1 ULB Tamin'izany andro izany, dia nisy vahoaka marobe indray, ary tsy nanan-kohanina izy ireo. Dia niantso ny mpianany Jesosy ary niteny tamin'izy ireo hoe: BSB BSB: In those days the crowd once again became very large, and they had nothing to eat. Jesus called the disciples to Him and said,
2 ULB "Mampahonena Ahy ireo vahoaka, satria efa telo andro ireo no nanohy niaraka tamiko ary tsy manan-kohanina. BSB BSB: “I have compassion for this crowd, because they have already been with Me three days and have nothing to eat.
3 ULB Raha alefako mody any an-tranony tsy misakafo ireo, dia mety ho safotra an-dalana. Ny sasany amin'izy ireo dia avy any amin'ny lalan-davitra." BSB BSB: If I send them home hungry, they will faint along the way. For some of them have come a great distance.”
4 ULB Namaly Azy ireo mpianany hoe: "Aiza no hahazoantsika mofo ampy hamokisana ireo vahoaka ireo ety an-tany foana tahaka izao?" BSB BSB: His disciples replied, “Where in this desolate place could anyone find enough bread to feed all these people?”
5 ULB Nanontany azy ireo Izy hoe: "Firy ny mofo anananareo?" Hoy izy ireo hoe: "Fito" BSB BSB: “How many loaves do you have?” Jesus asked. “Seven,” they replied.
6 ULB Nandidy ny vahoaka mba hipetraka amin'ny tany Izy. Noraisiny ny mofo fito, dia nisaotra Izy, ary nanapaka ireo. Natolony ny mpianany izany mba ho zarain'izy ireo amin'ny vahoaka, ary napetrak'izy ireo teo anoloan'ny vahoaka izany. BSB BSB: And He instructed the crowd to sit down on the ground. Then He took the seven loaves, gave thanks and broke them, and gave them to His disciples to set before the people. And they distributed them to the crowd.
7 ULB Ary mbola nanana hazandrano kely vitsivitsy ihany koa izy ireo, ka rehefa avy nisaotra ireo Izy, dia nandidy ireo mpianatra mba handroso izany koa Izy. BSB BSB: They also had a few small fish, and Jesus blessed them and ordered that these be set before them as well.
8 ULB Dia nihinana izy ireo ka voky, ary nalain'izy ireo ny sombitsombiny tavela, izay nahafeno sobika fito lehibe. BSB BSB: The people ate and were satisfied, and the disciples picked up seven basketfuls of broken pieces that were left over.
9 ULB Tokony ho efatr'arivo teo ho eo ny olona tamin'izany. Avy eo dia nalefany nody izy ireo. BSB BSB: And about four thousand men were present. And when Jesus had dismissed the crowd,
10 ULB Avy hatrany dia niakatra tao an-tsambokely niaraka tamin'ireo mpianany Izy, ary nandeha nankany amin'ny faritr'i Dalmanota izy ireo. BSB BSB: He immediately got into the boat with His disciples and went to the district of Dalmanutha.
11 ULB Dia nivoaka ireo fariseo ary nanomboka nifanditra taminy. Nitady famantarana avy any an-danitra taminy izy ireo, mba hitsapana Azy. BSB BSB: Then the Pharisees came and began to argue with Jesus, testing Him by demanding from Him a sign from heaven.
12 ULB Nisento lalina tany amin'ny fanahiny Izy ary niteny hoe: "Nahoana no mitady famantarana ity taranaka ity? Nefa lazaiko marina aminareo, fa tsy misy famantarana omena ity taranaka ity izany." BSB BSB: Jesus sighed deeply in His spirit and said, “Why does this generation demand a sign? Truly I tell you, no sign will be given to this generation.”
13 ULB Avy eo dia nandao azy ireo Izy, niakatra tao an-tsambokely indray, ary niala lavitra ho eny am-pita. BSB BSB: And He left them, got back into the boat, and crossed to the other side.
14 ULB Ary adinon'ny mpianatra ny nitondra mofo niaraka tamin'izy ireo. Tsy nanana mihoatra ny iray izy ireo tao anaty sambo. BSB BSB: Now the disciples had forgotten to take bread, except for one loaf they had with them in the boat.
15 ULB Dia nampitandrina azy ireo Izy ka niteny hoe: "Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy ny masirasiran'i Heroda." BSB BSB: “Watch out!” He cautioned them. “Beware of the leaven of the Pharisees and of Herod.”
16 ULB Dia nifanontany tena ny mpianatra hoe: "Noho isika tsy manana mofo izany." BSB BSB: So they began to discuss with one another the fact that they had no bread.
17 ULB Fantatr'i Jesosy izany, ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Nahoana no amin'ny tsy fananana mofo ny fisainanareo? Mbola tsy azonareo va? Mbola tsy takatrareo va? Nanjary donto va ny fonareo? BSB BSB: Aware of their conversation, Jesus asked them, “Why are you debating about having no bread? Do you still not see or understand? Do you have such hard hearts?
18 ULB Manana maso ianareo, fa tsy mahita va? Manan-tsofina ianareo, fa tsy mandre va? Tsy tadidinareo va? BSB BSB: ‘Having eyes, do you not see? And having ears, do you not hear?’ And do you not remember?
