1 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa, fa misy aminareo izay mitsangana eto no tsy hanandrana izany fahafatesana izany mialohan'ny hahitan'izy ireo ny fanjakan' Andriamanitra izay ho avy amin'ny hery lehibe." BSB BSB: Then Jesus said to them, “Truly I tell you, there are some standing here who will not taste death before they see the kingdom of God arrive with power.”
2 ULB Ary enina andro taty aorina, dia nentin'i Jesosy niaraka taminy Petera sy Jakoba ary Jaona teny amin'ny tendrombohitra avo, ary izy ireo irery no tany. Avy eo niova tarehy teo anatrehan'izy ireo Izy. BSB BSB: After six days Jesus took with Him Peter, James, and John, and led them up a high mountain by themselves. There He was transfigured before them.
3 ULB Ny fitafiany niova nanjelanjelatra no sady mazava, ary fotsy indrindra, fotsy mihoatra ny zavatra nampamotsiana indrindra teto ambonin'ny tany. BSB BSB: His clothes became radiantly white, brighter than any launderer on earth could bleach them.
4 ULB Avy eo Elia sy Mosesy niseho tamin'izy ireo, ary niresaka tamin'i Jesosy izy ireo. BSB BSB: And Elijah and Moses appeared before them, talking with Jesus.
5 ULB Petera namaly ka niteny tamin'i Jesosy hoe: "Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika, koa andeha hanao lay telo, ny iray ho Anao, ny iray ho an'i Mosesy, ary ny iray ho an'i Elia." BSB BSB: Peter said to Jesus, “Rabbi, it is good for us to be here. Let us put up three shelters—one for You, one for Moses, and one for Elijah.”
6 ULB (Fa tsy fantany izay tokony ho tenenina, satria natahotra mafy izy ireo.) BSB BSB: For they were all so terrified that Peter did not know what else to say.
7 ULB Nisy rahona tonga ka nanarona azy ireo. Ary nisy feo nivoaka avy ao anatin'ny rahona hoe: "Ity ny Zanako Malalako. Mihainoa Azy." BSB BSB: Then a cloud appeared and enveloped them, and a voice came from the cloud: “This is My beloved Son. Listen to Him!”
8 ULB Tampoka teo, raha nijery ny manodidina izy ireo, dia tsy nahita na iza na iza intsony, afa-tsy Jesosy irery ihany. BSB BSB: Suddenly, when they looked around, they saw no one with them except Jesus.
9 ULB Raha nidina avy eny an-tendrombohitra izy ireo, dia nodidiany mafy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza ny zavatra hitan'izy ireo, raha tsy efa mitsangana amin'ny maty ny Zanak'Olona. BSB BSB: As they were coming down the mountain, Jesus admonished them not to tell anyone what they had seen until the Son of Man had risen from the dead.
10 ULB Ary dia notanan'izy ireo ho azy ireo izany teny izany, kanefa nifampanontany ireo ny amin'ny mety ho dikan'izany "fitsanganana amin'ny maty" izany. BSB BSB: So they kept this matter to themselves, discussing what it meant to rise from the dead.
11 ULB Nanontany Azy izy ireo hoe: "Nahoana ireo mpanora-dalàna no manambara fa tsy maintsy ho avy mialoha Elia?" BSB BSB: And they asked Jesus, “Why do the scribes say that Elijah must come first?”
12 ULB Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Efa tonga voalohany Elia hanarina ny zavatra rehetra. Ary nahoana no voasoratra fa ny Zanak'Olona dia hijaly mafy amin'ny zavatra maro ary hatao toy ny olona tsy misy dikany? BSB BSB: He replied, “Elijah does indeed come first, and he restores all things. Why then is it written that the Son of Man must suffer many things and be rejected?
13 ULB Nefa lazaiko aminareo fa efa tonga Elia, ary nataon'ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka izay efa voalazan'ny Soratra Masina momba azy." BSB BSB: But I tell you that Elijah has indeed come, and they have done to him whatever they wished, just as it is written about him.”
14 ULB Ary rehefa niverina teo amin'ny mpianatra izy ireo, dia nahita vahoaka be nanodidina azy ireo ary ireo mpanora-dalàna niady hevitra taminy. BSB BSB: When they returned to the other disciples, they saw a large crowd around them, and scribes arguing with them.
