1 ULB Tonga teny ampitan'ny ranomasina izy ireo, tao amin'ny faritr'i Gerasena. BSB BSB: On the other side of the sea, they arrived in the region of the Gerasenes.
2 ULB Rehefa niala avy tao amin'ny sambokely Jesosy, avy hatrany dia nisy lehilahy iray azon'ny fanahy maloto nanatona Azy avy teny amin'ny fasana. BSB BSB: As soon as Jesus got out of the boat, He was met by a man with an unclean spirit, who was coming from the tombs.
3 ULB Nipetraka teny amin'ny fasana ity lehilahy ity. Tsy nisy afaka nihazona azy intsony, na dia tamin'ny rojo vy aza. BSB BSB: This man had been living in the tombs and could no longer be restrained, even with chains.
4 ULB Voafatotra imbetsaka tamin'ny gadra vy sy rojo vy izy. Notapahany ireo rojo ary potika ireo gadra vy. Tsy nisy nanana hery nifehy azy. BSB BSB: Though he was often bound with chains and shackles, he had broken the chains and shattered the shackles. Now there was no one with the strength to subdue him.
5 ULB Isak'alina sy isan'andro teny amin'ireo fasana sy teny an-tendrombohitra, dia nihiakiaka izy ary nandratra ny tenany tamin'ny vato maranitra. BSB BSB: Night and day in the tombs and in the mountains he kept crying out and cutting himself with stones.
6 ULB Rehefa nahita an'i Jesosy avy lavitra izy, dia nihazakazaka nankeo aminy ary niankohoka teo anoloany. BSB BSB: When the man saw Jesus from a distance, he ran and fell on his knees before Him.
7 ULB Ary nihiaka tamin'ny feo mahery izy hoe: "Inona moa no ifandraisako aminao, ry Jesosy, Zanak' Andriamanitra Avo Indrindra? Miangavy anao amin'ny anaran'Andriamanitra irery ihany aho, aza mampijaly ahy." BSB BSB: And he shouted in a loud voice, “What do You want with me, Jesus, Son of the Most High God? I beg You before God not to torture me!”
8 ULB Fa Izy niteny taminy hoe: "Mivoaha amin'io lehilahy io, ry fanahy maloto." BSB BSB: For Jesus had already declared, “Come out of this man, you unclean spirit!”
9 ULB Ary Izy nanontany azy hoe: "Iza no anaranao?" Ka novaliany hoe: "Legiona no anarako, satria marobe izahay." BSB BSB: “What is your name?” Jesus asked. “My name is Legion,” he replied, “for we are many.”
10 ULB Ary niangavy mafy Taminy hatrany hatrany izy tsy handroaka azy ireo any ivelan'ny faritra. BSB BSB: And he begged Jesus repeatedly not to send them out of that region.
11 ULB Ary nisy andian-kisoa niraoka teny an-tendrombohitra, BSB BSB: There on the nearby hillside a large herd of pigs was feeding.
12 ULB ary niangavy taminy izy ireo, nanao hoe: "Alefao ao amin'ireo kisoa izahay; avelao izahay hiditra ao amin'ireo." BSB BSB: So the demons begged Jesus, “Send us to the pigs, so that we may enter them.”
13 ULB Ka dia navelany izy ireo; ary nivoaka ireo fanahy maloto ka dia niditra tao amin'ireo kisoa, ary avy dia nirifatra teny amin'ny hantsana ho any an-dranomasina ireo, ary kisoa teo amin'ny roa arivo teo no maty an-dranomasina. BSB BSB: He gave them permission, and the unclean spirits came out and went into the pigs, and the herd of about two thousand rushed down the steep bank into the sea and drowned in the water.
14 ULB Nitsoaka nandositra ireo nampisakafo ny kisoa ary nitatitra ny zava-niseho tao an-tanàna sy tany ambanivohitra, ary olona maro no nivoaka hizaha ny zava-niseho. BSB BSB: Those tending the pigs ran off and reported this in the town and countryside, and the people went out to see what had happened.
