1 ULB Tonga ireo Fariseo sy Sadoseo ary nitsapa Azy ka nangataka Azy mba hampiseho azy ireo famantarana avy any an-danitra. BSB BSB: Then the Pharisees and Sadducees came and tested Jesus by asking Him to show them a sign from heaven.
2 ULB Fa Izy namaly ary niteny azy ireo hoe: "Rehefa hariva, dia hoy ianareo hoe: 'Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.' BSB BSB: But He replied, “When evening comes, you say, ‘The weather will be fair, for the sky is red,’
3 ULB Rehefa maraina, dia hoy ianareo hoe: 'Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra.' Hainareo ny mamantatra ny endriky ny lanitra, fa ianareo tsy afaka mandika ireo famantarana ny fotoana. BSB BSB: and in the morning, ‘Today it will be stormy, for the sky is red and overcast.’ You know how to interpret the appearance of the sky, but not the signs of the times.
4 ULB Ny taranaka ratsy sy mpijangajanga dia mitady famantarana, fa tsy hisy famantarana homena azy ankoatra ny famantaran'i Jona." Avy eo Jesosy nandao azy ireo ka lasa. BSB BSB: A wicked and adulterous generation demands a sign, but none will be given it except the sign of Jonah.” Then He left them and went away.
5 ULB Rehefa tonga teny ampita ireo mpianatra, dia adinon'izy ireo ny nitondra mofo. BSB BSB: When they crossed to the other side, the disciples forgot to take bread.
6 ULB Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo." BSB BSB: “Watch out!” Jesus told them. “Beware of the leaven of the Pharisees and Sadducees.”
7 ULB Niady hevitra ireo mpianatra ka nilaza hoe: "Noho isika tsy nitondra mofo izany." BSB BSB: They discussed this among themselves and concluded, “It is because we did not bring any bread.”
8 ULB Jesosy nahafantatra izany ka niteny hoe: "Ianareo ry kely finoana, nahoana ianareo no miady hevitra aminareo ka miteny fa nohon'ny tsy nitondranareo mofo izany? BSB BSB: Aware of their conversation, Jesus said, “You of little faith, why are you debating among yourselves about having no bread?
9 ULB Mbola tsy fantatrareo na tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ary sobika firy no nangoninareo? BSB BSB: Do you still not understand? Do you not remember the five loaves for the five thousand, and how many basketfuls you gathered?
10 ULB Na ireo mofo fito ho an'ireo efatr'arivo, ary sobika firy no nalainareo? BSB BSB: Or the seven loaves for the four thousand, and how many basketfuls you gathered?
11 ULB Ahoana no tsy ahazoanareo fa tsy momban'ny mofo no nolazaiko anareo? Miambena ary mitandrema amin'ny masirasiran'ireo Fariseo sy Sadoseo." BSB BSB: How do you not understand that I was not telling you about bread? But beware of the leaven of the Pharisees and Sadducees.”
12 ULB Avy eo azon'izy ireo fa tsy hitandrina amin'ny masirasiran'ny mofo no nolazainy azy ireo, fa hitandrina ny amin'ny fampianaran'ireo Fariseo sy Sadoseo. BSB BSB: Then they understood that He was not telling them to beware of the leaven used in bread, but of the teaching of the Pharisees and Sadducees.
13 ULB Ary rehefa tonga tany amin'ny faritra akaikin'ny Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ireo mpianany Izy, manao hoe: "Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'Olona?" BSB BSB: When Jesus came to the region of Caesarea Philippi, He questioned His disciples: “Who do people say the Son of Man is?”
14 ULB Hoy izy ireo hoe: "Ny sasany milaza fa Jaona mpanao batisa; ny sasany, Elia; ary ireo hafa, Jeremia, na iray amin'ireo mpaminany." BSB BSB: They replied, “Some say John the Baptist; others say Elijah; and still others, Jeremiah or one of the prophets.”
15 ULB Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?" BSB BSB: “But what about you?” Jesus asked. “Who do you say I am?”
16 ULB Namaly, Simona Petera nanao hoe: "Ianao no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra velona." BSB BSB: Simon Peter answered, “You are the Christ, the Son of the living God.”
17 ULB Namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: "Sambatra ianao, ry Simona Bar-Jona, fa tsy ny nofo sy rà no naneho izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. BSB BSB: Jesus replied, “Blessed are you, Simon son of Jonah! For this was not revealed to you by flesh and blood, but by My Father in heaven.
19 ULB Homeko anareo ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra. Na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia ho fehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanao ety an-tany dia ho vahana any an-danitra." BSB BSB: I will give you the keys of the kingdom of heaven. Whatever you bind on earth will be bound in heaven, and whatever you loose on earth will be loosed in heaven.”
20 ULB Avy eo Jesosy nandidy ireo mpianatra fa izy ireo dia tsy tokony hilaza na amin'iza na iza fa Izy no Kristy. BSB BSB: Then He admonished the disciples not to tell anyone that He was the Christ.
21 ULB Tamin'izany fotoana izany Jesosy nanomboka niteny ireo mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, hizaka fijaliana maro eo an-tanan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina, sy hatsangana indray amin'ny andro fahatelo. BSB BSB: From that time on Jesus began to show His disciples that He must go to Jerusalem and suffer many things at the hands of the elders, chief priests, and scribes, and that He must be killed and on the third day be raised to life.
22 ULB Avy eo Petera naka Azy ka niteny mafy Azy, manao hoe: "Ho lavitra anao anie izany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mihintsy anie izany." BSB BSB: Peter took Him aside and began to rebuke Him. “Far be it from You, Lord!” he said. “This shall never happen to You!”
23 ULB Fa Jesosy nitodika ka niteny tamin'i Petera hoe: "Mialà any ivohoko, ry Satana! Ianao dia fanafintohinana ho Ahy, noho ianao tsy miraharaha ireo zavatr'Andriamanitra, fa ireo zavatrin'ny olona." BSB BSB: But Jesus turned and said to Peter, “Get behind Me, Satan! You are a stumbling block to Me. For you do not have in mind the things of God, but the things of men.”
24 ULB Avy eo Jesosy niteny tamin'ireo mpianany hoe: "Raha misy te-hanaraka Ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy, hitondra ny hazofijaliany, ary manaraka Ahy. BSB BSB: Then Jesus told His disciples, “If anyone wants to come after Me, he must deny himself and take up his cross and follow Me.
25 ULB Fa na iza na iza te-hamonjy ny ainy dia hahavery azy, ary na iza na iza no hahavery ny ainy nohon'ny amiko, dia hahazo izany. BSB BSB: For whoever wants to save his life will lose it, but whoever loses his life for My sake will find it.
26 ULB Fa inona moa no soa ho azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao kanefa very ny ainy? Inona no omen'ny olona ho takalon'ny ainy? BSB BSB: What will it profit a man if he gains the whole world, yet forfeits his soul? Or what can a man give in exchange for his soul?
27 ULB Fa ny Zanak'Olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ireo anjeliny. Avy eo Izy hamaly soa ny olona tsirairay araka izay vitany. BSB BSB: For the Son of Man will come in His Father’s glory with His angels, and then He will repay each one according to what he has done.
28 ULB Lazaiko marina aminareo, fa misy sasany aminareo izay mijoro eto no tsy hitsapa ny fahafatesana mandrapahitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga amin'ny fanjakany." BSB BSB: Truly I tell you, some who are standing here will not taste death before they see the Son of Man coming in His kingdom.”