1 ULB Niala teo amin'izany toerana izany Jesosy ary nandeha tany amin'ny faritr'iJodia sy teny amin'ny faritra ambanin'ny Reniranon'i Jordana, ary nankeo aminy indray ny vahoaka. Ary araka ny fanaony, dia nampianatra azy ireo indray Izy. BSB BSB: Then Jesus left that place and went into the region of Judea, beyond the Jordan. Again the crowds came to Him and He taught them, as was His custom.
2 ULB Dia nanatona Azy ireo fariseo mba hitsapa Azy ka nanontany hoe: "Ara-dalàna ho an'ny lehilahy va ny misaraka amin'ny vadiny?" BSB BSB: Some Pharisees came to test Him. “Is it lawful for a man to divorce his wife?” they inquired.
3 ULB Namaly Izy hoe: "Inona no nandidian'i Mosesy anareo?" BSB BSB: “What did Moses command you?” He replied.
4 ULB Dia hoy izy ireo hoe: "Mosesy dia namela ny lehilahy iray hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana ary mandefa azy avy eo." BSB BSB: They answered, “Moses permitted a man to write his wife a certificate of divorce and send her away.”
5 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Nohon'ny hamafin'ny fonareo no nanoratany ho anareo izany lalàna izany." BSB BSB: But Jesus told them, “Moses wrote this commandment for you because of your hardness of heart.
6 ULB "Fa tany am-piandohan'ny famoronana, 'Andriamanitra nanao azy ireo ho lahy sy vavy.' BSB BSB: However, from the beginning of creation, ‘God made them male and female.’
7 ULB 'Amin'izany antony izany dia handao ny rainy sy reniny ny lahy ka hikambana amin'ny vadiny, BSB BSB: ‘For this reason a man will leave his father and mother and be united to his wife,
8 ULB ary hanjary ho nofo iray izy roa.' Ka tsy ho roa intsony izy ireo, fa ho nofo iray ihany. BSB BSB: and the two will become one flesh.’ So they are no longer two, but one flesh.
9 ULB Koa izay nakamban'Andriamanitra, dia aoka tsy ho sarahin'olombelona." BSB BSB: Therefore what God has joined together, let man not separate.”
10 ULB Ary rehefa tao an-trano izy ireo, dia mbola namerina nanontany mikasika izany indray ireo mpianatra. BSB BSB: When they were back inside the house, the disciples asked Jesus about this matter.
11 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Na iza na iza lehilahy misaraka amin'ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga. BSB BSB: So He told them, “Whoever divorces his wife and marries another woman commits adultery against her.
12 ULB Raha misaraka amin'ny vadiny ny vehivavy ka manambady lehilahy hafa, dia mijangajanga izy." BSB BSB: And if a woman divorces her husband and marries another man, she commits adultery.”
13 ULB Avy eo izy ireo dia nitindra ny zanak'izy ireo teo Aminy mba hametrahany tanana, fa nobedesin'ireo mpianatra izy ireo. BSB BSB: Now people were bringing the little children to Jesus for Him to place His hands on them, and the disciples rebuked those who brought them.
14 ULB Fa rehefa nahatsikaritra izany Jesosy, dia tezitra mafy Izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo, fa ny fanjakan'Andriamanitra dia an'ireo izay toa azy ireo. BSB BSB: But when Jesus saw this, He was indignant and told them, “Let the little children come to Me, and do not hinder them! For the kingdom of God belongs to such as these.
15 ULB Lazaiko aminareo marina tokoa, na iza na iza tsy mandray ny fanjakan'Andriamanitra tahaka ny zazakely dia tsy hiditra izany amin'izany velively." BSB BSB: Truly I tell you, anyone who does not receive the kingdom of God like a little child will never enter it.”
16 ULB Avy eo dia notrotroiny ireo zaza ireo ka notsofiny rano sady nametrahany tanana. BSB BSB: And He took the children in His arms, placed His hands on them, and blessed them.
17 ULB Ary rehefa nanomboka ny diany Izy, dia nisy lehilahy nihazakazaka ka nandohalika teo anatrehany, ary nanontany hoe: "Ry mpampianatra tsara, inona no tsy maintsy ataoko mba handovàko ny fiainana mandrakizay?" BSB BSB: As Jesus started on His way, a man ran up and knelt before Him. “Good Teacher,” he asked, “what must I do to inherit eternal life?”
18 ULB Jesosy nanao hoe: "Nahoana no antsoinao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany. BSB BSB: “Why do you call Me good?” Jesus replied. “No one is good except God alone.
19 ULB Fantatrao ny didy hoe: 'Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, Aza mijoro ho vavolombelona tsy marina, aza mamitaka, hajao ny ray sy reninao'." BSB BSB: You know the commandments: ‘Do not murder, do not commit adultery, do not steal, do not bear false witness, do not cheat others, honor your father and mother.’”
20 ULB Dia hoy ilay lehilahy hoe: "Mpampianatra ô, efa narahiko hatramin'ny fahatanorako avokoa ireo rehetra ireo." BSB BSB: “Teacher,” he replied, “all these I have kept from my youth.”
