1 ULB "Indro, efa mby handefa ny irako Aho, ary izy dia hanomana ny lalana eo anoloako. Ka dia ho avy tampoka ao amin'ny tempoliny ny Tompo izay tadiavinareo. Ilay iraky ny fanekena izay hankasitrahanareo, indro, ho avy izy," hoy Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: “Behold, I will send My messenger, who will prepare the way before Me. Then the Lord whom you seek will suddenly come to His temple—the Messenger of the covenant, in whom you delight—see, He is coming,” says the LORD of Hosts. 2 ULB Fa iza moa no hahavita hiaritra ny andro hahatongavany? Iza no hahavita hijoro rehefa hiseho Izy? Fa Izy dia ho tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy savony fanasam-damba. BSB BSB: But who can endure the day of His coming? And who can stand when He appears? For He will be like a refiner’s fire, like a launderer’s soap.
3 ULB Hipetraka toy ny mpandrendrika sy mpanadio volafotsy Izy, ary hanadio ireo zanaka lahin'i Levy. Handrendrika azy ireo toy ny volamena sy volafotsy Izy, ary hitondra fanatitry ny fahamarinana ho an'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: And He will sit as a refiner and purifier of silver; He will purify the sons of Levi and refine them like gold and silver. Then they will present offerings to the LORD in righteousness.
4 ULB Ary ny fanatitr'i Joda sy Jerosalema dia ho hankasitrahan'i Yaveh, tahaka ny andro fahiny, sy tahaka ny taona taloha. BSB BSB: Then the offerings of Judah and Jerusalem will please the LORD, as in days of old and years gone by.
5 ULB Dia ho avy Aho hitsara anareo. Vetivety Aho dia ho tonga vavolombelona hanohitra ireo mpisikidy, mpijangajanga, vavolombelona sandoka, ary hanohitra izay mampahory ny mpiasa amin'ny karamany, ireo izay mampijaly ny mpitondratena sy ireo kamboty, hanohitra izay nandà ny vahiny, ary hanohitra ireo izay tsy manome voninahitra Ahy," hoy Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: “Then I will draw near to you for judgment. And I will be a swift witness against sorcerers and adulterers and perjurers, against oppressors of the widowed and fatherless, and against those who defraud laborers of their wages and deny justice to the foreigner but do not fear Me,” says the LORD of Hosts.
6 ULB "Fa Izaho, Yaveh, dia mbola tsy niova; noho izany ianareo, ry zanaka lahin'i Jakoba, dia tsy ho tratra farany. BSB BSB: “Because I, the LORD, do not change, you descendants of Jacob have not been destroyed.
7 ULB Hatramin'ny andron'ireo razambenareo dia nandà ny didiko ianareo ary tsy nitandrina izany. Miverena amiko, dia hiverina aminareo Aho," hoy Yaveh Tompon'ny maro. "Fa hoy kosa ianareo hoe: 'Amin'ny fomba ahoana no hiverenanay?' BSB BSB: Yet from the days of your fathers, you have turned away from My statutes and have not kept them. Return to Me, and I will return to you,” says the LORD of Hosts. “But you ask, ‘How can we return?’
8 ULB Misy olona handroba an'Andriamanitra ve? Saingy mandroba Ahy ianareo. Fa hoy ianareo hoe: 'Tamin'ny fomba ahoana no nandrobanay anao? Tamin'ireo ampahafolon-karena sy ireo fanatitra. BSB BSB: Will a man rob God? Yet you are robbing Me! But you ask, ‘How do we rob You?’ In tithes and offerings.
9 ULB Ianareo dia voaozona, satria nandroba Ahy, ry firenena manontolo. BSB BSB: You are cursed with a curse, yet you—the whole nation—are still robbing Me.
10 ULB Ento ao amin'ny trano fitehirizana ny ampahafolon-karena feno, mba hisy sakafo ao amin'ny tranoko, ary tsapao amin'izao Aho," hoy Yaveh Tompon'ny maro, "raha tsy manokatra ny varavaran'ny lanitra aminareo Aho ary mandraraka fahasoavana eo aminareo, mandra-paha tsy misy efitra ho amin'izany rehetra izany intsony. BSB BSB: Bring the full tithe into the storehouse, so that there may be food in My house. Test Me in this,” says the LORD of Hosts. “See if I will not open the windows of heaven and pour out for you blessing without measure.
11 ULB Hiteny manohitra izay manimba ny masom-bolinareo Aho, mba tsy hanimban'izy ireo ny vokatry ny taninareo. Ireo voalobokareo eny an-tsaha dia ho vanona," hoy Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: I will rebuke the devourer for you, so that it will not destroy the fruits of your land, and the vine in your field will not fail to produce fruit,” says the LORD of Hosts.
12 ULB "Ny firenena rehetra dia hiantso anareo hoe sambatra, satria ho tany mahafinaritra ianareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: “Then all the nations will call you blessed, for you will be a land of delight,” says the LORD of Hosts.
13 ULB "Nahery tamiko ny teninareo," hoy Yaveh. "Saingy hoy ianareo hoe: 'Inona no nifampilazanay manohitra Anao?' BSB BSB: “Your words against Me have been harsh,” says the LORD. “Yet you ask, ‘What have we spoken against You?’
14 ULB Hoy ianareo hoe: 'Tsy ilaina ny manompo an'Andriamanitra. Inona ny tombontsoantsika raha nitandrina ireo fangatahiny isika na nandeha tam-pisaonana teo anatrehan'i Yaveh Tompon'ny maro? BSB BSB: You have said, ‘It is futile to serve God. What have we gained by keeping His requirements and walking mournfully before the LORD of Hosts?
15 ULB Koa ankehitriny isika miantso ny mpirehareha hoe sambatra. Tsy mahomby fotsiny ireo mpanao ratsy, fa mitsapa an'Andriamanitra ary mitsoaka mihintsy.'" BSB BSB: So now we call the arrogant blessed. Not only do evildoers prosper, they even test God and escape.’”
16 ULB Avy eo dia nifampiresaka ireo izay natahotra an'i Yaveh. Nifantoka tsara Yaveh ary nihaino, ary nosoratana teo anoloany ny boky fahatsiarovana momban'ireo izay natahotra an'i Yaveh sy nanome voninahitra ny anarany. BSB BSB: At that time those who feared the LORD spoke with one another, and the LORD listened and heard them. So a scroll of remembrance was written before Him regarding those who feared the LORD and honored His name.
17 ULB "Ho Ahy izy ireo" hoy Yaveh Tompon'ny maro, "fananako sarobidy, amin'ny andro izay hiasako. Hiantra azy ireo Aho, tahaka ny olona iray miantra ny zanany lahy izay manompo azy. BSB BSB: “They will be Mine,” says the LORD of Hosts, “on the day when I prepare My treasured possession. And I will spare them as a man spares his own son who serves him.
18 ULB Dia hanavaka ny olo-marina sy ny ratsy fanahy indray ianareo, eo amin'izay manompo an'Andriamanitra sy izay tsy manompo Azy. BSB BSB: So you will again distinguish between the righteous and the wicked, between those who serve God and those who do not.”