15 ULB Avy eo izy ireo nankeo amin'i Jesosy ary hitan'izy ireo ilay lehilahy nitoeran'ny demonia, ilay iray izay nitoeran'ny legiona, nipetraka teo, nitafy ary vory saina; ka dia natahotra izy ireo. BSB BSB: When they came to Jesus, they saw the man who had been possessed by the legion of demons sitting there, clothed and in his right mind; and they were afraid.
16 ULB Ireo izay nahita ny zava-niseho tamin'ilay lehilahy nitoeran'ny demonia dia nitantara tamin'izy ireo ny momba izany tamin'ny antsipirihiny, ary koa nitantara momba ireo kisoa tamin'izy ireo. BSB BSB: Those who had seen it described what had happened to the demon-possessed man and also to the pigs.
17 ULB Dia nanomboka niangavy Azy izy ireo mba hialany eo amin'ny faritr'izy ireo. BSB BSB: And the people began to beg Jesus to leave their region.
18 ULB Rehefa hiakatra tao amin'ny sambokely Izy, dia niangavy taminy ilay lehilahy nitoeran'ny demonia mba hiaraka aminy. BSB BSB: As He was getting into the boat, the man who had been possessed by the demons begged to go with Him.
19 ULB Saingy tsy namela azy anefa Jesosy, fa nanao taminy hoe: "Mandehana mody any amin'ny tranonao sy ny fianakavianao ary tantarao amin'izy ireo izay nataon'ny Tompo taminao, sy ny namindrany fo taminao!" BSB BSB: But Jesus would not allow him. “Go home to your own people,” He said, “and tell them how much the Lord has done for you, and what mercy He has shown you.”
20 ULB Dia lasa nody izy ary nanomboka nanambara ny zava-dehibe izay nataon'i Jesosy taminy tany Dekapolisy, ary talanjona ny rehetra. BSB BSB: So the man went away and began to proclaim throughout the Decapolis how much Jesus had done for him. And everyone was amazed.
21 ULB Ary rehefa nandeha teny am-pita indray Jesosy, tamin'ny sambokely, dia indreo nisy vahoaka be dia be niangona nanodidina Azy, raha teo amoron'ny ranomasina iny Izy. BSB BSB: When Jesus had again crossed by boat to the other side, a large crowd gathered around Him beside the sea.
22 ULB Avy eo tonga ny iray amin'ireo mpitarika ny synagoga, atao hoe Jairo, ka raha vao nahita Azy, dia niantoraka teo an-tongony. BSB BSB: A synagogue leader named Jairus arrived, and seeing Jesus, he fell at His feet
23 ULB Nitalaho hatrany hatrany izy, nanao hoe: "Marary mafy efa ho faty ny zanako vavy. Mitalaho aminao aho, avia ary apetraho aminy ny tananao mba ho sitrana sy ho velona izy." BSB BSB: and pleaded with Him urgently, “My little daughter is near death. Please come and place Your hands on her, so that she will be healed and live.”
24 ULB Dia lasa niaraka taminy Izy, ary vahoaka be dia be no nanaraka sy nanery nanodidina Azy. BSB BSB: So Jesus went with him, and a large crowd followed and pressed around Him.
25 ULB Ary nisy vehivavy iray teo voan'ny fahaverezan-drà nandritry ny roambinifolo taona. BSB BSB: And a woman was there who had suffered from bleeding for twelve years.
26 ULB Nijaly be tokoa izy ary nitety mpitsabo maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nahita fahasitranana fa vao mainka aza niharatsy. BSB BSB: She had borne much agony under the care of many physicians and had spent all she had, but to no avail. Instead, her condition had only grown worse.
28 ULB Satria hoy izy hoe: "Raha mahakasika ny lambany fotsiny aho, dia ho sitrana." BSB BSB: For she kept saying, “If only I touch His garments, I will be healed.”