15 ULB Raha vao nahita an'i Jesosy izy ireo, dia talanjona ny vahoaka rehetra ary raha iny nihazakazaka nanatona Azy iny izy ireo dia niarahaba Azy. BSB BSB: As soon as all the people saw Jesus, they were filled with awe and ran to greet Him.
16 ULB Nanontany ireo mpianany Izy hoe: "Momba ny inona no hiadianareo hevitra amin'ireo." BSB BSB: “What are you disputing with them?” He asked.
18 ULB Misambotra azy io ka mampienjerazera azy ary mandoa vory izy, mikitro-nify, ary lasa mihenjana izy. Nangataka tamin'ireo mpianatrao ny tenako mba hamoaka izany hiala aminy, kanefa tsy vitan'izy ireo izany." BSB BSB: Whenever it seizes him, it throws him to the ground. He foams at the mouth, gnashes his teeth, and becomes rigid. I asked Your disciples to drive it out, but they were unable.”
19 ULB Ary namaly azy ireo Izy hoe: "Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy." BSB BSB: “O unbelieving generation!” Jesus replied. “How long must I remain with you? How long must I put up with you? Bring the boy to Me.”
20 ULB Ary nentina teo aminy ilay zazalahy, ary raha vao nahita an'i Jesosy ilay fanahy ratsy, dia nampifanintontsitona azy izany. Nianjera tamin'ny tany ilay zazalahy ary feno vory ny vavany. BSB BSB: So they brought him, and seeing Jesus, the spirit immediately threw the boy into a convulsion. He fell to the ground and rolled around, foaming at the mouth.
22 ULB Indraindray io fanahy ratsy io nandavo azy tany anaty afo na tany anaty rano ary nanandrana ny hamotika azy. Raha mahay manao ny zavatra rehetra Ianao, dia miantrà anay ary ampio izahay." BSB BSB: “It often throws him into the fire or into the water, trying to kill him. But if You can do anything, have compassion on us and help us.”
23 ULB Jesosy niteny taminy hoe: "'Raha mahay ianao'? BSB BSB: “If You can?” echoed Jesus. “All things are possible to him who believes!”
25 ULB Rehefa hitan'i Jesosy ireo vahoaka nihazakazaka nanatona azy ireo, dia noteneniny mafy ilay fanahy maloto ary nanao hoe: "Ry fanahy moana sy marenina, mandidy anao Aho, mivoaha aminy, ary aza miverina miditra ao aminy intsony." BSB BSB: When Jesus saw that a crowd had come running, He rebuked the unclean spirit. “You deaf and mute spirit,” He said, “I command you to come out and never enter him again.”
26 ULB Nihiakiaka mafy izany ka nampifanintona mafy ilay zazalahy ary avy eo nivoaka. Tahaka ny olona maty ilay zazalahy, ka maro no niteny hoe: "Maty izy." BSB BSB: After shrieking and convulsing him violently, the spirit came out. The boy became like a corpse, so that many said, “He is dead.”
27 ULB Fa Jesosy nandray azy tamin'ny tanana ka nanarina azy, dia nitsangana ilay zazalahy. BSB BSB: But Jesus took him by the hand and helped him to his feet, and he stood up.
28 ULB Ary rehefa niditra tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy manokana ireo mpianany hoe: "Nahoana izahay no tsy nahavoaroaka ilay fanahy ratsy?" BSB BSB: After Jesus had gone into the house, His disciples asked Him privately, “Why couldn’t we drive it out?”
29 ULB Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Ny tahaka ireny dia tsy afaka roasina afa-tsy amin'ny alalan'ny vavaka." BSB BSB: Jesus answered, “This kind cannot come out, except by prayer.”
30 ULB Niala teo izy ireo ary nandalo tany Galilia. Tsy tiany ho fantatr'iza na iza hoe taiza izy ireo, BSB BSB: Going on from there, they passed through Galilee. But Jesus did not want anyone to know,
31 ULB fa nampianatra ireo mpianany Izy. Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Ny Zanak'Olona dia hatolotra eny an-tanan'ny olona, ka ho vonoin'izy ireo Izy. Ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana amin'ny maty indray afaka telo andro." BSB BSB: because He was teaching His disciples. He told them, “The Son of Man will be delivered into the hands of men. They will kill Him, and after three days He will rise.”
32 ULB Fa tsy takatr'izy ireo io fanambarana io, ary natahotra izy ireo hanontany Azy. BSB BSB: But they did not understand this statement, and they were afraid to ask Him about it.
