2 ULB Ary rehefa tonga ny andro sabata, dia nampianatra tao amin'ny synagoga Izy. Maro ny olona nandre Azy ka gaga izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Avy aiza no nahazoany ireo fampianarana ireo?" "Inona izao fahendrena izay nomena Azy izao?" "Inona ireo fahagagana izay nataony tamin'ny tanany ireo?" BSB BSB: When the Sabbath came, He began to teach in the synagogue, and many who heard Him were astonished. “Where did this man get these ideas?” they asked. “What is this wisdom He has been given? And how can He perform such miracles?
4 ULB Ary hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Tsy misy mpaminany tsy omen-kaja, afa-tsy ao amin'ny tanindrazany sy ao amin'ny havany akaiky ary ao amin'ny ankohonany manokana ihany." BSB BSB: Then Jesus said to them, “Only in his hometown, among his relatives, and in his own household is a prophet without honor.”
5 ULB Tsy afaka nanao asa mahagaga Izy, afa-tsy ny fametrahany tanana amin'ny marary vitsivitsy ary manasitrana azy ireo. BSB BSB: So He could not perform any miracles there, except to lay His hands on a few of the sick and heal them.
6 ULB Gaga nohon'ny tsy finoan'izy ireo Izy. Avy eo nandeha nanodidina ireo tanàna Izy hampianatra. BSB BSB: And He was amazed at their unbelief. And He went around from village to village, teaching the people.
7 ULB Avy eo dia niantso ireo roa ambinifolo lahy Izy ary nanomboka naniraka azy ireo tsiroaroa, ary nomeny fahefana teo amin'ny fanahy maloto izy ireo, BSB BSB: Then Jesus called the Twelve to Him and began to send them out two by two, giving them authority over unclean spirits.
8 ULB ary nandidy azy ireo tsy hitondra na inona na inona amin'ny diany, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fehin-kibon'izy ireo_ afa-tsy tehina ihany_ BSB BSB: He instructed them to take nothing but a staff for the journey—no bread, no bag, no money in their belts—
9 ULB fa hanao kapa, ary tsy hanao akanjo roa. BSB BSB: and to wear sandals, but not a second tunic.
10 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Na oviana na oviana ianareo miditra amina trano iray, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. BSB BSB: And He told them, “When you enter a house, stay there until you leave that area.
11 ULB Ary raha misy tanàna tsy mandray anareo na mihaino anareo, rehefa miala ao amin'izany toerana izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo." BSB BSB: If anyone will not welcome you or listen to you, shake the dust off your feet when you leave that place, as a testimony against them.”
12 ULB Dia niainga izy ireo ary nitory fa ny olona dia tokony hibebaka amin'ny fahotany. BSB BSB: So they set out and preached that the people should repent.
13 ULB Nandroaka demonia maro izy ireo, ary nanosotra marary maro tamin'ny diloilo ka nanasitrana azy ireny. BSB BSB: They also drove out many demons and healed many of the sick, anointing them with oil.
14 ULB Ren'i Heroda mpanjaka izany, satria lasa fanta-daza ny anaran'i Jesosy. Ny sasany nilaza hoe: "Nitsangana tamin'ny maty Jaona mpanao batisa ary noho izany, dia miasa ao anatiny ireo hery mahagaga ireo." BSB BSB: Now King Herod heard about this, for Jesus’ name had become well known, and people were saying, “John the Baptist has risen from the dead! That is why miraculous powers are at work in him.”
15 ULB Fa ireo sasany kosa nilaza hoe: "Elia Izy." Ny sasany mbola niteny hoe: "Mpaminany Izy, tahaka ny iray amin'ireo mpaminany tamin'ny andro taloha." BSB BSB: Others were saying, “He is Elijah,” and still others, “He is a prophet, like one of the prophets of old.”
16 ULB Fa rehefa nandre izany Heroda dia hoy izy hoe: "Jaona, ilay notapahiko loha, no nitsangana tamin'ny maty." BSB BSB: But when Herod heard this, he said, “John, whom I beheaded, has risen from the dead!”