29 ULB Rehefa nikasika Azy izy, dia nijanona ny fahaverezan-drà, ary tsapany hatrany anatiny fa sitrana tamin'ny aretiny izy. BSB BSB: Immediately her bleeding stopped, and she sensed in her body that she was healed of her affliction.
30 ULB Fantatr'i Jesosy niaraka tamin'izay fa nisy hery niala avy taminy. Nitodika tany amin'ny vahoaka Izy ary niteny hoe: "Iza no nikasika ny fitafiako?" BSB BSB: At once Jesus was aware that power had gone out from Him. Turning to the crowd, He asked, “Who touched My garments?”
31 ULB Dia namaly Azy ireo mpianany hoe: "Hitanao ireo vahoaka marobe mifanesika aminao ireo, koa hoy Ianao hoe: "Iza no nikasika Ahy." BSB BSB: His disciples answered, “You can see the crowd pressing in on You, and yet You ask, ‘Who touched Me?’”
32 ULB Fa nijery ny manodidina Azy Jesosy mba hahitany izay nanao izany. BSB BSB: But He kept looking around to see who had done this.
33 ULB Ilay vehivavy, nahafantatra izay nitranga taminy, dia natahotra sy nangovitra. Nandeha izy ary niantoraka teo anoloan'i Jesosy ka nilaza taminy ny marina rehetra. BSB BSB: Then the woman, knowing what had happened to her, came and fell down before Him trembling in fear, and she told Him the whole truth.
34 ULB Dia hoy Jesosy taminy hoe: "Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao. Mandehana amin'ny fiadanana ary sitràna amin'ny aretinao." BSB BSB: “Daughter,” said Jesus, “your faith has healed you. Go in peace and be free of your affliction.”
35 ULB Raha mbola niteny Izy, dia tonga ny olona sasany avy tany amin'ny mpitarika ny synagoga, nanao hoe: "Efa maty ny zanakao. Nahoana no mbola manahirana ny mpampianatra ihany?" BSB BSB: While He was still speaking, messengers from the house of Jairus arrived and said, “Your daughter is dead; why bother the Teacher anymore?”
36 ULB Fa rehefa nandre izay nolazain'izy ireo Jesosy, dia hoy Izy tamin'ilay mpitarika ny synagoga hoe: "Aza matahotra. Minoa fotsiny ihany." BSB BSB: But Jesus overheard their conversation and said to Jairus, “Do not be afraid; just believe.”
37 ULB Ary tsy nisy navelany hiaraka aminy, afa-tsy Petera, Jakoba, ary Jaona, rahalahin'i Jakoba. BSB BSB: And He did not allow anyone to accompany Him except Peter, James, and John the brother of James.
38 ULB Tonga tany an-tranon'ilay mpitarika ny synagoga izy ireo ary nahita olona nitabataba be teo Izy; nitomany sy nidradradra mafy izy ireo. BSB BSB: When they arrived at the house of the synagogue leader, Jesus saw the commotion and the people weeping and wailing loudly.
39 ULB Rehefa niditra ny trano Izy, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty ny zaza fa matory." BSB BSB: He went inside and asked, “Why all this commotion and weeping? The child is not dead, but asleep.”
40 ULB Niomehy Azy izy ireo. Nefa navoakany tany ivelany izy rehetra ary naka ny ray sy renin'ilay zaza sy ireo izay niaraka taminy, ary niditra tao amin'ny efitra nisy ilay zaza Izy. BSB BSB: And they laughed at Him. After He had put them all outside, He took the child’s father and mother and His own companions, and went in to see the child.
42 ULB Avy hatrany dia nitsangana razazavavy ary nandeha (satria roa ambin'ny folo taona izy). Talanjona avy hatrany izy ireo. BSB BSB: Immediately the girl got up and began to walk around (she was twelve years old). And at once they were utterly astounded.
43 ULB Noraràny mafy izy ireo mba tsy hisy na iza na iza hahafantatra ny momba izao. Avy eo dia nasainy nomena hanina razazavavy. BSB BSB: Then Jesus gave strict orders that no one should know about this, and He told them to give her something to eat.