33 ULB Avy eo tonga tao Kapernaomy izy ireo. Rehefa avy niditra tao an-trano Izy dia nanontany azy ireo hoe: "Inona ny zavatra nifampiresahanareo teny an-dalana?" BSB BSB: Then they came to Capernaum. While Jesus was in the house, He asked them, “What were you discussing on the way?”
34 ULB Fa nangina izy ireo. Satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ireo ny amin'izay lehibe indrindra. BSB BSB: But they were silent, for on the way they had been arguing about which of them was the greatest.
35 ULB Nipetraka, dia niantso ireo roambinifolo lahy niaraka Izy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha misy te-ho voalohany, dia tsy maintsy farany amin'ny rehetra izy ary ho mpanompon'ny rehetra." BSB BSB: Sitting down, Jesus called the Twelve and said, “If anyone wants to be first, he must be the last of all and the servant of all.”
36 ULB Naka zazakely iray Izy ary nataony teo anivon'izy ireo. Notrotroiny teny an-tsandriny izy ary niteny tamin'izy ireo hoe: BSB BSB: Then He had a little child stand among them. Taking the child in His arms, He said to them,
37 ULB "Na iza na iza mandray ny zaza tahaka izao amin'ny anarako, dia mandray Ahy koa, ary raha ka misy mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy irery izy, fa Ilay naniraka Ahy koa." BSB BSB: “Whoever welcomes one of these little children in My name welcomes Me, and whoever welcomes Me welcomes not only Me, but the One who sent Me.”
38 ULB Hoy Jaona Taminy hoe: "Mpampianatra ô, nahita olona namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay ary norarànay izy, satria tsy manaraka antsika." BSB BSB: John said to Him, “Teacher, we saw someone else driving out demons in Your name, and we tried to stop him, because he does not accompany us.”
39 ULB Fa Jesosy nanao hoe: "Aza mandrara azy, fa tsy misy olona hanao asa lehibe amin'ny anarako nefa vetivety aorian'izay dia hilaza zavatra ratsy momba Ahy. BSB BSB: “Do not stop him,” Jesus replied. “For no one who performs a miracle in My name can turn around and speak evil of Me.
40 ULB Na iza na iza tsy manohitra antsika dia momba antsika. BSB BSB: For whoever is not against us is for us.
41 ULB Na iza na iza manome anao rano eran'ny kaopy ho sotroina satria an'i Kristy ianao, dia lazaiko aminao marina tokoa, fa tsy ho very ny valim-pitiany. BSB BSB: Indeed, if anyone gives you even a cup of water because you bear the name of Christ, truly I tell you, he will never lose his reward.
42 ULB Fa na iza na iza manafintohina ny iray amin'ireo kely mino Ahy ireo, dia tsara ho azy ny anantonana vato lehibe fikosoham-bary mifatotra eo amin'ny vozony ary hazera any an-dranomasina. BSB BSB: But if anyone causes one of these little ones who believe in Me to stumble, it would be better for him to have a large millstone hung around his neck and to be thrown into the sea.
45 ULB Raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izany. Tsara kokoa aminao ny miditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa ary hariana any amin'ny helo. BSB BSB: If your foot causes you to sin, cut it off. It is better for you to enter life lame than to have two feet and be thrown into hell.
47 ULB Raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izany. Tsara aminao ny miditra ny fanjakan'Andriamanitra miaraka amin'ny maso tokana toy izay maso roa ary hariana any amin'ny helo, BSB BSB: And if your eye causes you to sin, pluck it out. It is better for you to enter the kingdom of God with one eye than to have two eyes and be thrown into hell,
48 ULB any amin’ny toerana izay tsy mahafaty ny kankan'izy ireo, ary ny afo tsy mety vonoina. BSB BSB: where ‘their worm never dies, and the fire is never quenched.’
49 ULB Fa ny olona rehetra dia samy ho voasira amin'ny afo. BSB BSB: For everyone will be salted with fire.
50 ULB Tsara ny sira, fa raha ny sira no tonga matsatso, ahoana no ahafahanao mampasira azy indray? Asio sira ao aminareo, ary mihavàna amin'ny tsirairay avy." BSB BSB: Salt is good, but if the salt loses its saltiness, with what will you season it? Have salt among yourselves, and be at peace with one another.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.