1 ULB Ary ny vahoakan'Israely, ny vondrona manontolo, dia nankany an'efitry ny Zina tamin'ny volana voalohany; nijanona tao Kadesy izy ireo. Tany Miriama no maty sy nalevina. BSB BSB: In the first month, the whole congregation of Israel entered the Wilderness of Zin and stayed in Kadesh. There Miriam died and was buried.
2 ULB Tsy nisy rano ho an'ny vondrona, ary niara-niangona hanohitra an'i Mosesy sy Arona izy ireo. BSB BSB: Now there was no water for the congregation, so they gathered against Moses and Aaron.
3 ULB Nitaraina tamin'i Mosesy ny vahoaka. Hoy izy ireo hoe: "Tsara kokoa raha maty toy ny Israelita namanay maty teo anatrehan'i Yaveh izahay! BSB BSB: The people quarreled with Moses and said, “If only we had perished with our brothers before the LORD!
4 ULB Nahoana no nentinao mba ho faty aty amin'ity efitra ity ny fivondronan'i Yaveh, dia izahay sy ny biby fiompinay? BSB BSB: Why have you brought the LORD’s assembly into this wilderness for us and our livestock to die here?
5 ULB Nahoana ianao no nampiakatra anay nivoaka avy tany Egypta nitondra anay amin'ity toerana mahatsiravina ity? Indro tsy misy voa, aviavy, voaloboka, na apongaben-danitra eto, ary tsy misy rano ho sotroina." BSB BSB: Why have you led us up out of Egypt to bring us to this wretched place? It is not a place of grain, figs, vines, or pomegranates—and there is no water to drink!”
6 ULB Ary niala teo anatrehan'ny fivondronana i Mosesy sy Arona. Niditra teo amin'ny fidiran'ny trano-lay fihaonana izy ireo ary niankohoka. Ary niseho tamin'izy ireo tao ny famirapiratan'ny voninahitr'i Yaveh. BSB BSB: Then Moses and Aaron went from the presence of the assembly to the entrance to the Tent of Meeting. They fell facedown, and the glory of the LORD appeared to them.
7 ULB Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh ary nanao hoe: BSB BSB: And the LORD said to Moses,
8 ULB "Alaivo ny tehina ary vorio ny fivondronana, ianao, sy Arona rahalahinao. Mitenena amin'ny vatolampy eo imason'izy ireo, ary mandidia mba hiboiboika rano izany. Hamokatra rano ho azy ireo avy ao amin'ny vatolampy ianao, ary tsy maintsy omenao ny fivondronana sy ireo biby fiompiny mba hosotroiny izany." BSB BSB: “Take the staff and assemble the congregation. You and your brother Aaron are to speak to the rock while they watch, and it will pour out its water. You will bring out water from the rock and provide drink for the congregation and their livestock.”
9 ULB Noraisin'i Mosesy avy teo anoloan'i Yaveh ny tehina, araka ny nandidian'i Yaveh azy mba hatao. BSB BSB: So Moses took the staff from the LORD’s presence, just as he had been commanded.
10 ULB Dia namory ny vahoaka teo anoloan'ny vatolampy i Mosesy sy Arona. Hoy i Mosesy tamin'izy ireo: "Ankehitriny mihainoa, ianareo mpikomy. Moa ve tsy maintsy hamoaka rano avy amin'ity vatolampy ity ho anareo izahay?" BSB BSB: Then Moses and Aaron gathered the assembly in front of the rock, and Moses said to them, “Listen now, you rebels, must we bring you water out of this rock?”
11 ULB Dia nanangana ny tanany i Mosesy ary nikapoka indroa ny vatolampy tamin'ny tehina, ka rano be no nivoaka. Nisotro ny fivondronana, sy ireo biby fiompiny. BSB BSB: Then Moses raised his hand and struck the rock twice with his staff, so that a great amount of water gushed out, and the congregation and their livestock were able to drink.
12 ULB Ary hoy i Yaveh tamin'ny Mosesy sy Arona: "Satria tsy natoky na nanome voninahitra Ahy ho masina teo imason'ny vahoakan'Israely ianareo, dia tsy hitondra ny fiangonana any amin'ny tany izay efa nomeko azy ireo ianareo." BSB BSB: But the LORD said to Moses and Aaron, “Because you did not trust Me to show My holiness in the sight of the Israelites, you will not bring this assembly into the land that I have given them.”
13 ULB Ity toerana ity dia nantsoina hoe ranon'i Meriba satria ny vahoakan'Israely dia nifanditra tamin'i Yaveh teo, ary nampiseho ny tenany tamin'izy ireo ho masina Izy. BSB BSB: These were the waters of Meribah, where the Israelites quarreled with the LORD, and He showed His holiness among them.