21 ULB Nijery azy Jesosy dia tia azy. Ary hoy Izy taminy hoe: "Misy zavatra banga iray ao aminao. Tsy maintsy amidinao izay rehetra anananao ary omena ny mahantra izany, dia hanana harena any an-danitra ianao. Avy eo, manaraha Ahy." BSB BSB: Jesus looked at him, loved him, and said to him, “There is one thing you lack: Go, sell everything you own and give to the poor, and you will have treasure in heaven. Then come, follow Me.”
22 ULB Fa noho izany filazana izany dia nalahelo izy ka nandeha nangahiahy, satria nanana fananam-be tokoa izy. BSB BSB: But the man was saddened by these words and went away in sorrow, because he had great wealth.
23 ULB Nijery ny manodidina Azy Jesosy ary niteny tamin'ireo mpianany hoe: "Tena sarotra ho an'ireo manana harena be ny miditra ny fanjakan' Andriamanitra!" BSB BSB: Then Jesus looked around and said to His disciples, “How hard it is for the rich to enter the kingdom of God!”
24 ULB Dia gaga tamin'ny teniny ireo mpianatra. Fa hoy indray Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Anaka, sarotra ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra! BSB BSB: And the disciples were amazed at His words. But Jesus said to them again, “Children, how hard it is to enter the kingdom of God!
25 ULB Mora kokoa ho an'ny rameva ny miditra amin'ny vody fanjaitra, noho ny hidiran'ny mpanakarena ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra." BSB BSB: It is easier for a camel to pass through the eye of a needle than for a rich man to enter the kingdom of God.”
26 ULB Dia mbola gaga indray ny mpianatra ary dia nifanontany ireo hoe: "Iza izany no afaka ny ho voavonjy?" BSB BSB: They were even more astonished and said to one another, “Who then can be saved?”
27 ULB Nijery azy ireo Jesosy ary hoy Izy hoe: "Tsy vitan'ny olona izany, fa vitan'Andriamanitra. Satria ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra atao." BSB BSB: Jesus looked at them and said, “With man this is impossible, but not with God. For all things are possible with God.”
28 ULB Dia nanomboka niteny taminy i Petera hoe: "Jereo, Izahay ireto dia nahafoy ny rehetra ary nanaraka Anao." BSB BSB: Peter began to say to Him, “Look, we have left everything and followed You.”
29 ULB Ary hoy Jesosy: "Lazaiko marina aminareo, tsy misy olona izay nandao ny tranony, na ny rahalahiny; na ny rahavaviny, na ny reniny, na ny rainy, na ny zanany, na ny taniny noho ny amiko, sy ny Filazantsara, BSB BSB: “Truly I tell you,” Jesus replied, “no one who has left home or brothers or sisters or mother or father or children or fields for My sake and for the gospel
30 ULB ka tsy nahazo avo zato heny amin'izao taonjato ankehitriny izao: dia trano, rahalahy, rahavavy, reny, zanaka sy tany, miaraka amin'ny fanenjehana, ary amin'ny taonjato ho avy, dia ny fiainana mandrakizay. BSB BSB: will fail to receive a hundredfold in the present age—houses and brothers and sisters and mothers and children and fields, along with persecutions—and in the age to come, eternal life.
31 ULB Fa betsaka ny voalohany no ho lasa farany, ary ny farany ho lasa voalohany." BSB BSB: But many who are first will be last, and the last will be first.”
32 ULB Teny an-dalana izy ireo, hiakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha nialoha azy ireo. Gaga ireo mpianatra, ary ireo izay nanaraka Azy taoriana dia natahotra. Nantsoin'i Jesosy ho eo Aminy indray izy roa ambinifolo ary dia nanomboka nilaza izay zavatra hihatra Aminy tsy ho ela Izy. BSB BSB: As they were going up the road to Jerusalem, Jesus was walking ahead of them. The disciples were amazed, but those who followed were afraid. Again Jesus took the Twelve aside and began to tell them what was going to happen to Him:
33 ULB "Jereo, miakatra ho any Jerosalema isika izao, ary ny Zanak'Olona dia atolotra ny mpisoronabe sy ny mpanora-dalàna. Ho helohin'izy ireo ho faty Izy ary hatolony amin'ny Jentilisa. BSB BSB: “Look, we are going up to Jerusalem, and the Son of Man will be delivered over to the chief priests and scribes. They will condemn Him to death and will deliver Him over to the Gentiles,
34 ULB Ireo dia haneso Azy, handrora Azy, hikapoka Azy, sy hahafaty Azy. Fa afaka telo andro dia hitsangana amin'ny maty Izy." BSB BSB: who will mock Him and spit on Him and flog Him and kill Him. And after three days He will rise again.”
35 ULB Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, nanatona Azy ary niteny Taminy hoe: "Mpampianatra ô, mba tianay raha mba ataonao izay rehetra angatahanay aminao." BSB BSB: Then James and John, the sons of Zebedee, came to Jesus and declared, “Teacher, we want You to do for us whatever we ask.”
