1 ULB Dia nandeha tao amin'ny synagoga indray Jesosy ary nisy lehilahy maty tanana tao. BSB BSB: Once again Jesus entered the synagogue, and a man with a withered hand was there.
2 ULB Nijery akaiky Azy ny olona sasantsasany mba hahita raha hanasitrana azy amin'ny Sabata Izy mba afahan'izy ireo manameloka Azy. BSB BSB: In order to accuse Jesus, they were watching to see if He would heal on the Sabbath.
3 ULB Hoy Jesosy tamin'ilay lehilahy maty tànana hoe: "Mitsangàna ary mijoroa eto afovoan'ny olon-drehetra eto." BSB BSB: Then Jesus said to the man with the withered hand, “Stand up among us.”
4 ULB Dia niteny tamin'ny olona Izy hoe: "Ara-dalàna va ny manao soa amin'ny andro Sabata sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina, sa ny mahafaty?" Nefa izy ireo tsy nahaloa-teny. BSB BSB: And He asked them, “Which is lawful on the Sabbath: to do good or to do evil, to save life or to destroy it?” But they were silent.
5 ULB Nijery azy ireo tamim-pahatezerana Jesosy, ary nalahelo Izy nohon'ny hamafin'ny fon'izy ireo, dia niteny tamin'ilay lehilahy Izy hoe: "Ahinjiro ny tananao." Dia natsotran'ilay lehilahy ny tanany ka sitrana. BSB BSB: Jesus looked around at them with anger and sorrow at their hardness of heart. Then He said to the man, “Stretch out your hand.” So he stretched it out, and it was restored.
6 ULB Nivoaka ireo fariseo ary nikonokonona faingana niaraka tamin'ny Herodiana hitady izay fomba hamonoana Azy. BSB BSB: At this, the Pharisees went out and began plotting with the Herodians how they might kill Jesus.
7 ULB Avy eo Jesosy, niaraka tamin'ireo mpianany, nankeny an-dranomasina, ary nisy vahoaka maro nanaraka avy any Galilia sy avy any Jodia BSB BSB: So Jesus withdrew with His disciples to the sea, accompanied by a large crowd from Galilee, Judea,
8 ULB ary avy any Jerosalema sy avy any Edoma ary hatrany amin'ny onin'i Jordana sy manodidina ny Tyra sy Sidona. Rehefa nahare momba ireo zavatra nataony izy ireo, dia nisy vahoaka maro nankeo aminy. BSB BSB: Jerusalem, Idumea, the region beyond the Jordan, and the vicinity of Tyre and Sidon. The large crowd came to Him when they heard what great things He was doing.
9 ULB Dia nampitady sambokely ny mpianany Jesosy ho Azy nohon'ny habetsaky ny olona teo, mba tsy hifanosehan'ny olona Izy. BSB BSB: Jesus asked His disciples to have a boat ready for Him so that the crowd would not crush Him.
10 ULB Noho Izy nanasitrana olona maro, dia nifandrombaka nanatona Azy ny olon-drehetra izay nanana aretina mba hikasika Azy. BSB BSB: For He had healed so many that all who had diseases were pressing forward to touch Him.
11 ULB Isaky ny nahita Azy ireo fanahy maloto, dia niankohoka teo anoloany ary nihiaka, ary hoy izy ireo hoe: "Ianao no Zanak'Andriamanitra." BSB BSB: And when the unclean spirits saw Him, they fell down before Him and cried out, “You are the Son of God!”
12 ULB Noteneniny mafy ireo mba tsy hampahafantatra Azy. BSB BSB: But He warned them sternly not to make Him known.
13 ULB Niakatra teny an-tendrombohitra Izy, ary niantso ireo izay tiany, dia nankeo aminy ireo. BSB BSB: Then Jesus went up on the mountain and called for those He wanted, and they came to Him.