17 ULB Fa Heroda no nampisambotra an'i Jaona ka nandefa azy tany an-tranomaizina nohon'ny raharaha Herodiasy (vadin'i Filipo rahalahiny), satria novadiany ravehivavy. BSB BSB: For Herod himself had ordered that John be arrested and bound and imprisoned, on account of his brother Philip’s wife Herodias, whom Herod had married.
18 ULB Fa Jaona niteny an'i Heroda hoe: "Tsy araka ny lalàna ny hanambadianao ny vadin'ny rahalahinao." BSB BSB: For John had been telling Herod, “It is not lawful for you to have your brother’s wife!”
19 ULB Fa tezitra taminy Herodiasy ka nitady izay hamonoana azy, saingy tsy afaka, BSB BSB: So Herodias held a grudge against John and wanted to kill him. But she had been unable,
20 ULB nohon'ny fatahoran'i Heroda an'i Jaona; fantany fa olo-marina sy feno fahamasinana izy, ary niaro azy izy. Nanahiran-tsaina azy ny fihenoana azy, kanefa mbola nihaino azy tamim-pifaliana izy. BSB BSB: because Herod feared John and protected him, knowing that he was a righteous and holy man. When he heard John’s words, he was greatly perplexed; yet he listened to him gladly.
21 ULB Avy eo nisy irika tamin'ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Heroda ka nanao fanasàna ho an'ireo lehibeny, sy ireo mpifehiny, ary ireo mpitariky ny Galilia izy. BSB BSB: On Herod’s birthday, her opportunity arose. Herod held a banquet for his nobles and military commanders and the leading men of Galilee.
22 ULB Dia niditra ny efitrano fanasana ny zanaka vavin'i Herodiasy ary nandihy ho azy ireo, ary nahafinaritra an'i Heroda sy ireo vahiny nasaina tamin'ny fisakafoana izy. Hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy hoe: "Angataho amiko izay rehetra tianao dia omeko anao izany." BSB BSB: When the daughter of Herodias came and danced, she pleased Herod and his guests, and the king said to the girl, “Ask me for whatever you wish, and I will give it to you.”
23 ULB Ary nianiana taminy izy nanao hoe: "Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao, hatramin'ny antsasaky ny fanjakako." BSB BSB: And he swore to her, “Whatever you ask of me, I will give you, up to half my kingdom!”
24 ULB Dia nivoaka izy ary niteny tamin'ny reniny hoe: "Inona no tokony angatahiko aminy?" Dia hoy ny reniny hoe: "Ny lohan'i Jaona mpanao Batisa." BSB BSB: Then she went out and asked her mother, “What should I request?” And her mother answered, “The head of John the Baptist.”
25 ULB Teo no ho eo dia niverina tany amin'ny mpanjaka izy, ka nangakataka, nanao hoe: "Tiako omenao ahy, izao dieny izao, eo ambony lovia ny lohan'i Jaona mpanao batisa." BSB BSB: At once the girl hurried back to the king with her request: “I want you to give me the head of John the Baptist on a platter immediately.”
26 ULB Na dia nampalahelo mafy ny mpanjaka aza izany, dia tsy afaka nandà ny fangatahany izy nohon'ny fianianana nataony sy noho ireo vahininy nasaina tamin'ny fisakafoana. BSB BSB: The king was consumed with sorrow, but because of his oaths and his guests, he did not want to refuse her.
27 ULB Noho izany dia nandidy miaramila iray avy tamin'ny mpiambina ny mpanjaka ary nandidy azy hitondra ny lohan'i Jaona ho eo aminy. Lasa ilay mpiambina ary nanapaka ny lohany tao an-tranomaizina. BSB BSB: So without delay, the king commanded that John’s head be brought in. He sent an executioner, who went and beheaded him in the prison.
