1 ULB Ary nanomboka nampianatra teo amoron'ny ranomasina indray Izy, ary nisy vahoaka be niangona nanodidina Azy. Niditra tao an-tsambokely izay teo an-dranomasina Izy, ary nipetraka tao amin'izany. Ny vahoaka rehetra kosa dia nijanona teo amoron'ny ranomasina. BSB BSB: Once again Jesus began to teach beside the sea, and such a large crowd gathered around Him that He got into a boat and sat in it, while all the people crowded along the shore.
2 ULB Nampianatra azy ireo zavatra maro tamin'ny alalan'ny fanoharana Izy, ary tao amin'ny fampianarany, dia izao no nolazainy tamin'izy ireo. BSB BSB: And He taught them many things in parables, and in His teaching He said,
3 ULB "Henoy, nisy mpamafy handeha hamafy voa. BSB BSB: “Listen! A farmer went out to sow his seed.
4 ULB Ary raha namafy izy, dia nisy voa sasany niraraka tamin'ny lalana, ka avy ireo vorona ary nihinana izany. BSB BSB: And as he was sowing, some seed fell along the path, and the birds came and devoured it.
5 ULB Ny voa sasany niraraka tamin'ny tany feno vatovato, izay tsy nisy tany firy. Tonga dia nitsimoka avy hatrany izy ireny, satria tsy lalina ny tany nisy azy. BSB BSB: Some fell on rocky ground, where it did not have much soil. It sprang up quickly because the soil was shallow.
6 ULB Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ireo, ary satria tsy nisy fakany izy ireo, dia maina. BSB BSB: But when the sun rose, the seedlings were scorched, and they withered because they had no root.
7 ULB Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany feno tsilo. Ary nitsimoka niha-lehibe ireo tsilo ireo dia nangeja azy, ka tsy namoa voa. BSB BSB: Other seed fell among thorns, which grew up and choked the seedlings, and they yielded no crop.
8 ULB Ny voa hafa niraraka tamin'ny tany tsara ka namokatra voa teo am-pitomboana ary nihamaro, ary ny sasany nitombo avo telopolo heny, ny sasany enimpolo, ary ny sasany zato." BSB BSB: Still other seed fell on good soil, where it sprouted, grew up, and produced a crop—one bearing thirtyfold, another sixtyfold, and another a hundredfold.”
9 ULB Avy eo dia hoy Izy hoe: "Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino!" BSB BSB: Then Jesus said, “He who has ears to hear, let him hear.”
10 ULB Rehefa irery Jesosy, dia nanontany Azy momba io fanoharana io ireo izay akaiky Azy sy ireo mpianany roambinifolo. BSB BSB: As soon as Jesus was alone with the Twelve and those around Him, they asked Him about the parable.
11 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Ho anareo no nanomezana ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra. Fa ho an'ireo izay any ivelany dia fanoharana avokoa, BSB BSB: He replied, “The mystery of the kingdom of God has been given to you, but to those on the outside everything is expressed in parables,
12 ULB mba amin'ny fotoana hijeren'izy ireo, eny hijery izy ireo, nefa tsy hahita, ary mba amin'ny fotoana hihainoan'izy ireo, eny handre izy ireo, nefa tsy hahafantatra izany, na koa hiodina izy ireo dia hamindra fo amin'izy ireo Andriamanitra." BSB BSB: so that, ‘they may be ever seeing but never perceiving, and ever hearing but never understanding; otherwise they might turn and be forgiven.’”
13 ULB Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Ahoana izany no hahazoanareo ireo fanoharana hafa rehetra? BSB BSB: Then Jesus said to them, “Do you not understand this parable? Then how will you understand any of the parables?
14 ULB Ilay mpamboly izay mamafy ny voa dia ilay iray izay mamafy ny teny. BSB BSB: The farmer sows the word.
15 ULB Ireto no ilay niraraka teny an-dalana, izay namafazana ny teny, fa rehefa ren'izy ireo izany, dia tonga avy hatrany Satana ary hangalatra ny teny izay voafafy tamin'izy ireo. BSB BSB: Some are like the seeds along the path, where the word is sown. As soon as they hear it, Satan comes and takes away the word that was sown in them.
16 ULB Ireto no ilay voafafy tamin'ny tany feno vatovato, izay, rehefa nandre ny teny, dia nandray izany avy hatrany tamim-pifaliana. BSB BSB: Some are like the seeds sown on rocky ground. They hear the word and at once receive it with joy.
17 ULB Tsy misy fakany ao amin'izy izy ireo, fa maharitra fotoana fohy fotsiny. Dia tonga ny fahoriana na ny fanenjehana nohon'ny teny, ka avy hatrany dia lavo izy ireo. BSB BSB: But they themselves have no root, and they remain for only a season. When trouble or persecution comes because of the word, they quickly fall away.
18 ULB Ireo hafa no ilay voafafy tamin'ny tany feno tsilo. Ren'izy ireo ny teny, BSB BSB: Others are like the seeds sown among the thorns. They hear the word,
19 ULB fa ny fanahian'izao tontolo izao, ny famitahan'ny harena, sy ny filàna ny zavatra hafa dia tafiditra ka mangeja ny teny, ka tsy mamoa vokatra izany. BSB BSB: but the worries of this life, the deceitfulness of wealth, and the desire for other things come in and choke the word, and it becomes unfruitful.
20 ULB Ary ireo izay voafafy teny amin'ny tany tsara dia ireo izay mandre ny teny ary mandray izany, ka namoa vokatra izy ireo_ telopolo, enimpolo, na avo zato henin'izay nafafy." BSB BSB: Still others are like the seeds sown on good soil. They hear the word, receive it, and produce a crop—thirtyfold, sixtyfold, or a hundredfold.”