14 ULB Nanendry ireo roa ambinifolo Izy (izay nantsoiny hoe Apostoly), mba hafahan'izy ireo miaraka aminy sy hafahany mandefa azy ireo mitory ny hafatra, BSB BSB: He appointed twelve of them, whom He designated as apostles, to accompany Him, to be sent out to preach,
15 ULB ary hanana fahefana handroaka demonia. BSB BSB: and to have authority to drive out demons.
16 ULB Avy eo dia nanendry ireo roa ambinifolo Izy: Simona, izay nomeny anarana hoe Petera; BSB BSB: These are the twelve He appointed: Simon (whom He named Peter),
18 ULB ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, BSB BSB: Andrew, Philip, Bartholomew, Matthew, Thomas, James son of Alphaeus, Thaddaeus, Simon the Zealot,
19 ULB ary Jodasy Iskariota, izay hamadika Azy. BSB BSB: and Judas Iscariot, who betrayed Jesus.
20 ULB Dia nody tany an-trano Izy, ary niara-tonga indray ny vahoaka, hany ka tsy afaka nisakafo akory izy ireo. BSB BSB: Then Jesus went home, and once again a crowd gathered, so that He and His disciples could not even eat.
21 ULB Rehefa nandre ny momba izany ny fianakaviany, dia nivoaka izy ireo haka Azy, satria nolazain'izy ireo hoe: "Very saina Izy." BSB BSB: When His family heard about this, they went out to take custody of Him, saying, “He is out of His mind.”
23 ULB Dia nantsoin'i Jesosy hankeo aminy ireo ka niteny azy ireo tamin'ny alalan'ny fanoharana hoe: "Ahoana no hahafahan'i Satana mandroaka an'i Satana? BSB BSB: So Jesus called them together and began to speak to them in parables: “How can Satan drive out Satan?
24 ULB Raha misy fanjakana miady an-trano, dia ho rava izany. BSB BSB: If a kingdom is divided against itself, it cannot stand.
25 ULB Ary raha misy tokan-trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany tokan-trano izany. BSB BSB: If a house is divided against itself, it cannot stand.
26 ULB Raha nitsangana nanohitra ny tenany Satana ary nisaraka, dia tsy haharitra, ka hifarana. BSB BSB: And if Satan is divided and rises against himself, he cannot stand; his end has come.
27 ULB Fa tsy misy afaka miditra ao amin'ny tranona lehilahy mahery iray ary mandroba ny fananany raha tsy mamatotra ilay mahery aloha, ary handroba ny tranony izy avy eo. BSB BSB: Indeed, no one can enter a strong man’s house to steal his possessions unless he first ties up the strong man. Then he can plunder his house.
28 ULB Lazaiko marina aminareo, ho voavela avokoa ny heloky ny zanak'olombelona, na dia ireo teny ratsy rehetra izay avoakan'ny vavany aza, BSB BSB: Truly I tell you, the sons of men will be forgiven all sins and blasphemies, as many as they utter.
29 ULB fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy ho voavela heloka mandrakizay, fa meloka nohon'ny ota mandrakizay." BSB BSB: But whoever blasphemes against the Holy Spirit will never be forgiven; he is guilty of eternal sin.”
30 ULB Nanambara izany Jesosy nohon'ny filazan'izy ireo hoe: "Manana fanahy maloto Izy." BSB BSB: Jesus made this statement because they were saying, “He has an unclean spirit.”
31 ULB Avy eo dia tonga ny reniny sy ireo rahalahiny ary nijoro teny ivelany. Nandefa olona nampahafantatra Azy izy ireo, ka nampiantso Azy. BSB BSB: Then Jesus’ mother and brothers came and stood outside. They sent someone in to summon Him,
32 ULB Nipetraka manodidina Azy ny vahoaka ary hoy izy ireo taminy hoe: "Ny reninao sy ireo rahalahinao dia ao ivelany ao, ary mitady anao izy ireo." BSB BSB: and a crowd was sitting around Him. “Look,” He was told, “Your mother and brothers are outside, asking for You.”
33 ULB Ary Izy namaly hoe: "Iza no reniko sy rahalahiko?" BSB BSB: But Jesus replied, “Who are My mother and My brothers?”
34 ULB Ary nijery nanodidina tamin'ny olona nipetraka manodidina Azy Izy ary hoy Izy hoe: "Jereo, ireto ny reniko sy ny rahalahiko! BSB BSB: Looking at those seated in a circle around Him, He said, “Here are My mother and My brothers!
35 ULB Fa na iza na iza manao ny sitrapon'Andriamanitra, dia izany olona izany no rahalahiko, sy anabaviko, ary reniko." BSB BSB: For whoever does the will of God is My brother and sister and mother.”