14 ULB Naniraka mpitondra hafatra avy tao Kadesy ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma i Mosesy: Izao no lazain'Israely rahalahinao: "Fantatrao ny ady sarotra izay efa nanjo anay. BSB BSB: From Kadesh, Moses sent messengers to tell the king of Edom, “This is what your brother Israel says: You know all the hardship that has befallen us,
15 ULB Fantatrao fa nidina tany Egypta ireo razanay ary nitoetra tao Egypta nandritra ny fotoana ela. Nitondra anay tamin'ny fahasiahana sy ireo razanay ihany koa ireo Egyptiana. BSB BSB: how our fathers went down to Egypt, where we lived many years. The Egyptians mistreated us and our fathers,
16 ULB Rehefa niantso mafy an'i Yaveh izahay, dia nandre ny feonay Izy ka nandefa anjely ary nitondra anay nivoaka avy tao Egypta. Indro, aty Kadesy izahay, tanàna iray eto amin'ny faritry ny taninao. BSB BSB: and when we cried out to the LORD, He heard our voice, sent an angel, and brought us out of Egypt. Now look, we are in Kadesh, a city on the edge of your territory.
17 ULB Mangataka aminao aho ny mba hamelanao anay handalo eo amin'ny taninao. Tsy handalo amin'ny saha na tanim-boaloboka, na hisotro ny rano ao amin'ireo lava-dranonao izahay. Handeha eny amin'ny lalamben'ny mpanjaka izahay. Tsy hivily hiankavanana na hiankavia izahay mandra-pahatonganay eny amin'ny sisin-taninao." BSB BSB: Please let us pass through your land. We will not go through any field or vineyard, or drink water from any well. We will stay on the King’s Highway; we will not turn to the right or to the left until we have passed through your territory.”
18 ULB Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly azy hoe: "Tsy mahazo mandalo eto ianareo. Raha mandalo ianareo, dia ho avy miaraka amin'ny sabatra hanafika anareo aho." BSB BSB: But Edom answered, “You may not travel through our land, or we will come out and confront you with the sword.”
19 ULB Ary ny vahoakan'Israely nanao taminy hoe: "Hamakivaky ny lalam-be izahay. Raha misotro ny ranonao izahay na ny biby fiompinay, dia honeranay izany. Avelao fotsiny izahay mba handeha tongotra, fa tsy anao zavatra hafa." BSB BSB: “We will stay on the main road,” the Israelites replied, “and if we or our herds drink your water, we will pay for it. There will be no problem; only let us pass through on foot.”
20 ULB Fa ny mpanjakan'i Edoma namaly hoe: "Tsy mahazo mandalo ianareo." Ka tonga namely an'Israely ny mpanjakan'i Edoma niaraka tamin'ny tana-maherin'ireo miaramila maro be. BSB BSB: But Edom insisted, “You may not pass through.” And they came out to confront the Israelites with a large army and a strong hand.
21 ULB Nandà ny hamela ny Israely hiampita teo amin'ny sisitan'izy ireo ny mpanjakan'i Edoma. Noho izany, dia nivily tamin'ny tanin'i Edoma ny Israely. BSB BSB: So Edom refused to allow Israel to pass through their territory, and Israel turned away from them.
22 ULB Koa niala tao Kadesy ny vahoaka. Ny vahoakan'Israely, ny fivondronana manontolo, nankany an-Tendrombohitra Hora. BSB BSB: After they had set out from Kadesh, the whole congregation of Israel came to Mount Hor.
23 ULB Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona tao an-Tendrombohitra Hora i Yaveh, eo amin'ny sisitanin'i Edoma. Hoy Izy: BSB BSB: And at Mount Hor, near the border of the land of Edom, the LORD said to Moses and Aaron,
24 ULB "Tsy maintsy hampiarahana amin'ny vahoakany i Arona, fa tsy hiditra amin'ny tany izay efa nomeko ny vahoakan'Israely izy. Izany dia satria samy nikomy nanohitra ny teniko tao amin'ny ranon'i Meriba ianareo. BSB BSB: “Aaron will be gathered to his people; he will not enter the land that I have given the Israelites, because both of you rebelled against My command at the waters of Meribah.
25 ULB Alaivo i Arona sy Eleazara zanany lahy, ary ento miakatra any an-Tendrombohitra Hora izy ireo. BSB BSB: Take Aaron and his son Eleazar and bring them up Mount Hor.
26 ULB Esory amin'i Arona ireo akanjo fisoronana ka ampanaovy an'i Eleazara zanany. Tsy maintsy ho faty Arona ary hampiarahina amin'ny vahoakany any." BSB BSB: Remove Aaron’s priestly garments and put them on his son Eleazar. Aaron will be gathered to his people and will die there.”
27 ULB Nanao araka izay nandidian'i Yaveh i Mosesy. Niakatra tany an-Tendrombohitra Hora teo imason'ny fivondronana rehetra izy ireo. BSB BSB: So Moses did as the LORD had commanded, and they climbed Mount Hor in the sight of the whole congregation.
28 ULB Nesorin'i Mosesy ny akanjo fisoronan'i Arona ary nampanaoviny an'i Eleazara zanany ireo. Maty teo an-tampon-tendrombohitra i Arona. Ary nidina i Mosesy sy Eleazara. BSB BSB: After Moses had removed Aaron’s garments and put them on his son Eleazar, Aaron died there on top of the mountain. Then Moses and Eleazar came down from the mountain.
29 ULB Rehefa hitan'ny vondrona rehetra fa maty i Arona, dia nisaona an'i Arona nandritra ny telopolo andro ny firenena manontolo. BSB BSB: When the whole congregation saw that Aaron had died, the entire house of Israel mourned for him thirty days.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.