatondro izany. BSB BSB: But if it is among the unclean animals, then he may redeem it according to your valuation and add a fifth of its value. If it is not redeemed, then it shall be sold according to your valuation.
28 ULB Fa tsy misy zavatra izay atokan'ny lehilahy iray ho an'i Yaveh, avy amin'izay rehetra ananany, na olombelona na biby, na ny tanin-drazany, ka afaka amidy na avotana. Izay rehetra natokana dia masina indrindra ho an'i Yaveh. BSB BSB: Nothing that a man sets apart to the LORD from all he owns—whether a man, an animal, or his inherited land—can be sold or redeemed; everything so devoted is most holy to the LORD.
29 ULB Tsy misy vidim-panavotana azo aloa ho an'ny olona izay voatokana ho amin'ny faharavana. Tsy maintsy vonoina izany olona izany. BSB BSB: No person set apart for destruction may be ransomed; he must surely be put to death.
30 ULB Ny ampahafolon'ny vokatra rehetran'ny tany, na voly eny amin'ny tany izany na vokatra avy amin'ny hazo, dia an'i Yaveh. Masina ho an'i Yaveh izany. BSB BSB: Thus any tithe from the land, whether from the seed of the land or the fruit of the trees, belongs to the LORD; it is holy to the LORD.
31 ULB Raha hanavotra ny ampahafolom-bokany ny lehilahy iray, dia tsy maintsy manampy avo dimy heny amin'ny tomban'izany izy. BSB BSB: If a man wishes to redeem part of his tithe, he must add a fifth to its value.
32 ULB Raha ny amin'ny ampahafolon'ny omby na ondry, na inona na inona mandalo eo ambany tsorakazon'ny mpiandry ondry, ny iray ampahafolon'izany dia tsy maintsy atokana ho an'i Yaveh. BSB BSB: Every tenth animal from the herd or flock that passes under the shepherd’s rod will be holy to the LORD.
33 ULB Aoka tsy hitady ny biby tsara na ny ratsy ny mpiandry, ary aoka izy tsy hampifamadika izany. Raha toa ka manakalo izany izy, dia samy masina avokoa na izany na ilay takalony. Tsy azo avotana izany.'" BSB BSB: He must not inspect whether it is good or bad, and he shall not make any substitution. But if he does make a substitution, both the animal and its substitute shall become holy; they cannot be redeemed.’”
34 ULB Ireo avy no didy izay nomen'i Yaveh ho an'i Mosesy ho an'ny vahoakan'Israely tany an-Tendrombohitra Sinay. BSB BSB: These are the commandments that the LORD gave to Moses for the Israelites on Mount Sinai.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.