1 ULB Niteny tamin'i Mosesy teo amin'ny trano-lay fihaonana tany an-tany efitr'i Sinay i Yaveh. Nitranga izany tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa nandritra ny taona faharoa taorian'ny nivoahan'ny vahoakan'Israely avy tany amin'ny tany Egypta. Hoy i Yaveh: BSB BSB: On the first day of the second month of the second year after the Israelites had come out of the land of Egypt, the LORD spoke to Moses in the Tent of Meeting in the Wilderness of Sinai. He said:
2 ULB "Mitaria fanisam-bahoaka amin'ireo lehilahin'Israely rehetra isan'antokony, ao amin'ny fianakavian-drain'izy ireo. Isao amin'ny anarany izy ireo. Isao ny lahy rehetra, ny lehilahy tsirairay avy BSB BSB: “Take a census of the whole congregation of Israel by their clans and families, listing every man by name, one by one.
3 ULB izay roapolo taona na mihoatra. Isao daholo ireo izay afaka miady ho miaramila ho an'i Israely. Aoka ho raketinao sy Arona an-tsoratra ny isan'ireo lehilahy amin'ny vondron'izy ireo mitam-piadiana. BSB BSB: You and Aaron are to number those who are twenty years of age or older by their divisions—everyone who can serve in Israel’s army.
4 ULB Lehilahy iray avy amin'ny foko tsirairay avy, lohan'antoko iray, no aoka hanompo miaraka aminao ho mpitari-pokony. Ny mpitarika tsirairay avy dia tsy maintsy mitarika ireo lehilahy izay hiady ho an'ny fokony. BSB BSB: And one man from each tribe, the head of each family, must be there with you.
5 ULB Ireto ny anaran'ireo mpitarika izay tsy maintsy miady miaraka aminao: Avy amin'ny fokon'i Robena, Elizora zanak'i Sedeora; BSB BSB: These are the names of the men who are to assist you: From the tribe of Reuben, Elizur son of Shedeur;
6 ULB avy amin'ny fokon'i Simeona, Selomiela zanak'i Zorisaday; BSB BSB: from Simeon, Shelumiel son of Zurishaddai;
7 ULB avy amin'ny fokon'i Joda, Nasona zanak'i Aminadaba; BSB BSB: from Judah, Nahshon son of Amminadab;
8 ULB avy amin'ny fokon'i Isakara, Netanela zanak'i Zoara; BSB BSB: from Issachar, Nethanel son of Zuar;
9 ULB avy amin'ny fokon'i Zebolona, Eliaba zanak'i Helona; BSB BSB: from Zebulun, Eliab son of Helon;
10 ULB avy amin'ny fokon'i Efraima zanak'i Josefa, Elisama zanak'i Ahimoda; avy amin'ny fokon'i Manase, Gamaliela zanak'i Pedazora; BSB BSB: from the sons of Joseph: from Ephraim, Elishama son of Ammihud, and from Manasseh, Gamaliel son of Pedahzur;
11 ULB avy amin'ny fokon'i Benjamina, Abidana zanak'i Gideony; BSB BSB: from Benjamin, Abidan son of Gideoni;
12 ULB avy amin'ny fokon'i Dana, Ahiezera zanak'i Amisaday; BSB BSB: from Dan, Ahiezer son of Ammishaddai;
13 ULB avy amin'ny fokon'i Asera, Fagiela zanak'i Okrana; BSB BSB: from Asher, Pagiel son of Ocran;
14 ULB avy amin'ny fokon'i Gada, Eliasafa zanak'i Doela; BSB BSB: from Gad, Eliasaph son of Deuel;
15 ULB ary avy amin'ny fokon'i Naftaly, Ahira zanak'i Enana." BSB BSB: and from Naphtali, Ahira son of Enan.”
16 ULB Ireo no lehilahy voatondro teo amin'ny olona. Nitarika ny fokon'ny razambeny izy ireo. Izy ireo no mpitarika ireo antoko tao Israely. BSB BSB: These men were appointed from the congregation; they were the leaders of the tribes of their fathers, the heads of the clans of Israel.
17 ULB Nalain'i Mosesy sy Arona ireo lehilahy ireo, izay noraketina an-tsoratra araka ny anarana, BSB BSB: So Moses and Aaron took these men who had been designated by name,
18 ULB ary niaraka tamin'ireo lehilahy ireo dia nangonin'izy ireo ny lehilahy rehetra tamin'Israely tamin'ny andro voalohan'ny volana faharoa. Ary ny lehilahy roapolo taona na mihoatra tsirairay avy dia namantatra ny razambeny. Tsy maintsy nanome anarana ireo antoko sy fianakaviana taranaka avy amin'ny razambeny izy. BSB BSB: and on the first day of the second month they assembled the whole congregation and recorded their ancestry by clans and families, counting one by one the names of those twenty years of age or older,
19 ULB Dia noraketin'i Mosesy an-tsoratra ny isan'izy ireo tany an-tany efitr'i Sinay, araka ny nandidian'i Yaveh hataony. BSB BSB: just as the LORD had commanded Moses. So Moses numbered them in the Wilderness of Sinai:
20 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Robena, lahimatoan'i Israely, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Reuben, the firstborn of Israel, according to the records of their clans and families, counting one by one the names of every male twenty years of age or older who could serve in the army,
21 ULB Niisa 46. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Robena. BSB BSB: those registered to the tribe of Reuben numbered 46,500.
22 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Simeona, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Simeon, according to the records of their clans and families, counting one by one the names of every male twenty years of age or older who could serve in the army,
23 ULB Niisa 59. 300 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Simeona. BSB BSB: those registered to the tribe of Simeon numbered 59,300.