28 ULB Nentiny teo ambony lovia ny lohany ary natolony an-drazazavavy, ary ilay zazavavy nanolotra izany an-dreniny. BSB BSB: The man brought John’s head on a platter and presented it to the girl, who gave it to her mother.
29 ULB Rehefa nahare izany ireo mpianany, dia tonga izy ireo ary naka ny nofony ka nametraka izany tao am-pasana. BSB BSB: When John’s disciples heard about this, they came and took his body and placed it in a tomb.
30 ULB Niverina tany amin'i Jesosy ireo apostoly ary nitantara taminy izay rehetra vitan'izy ireo sy nampianarin'izy ireo. BSB BSB: Meanwhile, the apostles gathered around Jesus and brought Him news of all they had done and taught.
31 ULB Ary hoy Izy tamin'izy ireo: "Ndeha isika ho any an'efitra ka hiala sasatra kely." Fa maro ny olona no nivezivezy, ary tsy nanam-potoana hinanana sakafo akory aza izy ireo. BSB BSB: And He said to them, “Come with Me privately to a solitary place, and let us rest for a while.” For many people were coming and going, and they did not even have time to eat.
32 ULB Dia nandeha an-tsambokely izy ireo mba ho any amin'ny tany foana. BSB BSB: So they went away in a boat by themselves to a solitary place.
33 ULB Fa izy ireo nahita azy ireo nandeha ary maro no nahafantatra azy ireo, dia niara-nihazakazaka an-tongotra avy tany amin'ny tanàna rehetra izy ireo, ary tonga teo talohan'izy ireo. BSB BSB: But many people saw them leaving and recognized them. They ran together on foot from all the towns and arrived before them.
34 ULB Rehefa tonga teny amin'ny morony izy ireo, dia nahatazana vahoaka maro Izy ary onena azy ireo Izy satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry izy ireo. Ka nanomboka nampianatra zavatra maro azy ireo Izy. BSB BSB: When Jesus stepped ashore and saw a large crowd, He had compassion on them, because they were like sheep without a shepherd. And He began to teach them many things.
35 ULB Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ireo mpianany ka nanao hoe: "Toerana foana ity ary ny andro efa madiva ho hariva sahady. BSB BSB: By now the hour was already late. So the disciples came to Jesus and said, “This is a desolate place, and the hour is already late.
36 ULB Alefao izy ireo mba handehanany any amin'ireo vohitra sy tanàna manodidina hividy hanina ho an'ny tenan'izy ireo." BSB BSB: Dismiss the crowd so they can go to the surrounding countryside and villages and buy themselves something to eat.”
37 ULB Fa namaly Izy ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Omenareo zavatra hoanina izy ireo." Dia hoy izy ireo taminy hoe: "Afaka mandeha ary mividy mofo azon'ny denaria roanjato va izahay ka hanome izany azy ireo hoanina?" BSB BSB: But Jesus told them, “You give them something to eat.” They asked Him, “Should we go out and spend two hundred denarii to give all of them bread to eat?”
38 ULB Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Firy no mofo anananareo? Mandehana ary jereo." Rehefa hitany, dia hoy izy ireo hoe: "Mofo dimy sy hazandrano roa." BSB BSB: “Go and see how many loaves you have,” He told them. And after checking, they said, “Five—and two fish.”
39 ULB Dia nandidy ny olona rehetra mba hipetraka mitsitokotoko teo amin'ny ahi-maitso Izy. BSB BSB: Then Jesus directed them to have the people sit in groups on the green grass.
40 ULB Dia nipetraka an-tokony izy ireo; an-tokony zato sy dimampolo. BSB BSB: So they sat down in groups of hundreds and fifties.
41 ULB Naka ireo mofo dimy sy hazandrano roa Izy, niandrandra ny lanitra dia nisaotra ka nizarazara ny mofo ary nanolotra izany tamin'ireo mpianatra mba homena eo anolohan'ny olona. Nozarainy ihany koa ny hazandrano roa ho an'izy rehetra. BSB BSB: Taking the five loaves and the two fish and looking up to heaven, Jesus spoke a blessing and broke the loaves. Then He gave them to His disciples to set before the people. And He divided the two fish among them all.