19 ULB Rehefa nanapaka ny mofo dimy ho an'ny olona dimy arivo Aho, dia sobika firy feno sombitsombina mofo no nangoninareo?" Hoy izy ireo taminy hoe: "Roambinifolo." BSB BSB: When I broke the five loaves for the five thousand, how many basketfuls of broken pieces did you collect?” “Twelve,” they answered.
20 ULB Rehefa nanapaka ireo mofo fito ho an'ny olona efatr'arivo Aho, firy sobika ny ambiny nangoninareo?" Hoy izy ireo taminy hoe: "Fito." BSB BSB: “And when I broke the seven loaves for the four thousand, how many basketfuls of broken pieces did you collect?” “Seven,” they said.
21 ULB Ary hoy Izy hoe: "Mbola tsy takatrareo ihany va?" BSB BSB: Then He asked them, “Do you still not understand?”
22 ULB Tonga tany Betsaida izy ireo. Ary nisy jamba anankiray nentin'olona teo aminy ary niagavian'izy ireo Jesosy mba hikasika azy. BSB BSB: When they arrived at Bethsaida, some people brought a blind man and begged Jesus to touch him.
23 ULB Nentin'i Jesosy tamin'ny tanana ilay jamba, ary nitarika azy hivoaka ny tanàna. Rehefa nandrora teo amin'ny masony Izy ary nametraka ny tanany teo aminy, dia nanontany azy Izy hoe: "Mahita zavatra va ianao?" BSB BSB: So He took the blind man by the hand and led him out of the village. Then He spit on the man’s eyes and placed His hands on him. “Can you see anything?” He asked.
24 ULB Dia nitraka izy, ka niteny hoe: "Mahita olona tahaka ny hazo mandehandeha aho." BSB BSB: The man looked up and said, “I can see the people, but they look like trees walking around.”
25 ULB Napetrak'i Jesosy teo amin'ny masony indray ny tanany, ary nahiratr'ilay lehilahy ny masony, dia niverina tamin'ny laoniny ny fahitany, ary nahita mazava tsara ny zavatra rehetra izy. BSB BSB: Once again Jesus placed His hands on the man’s eyes, and when he opened them his sight was restored, and he could see everything clearly.
26 ULB Dia nalefan'i Jesosy nody izy ary noteneniny hoe: "Aza miditra ao an-tanàna." BSB BSB: Jesus sent him home and said, “Do not go back into the village.”
28 ULB Namaly Azy izy ireo ka niteny hoe: "Jaona mpanao batisa. Ny hafa miteny hoe: 'Elia', ary ny hafa hoe: 'Iray amin'ireo mpaminany.'" BSB BSB: They replied, “Some say John the Baptist; others say Elijah; and still others, one of the prophets.”
29 ULB Nanontany azy ireo Izy hoe: "Fa ianareo kosa manao Ahy ho Iza?" Dia namaly Azy Petera hoe: "Ianao no Kristy." BSB BSB: “But what about you?” Jesus asked. “Who do you say I am?” Peter answered, “You are the Christ.”
30 ULB Nampitandrina azy ireo Jesosy tsy hilaza ny momba Azy na amin'iza na amin'iza. BSB BSB: And Jesus warned them not to tell anyone about Him.
32 ULB Nolazainy mazava tsara izany. Avy eo nantsoin'i Petera mangingiina Jesosy ka nanomboka niteny mafy Azy. BSB BSB: He spoke this message quite frankly, and Peter took Him aside and began to rebuke Him.
33 ULB Nefa nitodika Jesosy dia nijery ireo mpianany ary avy eo niteny mafy an'i Petera ka nanao hoe: "Mialà lavitra Ahy, ry satana! Tsy mba misaina ny zavatr'Andriamanitra ianao, fa ny zavatr'olona." BSB BSB: But Jesus, turning and looking at His disciples, rebuked Peter and said, “Get behind Me, Satan! For you do not have in mind the things of God, but the things of men.”
34 ULB Avy eo dia niantso ny vahoaka sy ny mpianany niaraka izy, ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Raha misy te-hanaraka Ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy, maka ny hazo fijaliany, ary manaraka Ahy. BSB BSB: Then Jesus called the crowd to Him along with His disciples, and He told them, “If anyone wants to come after Me, he must deny himself and take up his cross and follow Me.
35 ULB Na iza na iza te-hamonjy ny ainy dia hahavery izany, ary izay mahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hahavonjy izany. BSB BSB: For whoever wants to save his life will lose it, but whoever loses his life for My sake and for the gospel will save it.
36 ULB Fa inona anefa no tombontsoa azon'ny ny olona iray, raha mahazo izao tontolo izao, ary avy eo very ny ainy? BSB BSB: What does it profit a man to gain the whole world, yet forfeit his soul?
37 ULB Inona no afaka omen'ny olona iray ho takalon'ny ainy? BSB BSB: Or what can a man give in exchange for his soul?
38 ULB Na iza na iza menatra Ahy sy ny teniko eto amin'ity taranaka mijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy ihany koa ny Zanak'olona rehefa tonga ao amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjely masina Izy." BSB BSB: If anyone is ashamed of Me and My words in this adulterous and sinful generation, the Son of Man will also be ashamed of him when He comes in His Father’s glory with the holy angels.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.