24 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Gada, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Gad, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
25 ULB Niisa 45. 650 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Gada. BSB BSB: those registered to the tribe of Gad numbered 45,650.
26 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Joda, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Judah, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
27 ULB Niisa 74. 600 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Joda. BSB BSB: those registered to the tribe of Judah numbered 74,600.
28 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Isakara, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Issachar, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
29 ULB Niisa 54. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Isakara. BSB BSB: those registered to the tribe of Issachar numbered 54,400.
30 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Zebolona, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Zebulun, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
31 ULB Niisa 57. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Zebolona. BSB BSB: those registered to the tribe of Zebulun numbered 57,400.
32 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Efraima, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny fianakaviam-ben'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Joseph: From the sons of Ephraim, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
33 ULB Niisa 40. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Efraima. BSB BSB: those registered to the tribe of Ephraim numbered 40,500.
34 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Manase, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: And from the sons of Manasseh, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
35 ULB Niisa 32. 200 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Manase. BSB BSB: those registered to the tribe of Manasseh numbered 32,200.
36 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Benjamina, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Benjamin, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
37 ULB Niisa 35. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Benjamina. BSB BSB: those registered to the tribe of Benjamin numbered 35,400.
38 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady avy amin'ny taranak'i Dana, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Dan, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
39 ULB Niisa 62. 700 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Dana. BSB BSB: those registered to the tribe of Dan numbered 62,700.
40 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady rehetra avy amin'ny taranak'i Asera, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Asher, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
41 ULB Niisa 41. 500 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Asera. BSB BSB: those registered to the tribe of Asher numbered 41,500.
42 ULB Nisaina ny anaran'ny lehilahy rehetra izay roapolo taona na mihoatra afaka mandeha an'ady rehetra avy amin'ny taranak'i Naftaly, avy amin'ny firaketana an-tsoratra ny antokon'ireo razambeny sy ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: From the sons of Naphtali, according to the records of their clans and families, counting the names of all those twenty years of age or older who could serve in the army,
43 ULB Niisa 53. 400 lahy izy ireo avy amin'ny fokon'i Naftaly. BSB BSB: those registered to the tribe of Naphtali numbered 53,400.
44 ULB Niara-nanisa ireo lehilahy rehetra ireo, niaraka tamin'ny lehilahy roa ambin'ny folo izay nitarika ny foko roa ambin'ny folon'i Israely i Mosesy sy Arona. BSB BSB: These were the men numbered by Moses and Aaron, with the assistance of the twelve leaders of Israel, each one representing his family.
45 ULB Ka ireo lehilahin'Israely roapolo taona na mihoatra rehetra, ireo rehetra afaka miady any an'ady, dia nisaina tsirairay tamin'ny fianakavian'izy ireo. BSB BSB: So all the Israelites twenty years of age or older who could serve in Israel’s army were counted according to their families.
46 ULB Niisa 603. 550 lahy izy ireo. BSB BSB: And all those counted totaled 603,550.
47 ULB Fa tsy nisaina ireo lehilahy izay taranak'i Levy, BSB BSB: The Levites, however, were not numbered along with them by the tribe of their fathers.
48 ULB satria nilaza tamin'i Mosesy i Yaveh hoe:" BSB BSB: For the LORD had said to Moses:
49 ULB Tsy mahazo manisa ny fokon'i Levy ianao na mampiditra azy amin'ny tamba-ben'ny vahoakan'i Israely. BSB BSB: “Do not number the tribe of Levi in the census with the other Israelites.
50 ULB Fa kosa, tendreo ireo Levita hitandrina ny tabernakelin'ny didim-panekena, sy hikarakara ny fanaka rehetra ao amin'ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao amin'izany. Aoka hilanja ny tabernakely ny Levita, ary aoka hitondra ireo fanaky ny tabernakely izy ireo. Aoka hikarakara ny tabernakely sy hitoby manodidina izany izy ireo. BSB BSB: Instead, you are to appoint the Levites over the tabernacle of the Testimony, all its furnishings, and everything in it. They shall carry the tabernacle and all its articles, care for it, and camp around it.
51 ULB Rehefa mila afindra ho amin'ny toeran-kafa ny tabernakely, dia aoka hanala izany ny Levita. Rehefa tokony hapetraka ny tabernakely, dia aoka hametraka izany ny Levita. Izay olon-kafa manatona ny tabernakely dia tsy maintsy ho faty. BSB BSB: Whenever the tabernacle is to move, the Levites are to take it down, and whenever it is to be pitched, the Levites are to set it up. Any outsider who goes near it must be put to death.
52 ULB Rehefa mametraka ireo lainy ny vahoakan'Israely, dia aoka anao izany eo akaikin'ny faneva izay an'ny vondrony mitam-piadiana ny lehilahy tsirairay avy. BSB BSB: The Israelites are to camp by their divisions, each man in his own camp and under his own standard.
53 ULB Na izany aza, aoka hametraka ny lainy manodidina ny tabernakelin'ny didim-panekena ny Levita mba tsy ho tonga amin'ny vahoakan'ny Israely ny fahatezerako. Aoka tsy hikarakara ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekem-pihavanana ny Levita." BSB BSB: But the Levites are to camp around the tabernacle of the Testimony and watch over it, so that no wrath will fall on the congregation of Israel. So the Levites are responsible for the tabernacle of the Testimony.”
54 ULB Nanao izany zavatra rehetra izany ny vahoakan'Israely. Nataon'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy. BSB BSB: Thus the Israelites did everything just as the LORD had commanded Moses.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.