42 ULB Dia nihinana avokoa izy rehetra nandra-pahavoky azy ireo. BSB BSB: They all ate and were satisfied,
43 ULB Nalain'izy ireo ny sombitsombina mofo, izay nahafeno roambinifolo sobika mitafotafo, ary koa ny ambin'ireo hazandrano. BSB BSB: and the disciples picked up twelve basketfuls of broken pieces of bread and fish.
44 ULB Nisy dimy arivo ireo lehilahy nihinana ny mofo. BSB BSB: And there were five thousand men who had eaten the loaves.
46 ULB Rehefa lasa izy ireo, dia niakatra tany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka. BSB BSB: After bidding them farewell, He went up on the mountain to pray.
47 ULB Tonga ny hariva, ary efa teo afovoan'ny ranomasina ny sambokely, fa irery teny an-tanety izy. BSB BSB: When evening came, the boat was in the middle of the sea, and Jesus was alone on land.
48 ULB Ary hitany fa sahirana mafy izy ireo nivoy ny sambokely, satria nanohitra mafy azy ireo ny rivotra. Teo ho eo amin'ny ora fiambenana fahefatry ny alina dia nankeo amin'izy ireo Izy, nandeha teny ambony ranomasina, ary te-handalo teo amin'izy ireo Izy. BSB BSB: He could see that the disciples were straining to row, because the wind was against them. About the fourth watch of the night, Jesus went out to them, walking on the sea. He intended to pass by them,
49 ULB Fa rehefa nahita Azy nandeha teny ambony ranomasina izy ireo, dia noheverin'izy ireo ho matoatoa Izy ka nihiakiaka izy ireo, BSB BSB: but when they saw Him walking on the sea, they cried out, thinking He was a ghost—
50 ULB satria nahita Azy izy ireo dia raiki-tahotra. Teo no eo dia niteny tamin'izy ireo Izy ka nilaza azy ireo hoe: "Matokia! Izaho ihany ity! Aza matahotra!" BSB BSB: for they all saw Him and were terrified. But Jesus spoke up at once: “Take courage! It is I. Do not be afraid.”
51 ULB Ary niditra tao an-tsambokely niaraka tamin'izy ireo Izy, dia nitsahatra tsy nitsoka ny rivotra. Dia talanjona tanteraka izy ireo. BSB BSB: Then He climbed into the boat with them, and the wind died down. And the disciples were utterly astounded,
52 ULB Ary tsy takatry ny sain'izy ireo ny dikan'ilay mofo. Fa kosa, nihamafy ny fon'izy ireo. BSB BSB: for they had not understood about the loaves, but their hearts had been hardened.
53 ULB Rehefa tafita izy ireo, dia tonga tao Genesareta ireo ka niantsona tao. BSB BSB: When they had crossed over, they landed at Gennesaret and moored the boat.
54 ULB Ary rehefa nidina avy tao amin'ny sambokely izy ireo, avy hatrany dia fantatry ny olona tao Izy, BSB BSB: As soon as they got out of the boat, the people recognized Jesus
55 ULB ka nihazakazaka nanerana ny faritra rehetra izy ireo ary nanomboka nitondra ny marary tamin'ny fandriany tany amin'izay rehetra ren'izy ireo misy Azy. BSB BSB: and ran through that whole region, carrying the sick on mats to wherever they heard He was.
56 ULB Fa na taiza na taiza nalehany na an-tanàna, na tanàn-dehibe, na teny amin'ny vohitra kely, dia nepetrak'izy ireo teo amin'ny kianja ny marary. Niangavy Azy izy ireo mba hamela azy ireo hikasika ny rambon'akanjony, ary ireo maro izay nikasika Azy dia sitrana. BSB BSB: And wherever He went—villages and towns and countrysides—they laid the sick in the marketplaces and begged Him just to let them touch the fringe of His cloak. And all who touched Him were healed.