36 ULB Dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no tianareo ho ataoko ho anareo?" BSB BSB: “What do you want Me to do for you?” He inquired.
37 ULB Hoy izy ireo hoe: "Avelao izahay hiara-hipetraka aminao ao amin'ny voninahitrao, ka ny iray eo an-tanana ankavananao ary ny iray eo ankavianao." BSB BSB: They answered, “Grant that one of us may sit at Your right hand and the other at Your left in Your glory.”
38 ULB Fa Jesosy namaly azy ireo hoe: "Tsy fantatrareo izay angatahanareo. Ianareo ve afaka misotro amin'ny kapoaka izay hisotroako na hiaritra ho atao batisa amin'izay hanaovana batisa Ahy?" BSB BSB: “You do not know what you are asking,” Jesus replied. “Can you drink the cup I will drink, or be baptized with the baptism I will undergo?”
39 ULB Hoy izy ireo Taminy hoe: "Vitanay izany." Ary niteny tamin'izy ireo Jesosy hoe: "Ny kapoaka izay ho sotroiko, dia ho sotroinareo, ary amin'ny batisa izay hanaovam-batisa Ahy, no hanaovam-batisa anareo koa. BSB BSB: “We can,” the brothers answered. “You will drink the cup that I drink,” Jesus said, “and you will be baptized with the baptism that I undergo.
40 ULB Fa izay hipetraka eo an-tanana ankavanako na eo ankaviako kosa dia tsy miankina amiko izany, fa izany dia ho an'ireo izay nanomanana izany." BSB BSB: But to sit at My right or left is not Mine to grant. These seats belong to those for whom they have been prepared.”
41 ULB Rehefa nahare ny momba izany ireo mpianatra folo hafa, dia nanomboka tezitra mafy tamin'i Jakoba sy Jaona. BSB BSB: When the ten heard about this, they became indignant with James and John.
42 ULB Nantsoin'i Jesosy ho eo aminy izy ireo ary niteny hoe: "Fantatrareo fa ireo izay heverina ho mpanapaky ny Jentilisa dia mampanompo azy ireo, ary ny lehibe mpifehy azy ireo dia manampatra fahefana amin'izy ireo. BSB BSB: So Jesus called them together and said, “You know that those regarded as rulers of the Gentiles lord it over them, and their superiors exercise authority over them.
43 ULB Fa tsy tokony ho toy izany ny aminareo. Fa na iza na iza maniry ho lehibe aminareo dia aoka izy ho mpanomponareo, BSB BSB: But it shall not be this way among you. Instead, whoever wants to become great among you must be your servant,
44 ULB ary na iza na iza maniry ho voalohany aminareo dia aoka izy no andevonareo rehetra. BSB BSB: and whoever wants to be first must be the slave of all.
46 ULB Tonga tao Jeriko izy ireo. Rehefa nivoaka ny tanàna niaraka tamin'ny mpianany sy vahoaka marobe Izy, ny zanak'i Timeo, Bartolomeo, izay mpangataka sady jamba, nipetraka teo amoron-dalana. BSB BSB: Next, they came to Jericho. And as Jesus and His disciples were leaving Jericho with a large crowd, a blind beggar named Bartimaeus, the son of Timaeus, was sitting beside the road.
47 ULB Rehefa nahare izy fa Jesosy avy any Nazareta izany, dia nanomboka nihiakiaka mafy izy ary niteny hoe: "Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!" BSB BSB: When he heard that it was Jesus of Nazareth, he began to cry out, “Jesus, Son of David, have mercy on me!”
48 ULB Betsaka no niteny mafy ilay jamba, niteny taminy mba hangina. Fa vao mainka izy nihiaka mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!" BSB BSB: Many people admonished him to be silent, but he cried out all the louder, “Son of David, have mercy on me!”
49 ULB NIjanona Jesosy ary nampiantso azy. Nantsoin'ireo ilay jamba, ary noteneniny hoe: "Mahereza! Mitsangàna! Miantso anao Izy." BSB BSB: Jesus stopped and said, “Call him.” So they called the blind man. “Take courage!” they said. “Get up! He is calling for you.”
50 ULB Nariany ny lambany, ary nitsangana, ka nankeo amin'i Jesosy izy. BSB BSB: Throwing off his cloak, Bartimaeus jumped up and came to Jesus.
51 ULB Dia namaly azy Jesosy ary niteny hoe: "Inona no tianao ataoko aminao?" Hoy ilay lehilahy jamba hoe: "Raby ô, te-hahiratra aho." BSB BSB: “What do you want Me to do for you?” Jesus asked. “Rabboni,” said the blind man, “let me see again.”
52 ULB Ary hoy Jesosy taminy hoe: "Mandehana. Ny finoanao no nahavonjy anao." Dia nahita niaraka tamin'izay ny masony, ary nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy. BSB BSB: “Go,” said Jesus, “your faith has healed you.” And immediately he received his sight and followed Jesus along the road.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.