21 ULB Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Moa entinao ao ao an-trano va ny jiro mba ho atao ao ambany sobika, na ambanin'ny farafara? Entinao miditra izany dia hataonao ambonin'ny fitoeran-jiro. BSB BSB: Jesus also said to them, “Does anyone bring in a lamp to put it under a basket or under a bed? Doesn’t he set it on a stand?
22 ULB Fa tsy misy zava-miafina izay tsy ho fantatra, ary tsy misy tsiambaratelo izay tsy hivoaka. BSB BSB: For there is nothing hidden that will not be disclosed, and nothing concealed that will not be brought to light.
23 ULB Raha misy manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino!" BSB BSB: If anyone has ears to hear, let him hear.”
24 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Mitandrema amin'ny teny izay renareo, fa arakaraky ny ohatra anoharanareo ihany, no anoharana anareo, ary ho ampiana aminareo izany. BSB BSB: He went on to say, “Pay attention to what you hear. With the measure you use, it will be measured to you, and even more will be added to you.
25 ULB Satria na iza na iza manana, dia homena betsaka kokoa izy, ary na iza na iza tsy manana, na izay ananany aza hesorina aminy." BSB BSB: For whoever has will be given more. But whoever does not have, even what he has will be taken away from him.”
26 ULB Ary hoy ihany koa Izy hoe: "Ny fanjakan' Andriamanitra dia tahaka ny olona iray mamafy ny voany amin'ny tany. BSB BSB: Jesus also said, “The kingdom of God is like a man who scatters seed on the ground.
27 ULB Matory izy amin'ny alina ary mifoha amin’ny maraina, ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, fa tsy fantany hoe ahoana. BSB BSB: Night and day he sleeps and wakes, and the seed sprouts and grows, though he knows not how.
28 ULB Ny tany dia mamoa amin'ny tenany ihany: voalohany ny rantsany, avy eo ny tahony, avy eo ny voa matoy eo amin'ny tahony. BSB BSB: All by itself the earth produces a crop—first the stalk, then the head, then grain that ripens within.
29 ULB Ary rehefa matoy ny voa dia avy hatrany izy dia handefa fijinjana, fa efa tonga ny fotoam-pijinjana." BSB BSB: And as soon as the grain is ripe, he swings the sickle, because the harvest has come.”
30 ULB Ary hoy indray Izy hoe: "Inona no azontsika ampitahana ny fanjakan'Andriamanitra, na inona no fanoharana hampiasaintsika hanazavana izany? BSB BSB: Then He asked, “To what can we compare the kingdom of God? With what parable shall we present it?
31 ULB Izany dia tahaka ny voatsinampy izay, rehefa hafafy, dia izy no voa kely indrindra amin'ny voa rehetra eto ambonin'ny tany. BSB BSB: It is like a mustard seed, which is the smallest of all seeds sown upon the earth.
32 ULB Nefa, rehefa voafafy izany, dia mitsimoka ary lasa lehibe noho ny hazo rehetra, ary mamoa rantsana vaventy, ka azon'ny voromanidina hanaovana ny tranony eo amin'ny alokalony." BSB BSB: But after it is planted, it grows to be the largest of all garden plants and puts forth great branches, so that the birds of the air nest in its shade.”
33 ULB Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny tamin'izy ireo, araka izay fahazoan’izy ireo azy, BSB BSB: With many such parables Jesus spoke the word to them, to the extent that they could understand.
34 ULB ary tsy niteny tamin'izy ireo afa-tsy tamin'ny fanoharana Izy. Saingy rehefa irery Izy, dia nohazavainy tamin'ireo mpianany manokana ny zavatra rehetra. BSB BSB: He did not tell them anything without using a parable. But privately He explained everything to His own disciples.
35 ULB Tamin'izany andro izany, rehefa tonga ny hariva, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Andeha isika hita ery am-pita." BSB BSB: When that evening came, He said to His disciples, “Let us cross to the other side.”
37 ULB Avy eo nanomboka nisy tafio-drivotra be ary ny onjan-drano nanafotra ny sambokely ka efa saika feno rano ny sambokely. BSB BSB: Soon a violent windstorm came up, and the waves were breaking over the boat, so that it was being swamped.
38 ULB Ary Jesosy irery natory teo ambodin'ny sambokely, tambonin'ny ondana. Nofohazin'izy ireo Izy, nanao hoe: "Mpampianatra o, tsy mampaninona Anao ve raha ho faty eto isika?" BSB BSB: But Jesus was in the stern, sleeping on the cushion. So they woke Him and said, “Teacher, don’t You care that we are perishing?”
39 ULB Ary nifoha Izy, dia niteny mafy tamin'ny rivotra, ary niteny tamin'ny ranomasina hoe: "Mitsahara! mitonia!" Ary nitsahatra ny rivotra, ka nisy fitoniana be. BSB BSB: Then Jesus got up and rebuked the wind and the sea. “Silence!” He commanded. “Be still!” And the wind died down, and it was perfectly calm.
40 ULB Ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no matahotra? Mbola tsy manam-pinoana foana va ianareo?" BSB BSB: “Why are you so afraid?” He asked. “Do you still have no faith?”
41 ULB Feno tahotra izy ireo ka nifampiteny hoe: "Iza moa ity, fa na dia ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?" BSB BSB: Overwhelmed with fear, they asked one another, “Who is this, that even the wind and the sea obey Him?”