1 ULB Ary ianareo mpisorona, ho anareo ity didy ity. BSB BSB: “And now this decree is for you, O priests:
2 ULB "Raha tsy hihaino ianareo, ary raha tsy hametraka izany ao am-ponareo mba hamomezana voninahitra ny anarako ianareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro, "dia handefa hozona aminareo Aho, ary hanozona ny fahasoavanareo Aho. Eny tokoa, efa nanozona azy ireo Aho, satria tsy nataonareo tao am-ponareo ny didiko. BSB BSB: If you do not listen, and if you do not take it to heart to honor My name,” says the LORD of Hosts, “I will send a curse among you, and I will curse your blessings. Yes, I have already begun to curse them, because you are not taking it to heart.
3 ULB Indro, hiteny mafy ny taranakareo Aho, ary hanaparitaka zezika eny amin'ny tavanareo Aho, zezika avy amin'ny firavoravonareo, ary hanaisotra anareo hiaraka amin'izany Izy. BSB BSB: Behold, I will rebuke your descendants, and I will spread dung on your faces, the waste from your feasts, and you will be carried off with it.
4 ULB Dia ho fantatrareo fa efa nandefa io didy io taminareo Aho, ary ny fifanekeko dia hitohy amin'ireo Levi," hoy Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: Then you will know that I have sent you this commandment so that My covenant with Levi may continue,” says the LORD of Hosts.
5 ULB Ny fifanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana, ary nomeko azy ireo izy; nomeko tahotra izy, ary natahotra Ahy izy, ary nijoro tamin'ny tahotry ny anarako izy. BSB BSB: “My covenant with him was one of life and peace, which I gave to him; it called for reverence, and he revered Me and stood in awe of My name.
6 ULB Fampianarana marina no tao am-bavany, ary tsy nisy diso teo amin'ny molony. Niaraka tamim-piadanana sy tamim-pahamarinana tamiko izy ary niamboho tamin'ny fomba maro tamin'ny ota. BSB BSB: True instruction was in his mouth, and nothing false was found on his lips. He walked with Me in peace and uprightness, and he turned many from iniquity.
7 ULB Fa ny molotry ny mpisorona dia tokony hanam-pahalalana ary ny vahoaka dia tokony hitady fampianarana avy any am-bavany, satria mpitondra hafatr'i Yaveh Tompon'ny maro izy. BSB BSB: For the lips of a priest should preserve knowledge, and people should seek instruction from his mouth, because he is the messenger of the LORD of Hosts.
8 ULB Fa ianareo dia niala tamin'ny lalana marina. Nahatonga ny maro ho tafintohina amin'ny fanajana ny lalàna ianareo. Nandika ny fanekem-pihavanan'i Levy ianareo," hoy Yaveh Tompon'ny maro. BSB BSB: But you have departed from the way, and your instruction has caused many to stumble. You have violated the covenant of Levi,” says the LORD of Hosts.
9 ULB "Noho izany Izaho ihany koa, dia efa nanao anareo ho tsinontsinona sy ratsy teo anoloan'ny vahoaka rehetra, satria tsy nitandrina ny lalako ianareo, fa kosa nampiseho fanavakavahana tamin'ny fampianarana." BSB BSB: “So I in turn have made you despised and humiliated before all the people, because you have not kept My ways, but have shown partiality in matters of the law.”
10 ULB Tsy ray tokana ihany ve no antsika rehetra? Tsy Andriamanitra tokana ihany ve no nahary antsika? Nahoana isika olona tsirairay avy no kely finoana amin'ny rahalahiny, maniratsira ny faneken'ireo razambentsika? BSB BSB: Do we not all have one Father? Did not one God create us? Why then do we break faith with one another so as to profane the covenant of our fathers?
11 ULB Joda dia kely finoana. Zavatra maharikoriko no nisy tao Israely sy tao Jerosalema. Fa naniratsira ny fitoerana masin'i Yaveh izay tiany i Joda, ka nanambady ny zanaka vavin'andriamani-kafa. BSB BSB: Judah has broken faith; an abomination has been committed in Israel and in Jerusalem. For Judah has profaned the LORD’s beloved sanctuary by marrying the daughter of a foreign god.
12 ULB Aoka Yaveh hanala ireo lain'i Jakoba ilay lehilahy izay nanao izany, ilay nifoha sy ilay namaly, na dia nitondra fanatitra ho an'i Yaveh Tompon'ny maro aza izy. BSB BSB: As for the man who does this, may the LORD cut off from the tents of Jacob everyone who is awake and aware—even if he brings an offering to the LORD of Hosts.
13 ULB Ataovinareo ihany koa izao: Rakofanareo amin'ny ranomaso ny alitaran'i Yaveh, amin'ny fitomanina sy fisentoana, satria izy dia tsy mbola mitodika amin'ilay fanatitra na mandray izany amim-pankasitrahana avy eny an-tananareo. BSB BSB: And this is another thing you do: You cover the altar of the LORD with tears, with weeping and groaning, because He no longer regards your offerings or receives them gladly from your hands.
14 ULB Fa hoy ianareo hoe: "Nahoana Izy no tsy manao an'izany?" Satria Yaveh dia vavolombelona teo aminareo sy ny vady tamin'ny fahatanoranareo, tamin'izay naha kely finoana anareo, na dia mpiara-dia aminareo sy vadinareo tamin'ny alalan'ny fifanekena aza izy. BSB BSB: Yet you ask, “Why?” It is because the LORD has been a witness between you and the wife of your youth, against whom you have broken faith, though she is your companion and your wife by covenant.
15 ULB Tsy natambany ho iray ve izy ireo, miaraka amin'ny silaky ny fanahiny? Koa nahoana ianareo no nataony ho iray? Satria izy dia nitady taranaka avy amin'Andriamanitra. Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo, ary aza tsy mahatoky ny vadin'ny fahatanoranareo. BSB BSB: Has not the LORD made them one, having a portion of the Spirit? And why one? Because He seeks godly offspring. So guard yourselves in your spirit and do not break faith with the wife of your youth.
16 ULB "Fa mankahala ny fisarahana Aho," hoy Yaveh, Andriamanitr'Israely, "ary ilay manarona ny fitafiany amin'ny herisetra," hoy Yaveh Tompon'ny maro. "Koa ambeno ao amin'ny fanahinareo ny tenanareo ary aza kely finoana." BSB BSB: “For I hate divorce,” says the LORD, the God of Israel. “He who divorces his wife covers his garment with violence,” says the LORD of Hosts. So guard yourselves in your spirit and do not break faith.
17 ULB Nandreraka an'i Yaveh tamin'ny teninareo ianareo. Fa hoy ianareo hoe: "Ahoana no nandrerahanay Azy?" Tamin'ny fitenenana hoe: "Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Yaveh, ary mankasitraka azy ireo Izy," na hoe: "Aiza ny Andriamanitry ny fahamarinana?" BSB BSB: You have wearied the LORD with your words; yet you ask, “How have we wearied Him?” By saying, “All who do evil are good in the sight of the LORD, and in them He delights,” or, “Where is the God of justice?”